
Mpanao gazety ao Palau sy Pasifika. Saripika avy amin'ny Pacific Freedom Forum, fampiasàna nahazoana alàlana
Nampangaina ny gazety Island Times ho “nanao antsirambina sy nanàla baraka” taorian'ny nizaràny tety anaty tambajotra sôsialy ireo antontan-taratasin-ketra tafaporitsaka momba ny Surangel and Sons, orinasa iray an'ny rain'ny filoham-pirenena. Ireo vondrona mpampahalala vaovao ao Pasifika sy manerana izao tontolo izao dia mampitandrina hoe ilay fitoriana dia andrana hanampenam-bava ny media ao Palau izay “manohintohina ny fahatokisan'ny vahoaka ny media sy ny fangaraharàn'ny sehatra tsy miankina.”
Firenena Mikrôneziàna i Palau, manana vahoaka manodidina ny 18.000.
Ny Surangel and Sons, mpampiasa tsy miankina lehibe indrindra ao amin'ny firenena, manana seha-pandraharahàna marolafy, dia nanitrikitrika fa ilay gazety dia namoaka lahatsoratra iray niaty fanalàna baràka. “Ny fitoriana dia niainga avy amin'ny lahatsoratra iray navoakan'ny Island Times izay niaty fiampangàna diso sy tsy mitombina momba ilay orinasa.”
Miainga avy amin'ireo antontan-taratasin-ketra, ny mpanonta ny Island Times, Leilani Reklai dia nilaza fa tamin'ny 2023, nanao fanambaràna vola niditra nitentina 70 tapitrisa dôlara amerikàna ny Surangel and Sons ary nilaza fandaniana itakian-ketra nihoatra ny 67 tapitrisa dôlara amerikàna, izay manome hetra 300.000 dôlara amerikàna avy amn'ny tombombarony. Ao anatin'ny tatitra nataon-dry zareo momba ilay olana, nomarihan'ny Island Times fa im-betsaka ny filoha Surangel Whipps Jr., no nanipika hoe ireo fandraharahàna ao Palau no mandoa ampahany betsaka amin'ny hetra.
Mangataka fanonerana sy sazy ara-bola ilay orinasa. Tao anaty fanambaràna iray, ny Surangel and Sons dia nizara fa hoe “tokony ho ambony be ny fanonerana ara-bola mba hanakanana ilay gazety sy Reklai tsy hitondra tena tahàka izany intsony amin'ny hoavy.”
Manoloana ny tsindry, nanitrikitrika Reklai fa tsy hamela ny asany izy. Notsipihany ny filàna miatrika ireo vesatra noho ireo mety ho fiantraikany henjana amin'ny sehatry ny media.
Ilay fitoriana dia tsapako ho toy ny mikendry izay hifehezana ny fomba fitantaran'ny media eto Palau. Tsapako ho toy ny lemena isika, terena hitantara tantara iray fa tsy hanolotra fomba fijery samihafa itambaran'ny fiarahamonina.
Raha tsy mijoro amin'io aho dia toy ny mandefa famantarana ho an'ireo rehetra mpanao gazety eto hoe mety hiharan'ny fitakiana onitra avy amin'ireo orinasa matanjaka sy ireo olon'ny governemanta isika rehefa mampibaribary ny asan-dry zareo.
Nomarihan'ny Palau Media Council fa raharaha efa fantatra eny amin'ny sehatra natao ho an'ny daholobe no notaterin'ilay gazety.
Miteraka ahiahy momba ny fahafahan'ny olompirenena hahazo vaovao, sy ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety — izay samy vato fehizoron'ny fiarahamonina demaokratika daholo — io fitoriana io
Fanohintohinana ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety sy andrana hanimbàna ny tamberin'andraikitra izay tena andrin'ny demaokrasia no fahitàn'ny filankevitra an'io hetsika araka ny lalàna io.
Tsy izy no nipoiran'ilay vaovao saingy tomponandraikitra nampita izay voalazan'ilay antontan-taratasy, niteraka fanontaniana momba ny kabarin'ny mpitantana ankehitriny momba ny fandraisana anjaran'ireo vondron'orinasa amin'ny fandoavana hetra.
Mba hiantohana ny fangaraharàn'ny pôlitikan'ny hetra sy ireo fanohanana avy amin'ny governemanta misy fiantraikany amin'ny sehatra tsy miankina dia adidy amin'ny maha-mpanao gazety ny mitatitra ny vaovao tahàka izany.
Nanao fanamarihana tsy misy hafa amin'izany ny Pacific Freedom Forum, momba ny anjara asan'ireo mpanao gazety amin'ny fakàna, fandalinana, ary fizaràna ireo antontan-taratasy ôfisialy, no sady manainga ireo manampahefana ao Palau hanisy fanitsiana ireo lalàny maneritery ny resaka fanalàna baràka eny anaty media. “Marobe ny governemanta no manaisotra tsy ho heloka bevava ireny lalàna lany andro ireny noho ny sivana sy ny tahotra entin'izy ireny.”
Ny Pacific Islands News Association koa dia namoaka fanambaràna iray nanehoany ny ahiahiny momba ilay fitoriana ho nanàla baràka.
Miroborobo ny demaokrasia rehefa ampy tsara ny vaovao atolotra ny vahoaka mba manana fomba fijery mahaleotena momba ny fiainany. Ho amin'izany, mila media matanjaka isika. Entaninay ny governemanta sy ny vondrom-piarahamonin'ny mpandraharaha aty Palau mba hanaiky ny media ho toy ny mpiaro ny demaokrasia, fa tsy ny hanafoana azy tsy hitatitra ireo olana nasiônaly tena goavana.
Saingy nanamafy ny Surangel and Sons fa “ny famoahana tsy nahazoana alàlana an'ireo torohay ara-barotra saropady dia tsy hoe fanitsakitsahana fotsiny ny zonay hanana fiainana manokana, fa mety koa hisy fiantraikany amin'ny toeranay manoloana ny fifaninanana eo amin'ny tsena.” Nampian'ilay orinasa fa tamin'ny famoahana ilay lahatsoratra, ny Island Times dia “mitondra loza mananontanona ny asan'ireo Palaoziàna mpiasa an-jatony,” sady nambarany fa haatony ny famarotana ilay gazety eny amin'ireo toeram-pivarotany.
Notondroiny ihany koa ireo mpanaramaso ny media ao Pasifika ho toa manana fitsaràna an-tendrony amin'ilay raharaha.
Manimba ny fitsipika ara-maoralin'ny asa fanaovana gazety io fomba io no sady manohintohina ny zon'ny orinasa ao Palau hanana ny tsiambaratelony. Toa mora niandàny tamin'ny Island Times ireny fikambanana ireny fa tsy mba nanao fikarohana mahaleotena akory, toy ny famerena mandinika ilay fitoriana nataonay.
Nambaran'ny minisitry ny fitantanam-bola ao Palau fa tao anatin'ireo antontan-taratasy tafaporitsaka dia nahitàna torohay diso sy novaina.
Manantena aho fa hanao ezaka bebe kokoa ireo media mba hanampy amin'ny fitaizana ny vahoaka sy hanakiviana ireo vaovao diso sy ny fanitsakitsahana ny fiainana manokan'ny biraon'ny hetra ary izay hafa rehetra biraom-panjakàna.
Tamin'ny 2023, Palau dia isan'ireo firenena lohalaharana ao anatin'ny tondro momba ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety any amin'ireo nosy ao Pasifika.