
An'alina ny olona nanatevin-daharana ny hikoi (diabe milamina) tao Auckland manohitra ny fampidirana ny volavolan-dalàm-pifanarahana. Pikantsary avy amin'ny lahatsary YouTube navoakan'ny nzherald.co.nz, fampiasana ara-drariny
Olona efa ho iray alina no nidina an-dalambe tao Nouvelle-Zélande mba hanohitra ny fampidirana ilay volavolan-dalàna fitsipi-pifanarahana mampiady hevitra ao amin'ny Parlemanta. Nilaza ny mpitsikera fa raha lany io volavolan-dalàna io, dia mety hamadika ny zo sy ireo fomba fiarovana ny vahoaka Māori.
Takìn'ny volavolan-dalàna ny handinihana indray ny fandikana ny Fifanarahan'i Waitangi (Te Tiriti) tamin'ny taona 1840 nosoniavin'ny mpanjanaka britanika sy ireo lehiben'ny teratany Māori manodidina ny 500. Tao anatin'ny 184 taona, nitarika sy namolavola ny fitantanana ao Nouvelle-Zélande ny fifanarahana, anisan'izany ny didim-pitsarana nanamafy ny fiarovana ny zon'ny Māori teratany.
Any Nouvelle-Zélande, tsy maintsy ampandalovina in-telo ao amin'ny Parlemanta ny volavolan-dalàna mba hahazoana ny Fankatoavan'ny Mpanjaka sy ampidirina ho lalàna. Nankatoavina nandritra ny vakiteny voalohany ny volavolan-dalàna tamin’ny 15 Novambra.
Nikarakara diabe am-pilaminana na hikoi naharitra sivy andro nizotra nankany Wellington renivohitra ireo mpikatroka, namory olom-pirenena an'arivony tany an-tanàndehibe sy tanàna samihafa teny an-dalana.
Manodidina ny 20 isanjaton'ny mponina 5,3 tapitrisa ao Nouvelle-Zélande no Māori.
Nanamarika ny Tribonaly Waitangi, izay mijery ny hampiharana ny fifanarahana, fa ilay volavolan-dalàna dia “ninia nanilika izay mety ho fifampidinihana amin'ny Māori ny volavolan-dalàna, nanitsaka ny foto-kevitry ny fiaraha-miasa, ny adidy masin'ny Fiandrianana, ary ny adidin'ny Fiandrianana amin'ny fiarovana ny zo sy ny tombontsoan'ny Māori. ”
Nanamafy izany hevitra izany i Chris Hipkins, mpitarika ny Mpiasa:
This bill fails to uphold the promises made in the Treaty and disregards the voices of Māori. It is essential that we protect the principles of partnership, participation, and protection that the Treaty embodies.
Tsy manaja ny fampanantenana tao amin'ny fifanarahana ity volavolan-dalàna ity ary tsy miraharaha ny feon'ny Māori. Tena ilaina ny miaro ny fitsipiky ny fiaraha-miasa, ny fandraisana anjara ary ny fiarovana izay ao anatin'ny fifanarahana.
Nampahatsiahy ny praiminisitra i Chlöe Swarbrick, mpitarika ny Antoko Maitso, ny maha-lovainjafy ny fifanarahana:
Governments come and go. Politicians come and go. Te Tiriti is foundational and enduring. Honouring Te Tiriti is the constitutional obligation of every Prime Minister – something Christopher Luxon must take personal responsibility for. Our nation has real, deep issues to deal with instead of this desperate, divisive, imported culture war.
Mifandimby ireo governemanta mandalo. Mandalo dia lasa ny politisiana. Fanorenana ny Te Tiriti sy mateza. Ny fanomezam-boninahitra ny Te Tiriti no adidy ara-dalampanorenan'ny Praiminisitra rehetra – zavatra iray tsy maintsy andraisan'i Christopher Luxon andraikitra manokana. Manana olana tena lalim-paka ny firenentsika fa tsy ity kolontsain'ady famoizampo, mampisara-bazana, ary nohafarana (avy any ivelany) ity.
Saingy nanizingizina ny mpanampy ny minisitry ny Fitsarana David Seymour, mpanoratra ny volavolan-dalàna fa tsy hisy fanavaozana ny fifanarahana.
The bill will not alter or amend the Treaty itself. It will be used to assist with the interpretation of legislation where Treaty principles would normally be considered relevant.
Tsy hanova na hanitsy ny fifanarahana mihitsy ny volavolan-dalàna. Hampiasaina izy io hanampiana amin'ny fandraisana ny dikan'ny lalàna izay heverin'ny fitsipiky ny fifanarahana ho manan-danja.
Nofintininy tanaty ranty Facebook ny tanjon'ilay volavolan-dalàna:
The Treaty Principles Bill says 1) the Crown has the right to govern, 2) New Zealanders’ rights will be protected – including those of iwi, and 3) we all have equal rights.
What's not to like?
