
Tranoben'ny UNRWA taorian'ny daroka baomba nataon'ny tafika Israeliana tao Gaza tamin'ny 15 Janoary 2009. Sary avy amin'ny ISM Palestine. Loharano: Flickr (CC BY-SA 2.0)
Israely no firenena voalohany namoaka lalàna mandràra ny andrim-panjakana iray ao amin'ny Firenena Mikambana, manao ho lasibatra ny United Nations Relief and Works Agency (UNRWA) ary nanambara azy ho “vondrona mpampihorohoro” amin'ny latsa-bato saika tsy nisy nitsipaka 92–10.
Miteraka fanontaniana lalina ity hetsika tsy mbola nisy hatrizay ity: Inona no dikan'ny hoe lasa “fikambanana mpampihorohoro” ny sampandraharaha maneran-tany — ekena sady vatsian'ny ankamaroan'ny firenena maneran-tany ? Ity fanendrena ity dia Tsy vitan'ny manohintohina ny iraka maha-olona ataon'ny UNRWA izao fanonona izao fa manaloka ny sampan-draharaha iraisam-pirenena hafa miasa amin'ny fiarovana ny zon'olombelona sy ny fandriampahalemana.
Fandranitana niniana
Naorina tamin'ny taona 1949 ny UNRWA ary manome servisy iankinan'ny ain'ireo Palestiniana mpitsoa-ponenana, ao anatin'izany ny fanabeazana, ny fikarakarana ara-pahasalamana, ary ny fanohanana ara-tsosialy any Morondrano Andrefana, Gaza, Libanona, Syria ary Jordania. Na dia nanakiana ny UNRWA hatry ny ela aza i Israely, dia mampitombo hirifiry amin'ny dingana fanaovan-dalàna ny lalàna vao haingana, mandràra ny sampan-draharaha tsy hiasa ao Israely ary manitatra izany fandraràna izany amin'ny faritra rehetra bodoiny araka ny lalàna iraisampirenena.
Nanomboka tamin'ny volana Oktobra 2023, noravan'i Israely hatrany hatrany ireo tranoben'ny UNRWA ao Gaza, anisan'izany ireo sekoly ialofan'ireo olona nafindra toerana, ary, tamin'ny volana May 2024, voatery nakatona vonjimaika ny foiben'ny UNRWA tao Jerosalema Atsinanana noho ny fanafihan‘ny “Isiraeliana mahery fihetsika.”
Israeli soldiers rejoicing as a UN run school in Beit Hanoun in northern Gaza blown is turned to rubble by Israel.
The UN uses their buildings to offer shelter to displaced Palestinians.
133 UN staff have been murdered by Israel.
— Howard Beckett (@BeckettUnite) December 12, 2023
Miaramila israeliana faly amin'ny fandravàn'Israely ny sekoly tantanin'ny Firenena Mikambana ao Beit Hanoun any avaratr'i Gaza.
Mampiasa ny tranobeny ny ONU mba hanomezana fialofana ho an'ireo Palestiniana nafindra toerana.
Mpiasan'ny Firenena Mikambana 133 no novonoin’ Isiraely.
Araka ny voalazan'ny Foibe Ara-Pitsarana Adalah, dikain’ireo lalàna ireo ny fepetra vonjimaika didian'ny Fitsarana Iraisam-pirenena (CIJ) ary mety hanitsaka ny Dinan'ny Fandripaham-poko (firenena) sy ny Satan'ny ICC tany Roma izany. Voatohintohin'ity lalàna ity ny fiainan'ny Palestiniana mpitsoa-ponenana maherin'ny 2,5 tapitrisa ao amin'ny faritanin'i Palestiniana voabodo, ary “maneho fikasana iniana hanimbàna ny UNRWA sy ny iraka tena ilaina amin'ny fanohanana ny vonjy voina, ny fanabeazana ary ny fampandrosoana maha-olombelona ireo Palestiniana mpitsoa-ponenana.” Tanjon'izany manokana ny hanesorana amin'ireo Palestiniana nafindra toerana nandritra ny Nakba taona 1948 sy ny ady tamin'ny taona 1967 ny maha mpitsoa-ponenana azy ireo sy ny zony hody. Niantso ny fianakaviambe iraisampirenena ny Adalah mba hitazona an'i Israely ho tompon'andraikitra.
Namoaka fanambaràna iraisana ny governemantan’i Irlandy, Norvezy, Slovenia ary Espaina, nanakiana ilay lalàna vaovao, ka nilaza azy ho “santatra lalina (mikendry) ny asan’ny Firenena Mikambana sy ho an’ny fikambanana rehetra ao anatin’izany rafitra iraisampirenena izany”.
