
Peter Ngugi mitaingina bisikilety ao Shillong, India. Saripika natolotry ny Bird, fampiasàna nahazoana alàlana.
Ity lahatsoratra ity dia ny masoivohom-baovao Bird no namoaka azy voalohany tamin'ny 21 Ôktôbra 2024. Dika nasiam-panovàna no averina avoaka etsy ambany, ao anatin'ny fifanarahana iray hifampizara votoaty.
[Izay rohy rehetra tsy asiana fanamarihana manokana dia mitondra mankany amina pejy miteny anglisy]
Tamin'ny 2016, nandritra ny vanim-potoanan'ny ririnina tao Delhi, India, niafara tamin'ny fahafatesan'ny Afrikàna iray ny zavatra izay nanomboka tamin'ny toy ny adiady kely natosiky ny fanavakavahana.
Karàna roa, toa maika no fahitàna azy, no nanatona posy iray tian-dry zareo hiakarana, saingy tsy ampy intsony ny toerana. Araka izany dia nangatahan-dry zareo mba hidina ny Afrikàna iray izay efa tao anatin'ilay fitaterana mba hakàn-dry zareo toerana.
Araka ny efa nampoizina, nahatsiaro tena ho voahilikilika ilay Afrikàna, noho ny lokon-kodiny. Tsy vonona ny hidina hanome ny toerany amin'izao fotsiny izy. Nisy fifandirana hanjena nanaraka izay ary vetivety foana dia nivadika ho fifampikasihan-tànana. Voabedan'ireo karàna ilay Afrikàna ary natosiny teny amin'ny tany, avy eo notontàny vatobe. Maty ity !
Kôngôley mpampianatra i Olivier Masonda, 23 taona, nandao ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô tamin'ny 2012 mba hianatra tany India. Ilay famonoana, azon'ny kamerà iray fanarahamaso, dia niteraka sahotaka nanakoako nanerana an'i India : famonoana manana endrika fanavakavahana ve izy iny ? Nosamborin'ny pôlisy ao Delhi ireo roa nahavanon-doza ary nalefa ny fihazàna olona mba hikarohana ilay fahatelo. Famonoana niteraka hirifiry iraisana iny, sy antso hitadiavana ny rariny avy amin'ireo Afrikàna monina any India.
Ho an'i Peter Ngugi, Keniàna monina ao India, dia pitik'afo nandrehitra ny vanja ihany koa io famonoana io. Noraisiny ny bisikiletiny ary mba hiadiana amin'ny fanavakavahana dia nitetezany ilay firenena, « nampirefotra araka izany ny aterineto » ary na izy koa aza dia lasa lohatenim-baovao andro vitsy taorian'ilay famonoana. Fa tsy eto no manomboka ny tantaran'i Ngugi. Tany Kenya izy io no nanomboka.
Orinasa iray no mamatsy ilay fivahinianana any India
Ndeha hiverenana ny taona 2013, tao Mikindani, Mombasa, any Kenya. Tany no nonina ny tovolahy iray feno fanetrentena, Peter Ngugi, izay avy nahavita ny fianarany ambaratonga faharoa ary tsy liana tamin'ny fandehanana hianatra eny amin'ny anjerimanontolo. Hatao inona moa, nefa ny zavatra nahaliana azy dia ny solosaina ary atidoha iray tia fandraharahàna, atidoha iray mety afaka hanomana azy ho lasa mpandraharaha? Tapakevitra ny hampitombo ny talentany i Ngugi, nanokatra magazay kely fivarotana sarimihetsika, izay sady manome tolotra fanamboarana ireny fitaovana elektrônika sy infôrmatika simba ireny ihany koa, nomeny anarana hoe Stunners Inc.
Tsikaritry ny namany iray ny fitiavany solosaina ary, na tsy dia nahaliana loatra an'i Ngugi aza ny tontolon'ny anjerimanontolo, dia nanoro hevitra azy ilay namany mba hieritreritra hàka diplaoma ao India, tamin'ny fitanisàna ireo vokatra tsara azon'ilay firenena amin'ny resaka fampianarana infôrmatika.
