Efatra ambinifolo kilaometatra ao atsimon'ny Lemak'i Kathmandu no misy ny vohitra kely iray tsy mbola tratry ny fanavaozana hanaraka ny vaninandro maoderina. Eo amin'ny sampanan-dàlan'ny hoe hanohy sa hamadika ho maoderina ny vokatr'izy ireo hifanaraka amin'ireo tsena vaovao iPyangaon, anarana avy amin'ny hoe “pyang” — tavoara nepaley fahiny famàrana vita avy amin'ny volobe.
Tavoara vita amin'ny volobe, amin'ny endrika sy habe isankarazany
Raha ny tena izy ny Pyangs dia namboarina hamàrana voamaina mitovy lanja amin'ny mana iray na pathi iray, mari-pandrefesana nahazatra mbola ampiasaina hatrany any amin'ireo faritra ambanivohitra ao Nepal. Raha mitovy amin'ny in-10-n'ny tànana ny 1 mana, ny 8 manas kosa manome 1 pathi. Nampiasaina ihany koa ny Pyangs mba hitahirizana voamaina, zava-manitra, akanjo sy zavatra hafa sarobidy.
Fahiny, ny ankamaroan'ireo mponina tao Pyangaon dia nanamboatra pyangs sy nanakalo ireny tavoara ireny tamina vary sy voamaina na nivarotra izany teny an-tsena tsy lavitra azy.

Pyangs amin'ny habe sy endrika isankarazany. Saripika an'i Sanjib Chaudhary. Fampiasàna nahazoana alàlana.
Rehefa ampiasaina sy rehefa nolazoin'ny fotoana dia mivadika lokom-bolamena ireo pyang mavo maivana. Nokarakaraina mba hahatohitra bibikely sy katsentsika ireo tavoara vita tamin'ny volobe, amin'ny alàlan'ny dingana iray famanàna azy ireny ambony afo-mololo, fanatsobohana azy anaty rano sy fanapotsirana azy ambany vesatra. Manaja ny tontolo iainana ihany koa izy ireny, hoy ireo mpanamboatra azy.

Tirtha Maharjan, 41 taona, manamboatra taovara pyangs efa ho fito taona izao. Saripika an'i Sanjib Chaudhary. Fampiasàna nahazoana alàlana.
Kanefa, na eo aza ny filàna azy ireny, tsy dia misy mpila firy intsony ireo pyangs. “Eny an-tsena, afaka mahazo tavoara mora vidy vita tamin'ny plastika isika, ary tavoara maharitra kokoa vita avy amin'ny vy,” hoy i Tirtha Maharjan, mpanao asatànana izay fito taona lasa izay no nianarany nanamboatra pyangs ary mbola manohy amin'ny fomba nentim-paharazana, tao anaty antsafa iray nifanaovany tamin'ny Global Voices. “Taorian'ny fandrafetana endrika tsy nasiana fiomanana, niaraka tamin'ny fanampian'i Aman Shahi, naondrana nankany amina firenena marobe ireo vokatro, isan'ireny Japàna sy Bangladesh.”
“Nanao tefiendrika ihany koa aho ho fitaovana fampahafantarana ho an’ny asatànana mba hahafantarana bebe kokoa ireo fombandrazana sy fahaizan'ny olona ny pyang,” hoy ny nosoratan'i Aman Shahi, mpanakanto iray niaraka niasa tamin'ireo mpanao asa tànana ao an-toerana. “Tanjon'io tetikasa io ny hanasongadina, hitahiry, sy handrakitra antontan-kevitra manana endrika artistika ary hanome sosokevitra momba izay fomba hitazonana ho velona ny lovan'i Pyangaon sy ny zavakanto vita amin'ny volobe ao aminy.”
Manampy izy hoe: “Ho an'ilay tetikasako Pyang, dia miaraka miasa amin'ilay mpanao tefiendrika Alina Manandhar aho, izay mitovy fitiavana amiko amin'ny resaka asatànana nentindrazana. Izahay dia samy manantena hiasa miaraka amin'ny vondrom-piarahamonina mba hanorina tsena iray vaovao ho an'ny pyang, izay tsy isalasalàna fa hitondra tombony marobe ara-toekarena sy ara-tsôsialy, ankoatra ny fanasongadinana ny mety ho fahafahan'ny asatànana hanohana toekarena maitso iray aty Nepal.”
Mandeha amin'ny làlan'ny fahiny
Ankoatry ny pyangs, ny tanànan'i Pyangaon dia toerana iray mahafinaritra nahay nitahiry ny maripamantarana tsy manampaharoa ananany. Tsotra sy mampahatsiahy ny andro fahiny ny fiainana ao amin'io vohitra mahafinaritra io – ireo trano tranainy vita tamin'ny biriky mirakotra kolan-katsaka maina, ireo voa atapy andro andro ho maina eny an-dàlana, ireo andiana gàna sy akoho mivenjivenjy eny an-dàlana ary ny olona, tsy vavy tsy lahy, mitanina andro, miresaka sy manao ny asa an-tokantrano.
Araka ny voalazan'i Gerard Toffin, Tale am-boninahitry ny fikarohana ao amin'ny Ivon-toerana Nasiônaly ho an'ny Fikarohana Siantifika ao Parisy, izay nandalina an'i Pyangaon nandritra ny andian-taona 1970s, “…mbola toy ny taloha ilay hany làlana ao amin'io tanàna io, mbola misy ireo tsatoka mijoalajoala fanahazana katsaka sy tandavan-trano roa mifanila andaniny sy ankilany.”
Toffin mbola manoratra bebe kokoa: “Fanampin'izay, ezahan'ireo tanora ny manome aina vao ny asa tànana amin'ny fanamboarana tavoara vita amin'ny volobe, pyāṅg (na dyāṃcā, hāpā) (izay niavian'ny anarana nepaley ho an'ilay vohitra), fahiny nampiasaina hamàrana voamaina sy hitahirizana karazana hanitra isankarazany.”