Fiharatsian'ny fifandraisana amin'ny ONU
Nanimba haingana kokoa ny fifandraisana efa miharatsy eo amin’ Israely sy ny Firenena Mikambana ilay lalàna vao haingana navoakan'ny Knesset, manamarika krizy amin'ny lamina taorian'ny Ady Lehibe Faharoa natao hiarovana ny fandriampahalemana sy ny zon'olombelona. Mihaika ny fahefan'ny lalàna iraisampirenena ity lalàna ity sy ny maha-zava-dehibe ireo andrim-panjakana natao hiarovana ny zon'olombelona, ary mety hanentana ny firenena hafa hanao izany koa.
Tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny i24News tamin'ny Aogositra 2024, nilaza i Gilad Erdan, masoivoho israeliana teo aloha ao amin'ny Firenena Mikambana, fa “mila akatona sy fafàna tsy ho ambonin'ny tany ny tranoben'ny Firenena Mikambana ao Jerosalema.” Efa nahazo laza i Erdan teo aloha, tamin'ny Mey 2024, tamin'ny famotsipotserana ny satan'ny Firenena Mikambana nandritra ny lahateniny nandritra ny fivoriambe.
Israeli ambassador to the UN pathetically brought a paper shredder to the UN General Assembly to shred the UN Charter in protest over majority resolution to expand Palestine’s “rights and privileges” at the UN. pic.twitter.com/NsOxHgMxph
— Marwa Fatafta مروة فطافطة (@marwasf) May 10, 2024
Nitondra fanetezan-taratasy tao amin'ny Fivoriamben'ny Firenena Mikambana mihitsy ny masoivoho Isiraeliana ao amin'ny Firenena Mikambana hanapatapahana ny Satan'ny Firenena Mikambana ho fanoherana ny fanapahan-kevitry ny maro an'isa hanitarana ny “zo sy tombontsoa” an'i Palestina ao amin'ny Firenena Mikambana.
Nanamafy ny fihantsiany ny Knesset tamin'ny volana Jolay, tamin'ny fanapahan-kevitra iray izay saika tsy nisy nitsipaka ihany koa (68-9) nandà ny fananganana fanjakana Palestiniana, mifanohitra amin'ny foto-kevitry ny vahaolana fanjakana roa voasoritra ao amin'ny Fifanarahan'i Oslo sy ireo fanapahan-kevitry ny Firenena Mikambana mifandraika amin'izany tsy noraharahian’i Israely ara-tantara mihitsy.
Lalantsaina anoherana ny Firenena Mikambana
Tsy tranga maningana ny fandraràn'i Israely ny UNRWA dia fa ampahany amin'ny zotra midadasika kokoa ifanoherana amin'ny Firenena Mikambana sy ny andrim-panjakana ao aminy. Vao haingana i António Guterres, sekretera jeneralin'ny Firenena Mikambana, no noraràn‘ Israely tsy hahazo miditra ao aminy .
Manara-dia ireo tranga maro amin'ny fandavana ny fahazoan-dàlana hidiran'ny solontenan'ny Firenena Mikambana sy ireo mpanadihady ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Israely sy amin'ireo faritany Palestiniana voabodo ity dingana ity. Tsipahin'Isiraely hatrany ny antson'ny Firenena Mikambana hanaovana famotorana momba ireo lazaina fa fihoaram-pefy, tsy iraharahiana ireo fanapahan-kevitra mifandraika amin'ny fanitarana toeram-ponenana, hetsika ara-miaramila ao Gaza, Morondrano Andrefana, na Libanona.
Niatrika fanafihana mivantana ny miaramilan'ny UNIFIL (Hery vonjimaikan'ny Firenena Mikambana ao Libanona), voatendry hanara-maso ny fandriampahalemana manamorona ny sisintanin'i Libanona-Israely, ka niteraka fanamelohana. Tamin'ny 12 Oktobra, taorian'ny fiverimberenan'ny fanafihana Israeliana tamin'ny miaramilan'ny Firenena Mikambana tany Libanona Atsimo, namoaka fanambaràna iraisana manameloka ireo fanafihana ireo ny firenena 44, anisan'izany ireo mpikambana raikitra telo ao amin'ny Filankevitra ara-Piarovan'ny Firenena Mikambana.
Tamin'ny Mey 2024, namoaka fanapahan-kevitra ny Filankevitry ny Fiarovan'ny Firenena Mikambana manameloka ny fanafihana ny mpiasan'ny Firenena Mikambana sy ny mpiasan'ny mpanao fanampiana any amin'ny faritra misy ady. Nahafaty mpiasan'ny Firenena Mikambana 237 farafahakeliny ny bemidin'Israely tao Gaza fotsiny .