Tany am-piandohana dia nahakivy an'i Ngugi ilay hevitra. Navadibadiny nandritra ny fotoana ela ilay izy ka, tamin'ny 2013, nanapaka hevitra izy ny hisoratra anarana hanaraka fiofànana iray momba ny infôrmatika tao amin'ny KSR, Ivontoerana Indiàna momba ny Injenieria sy ny Teknôlôjia.
Tany am-boalohany dia tsy vitany ny namory vola hatao saran-dàlana sy saram-pisoratana, saingy niditra an-tsehatra ny tontolo, toy izay efa firaisana tsikombakomba nisy hatrizay mba hanampiana lehilahy na vehivavy iray hamita iraka. Tamin'ity indray mitoraka ity dia orinasa iray tao an-toerana no namaly ny antso. Nolazain'i Ngugi fa i Mama Mboga, ireo mpivarotra sy tompona orinasa madinika, ary ireo nàmany sy ny fianakaviany, no nivondrona mba hanangona ny vola ilaina hamatsiana ny diany sy ireo fandaniana.
Fahatongavana tao India
Taorian'ny nifindràny tany India, tapa-kevitra izy ny hanao izay tratrany sy hiverina hitondra diplaoma amin'ny infôrmatika.
Saingy mazàna no mifanipaka ny zavatra kasaintsika sy ny zavatra miseho, tahàka izay niainan'i Ngugi azy nivantana.
Zara raha nisy enimbolana taorian'ny nanombohan'ny fianarany, tsapan'i Ngugi fa aloka daholo izay rehetra nonofinofisiny. Ny zavamisy momba ny dingam-pianarana, araka ny fanazavàny, « dia tsy araky ny doka nomen-dry zareo ». Ankoatra izay, ny orinasany tany Kenya dia tsy namatsy afa-tsy ny enimbolana voalohany ihany ka tsy maintsy niasa i Ngugi mba hivelomany sy handoavany ny saram-pianarana. Rera-tsaina sy niharan-tsindry, nialàny ny fianarany.
Fa noho ireo zavatra andrandrain'ny rehetra nitambesatra teo an-tsorony, tsy vonona ny hody an-tanindrazany i Ngugi. Araka izany, nanapaka hevitra hijanona tao India izy, hilofo ary hiasa mafy.
Noho ny fisian'ireo Keniàna anaty vondrom-piarahamonina matanjaka sy miray hina ao India, nisy namany iray, Munene Robert, nampiantrano an'i Ngugi tao aminy.
Ny fifaninanana Hackathon
Niaraka tamin'ny antontam-bola voaangony nitentina 20 000 Ksh (180 USD) teo ho eo, nisoratra anarana hanaraka fiofànana programmation i Ngugi ary lasa isan'ireo mpianatra namiratra indrindra.
Teo am-pianarana ny fanoratana kaody, Ngugi dia nandray anjara tamina fifaninanana kaody nampanaovin'ny IBM tao India ary nahazo ny toerana voalohany. Nameno ny pejy voalohan'ireo gazety indiàna mihitsy aza izy noho ny talentany tamin'ny fanoratana kaody. Nahaliana ny IBM ihany koa ireo heviny momba ny raharaham-barotra. Naroson'i Ngugi ny Office Space Finder, sehatra iray hahafahan'ireo tanora mpandraharaha mifandray amin'ireo orinasa manana habaka azo hofaina. Nankafizin'ny IBM ilay hevitra. Novatsian-dry zareo vola izy, nahafahan'i Ngugi, mbola vao 21 taona tamin'izany, nandray karama mendrika sy niaina fiainana izay toa zary nofinofy fotsiny tany anatin'ny sainy lalina tany fahiny.
Tsy hoe nanana tetibola ho entina manakarama mpiasa fotsiny amina karama tsara izy, fa nanana mpamily ihany koa mitondra azy amin'ny fiaran'ny orinasa. Toy ny hoe nananan'i Ngugi ny zavatra rehetra. Saingy teo an-dalàm-piovàna anefa izany rehetra izany.
Vehivavy, Alikaola. Fiainana rendrarendra toa nanintona ho ana tanora iray 21 taona tompon'izao rehetra izao.
