
Fametrahana sehatra nandritra ny fetibe teo amin'ny Araben'ny “Les Recreâtrales”, toerana nanaovana ilay fetibe tao Ouagadougou ; Saripika an'i Joel Hevi
Nanomboka tamin'ny 2015, niatrika krizim-piarovana i Borkina-Fasô, indrindra fa noho ireo fanafihana djihadista ataon'ireo vondrona mitam-piadiana izay mampidi-doza ny vahoaka sivily. Ao anatin'io toedraharahan'ny tsy fandriam-pahalemana maharitra io, ny zavakanto no lasa fitaovana iray hanehoana ny hevitra sy ny fiaretana.
Ny fetibe Les Récréâtrales dia iray amin'ireo hetsika ara-javakanto lehibe ao amin'ny firenena. Tamin'ity taona ity, ny 24 Ôktôbra hatramin'ny 2 Novambra no nanaovana tamin'ny andiany faha-13-n'izy io tao Ouagadougou, renivohitra ara-pôlitika ao Borkina Fasô, mba hanomezana voninahitra ireo zavakanto velona. Asongadin'ilay hetsika ara-kolontsaina ny hetsika fanoherana ary marihany ny fanantenan'ireo Borkinabe marobe.
Manohitra ny herisetra sy ny tsy fitoniana
Lohahevitra nentina nanaovana ilay fetibe ny hoe “Atodiho hiatrika masoandro ny tavanao,” fanoharana ilazana ny hazavana sy ny fandriam-pahalemana, mifanohitra amin'ny haizin'ny herisetra sy ny tsy fitoniana. Manakoako mafy manokana io lohahevitra io ao anatina firenena iray izay fiainan'olona an-tapitrisa maro no nakorontan'ny ady sy ireo fanafihana mpampihorohoro. Aristide Tarnagda, talen'ny zavakanto ao amin'ny Les Récréâtrales no sady mpikambana ao anatin'ny vaomiera mpanomana no manazava amin'ny Global Voices ny lanjan'ilay fetibe:
Io dia fanasàna antsika hankany amin'izay tsara indrindra ao anatintsika, hivoaka ny haizina, fa indrindra mba hiray hina ny firenena manontolo, hitambatra, hamafy voan'ny hafaliana hiverenan'ny firahalahiana, ny finamànana ary ny fahitsiana. Ary mba hiarina ity firenena ity.
Làlana iray nomena anarana hoe “Rue des Récréâtrales” no nanatanterahana ilay fetibe, ao amin'ny kaominina mitondra anarana mitovy amin'i Ouagadougou renivohitra, ao amin'ny faritanin'i Kadiogo, faritra Afovoany. Ny làlana nizoran'ilay fetibe dia voaravaka asakanto goavana natao avy amina akora naverina nahodina indray, maneho endrik'olombelona, tsirinaina lahy ary kintana, miteraka rivo-piainana mihoatra izay takatry ny saina ary mandroboka.
Ny firafitry ny làlana mihitsy no miova ho sehatra miaina, ka eny ny zavakanto no lasa sady habaka fisaintsainana no fialofana ihany koa, ahafahan'ireo mpanatrika midoladola miala amin'ny toerana iray mankany amin'ny iray hafa no sady milona ihany ao anatin'ny tontolon'ireo Récréâtrales. Io fanehoana an-tsehatra miaina io dia ireo tranohevan-tsakafo sy asa famoronana ara-javakanto no manetsiketsika azy.

Seho tatiraly iray teo amin'ny fihodinan-dàlann'ny Les Récréâtrales, Làlana 9.32 fahiny, ao Gounghin, vohitr'i bougsemtenga ; Saripika an'i Joel Hevi
Hatramin'ny niforonany tamin'ny 2002, zavatra kendren'ny “Les Récréâtrales” ny hampivondrona ireo Afrikàna mpanakanto hanodidina ilay sehatra manaraka ny vaninandro ankehitriny. Nitàna io fanomezantoky io ny andiany 2024. Ny fandaharam-potoana, izay manafangaro ny zavakanto natao hojerena, ny dihy, ny mozika sy ny teatira, dia nanome toerana an'ireo fampisehoana voamariky ny herin'ny fitantaràn'olombelona sy ireo fijoroana vavolombelona momba ny fiainana. Ny fampisehoana tsirairay dia mamorona sehatra iray fifanakalozana momba ireo fanamby ara-tsôsialy sy pôlitika mamakivaky ny tanibe afrikàna. Araka izany, ny Les Récréâtrales dia manohy mampiako ny feon'ireo izay, amin'ny alàlan'ny zavakanto, mikatsaka ny handona, hanasitrana ary hanova ny fiarahamonina misy an-dry zareo.
