Misy migadra hatramin'ny folo taona ireo mpikatroka prô-demôkrasia miisa 45 ao Hong Kong

Benny Te. Sary tahiry: Jennifer Creery/HKFP. Nahazoana alalana.

Tatitra nosoratan'i Kelly Ho ary naranty tao amin'ny Hong Kong Free Press tamin'ny 19 sy 21 Novambra 2024. Navoaka ho ampaham-pifanarahana ara-botoaty ity endrika manaraka ity.

Nogadraina 10 taona amponja i Benny Te, mpikatroka prô-demokrasia, noho ny fikarakarana fifidianana savaranonando tsy ofisialy tamin'ny taona 2020, araka ny didin'ny Fitsarana Avo ao Hong Kong tamin'ny raharaham-piarovam-pirenena lehibe indrindra tao an-tanàna hatramin'izao .

Anisan'ireo 45 prô-demokrasia voaheloka tamin'ny 19 Novambra ho niray tsikombakomba tamin'ny fanakorontanana, fandikana ny lalànan'ny fiarovam-pirenena napetrak'i Beijing i Te.

Nosoritsoritan'ny mpitsara Andrew Chan, Alex Lee ary Johnny Chan ho “atidoha” ambadiky tetidratsy tao amin'ny fomba fitsarany i Te raha nosaziana 10 taona.

Nomena sazy 15 taona i Te tany am-boalohany, izay nahena ho 10 taona taorian'ny niheveran'ireo mpitsara samy misahana ny fiarovam-pirenena indray ny raharaha ny fanekeny ho meloka. “Ny hany nahatonga ny fanalefahana tamin'ny raharaha [Te] dia ny fanekeny dieny mialoha be ho meloka. Araka ny fomba amin'izany dia ahena ampahatelony ny sazy omena”, hoy ny didim-pitsarana.

Voaheloka higadra fito taona i Andrew Chiu, mpanolotsainan’ny distrika teo aloha, taorian’ny fampihenana atsasany ny saziny voalohany, ka noraisin’ireo mpitsara ny fanekeny ho meloka sy ny fanampiany ny fampanoavana.

Iray amin'ireo demôkraty efatra nijoro ho vavolombelona tamin'ny fanenjehana i Chiu, niaraka tamin'i Au Nok-hin, Ben Chung ary Mike Lam. Voaheloka higadra dimy taona sy roa volana i Lam, ilay hany voampanga navotsotra nandritra ny fotoam-pitsarana.

Ny sazy faharoa lava indrindra dia nihatra tamin'ilay mpikatroka Owen Chow, izay nahazo fito taona sy sivy volana am-ponja ary sarahina amin'ilay sazy dimy taona noho ny fanaovana rotaka.

Nandidy ny fitsarana fa vao mainka nanampy trotraka ny sazin'i Chow ny anjara asany nisantatra fanangonan-tsonia anjotra hamory ireo kandidà “radical” (hiringiriny). Hifampitohy amin'ny fanasaziana telo taona noho ny fanaovana rotaka ihany koa ny efa-taona sy dimy volana azon'ny mpanolotsainan'ny distrika teo aloha, Wong Ji-yuet.

Nahazo fampihenan-tsazy ampahatelony ihany koa i Joshua Wong, izay fanta-daza manerantany noho ny fikatrohana nataony fony mpianatra ary niaiky ny helony izy ka voaheloka higadra efa-taona sy valo volana. Raha jerena ny fanamelohana an'i Wong teo aloha tamin'ny taona 2016, dia nilaza ireo mpitsara fa “tsy noheverin'izy ireo ho olona tsara toetra i [Wong]”. Hoy ny mpitsara:

The sentence we passed on [Wong] also would not have a crushing effect on him.

Tsy hamotika azy ny sazy nomenay an'i [Wong].

Voaheloka higadra fito taona ilay mpanao gazetin'ny Stand News teo aloha, Gwyneth Ho, izay tsy nangataka fanalefahana.

Voaheloka higadra enin-taona sy sivy volana ilay mpikatroka menavazana sady mpanao lalàna taloha Leung Kwok-hung “Lava volo”. Midika ny fiampangana azy teo aloha miisa 24, izay ahitana fivoriana tsy nahazoana alalana ny sasany, fa “tsy afaka nilaza an’i [Leung] ho tsara toetra” ireo mpitsara.

Ry Kwok Ka-ki, Jeremy Tam, Claudia Mo, Andy Chui, ary Gary Fan no nahazo sazy faran'izay ambany indrindra amin'ny efa-taona sy roa volana.

Araka ny Didim-pitondrana mitandro ny fiarovam-pirenena ao Hong Kong, izay navoakan'i Beijing tamin'ny volana marsa teo mba hamenoana ireo “banga” amin'ny lalànan'ny filaminana, iharan'ny farafetra avo kokoa ireo voafonja noho ny fanitsakitsahana ny fiarovam-pirenena raha te-ho votsotra mialoha, ka tsy azo inoana ny hahazoan'ireo fampihenan-tsazy.

