
Fampirantian'i Fasky nandritra ny récréâtrales. Sary mampiseho tovovavy iray manenona sikina mampiavaka an'i Borkina Fasô
Ao Afrika, ireo fotoanan'ny zavakanto dia sehatra lafatra ho an'ireo mpikatroka maniry ny hisarika ny saina ho any amin'ireo olana sôsialy sy ny zon'olombelona.
Ao Borkina Fasô, i Zerbo Siaka antsoina hoe Fasky, mpanakanto mpakasary, dia miditra indrindra amin'ity fihaonan-dàlan'ny zavakanto sy ny fikatrohana ity. Ilay mpanakanto koa dia sady talen'ny fikambanana Photot'age, ka amin'ny alàlan'io izy no miditra an-tsehatra mampita ireo fahaizany maka sary ho an'ireo tanora aty aoriana. Ireo fampirantiana nataony nandritra ny andiany faha-13 tamin'ny fetibe ara-kolontsaina “Les Récréâtrales“, habaka iray iraisan'ireo ao Afrika ho an'ny literatiora, ny famoronana, ny fikarohana ary ny fandefasana tantara an-tsehatra, dia ohatra iray manambara ny anjara toerana miabo tànan'ny zavakanto ao anatin'ny fiarahamonina.
Ilay mpanakanto, izay efa an-taona vitsivitsy no mandray anjara amin'io fotoana lehibe io, dia nisokatra tamin'ny Global Voices. Raha nitafàna nandritra ny “Les Récréâtrales“, notantarainy ny fomba sy ny antony ametrahany ny sariny hiasa ho an'ny fiaretana sy ny fanolorantena sôsialy.

Sarin'ilay mpanakanto Fasky
Joel Hevi (JH): Tantarao anay ny nahatonga anao tamin'ny fakàna sary, sy ny anjara asanao ao anatin'ny fikambanana Photot’Age ?
Fasky (F): Izaho no Zerbo Siaka antsoina hoe Fasky, mpakasary, avy any Bobo-Dioulasso, any Borkina Fasô. Kisendrasendra ny nanombohan'ny zotra nahatongavako ho amin'ny fakàna sary. Tany am-piandohàna, nanonofy ny ho mpiangaly Rap aho, saingy ny nahitàko ny fakàna sary dia nanaraka Frantsay mpakasary namana aho, mpikambana amina fikambanana iray ao Borkina Fasô ry zareo. Nanome fakantsary iray ho ahy ry zareo, ary nanomboka teo no lasa zavatra nahafinaritra ahy ny fakàna sary. Ankehitriny aho, ao anatin'ny fikambanana Photot'age, dia mampita io zavakanto io amin'ireo tanora, isan'izany ireo ankizy nafindra toerana ao anatiny ihany, mba hahafahan-dry zareo milaza ny heviny amin'ny alàlan'ny sary sy mampiseho ny zavamisy iainan-dry zareo.
JH: Tamin'ny Récréâtrales, nampiranty andian-tsarim-behivavy ianao. Inona no hafatra tianao hiampita amin'ny alàlan'ireo asakanto mifantoka amin'ny vehivavy ireny?
F : Efa efatra taona aho izao no mandray anjara amin'ny Récréâtrales. Rehefa nandeha ny fotoana, nanam-pahafahana aho nametraka fifamatorana mafy tamin'ireo vehivavy izay nopihako sary, izay ny ankamaroany dia nafindra toerana tao anatiny daholo [noho ireo herisetra isankarazany naterak'ireo fanafihan'ny mpampihorohoro]. Ny lohahevitry ny fampirantiako, “Handresy Isika”, dia maneho ny fiaretan-dry zareo ao anatin'ny krizy. Izy ireny dia vehivavy izay mitazona ny fanantenana, na inona midona sy mihatra, ary mitolona ho an'ny fahamendrehany. Amin'ny alàlan'ny sarin'izy ireny, manasa ireo mpitsidika aho mba hijery ny tanjany sy ny faharefoan-dry zareo. Ny faniriako dia ny hahatsapan'ny maro ny maha-olona, ankoatra ny endrik'izy ireny, izay manohina sy manainga fanahy.

Fampirantiana nataon'i Fasky nandritra ny récréâtrales
JH: Antenainao ve ny hanokatra fifanakalozan-kevitra momba ny miralenta ? Inona avy no mety ho fiantraikany ankoatry ny hatsaràna ivelan'ireo asakantonao?
F: Izany mihitsy, ho ahy ny fakàna sary dia fihetsika pôlitika sy sôsialy. Fandraisana fitenenana ho an'ny miralenta ireny saripika ireny, ho fanomezana voninahitra ireo vehivavy matanjaka sy ny adin'izy ireny. Ny fanantenàko dia ny hamorona fahatongavan-tsaina, ny hampisehoana ny tanjak'izy ireo sy hampahatsiahivana ny mahamaika ny fitoviana. Raha afaka manokatra fifanakalozan-kevitra ireo sary nopihako, sy faniriana hiaro ny zon'ireny vehivavy ireny, dia nahavita ny iraka nampanaovina azy izany ry zareo.