Milaza ny volavolan-dalànan'ny fitsipi-pifanarahana fa 1) manan-jo hitantana ny Fiandrianana, 2) harovana ny zon'ny mponin'i Nouvelle-Zélande – anisan'izany ny an'ny iwi, ary 3) mitovy zo avokoa isika rehetra.
Inona no tsy tiana?
Nandritra ny fifidianana parlemantera tamin'ny 15 Novambra, nanapaka ny fivoriana tamin'ny alalan'ny dihy hakà nentim-paharazan'ny vahoaka Māori ireo Māori mpanao lalàna:
Here's a better angle that shows the @Maori_Party performing the haka right up in David Seymour's face.
He looks shit scared. https://t.co/VM0Qx76P34 pic.twitter.com/JdBe6B5GlR
— Nick (@StrayDogNZ) November 14, 2024
Ity misy zoro tsara kokoa izay mampiseho ny @Maori_Party manao ny haka eo anoloan'i David Seymour.
Toa matahotra izy.
Hana-Rawhiti Maipi-Clarke, parlemantera tanora indrindra ao amin'ny firenena, no nitarika ny haka. Naato tsy ho ao amin'ny Parlemanta izy nanomboka teo noho ilay hetsika fanoherana. Niteraka aingam-panahy (sary-sy-soratra na memes) maro ilay sarim-pandrovitana volavolan-dalàna iray. Nanoritra afisin'ilay tanora solombavambahoaka ny Māori artista Huriana Kopeke-Te Aho:
Some more context you might not be aware of is that before the Treaty Principles Bill speeches began, Hana-Rawhiti Maipi-Clarke asked the Speaker for a speaking slot and was denied.
Te iwi Māori will be heard!Illustration by Huriana Kopeke-Te Aho pic.twitter.com/a5sca94hK0
— Welly Wahine 🍉 (@salty_kiwi) November 15, 2024
Ny toe-javatra hafa mety tsy ho fantatrao dia ny hoe talohan'ny nanombohan'ny lahateny momba ny volavolan-dalàm-pitsipi-pifanarahana, dia nangataka tamin'ny Filohan'ny Parlemanta i Hana-Rawhiti Maipi-Clarke hikabary fa nolavina izany.
Ho heno i Te iwi MāoriFandravahana nataon'i Huriana Kopeke-Te Aho
Nahasarika vahoaka 10.000 ny ila hikoi tao an-tanànan'i Rotorua. Nosoritsoritan'ny ben'ny tanànan'i Rotorua, Tania Tapsell, ho “fihetsiketsehana (hikoi) lehibe indrindra hatrizay nahatsiarovany saina” ao Nouvelle-Zélande izy io.
We are joined by so many locals. It is great to be here with my family to support the values of partnerships and Te Tiriti o Waitangi and the significant contribution of Māori past and present.
Maro dia maro ireo mponina eto an-toerana nanatevin-daharana. Mahafinaritra ny miaraka amin'ny fianakaviako eto hanohana ny soatoavin'ny fiaraha-miasa sy ny Te Tiriti o Waitangi ary ny fandraisana anjara lehibe avy amin'ny Māori taloha sy ankehitriny.
Tao Auckland, tombanana ho 10.000 ny olona niampita ny Tetezan'ny Helodrano nandritra ny diabe fihetsiketsehana. Nampahatsiahy ny hetsi-panoherana Māori tamin'ny taona 1970 sy ny filàna ny fampitana ny lova ho an'ny taranaka ilay mpikatroka menavazana Herbert Manupiri.
It has to come through our young people you know, and that's where our young people have to sit down with the old people and our old people have to teach them.
Fantatrao (fa) tsy maintsy tonga amin’ny tanorantsika izany, ary eo no iarahan'ny tanora miara-mipetraka amin’ny zokiolona ary mila mampianatra azy ireo ny zokintsika.
Nandray anjara tamin'ny fihetsiketsehana ho fanohanana ny Māori ihany koa ny pakeha (New Zealanders fotsy hoditra). Nizara ny niainany i Margie Thomson rehefa niditra tao amin'ny hikoi.
The spirit of the people here is really profound … if people could feel they would really see the reality of the kāupapa here — the togetherness. This is really something, there is a really strong Māori movement and you really feel it.
Lalina tokoa ny fanahin'ny olona eto … raha mahatsapa ny olona dia hahita tokoa ny zava-misy amin'ny kāupapa eto — ny fiarahana. Tena zavatra tokoa izy ity, misy hetsika Māori tena matanjaka ary tena tsapanao izany.
Hiditra amin'ny fifidianana fanindroany ny volavolan-dalàna, milaza ireo mpikatroka fa tsy azo inoana ny hahazoana ny fanohanan'ny maro an'isa ao amin'ny Parlemanta satria naneho ny mpikambana sasany ao amin'ny fiaraha-mitantana fa tsy mankasitraka ny fepetra izy ireo.