Tantara an-tsehatra hizaràna traikefam-piainana
Ankoatra izany dia io lafiny lalina maha-olombelona io no tian'ilay fetibe hasongadina, miaraka amin'ireo asa famoronana toy ilay tantara Tu dis PDI izay nampivondronana ireo olona nafindra toerana tao anatiny ihany (PDI), avy ao Kaya (tanàna any amin'ny departemantan'i Kaya ao amin'ny faritra Afovoany-Avaratra) sy Tenkodogo (ao amin'ny kaominina ambonivohitr'i Tenkodogo, any amin'ny faritra Afovoany-Atsinanana) ary koa ireo tanora avy amin'ny vohitr'i Bougsemtenga. Ao anatin'io asakanto io, ny feon'ireo niharan'ny tsy fandriam-pahalemana no miaka-tsehatra. Nanana hirika ireo mpilalao, izay samy tsy matianina daholo, mba hizaràny ny traikefam-piainany sy hitakiany ny toerany ao anaty fiarahamonina. Amin'ny alàlan'io tetikasa io, porofoin'ny Les Récréâtrales fa tsy fomba iray handosirana sorisory fotsiny ny zavakanto, fa tena fitaovana fanoherana sy fanasitranana. Vincent Kaboré, mpilalao teatira sady mpandrindra an-tsehatra, no manazava ny lanjan'ilay tetikasa:
“Izahay, mpanakanto aty Borkina, dia nilaza tamin'ny tenanay hoe, amina fotoana iray voafaritra, tsy maintsy mirotsaka an-tsehatra amin'ny ady amin'ny fanaovana hiringiriny, ny fanaovana an-tendro feno herisetra. Niteny tamin'ny tenanay izahay hoe azonay atao ny miresaka amin'ireo rahalahy sy anabavinay izay nizaka dona, amin'ny alàlan'ny zavakanto. Manao izay vitany any an-kianja ny tafika, ary izahay koa tsy maintsy mitondra ny anjara birikinay hanasitranana fanahy. Satria azo antoka fa amin'ny alàlan'ny fitaovam-piadiana, azo atao ny mambabo tany, saingy amin'ny alàlan'ny zavakanto, azo atao ny mambabo fanahy. Nampiasainay io dingana lavabe amin'ny fanohanana ara-javakanto io mba hahatongavana amin'izao fampisehoana izao, ny Tu dis PDI. Amin'ny alàlan'ireo atrikasa momba ny dihy, ny teatira, ny hosodoko ary ny mozika no nahafahanay nanangana ireo fotoana fisaintsainana sy fanasitranana faobe izao.”
Ny Tu dis PDI dia mampahatsiahy ireo mpijery fa mijanona ho tompon'ny tantarany, ny adiny sy ny nofinofiny ny olombelona. Io kazarana fampisehoana io dia mandray tamberina manokana ao anatina toejavatra iray misy ireo Borkinabe amin'izao fotoana izao, izay misy olona mihoatra ny 2 tapitrisa teren'ny ady handositra ny trano fonenany. Araka ny marihan'i Kaboré:
Ny tanjon'ilay famoronana dia ny hametraka fanontaniana momba izay fomba handraisana sy hikarakaràna ireo miaina anatin'io fangirifiriana io. Ao amin'ny fireneko, raha ny lojika, dia tranoko daholo izay alehako ka diavin'ny tongotro. Araka izany, ny hoe nafindra toerana, ao anatiny, indrindra koa fa hoe ao amin'ny fireneko ihany, dia tena mavesatra tsy zaka.
Amin'ny alàlan'io fampisehoana io, antenain'ireo mpanakanto ny hitondra setriny artistika amin'ny fanaintainan'ireo nafindra toerana ary hitondra ho hita maso ireo izay namoy ny zavatra rehetra nananany. Hamafisin'ny Les Récréâtrales ny anjara toeran'ny kolontsaina borkinabe manodidina ireo soatoavina iraisana : ny firaisankina, ny fanantenana ary ny fahamendrehan'ny olombelona.
Ny tononkalo eny an'arabe
Ny lampihazon'ireo Récréâtrales koa dia voamarik'ireo fotoanan'ny tononkalo atrehi-maso sy ny mozika, miaraka amin'ireo haingon-tsehatra ara-javakanto sy ireo fampisehoana izay manasa ho amin'ny fitalanjonana. Ahafahan'ireo mponina sy mpitsidika mandray anjara mavitrika amin'ny famoronana ny teo amin'ny làlana Bougsemtenga. Ao anatin'ny toejavatra maneran-tany voapentin'ny firongatry ny disadisa sy fifandonana, porofoin'ny Les Récréâtrales fa ny kolontsaina dia afaka ny ho mpivoy fandriam-pahalemana sy firaisankina.
Ao anatin'ity ampahana lahatsary ity, an'ny Radiodiffusion Télévision du Burkina (RTB), milaza ny heviny ireo mpandray anjara sy mpilalao an-tsehatra:
Natomboka tamin'ity andiany faha-13 ity, ny lokan'ny Les Récréâtrales dia nomena an'ilay Kôngôley mpanoratra, Israël Nzila, noho ilay tantara nomeny lohateny hoe Silence. Io fankasitrahana io dia omena mba hanasongadinana ny lanjan'ny asa famoronana tantara an-tsehatra amin'izao vaninandro ankehitriny izao ao Afrika, tanibe iray izay ampiasàna ny asa anoratana sy ny fiakarana an-tsehatra ho toy ny fitaovana mahery vaika hiampangàna ny tsy rariny sy hitakiana ny fandraisam-pitenenana. Ilay fetibe dia ahafahana ihany koa manome lanja ireo talenta vao mipongatra.
Ny andiany faha-13 tamin'ny Les Récréâtrales dia mampiseho fa ny zavakanto dia fomba iray hanandratana avo ireo ratran'ny firenena sy hanamafisana ny fifamatorana ara-tsôsialy ao anatin'ny vanim-potoanan'ny krizim-piarovana.