Voatsikera i Johnnie To, mpamokatra sarimihetsika Hong Kong taorian'ny nilazany fa ‘tsy manam-panahy’ ny tanàna nandritra ny tafatafa tamin'ny BBC

Pikantsary avy amin'ny lahatsary 杜琪峯導演專訪:我和香港失去靈魂——人權與自由- BBC News 中文” tao amin'ny fantsona Youtube BBC Shinoa. Fampiasana ara-drariny.

Nosoratan'i Kelly Ho iy tatitra ity ary navoaka tao amin'ny Hong Kong Free Press tamin'ny 6 Novambra 2024. Navoaka ho ampahany amin'ny fifanarahana fiaraha-miasa amin'ny votoaty ity dikan-teny nasiam-panovana ity.

Gazety roa tohanan'i Beijing ao Hong Kong no nanakiana ilay mpilalao sarimihetsika nahazo loka Johnnie To, izay nilaza nandritra ny antsafa tamin'ny  Vaovao Shinoa BBC fa tsy misy fahalalaham-pitenenana sy zon'olombelona intsony ny tanàna.

Tamin'ny lahatsoratra nivoaka tamin'ny 4 Novambra, nilaza ny gazety Shinoa Ta Kung Pao tohanan'ny fanjakana fa “tsy rariny” ny nataon'i To tamin'ireo mpamokatra sarimihetsika ao an-toerana noho fanatsotsorana ny fahasahiranan'ny indostrian'ny sarimihetsika ao Hong Kong ka mihevitra azy ho resaka politika fotsiny sady milaza fa “tsy manam-panahy” ny tanàna.

Mitondra ny lohateny hoe “tokony hanaja ny sarimihetsik'i Hong Kong i Johnnie To”, nanakiana ny fanamarihana nataon'ilay mpandresy intelo nahazo ny lokan'ny Filma Hong Kong tamin'ny antsafa naharitra 51 minitra tamin'ny BBC News Shinoa izay nandeha tamin'ny 2 Novambra ilay matoandahatsoratra.

Raha miresaka karazana lohahevitra, ao anatin'izany ny kizo ara-pamoronana vao haingana, ny “tsipika mena” -n'ny sehatrasa ary ny antony nandavany handray anjara amin'ny sarimihetsika Shinoa voalaza fa manamafy ny foto-kevitr'i Beijing.

Fony nanontaniana i To raha an-dalam-panatontosana sarimihetsika tao ho ao, dia nilaza izy fa niaina “ny teboka ambany indrindra amin'ny fiainana” noho ny “fiantraikan'ny tontolo iainana”. Rehefa nasaina nanazava ny karazana fiantraikany noresahiny ilay tale, dia namaly hoe: “Heveriko fa ianao no mahay kokoa noho izaho.” Hoy ilay tale tamin'ny teny Kantoney:

I have always insisted on filming in Hong Kong. In fact, Hong Kong is very important to me. I think there is no soul now, including [in] myself and Hong Kong.

Niziriziry ny hanaovana sarimihetsika tany Hong Kong foana aho. Raha ny marina, tena zava-dehibe amiko i Hong Kong. Heveriko fa tsy misy fanahy izao, anisan'izany ao anatiko sy Hong Kong.

Raha nanontaniana hoe inona no “very” tamin'ny “fanahy” ao Hong Kong, dia novalian'i To ho ny fahalalahana miteny sy ny zon'olombelona.

Nasongadin'ny mpiantsafa ny Fetiben'ny Sarimihetsika Fohy Iraisampirenena Fresh Wave malaza, tetikasa iray manohana ireo tanora mana-talenta amin'ny sehatrasan'ny sarimihetsika, izay nahenan'ny Vaomieran'ny Fampandrosoana ny Zavakanto ao Hong Kong an'ny governemanta tamin'ny herintaona ny famatsiam-bola. To no nanangana ny fetibe 19 taona lasa izay mba hanomezana famatsiam-bola ho an'ny mpamokatra sarimihetsika misondrotra sy sehatra hanehoany ny asan'izy ireo.

