
Sarin'ny sainam-pirenena gabôney
Herintaona mahery taorian'ny nandraisan'ny tafika ao amin'ny Repoblikan'i Gabôna ny fahefana tamin'ny 30 Aogositra 2024, manana fahafahana handeha handany lalàm-panorenana vaovao ireo olompirenena gabôney, mandritra ny fitsapankevi-bahoaka amin'ny 16 Novambra 2024
Miarina avy amin'ny fitondràn'ny fianakaviana Bongo nandritra ny fotoana ela be i Gabôna, fianakaviana nitàntana ny firenena hatramin'ny 1967 niaraka tamin'ny filoha Omar Bongo, ary taorian'ny nahafatesany dia notohizan'i Ali Bongo, zanany lahy rehefa lany tamin'ny fifidianana ho amin'io toerana io tamin'ny 2009. Niova ny tantana tamin'ny 2023 rehefa, taorian'ny fanonganam-panjakana iray nataon'ny tafika, i Brice Oligui Nguema no nandray ny fitondràna ny firenena amin'ny maha-filoha ny tetezamita hanatontosa iraka fametrahana taridàlana vaovao ho an'ny firenena.
Vakio: Nandroba fahefana ny miaramila taorian'ny fifidianana nampiady hevitra tany Gabôna
Ao anatin'io toejavatra hanarenana ifotony ny firenena sy ireo andrim-panjakàny io, tamin'ny 7 Septambra 2024, natolotry ny parlemanta ny tolodalàna iray hanovàna ny lalàm-panorenana ary natolotra ny filohan'ny tetezamita. Io tolodalàna voalaza io dia ahitàna fanovàna vitsivitsy voatanisa ao anatin'ny lahatsoratra iray an'ny Radio France Internationale (RFI):
…ny fametrahana fitondràna iray tantanina filoham-pirenena; ny filoha dia fidiana hitondra mandritra ny fepotoana fito taona azo havaozina in-dray mandeha monja ; foanana ny toeran'ny praiminisitra. Azon'ny filohan'ny Repoblika ravàna ny parlemanta ary ireo solombavam-bahoaka sy loholona koa dia azon'ny filohan'ny Repoblika esorina amin'ny toerany raha misy trangam-pamadihan-tanindrazana.
Ankoatra izay, ilay lalàm-panorenanan vaovao dia manome ny sata maha-maherifo ho an'ireo miaramila mpanongam-panjakana, amin'ny alàlan'ny lalàna iray manome azy ireo famotsorankeloka, ary eny an-tsefantsefany eny dia mamaritra ny fanambadiana ho firaisan'olona roa tsy mitovy taovam-pananahana.
Fampitandremana mahakasika ny endrika sasany ao anatin'ilay fanavaozana
Eny anivon'ny fiarahamonim-pirenena, mizarazara ny hevitra momba ilay olana, ary ireo mpisehatra dia manolotra andiam-panitsiana ho an'ilay volavolan-dalàm-panorenana vaovao, indrindra amin'ny fanomezana lanja ny fepotoam-piasàna ho dimy taona fa tsy ilay fito taona voalaza.
Tao amin'ny RFI, Sentiment Ondo, mpitondratenin'ny fiarahamonina sivily gabôney no nanazava:
Mazava ho azy fa ny teboka manandanja aminay dia ireo fepetra milaza fa tsy maintsy teraka avy amina ray sy reny gabôney, izay izy ireo ihany koa dia teraka gabôney. Manambady gabôney, vavy na lahy. Ny tohankevitra avy amin'ny fiarahamonina sivily eto, dia ny hoe manitsakitsaka ny lalàna momba ny zom-pirenena efa nihatra hatramin'ny taona 1960 ilay andininy. Ankoatra izay anefa, tafahoatra sy manavakavaka io fepetra io.
Takian'ny fiarahamonina sivily ihany koa ny fanafoanana ny toeran'ny filoha lefitra ary ny hitondràna fanazavàna momba ireo fepetra mety hiteraka fanesorana amin'ny toerany ny filoha. Ao anatin’ilay lahatsoratry ny RFI, Sentiment Ondo dia mamaritra tsara fa:
Ny sosokevitra naroso [-n'ny parlemanta] dia ny hampidirana ho isan'ireo any anatin'ny fiampangana filoham-pirenena ny heloka bevava ara-toekarena sy ara-bola, ny hampidirana ny fampielezankevitra ara-poko sy faritra, ny fandraisana tombontsoa tsy ara-dalàna ary ny famotsiambola, ny heloka bevava nandatsahan-drà sy ny famoretana hetsibahoaka.
Vakio: Gabôna, fanokanana ny filoha vaovaon'ny tetezamita, ary fanilihana ilay filoha voaongana
Etsy andaniny, i Daniel Mengara, mpisehatra pôlitika ary filohan'ny hetsika politika gabôney Bongo Doit Partir (Tsy maintsy miala i Bongo, dia manandratra ny feony, hanoherana ilay volavolan-dalàm-panorenana voalaza, ary nanao tsia tamin'ny latsabatony:
Izao tetezamita izao dia natao mba hampanjakàna olona tokana (…) ny jeneraly Oligui Nguema (…). Araka izany, raha ny marina dia takianay ny tena fisarahan'ny fahefana. Tsy maintsy izorana (…) araka izany ny fandehanana mankany amin'ny rafitra parlemantera satria heverinay fa miaraka amin'ny fisiana parlemanta iray matanjaka, azo atao ny miantoka ny kely indrindra amin'ny fifandanjam-pahefana. (…) 56 taona no lanintsika teo ambany fitondran'ny “hyperprésidence“. Tsy nety tamintsika ny rafitra fitondrana filohampirenena teo ambany fitantanan-dry Bongo. Tsy hitondra fahombiazana ho antsika koa izany eo ambany fitantanan'ny jeneraly Oligui.
