
Komil Allamjonov (eo ankavia) sy Saida Mirziyoyeva (ankavanana). Pikantsary avy amion'ny lahatsary “Allamjonov bilan Otabek Umarov hamda DXX o’rtasida urush ketyapti-manbalar” tao amin'ny fantsona Youtube Ozodlik Radiosi. Fampiasàna ara-drariny.
Tamin'ny 26 Ôktôbra, nisy andrana hamonoana an'ilay tomponandraikitra ambony taloha, Komil Allamjonov, tao Tashkent renivohitr'i Obekistàna. Olona roa noahiahiana no nitifitra bala valo nankany amin'ny fiaran'i Allamjonov tamin'ny alina. Samy tsy nisy naratra na i Allamjonov na ny mpamiliny. Tsy isalasalàna fa io no andrana famonoana nanana ny lanjany indrindra teo amin'ny tantara vao haingan'i Ozbekistàna, indrindra noho ny halehiben'i Allamjonov sy ny dindony amin'ny fiainana pôlitikan'ny firenena.
Niteraka resabe ny fotoana nitrangan'ilay raharaha, momba ny mety fisiana ady fahefana ifanaovan'ireo vondrona akaiky ny filoha Shavkat Mirziyoyev mba ho entina manamafy ny toeran-dry zareo amin'ny haha-mpisolo toerana azy. Iray volana monja talohan'ilay fanafihana, nandao tampoka ny biraon'ny filoha i Allamjonov, toerana nitarihany ny departemantan'ny pôlitikan'ny fampahalalam-baovao.
Io fandaozany tampoka io dia niteraka adihevitra maro, hoe hampahalemy ny toeran'ny zanaka vavimatoan'ny filoha, Saida Mirziyoyeva, filohan'ny kabinetran'ny filoha ary toa ny tsara toerana amin'ny hazakazaka ho fisoloan-toerana. Tato anatin'ny valo taona farany, Allamjonov sy Mirziyoyeva dia niaraka niasa tanatina fikambanana maro isankarazany an'ny fanjakàna.
Manampy an'ilay fitaintainana ny tsy fisian'ny fanehoana hevitra ataon'ireo manampahefana na i Allamjonov momba io fikasàna hamono io. Na ny fanambaràna momba ilay tranga aza, avy amin'ny Biraon'ny Fampanoavana, dia tsy nisy resaka momba an'i Allamjonov, fa nampahafantatra fotsiny an'ireo mpanao gazety ny momba ilay fitifirana. Imasom-bahoaka ny mpanao gazety sy ireo bilaogera no nokivian'ilay birao mba tsy hanao tombatombana momba izany. Na izany aza, nanjary noresahana be indrindra momba ny vaovao ny mikasika ilay fanafihana, mitovitovy amin'ny andian-tantaram-pitsongodia miaraka amina vaovao mpivoaka isanandro.
Indro ny lahatsary Youtube iray misy ny ampahany voalohany amin'ny fanadihadiana nataon'ny Radio Ozodlik.
Tamin'ny 27 Ôktôbra, nisy lahatsary iray nipoitra nahitàna lehilahy roa niaiky ho nanao ilay fanafihana sy nizara ny fikasàn-dry zareo hitlo-batana any amin'ny pôlisy. Ankoatra izay, nisy rakipeo iray nalefa ary ahenoana olona tsy fantatra anarana nanamafy fa i Allamjonov no niketrika ilay fikasàna hamono saingy tsy nandoa ny volan'ireo nanatanteraka azy iny.
Narahana onjan-dahatsoratra nameno ny media sôsialy Ozbeky iny, nilaza fa i Allamjonov tenany mihitsy no niketrika ilay fanafihana. Araka ny lazain'ny Radio Ozodlik (rantsana Ozbeky ho an'ny RFE/RL), niaiky ireo bilaogera sy mpanao gazety izay nanely ireny honohono ireny fa hoe nandray torolàlana avy amin'ireo lehiben-dry zareo “mpanaramaso ny media,” izay izy ireny ihany koa dia niasa nanaraka ny baikon'ireo sampan-draharaham-piarovana. Ny fanadihadian'ny Radio Ozodlik momba ilay tranga no mitoetra ho ny fandrakofana feno sy azo inoana indrindra aloha hatreto.
Taorian'ny namantaran'ireo mpanao gazety ny iray tamin'ireo nanatontosa ilay fanafihana hoe i Shohruh Ahmedov sy nahitan-dry zareo ny fifandraisany amin'ny filohan'i Tsetsenia Ramzan Kadyrov, dia nivadika ho raharaha ivelany ilay tantara. Raha tany Tiorkia indray, noho ny fikasàna hamono tao Istambul ny iray amin'ireo mpanohitra an'i Kadyrov dia nosamborin'ny pôlisy tiorka i Ahmedov niaraka tamina andiana teratany tsetsenina. Rehefa niporitsaka ireny antsipirihany ireny, nahatonga ny fieritreretana hoe misy soritra tsetsenina, dia namoaka fanambaràna iray i Kadyrov nandàvany ireo honohono momba ny maha-voarohirohy azy tamin'ilay fanafihana.
Ny ampahany farany indrindra tamin'ny piozila dia mitodika mivantana any amin'ny vinantolahin'i Mirziyoyev sady filoha lefitry ny sampandraharaham-piarovana ny filoham-pirenena, Otabek Umarov, izay vadin'ny zanaka faravavin'ny filoha, Shakhnoza Mirziyoyeva. Tamin'ny 14 Novambra, nisy teratany ozbeky iray antsoina hoe Javlon Yunusov voasambotra tany Korea Atsimo noho ny nahavoarohirohy azy tamin'ilay fanafihana.
Indro ny lahatsary Youtube iray misy ny ampahany faharoa amin'ny fanadihadian'ny Radio Ozodlik.
Mahaliana fa i Akhmedov, iray tamin'ireo mpanafika voasambotra, dia niasa ho toy ny mpiambina manokana sy mpamilin'i Yunusov. Fanampin'izay, ny fiara nentin'ireo mpanafika nandositra niala ny toerana nanatanterahana ny heloka dia hita teny akaikin'ny trano fisakafoanana an'i Natalya Fen, vadin'i Yunusov.
Tany am-boalohany ny loharanom-baovaon'ny Radio Ozodlik dia namaritra an'i Yunusov ho ny olo-mahatoky indrindra sy tànan-kavanan'i Umarov ao amin'ny Lohasahan'i Fergana, faritra iray midadasika ao atsinanan'i Ozbekistàna. Io fifandrohizana io dia nitondra ny vinantolahin'ny filoha ho voarohirohy tanatin'ilay tombantombana. Tsy manao afa-tsy ny mamelona afo ireo tatitra momba ny “ady” mitohy ifanaovan'i Allamjonov sy Umarov.
Mbola aloha loatra izao ka tsy afaka hanaovana tsoakevitra momba izay nanome ny baiko hanafihana an'i Allamjonov. Voalaza fa eo ambany fifehezana manokan'i Mirziyoyev ilay raharaha. Kanefa, na efa vita aza ny fanadihadiana, dia toa tsy ho azon'ny besinimaro hofantarina akory izay vokany. Raha ny marina dia toa raharaham-pianakaviana tsy tian'iza na iza hozaraina izy ity.