Maro amin'ireo demokraty no notazonina an-tranomaizin'ny polisy ary nampangaina tamin'ny 28 febroary 2021, izay midika fa efa gagazo nandritra ny telo taona sy valo volana ry zareo.

‘Savorovoro ara-dalàmpanorenana’

Ivon'ity raharaha ity ny fifidianana savaranonando tamin'ny volana jolay 2020, izay nanantenan'ny mpanohitra hamantatra ireo kandidà ahafahana mahazo ny maro an'isan'ny mpanao lalàna amin'ny fifidianana hoavy.

Namoaka didy ireo mpitsara fa nikasa ny hanampatra ny fahefany ireo demaokraty amin’ny fitsipahana tsy an-kiato ny tetibolam-panjakana sy hanery ny lehiben’ny mpanatanteraka hametra-pialana raha toa ka nahazo ny maro an’isa tokoa izy ireo.

Tamin'ny didim-pitsarana 319 pejy tamin'ny volana Mey, nanoratra ireo mpitsara fa ny tanjon'i Te dia ny “hanimba, handrava na hanongana ny rafitra sy fototra ara-politika misy ao [Hong Kong] naorina amin'ny Lalàna fototra sy ny politikan'ny Firenena Iray, Rafitra Roa,” Ny politikan'i Shina izay manome azy ny fitantanana an'i Hong Kong, Macau ary Taiwan. Mety hampiditra ny tanàna ao anatin'ny “krizy ara-dalàmpanorenana izany”, hoy ry zareo.

Nampidirin'i Beijing mivantana tao anaty lalàmpanorenan'i Hong Kong ny lalànan'ny fiarovam-pirenena tamin'ny Jona 2020 taorian'ny herintaona nisian'ny hetsi-panoheran'ny prô-demôkrasia sy rotaka nanaraka izany. Helohin'izany ny fanimbazimbana, fisintahana, firaisana tsikombakomba tamin'ny hery vahiny ary ny asa fampihorohoroana — voafaritra mazava ho tafiditra ao anatin'izany ny fanakorontanana ny fitaterana sy ny fotodrafitrasa hafa. Nanome fahefana vaovao ho an'ny polisy io lalàna io ary nitarika fisamborana an-jatony hisantatra raharaham-pitsarana maro vaovao, sy nampanjavona vondron'olona sivily am-polony. Nilaza ny manampahefana fa namerina ny fitoniana sy ny fandriam-pahalemana tao an-tanàna izany, ary nolaviny ny fanakianana avy amin'ny mpiara-miombon'antoka ara-barotra, ny Firenena Mikambana ary ny ONGs.

Namoaka fanambaràna Matthew Miller, mpitondratenin'ny Departemantam-panjakana amerikana, ho setrin'ny didy fa handray fepetra amin'ny fametrahana fameperana visa vaovao amin'ireo manampahefana ao Hong Kong. Niteny i Miller:

The 45 defendants sentenced today were aggressively prosecuted, and many now face life-altering imprisonment simply for their peaceful participation in political activities which are protected under the Basic Law of Hong Kong… In response, the Department of State is taking steps to impose new visa restrictions on multiple Hong Kong officials responsible for implementation of the [national security law].

Niharan’ny fanenjehana tamin’ny fomba mahery vaika ireo voampanga miisa 45 androany, ary maro amin’izy ireo izao no migadra mandra-pahafatiny noho ny fandraisany anjara am-pilaminana amin’ny hetsika ara-politika voaaron’ny lalàna fototra ao Hong Kong… Ho setrin’izany, dia mandray fepetra ny Departemantam-panjakana amin’ny fametrahana fepetra fameperana visa vaovao ho an'ireo manampahefana ao Hong Kong maro tompon'andraikitra amin'ny fampiharana ny [lalànan'ny fiarovam-pirenena].

Ary tao anaty fanambaràna iray ihany koa no namelahan'ny governemantan'i Hong Kong ny kinasan'i Etazonia ho “fanodinkodinana ara-politika maharikoriko”. Hoy ny fanambaràna:

Any reasonable and fair person, upon reviewing the court’s judgment, would be convinced of the severity of the crime and the guilt of the convicted individuals, supported by irrefutable evidence. Despite these ironclad facts, Western countries, anti-China organisations and politicians, and foreign media continue to distort the truth and maliciously attack.

Izay olona misaina sy salama rehetra, rehefa mandinika ny didim-pitsarana, dia ho resy lahatra amin'ny hamafin'ny heloka bevava sy ny heloky ny olona voampanga, tohanan'ny porofo tsy azo lavina. Na dia eo aza ireo zava-misy mifono vy ireo, dia manohy manodinkodina ny marina sy mamely am-pitaka ireo firenena tandrefana, ireo fikambanana sy mpanao politika manohitra an'i Shina, ary ny haino aman-jery vahiny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.