Marobe, mazava ho azy, ireo izay miarahaba ny fanambaràna an'ilay lalàm-panorenana vaovao satria izy io no porofo hita vatana amin'ny fiafaràn'ny vanim-potoana Bongo. Izany no asehon'ny fanehoankevitr'i Ntsegue Laffite Joyce, lefitry ny sekretera mpanatanteraka no sady mpitondratenin'ny Rassemblement pour la Patrie et la Modernité (RPM) an'i Alexandre Barro Chambrier, praiminisitra lefitra ao Gabôna. Ao amin'ny kaontiny X (Twitter taloha), dia hoy izy:
«Parmi les points positifs, cette Constitution va tourner la page d’une époque et ouvrir une nouvelle voie à notre pays. Elle consacre la garantie de l’alternance et la fin des mandats perpétuels.» @ABarrochambrier
Rentrée politique 2024 du RPM à Port-Gentil. #Gabon 🇬🇦 pic.twitter.com/Uiqv49cmId— Ntsegue Laffite Joyce (@laffite_n) October 27, 2024
« Anisan'ny lafiny tsara, io lalàm-panorenana io no hamadika ny pejin'ny vanim-potoana iray sy hanokatra làlana vaovao iray ho an'ny firenentsika. Izay mametraka ny antoky ny fifandimbiasana sy ny fiafaràn'ireo fe-potoana fiasàna mandrakizay.» @ABarrochambrier
Fidirana pôlitika 2024 an'ny RPM tao Port-Gentil. #Gabon 🇬🇦 pic.twitter.com/Uiqv49cmId— Ntsegue Laffite Joyce (@laffite_n) 27 Ôktôbra 2024
Fa ny iray amin'ireo lohahevitra mampiasa loha indrindra an-dry zareo Gabôney dia ny fahaleovantenan'ny rafi-pitsaràna. Teo ambanin'ny fitondràna teo aloha, im-betsaka mihitsy ny fitsaràna gabôney no niharan'ny fanakiànana. Momba io lafiny io, ao anatin'ny tatitra 2024 navoakany momba ny fahalalahana manerana izao tontolo izao, lazain'ny Freedom House fa:
Fony governemanta Bongo, teo ambany fahefan'ny filoha ny fitsaràna. Tomponandraikitra eo anoloan'ny minisiteran'ny fitsaràna ny fahefan'ny fitsaràna, izay fahefana an-tànan'ny filoha ny manendry sy mandroaka ireo mpitsara. Mpikambana telo no tendren'ny filoham-pirenena tao anatin'ny Fitsaràna momba ny Lalàm-panorenana, roa avy amin'ny Antenimieram-pirenena, iray avy amin'ny Loholona ary telo avy amin'ny Filankevitra ambonin'ireo Mpitsara (CSM).
Fanombohan'ny fampielezankevitra ho amin'ny fifidianana
Ny faran'ny Septambra 2024, marobe ireo fanavaozana natsofok'ireo parlemantera tao amin'ilay tolodalàna, isan'izany ny fanovàna ny faharetan'ny fe-potoam-piasàna. Tena mankasitraka fatratra an'ilay lalàm-panorenana vaovao, Paul Biyoghe Mba, parlemantera avy amin'ny Parti Démocratique gabonais (PDG) – antokon'ilay filoha gabôney fahiny, Omar Bongo – mihevitra fa ny fanavaozana tahaka izany dia afaka misoroka fironana iray ao amin'ny faritra izay matetika ny filoham-pirenena dia mitetika fe-potoam-piasàna fanintelony na efa misy aza ireo fetra napetraky ny lalàm-panorenana. Araka izay hazavainy ao amin'ny RFI:
Ny faharetana lava indrinda napetraka dia fito taona in-droa. Koa satria tsikaritra fa amin'ireo tranga izay dimy taona in-droa ny fe-potoana iasàn'ny filoham-pirenena, mbola mikatsaka ny hahazo fanintelony ihany ireo filoha, teo dia hoy izahay hoe : “Afaka mipetraka 14 taona raha be indrindra ny Filoham-panjakàna, saingy aorian'izay, miàla izy!
Manomboka ny 6 Novambra ny fampielezankevitra ho amin'ny fifidianana, andro folo monja alohan'ny fifidianana. Faha-94 no laharana misy an'i Gabôna ao anatin'ny fampilaharana nataon'ny Reporters Sans Frontières RSF) momba ny fahalalahana maneho hevitra ho an'ny taona 2024. Izao no asongadin'ny Freedom House, mbola ao anatin'ilay tatitra 2024 ihany momba ny fahalalahana manerana ny tany:
Gabon’s electoral laws and framework have historically not ensured credible elections. The electoral commission, the Interior Ministry, and the Constitutional Court have all played important roles in managing elections, and all were loyal to Bongo.
Tany aloha, tsy niantoka ny fisian'ny fifidianana azo antoka ireo lalàna sy rafi-pifidianana tao Gabôna. Ny vaomieram-pifidianana, ny ministeran'ny atitany ary ny Fitsaràna momba ny lalàm-panorenana dia nitàna anjara toerana lehibe tamin'ny fitantànana ny fifidianana, tamin'ny tsy fivadihana tamin'i Bongo.