Nepaley marobe no voafitaka hiditra tao amin'ny tafika Rosiana

Image by Khagendra Khatri. Used with permission.

Sary avy amin'i Khagendra Khatri. Nahazoana alalana.

Ity lahatsoratr'i Marty Logan ity dia navoaka voalohany tao amin'ny Nepali Times, ary naverina navoaka ato amin'ny Global Voices ny dikan-teny nasiam-panovana ho ampahany amin'ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.

Efa nanarangarana hiasa any Korea Atsimo i Khagendra Khatri. Efa nifindra avy tao amin'ny distrikan'i Rolpa ho any amin'ny distrikan'i Dang ao amin'ny faritanin'i Lumbini ao Nepal mihitsy aza izy hahafahany manao kilasy hiomanana amin'ny fanadinana teny Koreana tsy maintsy atao.

Indray andro dia nisy lehilahy nanatona azy tao Tulsipur, any amin’ny Distrikan’i Dang, ary nanontany raha liana ny handeha hiasa any Rosia izy. Nandà izy, saingy mbola nikiry ihany ilay lehilahy. Enina herinandro taty aoriana dia niova hevitra i Khatri, ary tamin'ny 15 Oktobra 2023, niainga ho any Moscou nandalo Dubai avy any Kathmandu izy niaraka tamin'ny Nepaley 52 mitady asa.

Efa nandre ny ady Rosia-Okraina izy, saingy nampanantena azy ho mpahandro tsy any ambava ady ilay mpitady mpiasa. NPR 500.000 (USD 3,698) isam-bolana any ho any ny karama, ary rehefa afaka herintaona, dia afa-monina maharitra any Rosia. Nolazaina mihitsy aza i Khatri fa azo fidìna hahazo visa an'i Etazonia aorian'izay.

Nandany andro roa tany Moskoa ireo Nepaley tao amin'ny vondrona hameno ny antontan-taratasy. Avy eo dia nampidirina tao anaty fiara fitateram-bahoaka izy ireo ary nentina tany amin’ny toby iray tany an’ala nampiofanina nandritra ny herinandro, anisan’izany ny fomba fampiasana basy.

Khagendra Khatri miaraka amin'ireo Nepaley miaramila ao Rosia. Image avy amin'i Khagendra Khatri. Nahazoana alalana.

Tamin'izay fotoana izay i Khatri mbola nieritreritra fa hahandro sakafo ho an'ny mpiady.

“Taorian’ny nitondrana anay fanindroany tany amin’ny toby fanofanana no nahitako ny anarako nipoitra tampoka teo amin’ny lisitry ny miaramila handeha hiady. Ary tamin'izay aho no voadona hoe handeha hiady,” hoy i Khatri tamin'ny resadresaka tany Kathmandu.

“Nanomboka niresaka tamina miaramila iray manan-danja aho rehefa nahita ny anarako, nampiasa Google Translate,” hoy izy nanohy. “Niezaka nandresy lahatra azy aho mba hanala ahy anaty lisitra. Tsy nihaino ahy izy tamin’ny voalohany, fa nikiry niresaka taminy foana aho nandritra ny iray andro sy tapany, ary farany izy nanaiky hitondra anay Nepaley fito raha samy mandoa 17.000 robla [174 dolaran'i Etazonia] avy izahay.”

Nampidinin’ilay lehilahy misasakalina tamin’ny fiarany manokana ireo Nepaley dimy kilaometatra niala ny toby. Nanomboka teo izy ireo nanavatsava ny ala anaty ririnina rosiana nangatsiaka be.

“Tsy natahotra izahay sao hisy olona ho avy hisambotra anay,” hoy i Khatri. “Nampatahotra anay kokoa ny hifanena amin'ny bibidia — inona no hataonay? Nanoramandry koa tamin’izay, ka nanahy izahay sao ho fatin'ny hatsiaka.”

Nandeha an-tongotra nandritra ny 16 ora maninjitra izahay, mandra-panaton’ny fiara iray, ary nijanona. Rehefa avy nanazava ny zava-nitranga sy ny toerana niaviany ireo lehilahy ireo, dia nanaiky ny hitondra azy ireo nandritra ny adiny fito ho any Moskoa ilay mpamily.

Rehefa fantany fa tapitra ny visa-n’izy ireo, dia nentin’ilay mpamily nanampy azy ireo tany amin’ny trano fandraisam-bahiny iray izay fantany fa ho voaro izy ireo. Tsy nety nandray vola mihitsy aza izy tamin'ny fitondrana azy ireo sy ny fanampiana azy ireo.

Tao an-trano fandraisam-bahiny ireo lehilahy ireo nifandray tamin'ny namana sy havana any Nepal izay nandefa azy ireo tapakila fiaramanidina. Indray andro taty aoriana, efa tao amin'ny seranam-piaramanidina Moskoa izy ireo, niditra ny sidina hody.

Image by Khagendra Khatri. Used with permission.

Sary avy amin'i Khagendra Khatri. Nahazoana alalana.

Ankehitriny, efa ho herintaona katroka taty aoriana, nilaza i Khatri fa toa tsy (mampino) ny zava-niainana indraindray: “Toy ny tantara tokoa izany, ary mety tsy hino izany ny olona. Fa tany tokoa aho ary tena natahotra. Ny eritreritra nandalo tao an-tsaiko dia hoe… ho faty eto aho, ”hoy izy.

Nanomboka nanao toeram-pambolena tao Rolpa niaraka tamin'ny fianakaviany i Khatri. Saingy misalasala izy fa hahazo vola ahafahana mandoa ny trosa NPR 1 tapitrisa (eo amin'ny 7.741 dôlaran'i Etazonia eo ho eo) nindraminy. Mitady hirika vaovao sy azo antoka kokoa any ivelan'ny fireneny izy izao.

Nanaiky izy raha nanontaniana fandrao manahy ny ho voafitaka indray, namaly hoe: “Eny, matahotra an’izany aho. Ary heveriko fa ara-dalàna ny mieritreritra toy izany. Fa amin'izay fotoana izay, tsapako fa ny firenena manana fifanarahana amin'ny governemantan'i Nepal ihany no hosafidiako mba tsy hahavofitaka ahy intsony.”

Nilaza i Khatri fa tsy afaka mieritreritra amin'ireo ireo namany izay nahavita soa ho an'ny tenany tsy nifindra monina tany ivelany. Nanampy izy hoe: “Ny ankamaroan'ny namako, eny fa na dia ireo izay nanandrana nanao zavatra teto Nepal aza, dia tsy nisy nahomby tamin'izay nataony ary voatery nandeha tany ivelany. Heveriko fa tsy nahita aho na dia iray monja aza tamin'ireo namako nahomby teto Nepal.”

Lehilahy roa antsoina hoe Mohan Oli sy Nim Bahadur Kunwar (Sushant), araka ny tatitry ny Foiben'ny Asa Fanaovan-gazety Mamaky Bantsilana ao Nepal no nanera asa an'i Khatri sy ireo Nepaley hafa. Manana lisitr'ireo mpanao trafika miisa 61 voarohirohy tamin'ny fandraisana Nepaley ho ao amin'ny Tafika Rosiana ny polisy ary nisambotra ny 22 tamin'izy ireo. Ny sasany namerina ny sarany, ary ny n(o)afahana ny ankamaroany.

Tombanana ho an'arivony vitsivitsy ny Nepaley ao amin'ny Tafika Rosiana. Farafahakeliny 44 tamin’izy ireo no namoy ny ainy teo am-panatanterahana ny asa, raha ny enina kosa voasambotra ary voalaza fa gadra an’ady any Okraina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.