Na dia tapaka aza ny famatsiam-bola, nilaza i To fa hanohy amin'ny fanohanana ny hetsika. Nilaza tamin'ny BBC News Shinoa ny tale fa mampiseho ny “tsy fitokisany ny vahoakany” ny manampahefana amin'ny fanapahan'ny governemanta ny famatsiam-bola.

Nanontaniana ihany koa ilay tale raha hihevitra ny tenany ho “mahitsy” amin'ireo mpamokatra sarimihetsika malaza hafa any Hong Kong. Nihomehy izy ka nanao hoe:

I think so. In fact, after you asked, I will need to think about whether or not to do interviews in the future.

Izay ny hevitro. Raha ny marina, rehefa nangataka ianao, dia mila mihevitra aho hoe hamaly antsafa ve rahatrizay sa tsia.

Nahazo mpijery maherin'ny 820.000 ny antsafa nataon'i To tao amin'ny YouTube tao anatin'ny efatra andro, ary nisy mpijery naneho fanajana ny tale sy nidera azy noho ny “fitenenana ny marina”. Saingy niteraka fanakianana avy amin'ny media mpomba an'i Beijing ny fanamarihany, ary ny tonian'i Ta Kung Pao mandrisika an'i To tsy “hamadika ho politika” ny sehatry ny sarimihetsika. Hoy ny fivakin'ny matoandahatsoratra:

Hong Kong still saw many outstanding drama films released in recent years, including ‘A Guilty Conscience’, ‘In Broad Daylight’, and ‘Time Still Turns the Pages’, which sharply highlighted existing issues in Hong Kong society and offered candid criticism. […] If Hong Kong is truly a society without freedom of speech and human rights, then where do these films come from? Does the Hong Kong presented in the films have no ‘soul’ in the eyes of Johnnie To? His comments are clearly unfair to the film production team and the actors.

Mbola maro ny sarimihetsika tantara marosehatra niavaka nivoaka tato anatin'ny taona vitsivitsy tao Hong Kong, anisan'izany ny ‘A Guilty Conscience’ , ‘In Broad Daylight’, ary ny ‘Time Still Turns the Pages’, izay nampiharihary ireo olana misy eo amin'ny fiarahamonin'i Hong Kong ary nanakiana mangina. […] Raha tena fiarahamonina tsy manana fahalalahana miteny sy zon'olombelona tokoa i Hong Kong, avy aiza ireo sarimihetsika ireo? Tsy manana ‘fanahy’ eo imason'i Johnnie To ve i Hong Kong aseho amin'ireo sarimihetsika ireo? Mazava ho azy fa tsy rariny ho an'ny ekipa mpamokatra sarimihetsika sy ny mpilalao ny fanehoan-keviny.

Namoaka lahatsoratra ihany koa ny gazety iray hafa tohanan'i Beijing, Wen Wei Po tamin'io andro io nitanisa “olona malaza maromaro ao amin'ny sehatrasan'ny sarimihetsika Hong Kong”, ary nilaza fa “tsy nisy fiovana mihitsy” ny fahalalahana mamorona ao Hong Kong.

Nilaza tamin'ny gazety ny tale Wong Jing fa tsy hiatrika famerana ny 90 isan-jaton'ny sangan'asan'i To teo aloha raha tontosaina amin'izao fotoana. Raha nanontaniana hoe inona amin'ny 10 isan-jaton'ny lohahevitra no mety hoferana, dia nilaza i Wong fa ireo sarimihetsika “anjakan-jiolahy loatra”.

Hatramin'ny nivoahan'ny lalàna momba ny fiarovam-pirenena napetrak'i Beijing tamin'ny volana Jona 2020, dia maro kokoa ny tatitra niangaviana ireo mpamokatra sarimihetsika hanapaka seho ao amin'ny sarimihetsikany, anisan'izany ny iray izay nampiseho ny seho Hetsika Elo 2014 izay naharitra iray segondra latsaka.

Nilavo lefona ny tale sasany tsy hamoaka ny sangan'asany tany Hong Kong taorian'ny fanitsiana ny Didy Hitsivolana momba Sivana an-tSarimihetsika tamin'ny taona 2021, izay nahafahan'ny governemanta nandràra ireo sarimihetsika heverina ho mifanohitra amin'ny fiarovam-pirenena tsy hojerena.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.