Setriny iraisampirenena sy fandraisana andraikitra
Nifamahofaho ny valin-tenin'ny vondrom-piarahamonina iraisampirenena, fa misy firenena sasany manambara ny ahiahiny amin'ny fiantraikan'ny fandraràna ho an'ny mpiasan'ny Firenena Mikambana maneran-tany, na dia vitsy aza manolotra sazy manandanja ho an’ Israely. Tsy mety hanasazy ara-toekarena na ara-politika amin'ny ankapobeny ny firenena eoropeana, amin'ny anaovan'Israely ny UNRWA. miteraka fanontaniana momba ny maha-azo atokisana ny lalàna iraisampirenena io tsy fisian-traika io ka mety hanova ny zava-misy ho lasa tandindona tsy misy rafitra azo ampiharina.
Mipoitra ao anaty firongatry ny herisetra ireo fivoarana ireo, indrindra fa any Gaza sy Libanona, izay mety handrakotra ny faritra manontolo amin'ny ady lehibe kokoa. Niteraka fahafatesan'olona sivily sy fanamelohana iraisampirenena ny hetsika ara-miaramila Israeliana tany Jabalia sy Gaza Avaratra, satria niatrika fiampangana fandripahana olona azon'ny CIJ heverina ho misy tokoa ny firenena.

Fotoam-pitsarana atrehim-bahoaka ifanoheran'i Afrika Atsimo amin'Israely. 16-17 May. Loharano: International Court of Justice. Copyrights exempt.
Vao haingana ny sampan-draharaham-pikarohana ao amin'ny Oniversiten'i Londres, Forensic Architecture, namoaka tatitra pejy 827 mitondra ny lohateny hoe “A Cartography of Genocide” [fandraketana an-tsarintany ny fandripahana], mirakitra hatramin'ny antsipiriany ny fiantraikan'ny ady ao Gaza.
NEW: ‘A Cartography of Genocide’. Since October 2023, we have collected and analysed data related to Israel’s military campaign in Gaza. Our findings indicate that Israel has systematically targeted all aspects of civilian life. https://t.co/UUxYqpTF72 pic.twitter.com/lpqv78S5c4
— Forensic Architecture (@ForensicArchi) October 29, 2024
VAOVAO: ‘Sarintany momba ny fandripaham-poko’. Nanomboka tamin'ny Oktobra 2023, nanangona sy nanadihady angon-drakitra mifandraika amin'ny hetsika ara-tafika Israeliana tany Gaza izahay. Ny zavatra hitanay dia manondro fa ataon'Israely lasibatra avokoa ny lafiny rehetra amin'ny fiainana sivily.
Nampitandrina ireo manam-pahaizana momba ny zon'olombelona ao amin'ny Firenena Mikambana fa mety ho lasa “paria” [voahilikilika] iraisampirenena i Israely. Tamin’ny tsingerintaona voalohany nanombohan'ny ady tamin’ny 7 Oktobra, nilaza ireo manam-pahaizana ao amin’ny Firenena Mikambana fa “nahita fitomboan’ny herisetra feno habibiana izao tontolo izao, niafara tamin’ny fanafihana fandripaham-poko palestiniana, famafàna izany foko izany ary fanasaziana tambabe, izay mety handrava ny rafitra iraisam-pirenena marolafy.”
Manakana ny fahafahan'ny Firenena Mikambana mamaly amim-pahombiazana ny krizy maha-olona manerana ny faritra ny fankahalan'Israely ireo andrin'ny Firenena Mikambana. Amin'ny fanakanana ny UNRWA amin'ny asany any amin'ny faritra fehezin'ny Israeliana, an-tapitrisany maro no tsy mahazo fanampiana sy serivisy ilaina.
Fiandohana mampidi-doza
Azo jerena ho taratry ny tsy firaharahiana velively ny lalàna iraisampirenena ny fandraràna ara-panaovan-dalàna Israeliana ny UNRWA. Raha avela hitohy ny fanoheranaataon'Israely amin'ny Firenena Mikambana, vondrom-piarahamonina maneran-tany, dia mety hampahalemy ity andrim-panjakana natao hitandrovana ny filaminana sy ny rariny ity, hampihena ny herin'izy ireo rehefa hanao zavatra — na dia an-tsariohatra fotsiny aza — amin'ny fifandirana rahampitso.
Soritan'ity toe-javatra ity ny filana fanavaozana ny fanoloran-tena amin'ny fiaraha-miasa iraisampirenena sy ny tena fandraisana andraikitra. Raha tsy miray hina mijoro tsara anoherana ny fitomboan'ny fihantsiana ny Firenena Mikambana sy ny masoivohony dia mety ho very fahefana amin'ny iraka najorony ho fanohanana amin'ny kihon-dalan'ny tantaran'ny planeta. Ny tsy fahavitana mitazona an'i Israely ho tompon'andraikitra amin'ny zavatra ataony dia mety hamela ity ohatra ity hanimba ny rafitra amin'ny ankapobeny ary hanimba bebe kokoa ny fahatokisan'ny Firenena Mikambana herintaona mahery tsy nahavitana nampitsahatra ireo heloka bevava voarakitra sy izay mbola mihatra ao anatin'ny ady mandravarava ao Gaza.