Hadisoana sy henatra
Tsy ela dia tsikaritr'ireo lehibeny tao amin'ny UBM ny fihetsika adalany. Ny Martsa 2015, voaroaka i Ngugi kely. Niantonta mafy izy, nivantana avy hatrany dia tany anatin'ny halalin'ny fahaketrahana.
Mahamenatra. Avy any amin'ny harena lasa anaty fahantràna. Nandoro ny fanahiny ny fahaketrahana.
Nandritra ireo fotoana fohin'ny fahalehibeazany dia nidera azy avokoa ireo Afrikàna monina ao India. Koa satria tsy vitany ny hifanatri-tava amin'izy ireny indray, tsy maintsy nandositra niala ny tanàna izy. Tamin'izay fotoana izay, mbola nanana tahiry izy. Tamin'ireo fanjakana 27 ao India, iray ihany no tsy voatsidik'i Ngugi nandritra io fe-potoana io, niezaka izy nandositra ny henatra. Farany dia tany amin'ny fanjakan'i Meghalaya izy no nipetraka, toerana nirotsahany an-tsitrapo hanao ny asa mpampianatra matematika sy anglisy, manome fampianarana mitokana ho an'ireo ankizy latsaky ny 11 taona. Nampianatra ihany koa izy tao amin'ny sekoly iray ho an'ireo sembana ao Shillong.
Avy eo nitranga ilay fifandonana tamin'ireo karana roa mpamono olona sy ny Afrikàna iray tao anaty posy, izay hanova ny fiainan'i Peter Ngugi tanteraka.
Mivoy ho an'ny fandriam-pahaemana
Rehefa nandre ny zava-nitranga i Ngugi dia tohina sy nalahelo. Tao anaty antsafa iray nifanaovany tamin'ilay Indiàna mpikaroka sady mpihanika an-tendrombohitra, Anindya Mukherjee, dia hoy izy : « Tsapako ho toy ny misy olona manohintohina ny fahamendrehan'i Afrika fa tsy hoe ny an'olona tokana monja. Rehefa misy fanafihana atao noho ny lokon-kodiny amin'ny mainty iray, dia i Afrika manontolo izay no voatafika fa tsy olona iray. »
Maty tanatina adiady kely resaka posy ilay olona, andro iray talohan'ny fitsingerenan'ny nahaterahany. Mampiseho izany fa tena mora vidy ny ain'ny Afriàna iray. Mety ho simba amin'ny fotoana rehetra.
Faniriany raha mba hiaina mirindra miaraka amin'ireo karàna ny Afrikàna. Teraka tao an-tsainy araka izany ny hevitra hanangana sehatra iray iresahana ny momba ny fanavakavahana sy ireo vahaolana mety ho hita amin'izany.
Tamin'izay fotoana izay no tonga tao an-tsainy ny hevitra hitety an'i India amin'ny bisikilety, hikarakara hetsika any an-tsekoly ary hihaona amin'ireo Indiàna mpitarika sy ny pôlisy mba hampiroboroboana ireo fifanakalozankevitra misokatra ka hahafahana manakatra tsara ny fanavakavahana sy hampitombina ireo vahaolana. Nankasitrahan'ireo Indiàna namany ilay hevitra ary novatsian-dry zareo vola.
Indray maraina, tsy nanana afa-tsy ny fahavononany sy ny aingampanahiny notsoahana avy amin'ilay Dian'ny môtôsikiletin'i Che Guevara [fr], natombok'i Ngugi ilay dia, izay hitetezany mihoatra ny 5.000 km amin'ny bisikilety mandalo an'ireo fanjakana fito ao India; io no sambany nitaingenany bisikilety tamina halavirana lavitra.
Lasa zavatra iray noraisin'ireo Indiàna ilay fihetsik'i Ngugi, sy fisokafan'ny adihevitra momba ny fanavakavahana, ny sata sy ny maripamantarana izay mety hanatsara ny fiainana ao India, ary fihetsika iray nanova ny fiainana araka ny nahafantaran'i Ngugi azy.

Peter Ngugi notsenaina tao Guhawati, India. Saripika natolotry ny Bird, fampiasàna nahazoana alàlana.