JH: Inona no anjara asan'ny fikambanana Photot'age eo amin'ny sehatry ny fakàna sary ao Afrika Andrefana, ary inona ireo tetikasa vao haingana tena mambabo manokana ny fonao ?
F: Ho ahy, ny Photot’Age dia habaka iray fifampizaràna sy fanehoana hevitra. Miaraka amin'ireo tanora sy ankizy nafindra toerana, indrindra fa amin'ny alàlan'ny tetikasa Terre Ceinte [tetikasa ara-kolontsaina sy ara-javakanto miady amin'ny fanaovana an-tendro feno herisetra], ampianarinay an-dry zareo ny fakàna sary ampiasaina ho fomba hitantaràna ny tantarany. Fomba iray ihany koa io hamoronan-dry zareo sary hafa momba azy manokana, hitakiany ny tena zavamisy iainany sy ny zony. Antsoinay hoe Photographivisme [Photographie + Activisme] izy io – fanolorantena iray hanao ny sary ho fanoitram-panovàna sôsialy.
JH: Handray anjara ato ho ato amin'ilay Iray Volan'ny Sary ao Grenoble ianao. Inona avy no andrandrainao amin'io hetsika io?
F: Ho ahy ny fandraisna anjara amin'ny Iray Volan'ny Sary ao Grenoble dia fotoana sarobidy iray fanararaotra hizaràna vina iray tsy manam-paharoa sy mazàna tsy fantatry ny maro momba an'i Afrika. Ilay tetikasako Reconfinement, izay maneho ny fomba tsy nisian'ny fihibohana velively tao Afrika, voatery nasiana noho ilay valanaretina, dia taratry ny fiaretana sy ny fiainana andavanandro. Zava-katsahan'io tetikasa io ny hamoronana tena fifandraisan'ny samy olombelona, amin'ny fanasàna ny olona hahatakatra fa, ho an'ny maro ao Afrika, ny fahavelomana isanandro dia mahatonga ny fihibohana ho resaka ara-batana sy ara-tsaina mila tsy ho takatry ny saina.
Izaho manantena hoe ny vahoaka frantsay, zatra mijery fampisehoana misy hevi-draikitra na tandrefana kokoa momba an'i Afrika, dia hampiseho fihetsika voahevitra manoloana io zavamisy tsy voakitika io. Eo am-panehoana ireny sarin'ny faharetana sy ny andavanandro ireny, antenaiko ny hifanatrehan'ireo mpijery amina fijery hafa momba an'i Afrika, lavitry ny fitsaratsaram-poana, fa tena mifàka lalina ao anatin'ny zavamisy maha-olombelona sy ny ara-tsôsialy.
Ho ahy, io fampirantiana iraisana ao La Rampe io, iarahana amin'ireo mpanakanto toa an'i Jean-Claude Partouche, Sophie Romettino sy maro hafa, dia toy ny rafitra iray mety tsara hanaingàna io fifanakalozankevitra io. Iray amin'ireo endrika tena mahaliana indrindra amin'io hetsika io ny fifanakalozana, fa koa ireo tantaran'ny olombelona izay miafina any ambadik'ireo saripika tsirairay avy. Inoako fa hampanan-karena io traikefa io, na ho an'ireo mpijery, na ho anay mpanakanto.
JH: Ny fomba fakànao sary dia mampita fifandraisana akaiky amin'ireo olona alainao sary. Ahoana no fomba ahavitànao mametraka io fifampitokisana io, indrindra fa anatin'ireo toejavatra izay indraindray manahirana?
F : Tena fototry ny asako ny fifampitokisana. Mahafantatra ahy ireo vehivavy izay pihako sary, rehefa nandeha dia nahapetraka fifamatorana izahay. Ny tetikasa Terre Ceinte dia nahafahako nahatakatra ny fiainan-dry zareo sy nahazo ny fitokisany. Alohan'ny hanapihana ny sariny, dia mihaino aho, manaja ny tantaran-dry zareo. Io fifandraisana io no hita taratra any anatin'ny fijerin-dry zareo eny anatin'ireo sary nopihako – fahatsorampo izay ny fihainoana sy ny faharetana irery ihany no afaka mamorona azy.
JH: Inona no hafatra tianao ho tafita amin'ny alàlan'ireo fampirantiana ataonao?
F: Natao ho an'ny rehetra ny hafatra: ny maha-olombelona antsika no mampiray antsika. Ireo fanambin'i Ouagadougou dia tsy misy hafa loatra amin'ireo an'i Grenoble. Katsahan'ireo fampirantiana ataoko ny hamorona tetezana mampifandray ny kolontsaina, ny hampahatsiahy fa, na eo aza ny fahasamihafàntsika, iraisantsika ny fanantenana sy ny tolona. Antenaiko fa rehefa mivoaka avy ao amin'ny fampirantiana ireo mpitsidika dia hanana fomba fijery vaovao sy fanajàna ireny fiainana ireny izay, na lavitra aza, dia akaiky azy ireo ihany amin'ny maha-olombelona an-dry zareo amin'ny farany.