
Pikantsarin'ireo vehivavy politisiana sasantsasany ao Nigeria avy amin'ny lahatsary YouTube, ‘2023 Elections: Trials, Triumphs Of Nigerian Women In Politics | Gist Nigeria‘ avy amin'ny Channels Television. Fampiasana ara-drariny.
Mihamaro ny firenena Afrikana manao izay hampitoviana isa ny lahy sy ny vavy eo amin'ny governemanta, misy ireo firenena Afrikana misahirana mihitsy hampiaty feno ny vehivavy amin'ny sehatra politika. Namoaka tatitra vao haingana ny Policy and Legacy Advocacy Center (PLAC), fikambanana mahaleo tena, tsy miandany, tsy mitady tombony izay miasa ho fanamafisana ny fitantanana demokratika sy ny fandraisan'ny olom-pirenena anjara ao Nizeria, fa i Nizeria farany indrindra amin'ireo firenena afrikanina atsimon'i Sahara amin’ny resaka fisoloantenan’ny vehivavy ao amin’ny parlemanta.
Amin'ireo firenena 185 nolazaina tao anaty tatitra, Rwanda no ambony laharana indrindra eto Afrika, ka vehivavy no mandrafitra ny 61,3 isanjaton'ny parlemanta, raha i Nizeria kosa no laharana faha-180, izay tsy misy afa-tsy 4,4 isanjato ny vehivavy.
Mampiseho ny angon-drakitra fa amin'ireo mpikamban'ny Antenimieran-doholona miisa 360 ao Nizeria amin'izao fotoana izao dia vehivavy ny 16, ary ao amin'ny Antenimieran-doholona miisa 109 dia efatra monja ny vehivavy. Fanampin'izay, fanjakana 14 amin'ireo 36 ao Nizeria no tsy manana vehivavy mpanao lalàna. Fa na dia any amin'ireo fanjakana misy vehivavy mpanao lalàna aza, dia mbola ambany loatra ny isan'izy ireo. Maloka toy izany koa ny zavamisy amin'ny fifidianana ho amin'ireo toeran'ny mpanatanteraka: hatramin'ny niverenan'ny fitondrana demôkratika tamin'ny taona 1999, tsy mbola nisy vehivavy voafidy ho filoha, filoha lefitra, na governora tany Nizeria.
Tsy mampiseho ny isan'ny vehivavy ao Nizeria ity fahavitsiany amin'ny fisoloantena ity. Nampiseho ny antontanisan'ny Banky Iraisampirenena fa vehivavy sy ny tovovavy ny antsasaky ny mponina ao amin'ity firenena be mponina indrindra aty Afrika ity.
Mba hifanitsiana amin'ny foto-kevitra sy ny torolalan'ny Volavolandalàna Iraisampirenena momba ny zon'olombelona, ny Dinan'ny Firenena Mikambana amin'ny fanafoanana ny endrika fanavakavahana rehetra amin'ny vehivavy, ny Fihaonambe Iraisampirenena momba ny mponina sy ny fandaharanasa fampandrosoana ny katroka, ary ny tetika 2030 ho an'ny fampandrosoana lovainjafy, Nanao ezaka ny governemanta nizeriana hisian'ny miralenta amin'ny alalan'ny fandrafetana ny Politikam-pirenena momba ny miralenta tamin'ny taona 2006, izay mampiroborobo hetsika fijoroam-behivavy 35 isanjato eo amin'ny paikam-pitantanana.
Na dia maro aza ny fanaovan-dalàna sy ireo ezaka hafa vita, dia mbola mitana ny rambony i Nizeria amin'ny fisoloantenan'ny vehivavy ao amin'ny parlemanta aty Afrika, izay vao mainka nihena hatramin'ny taona 2011. Azo lazaina ho mahatonga izany fahavitsian'ny vehivavy hisolo tena izany ny tsi-fetezan'ny rafitra ara-politika sy ara-tsosialy ary ny fomba fanao ara-kolontsaina.
Rafitra politika tsy manome vahana
Nametraka quotas (fifandanjan'isa) ara-dalampanorenana, fanaovandalàna, ary antoko ny ankamaroan'ny firenena Afrikana maro vehivavy misolotena na fifandanjana araka ny vato azo mba iantohana ny fitovian'herijikan'ny vehivavy sy ny lehilahy ho voafidy amin'ny toerana iray. Tsy mitranga anefa izany amin'ireo firenena sasany miteny anglisy eto Afrika, toa an'i Nizeria sy Ghana, izay mampiasa ny rafi-pifidianana maro antoko-maro an'isa. Tsy dia manome vahana ny vehivavy kandidà ity rafitra ity, satria araka ny isambato azo amin'ny fifidianana no izaràna toerana.
Manjakazaka amin'ny andraikitra maha-mpitarika amin'ny ankamaroan'ny antoko politika ao Nizeria ny lehilahy politisiana. Matetika ireo antoko politika ireo tsy mametraka tontolo na rafitra manohana ireo vehivavy mpikambana ao aminy. Misedra fahasahiranana noho izany ireo vehivavy ireo amin’ny fahazoana ny filatsahan-kofidiana mandritra ny fifidianana ankapobeny.
