Nahoana no tsy maintsy miezaka amin'ny fampidirana ny teny Afrikanina ireo goavamben'ny teknolojia

Ankizy teratany Tanzania mampiasa solosaina finday. Sary avy amin'i Kureng Workx, avy amin'ny Pexels (Azo ampiasaina malalaka).

Nanambara ilay goavan'ny teknolojia Google fa teny afrikanina 15 hafa no hampidirina ao amin'ny Voice Search, Gboard talk-to-type, sy Translate dictation tamin'ny 28 Oktobra. Anisan'izany ny fiteny Chichewa, Hausa, Igbo, Kikuyu, Oromo, Rundi, Shona, Somali, Ndebele Atsimo, Swati, Tigrinya, Twi, Tswana, Nigerian Pidgin, ary Yoruba.

Ahafahan'ny Afrikana 300 tapitrisa bebe kokoa hifanerasera amin'ny  tranonkala amin'ny fampiasana ny feon'izy ireo ity dingana manan-danja ity, nefa koa mampiseho ny habetsaky ny asa ilaina hanidy ny elanelana nomerika eo amin'i Afrika sy ny tontolo hafa.

Ny kaontinanta Afrikana no kaontinanta faharoa be mponina indrindra maneran-tany, izay misy mponina maherin'ny 1,34 lavitrisa. Nasehon'ny fanadihadiana iray navoakan'ny Statista tamin'ny Jolay 2024 fa i Afrika no kaontinanta manana karazana fiteny maro be indrindra eran-tany, satria eo amin'ny 2.158 eo ny fiteny velona ao amin'io kaontinanta io. Raha ampiasaina any Nizeria ny 25 isanjato eo ho eo (520) amin’ireo fiteny ireo, dia fiteny 277 sy 214 kosa no ampiasaina any Kamerona sy ny Repoblika Demaokratikan’i Congo. I Seychelles no firenena tsy manana fiteny samihafa indrindra eto Afrika, izay fiteny efatra ihany no ampiasaina.

Taorian'ny fanambaràna, Alamazan Jak, mpisera avy any Busoga, Ogandà, nanoratra izao fanehoan-kevitra manaraka izao ho setrin'ny fanambaràna tao amin'ny vondrom-piarahamonina fandikan-teny Google:

Congratulations on the exciting announcement! Expanding dictation to 13 African languages is a significant milestone. Your dedication to inclusivity and diversity is truly commendable.

However, I couldn't help but notice that Lusoga, a vital language spoken in Eastern Uganda, is not among the listed languages. As a proud speaker of Lusoga, I eagerly await its inclusion.

Could you please share any plans or timelines for adding Lusoga to Google Translate's supported languages? Your consideration would mean a great deal to the Lusoga-speaking community.

Thank you for your tireless efforts in breaking language barriers. I look forward to your response. 

Arahabaina tamin'ny fanambaràna mampientam-po! Dingana lehibe iray ny fanitarana ny sora-tononina amin'ny fiteny Afrikanina 13. Tena mendri-piderana ny fanoloran-tenanareo amin'ny fampidirana sy ny fahasamihafana.

Tsikaritro anefa fa tsy anisan’ireo fiteny voatanisa ny Lusoga, izay fiteny manadanja ampiasaina any Ogandà Atsinanana. Amin'ny maha-mpiteny Lusoga sahy miseho ahy, dia miandry fatratra ny fampidirana azy aho.

Afaka mizara drafitra na fandaharam-potoana hampidirana ny Lusoga amin'ny fiteny zakan'ny Google Translate ve ianareo? Mety hisy dikany lehibe ho an'ny vondrom-piarahamonina miteny Lusoga ny fiheveranareo izany.

Misaotra anao tamin'ny ezaka tsy nitsahatra nandrava ny sakana amin'ny fiteny. Manantena ny valin-teninareo aho.

Mampiseho ity fanehoan-kevitra ity fa mbola voahilika ny Lusoga sy ny fiteny Afrikana an'arivony hafa, ka mangetaheta fanehoana fiteny maro ny mpiserasera. Fiteny ampiasain'ny olona 3 tapitrisa mahery any Ouganda ny Lusoga (Soga).

Satria mihamivoatra sy mahazo vahana manerantany ny teknolojian'ny Ilontsaina Arafitrolombelona (IA), dia nampidirina ao anaty fitaovana maro izy ireny mba hanao ny raharaha andavanandro, manamora ny fiainan'ny olona sy ny asa amin'ny ankapobeny. Na dia mitombo isan'andro aza ny fampiasana ny fitaovana IA eto Afrika, maro ireo mpisera no mbola tsy afaka miditra amin'ny fiteniny. Raha tsy tafiditra ao anaty fandrafetan'ireo fitaovana ireo ny fiteny toy ny Soga, Afrikana an-jatony tapitrisa no mety tsy hahazo tombony amin'ny fahafahana tsy misy fetra atolotry ny IA. Vao mainka hampitombo ny hantsana ara-teknolojia eo amin'i Afrika sy izao tontolo izao izany fanilihana izany.