Ao Nizeria, matetika tsy mahafeno ny adidy ara-bola ateraky ny fifanandrinana amin'ny toerana politika ao Nizeria ireo vehivavy vitsivitsy izay mahahoatra ireo vesatry ny sakana amin'ny maha-vehivavy azy ireo satria miasa be ny vola amin'ny fifidianana ao amin'ny firenena. Ireo mahazo tohana matanjaka avy amin'ny mpitarika ny antoko sady be vola hanaovana “fanomezana” ho an'ny mpandray anjara amin'ny antoko ihany no voatsonga ho kandidà.
Nilaza tahaka izao i Ayisha Osori, mpanoratra, mpahay lalàna ary mpiaro ny rariny ara-tsosialy, izay nirotsaka amin'ny anaran'ny Antokom-Bahoaka Demaokratika ho ao amin'ny Antenimieran'i Nizeria tamin'ny taona 2015 fa resy, miresaka momba ny fahavitsian'ny vehivavy amin'ny politika Nizeriana: Miasa ny vola sy ny fifanakalozana amin'ny fifidianana eto Nizeria, ary efa sahirana ara-tsosialy ny vehivavy, ao amin'ny governemanta no fomba haingana indrindra hananankarena… Raha tsy manao politika ny vehivavy dia tsy afaka manangom-bola, ary raha tsy afaka manangom-bola dia tsy afaka manao politika.”
Olana lehibe iray hafa manakana ny vehivavy tsy handray anjara dia ny herisetra amin'ny vehivavy rehefa fifidianana. Matetika tratran'ny herisetra ny fifidianana Nizeriana, ary anisan'ny iharan'ny herisetra hatrany ireo vehivavy kandidà sy mpifidy.
Iray amin'ireo niangana tamin'ny herisetra mianjady amin'ny vehivavy nandritra ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny taona 2023 i Jennifer Bina Ifedi, izay niverina tany amin'ny biraom-pifidianana handatsa-bato taorian'ny nanafihan'andian-jiolahim-boto politika azy tao Lagos ka namparatra azy. Maro ireo vehivavy iharan'ny herisetra amin'ny fifidianana tsy misy fitoriana noho ny tsy fahampian'ny fanangonam-baovao.
Sakana ara-kolontsaina sy ara-tsosialy
Na dia manome zo hifidy sy hofidiana aza ny lalàm-panorenan'i Nizeria, dia maro ireo sakana ara-kolotsaina sy ara-piarahamonina tsy handraisan'ny vehivavy anjara feno amin'ny politika sy hihazonany ny toeran'ny mpitarika. Any amin'ireo foko samihafa manerana ny firenena, mbola miraikitra ny fandalàna ny nentin-drazana izay mametraka ny vehivavy tsy hitovy amin'ny lehilahy sady tsy sahaza ny andraikitra maha-mpitarika.
Misy koa ireo fombam-pivavahana sasantsasany ao Nizeria tsy manaiky ny fitovian'ny lahy sy ny vavy, mametra ny fahafahan'ny vehivavy mitana toerana mpitarika. Ireny fitsipika ara-tsosialy sy kolontsaina ireny no mamelona ny finoana fa na inona na inona fahaiza-manaony na fianarana vitany dia ny fikarakarana tokantrano ihany no mety indrindra amin'ny vehivavy. Ho an'ny maro, heverina ho manohitra ny andrasan'ny fiaraha-monina aminy ny fanapahan-kevitry ny vehivavy iray hirotsaka hofidian'ny daholobe, ka mahatonga azy io ho sarotra ihoarana sy ilàna fahasahiana.
Mba hiatrehana izany tsi-fifandanjàna ara-pisoloantena izany, nanentana ny Antenimierampirenena ireo manampahaizana mba hamoaka ny volavolandalàna fitovian'hararaotra eo amin'ny lahy sy ny vavy tohanan'ny Senatera Abiodun Olujimi avy ao amin'ny Antokom-Bahoaka Demôkratika mba “hampiroborobo fitovian'hararaotra sy hanoherana ireo sakana ara-piarahamonina izay mibahana ny vehivavy sy ny tovovavy tsy ho afa-mampiasa ny sainy/tanjany rehetra.” Atolotr'ity volavolan-dalàna ity ny fifandanjan'isa (quota) 35 isanjato ho an'ny vehivavy ao amin'ny fanaovan-dalàna amin'ny sehatra federaly sy isam-panjakana ary eo amin'ny toeran'ny fitarihan'ny antoko ihany koa. Niantso ireo Nizeriana mpandray anjara ihany koa ny Union interparlementaire [fr] mba “hampiasa ny paikam-pifidianana amin'izao fotoana izao mba hanairana ny sain'ny besinimaro momba ny maha-zava-dehibe ny fandraisan'ny vehivavy anjara amin'ny fifidianana, sy amin'ny maha-mpikambana ao amin'ny parlemanta sy ny fitarihana ara-politika.”