Mety hanakana ny fitomboana ara-toekaren'ny firenena Afrikana maro ny sakana ara-pitenenana amin'ny fanakonana ireo mpiteny vazimba teratany tsy hahita hirika arak'asa sy tsena anjotra. Mety hisy fiatraikany ratsy amin'ny rafi-panabeazana any amin'ny firenena maro ny fanilihana ny fiteny teratany Afrikana amin'ny fampivoarana ny fitaovana IA ampiasaina any an-tsekoly. Mandritra izany, mijanona ambany 12 isanjato ny fampiasana IA amin'ny fanabeazana manerana ny kaontinanta.

Hirika amin'ny fampiatìna ara-piteny eto Afrika

Andrin'ny toekaren'i Afrika ny fambolena. Mandray anjara lehibe amin’ny harin-karena faoben’ny firenena Afrikanina maro ny seha-pambolena. Maherin'ny 43 isanjaton'ny mponina mavitrika ara-toekarena any Afrika no mivelona amin'ny fambolena any amin'ny faritra lavitra. Na izany aza, maro amin'ireo Afrikana mpamboly madinika no miatrika fanamby toy ny toetr'andro tsy ampoizina, ny tsy fandriampahalemana ara-bokatra, ny tsi-fetezan'ny fampitaovana, ny famerana fahazoana tolotra ara-bola ofisialy, ny famerana ny fidirana amin'ny tsena nomerika, ny fitotonganan'ny toekarena, ny tsy fahaizan'ny tantsaha maro mamaky teny sy manoratra, sy ny maro hafa. Voaporofo fa mahomby amin'ny fanalefahana ireo fanamby ireo ny fampiasana ny teknolojia nomerika velomin'ny IA. Tsy azo ampiasaina amin'ny fitenin'ny tantsaha anefa ny ankamaroan'ireo fitaovana ireo.

Sahy maneho vakoka ara-kolontsaina sy fomban-drazana maro i Afrika. Ny fiteny no fototra iorenan'ireo harem-bakoka sy fomban-drazana ireo. Fitehirizam-pahalalàna sy fomba amam-panao ny fiteny, ary fitaovana entina mitahiry sy mampita ny vakoka ara-kolontsain'ny vondron'olona amin'ny taranaka.

Raha jerena ny taham-pahafatesan'ny fiteny, nanambara folo taona hiarovana ireo fiteny tandindonin-doza ny Firenena Mikambana (ONU) sy hitehirizana ny vakoka iombonan'ny olombelona tamin'ny taona 2022 . Fiteny afrikana 523 eo ho eo amin'ireo fiteny 3000 andalam-pahaverezana sy atahorana ho lany tamingana manerana izao tontolo izao amin'ny faran'ny taonjato faha-21. Hanafaingana ny fandrahonana ateraky ny faharinganana ny fanilihana ireo fiteny marefo ireo amin'ny fampivoarana ny teknolojia nomerika .

Mpandraharaha Afrikana maro, mpikirakira sy mpikaroka no nitsangana, nisantatra andraikitra mampiditra ny fiteny Afrikana ho ao amin'ny teknolojia. Ohatra tsara iray ny start-up (fisantarana andraikitra) any Nizeria, Awarri, miasa amin'ny famoronana Môdelim-Piteny Midadasika marofiteny voalohany ao Nizeria. Mampiasa IA ihany koa ny start-up Kenyana, Code Vast, mba hanomezana tari-dalana ara-pahasalamana haingana amin'ireo fiteny Kenyana eo an-toerana toa ny Swahili, Meru, Kikuyu, ary Luo. Mamolavola fitaovam-pianarana izay natao manokana ho amin'ny odidina afrikanina ny Lelapa AI. Namorona teknolojia rafitra finday mandeha ho azy antsoina hoe FarmAdvice ihany koa ny fisantarana andraikitra Nizeriana iray hafa, Crop2Cash. Ahafahan'ny tantsaha madinika mahazo fahalalana ara-pambolena mivantana sy tolotra fanitarana araka izay tiana amin'ny fiteniny eo an-toerana amin'ny alàlan'ny fiantsoana ny laharana maimaim-poana amin'ny karazana fitaovana rehetra, 24/7 ny fitaovana ampiasain'ny IA.

Na dia mbola mitohy aza ireo ezaka rehetra ireo mba handravonana ity hantsana amin'ny fiteny ity, dia mbola ilaina ny mampiditra fiteny maro kokoa, indrindra fa ireo fiteny ampiasaina any amin'ny faritra izay tsy dia misy ezaka mitohy na kely hanakelezana ny hantsana nomerika. Mila mandray anjara amin'ny fanaovana ho laharam-pahamehana ny fampidirana ireo fiteny afrikana vitsy an'isa amin'ny fampivoarana ny vokatra ihany koa ireo goavan'ny teknolojia toy ny Meta, Amazon, Uber, IBM, AWS  ary ireo fikambanana hafa izay manana teknolojia ampiasaina betsaka eto Afrika. Ilaina ny fiarahamiasa eo amin'ireo fisantarana andraikitra eo an-toerana ireo sy ny andrim-panjakana mba hananganana teknolojia eo an-toerana hahatongavana any amin'ireo faritra tsy voasahan'ny orinasa.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.