Mbola mandady ao Brezila ny trambon'ny fihetsika mitrifana mpitoraka zava-mipoaka nahafaty olona iray

Ny seho tao amin'ny lapan'ny Fitsarana Tampony taorian'ny fipoahana. Sary: Kanto avy amin'ny Global Voices tamin'ny sarin'i Bruno Peres/Agência Brasil. Nahazoana alalana.

Teo am-panaovana valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety momba ny fivoaran'ny tolo-kevitra mety hampihenana ny ora fiasan‘ny Breziliana [mg], tao amin'ny lapa Planalto, trano fiasan'ny filoha, ny vehivavin'ny Kongresy Erika Hilton, raha re ny fipoahana roa tamin'ny 13 Novambra, tokony ho tamin'ny 7 ora sy sasany hariva. 500 metatra monja miala avy eo, nitsirara maty teo anoloan'ny tranoben'ny Fitsarana Tampony ao Brasília, renivohitr'i Brezila, ny olona iray.

Avy amin'ny fiara iray niantsona feno afomanga sy biriky ary baomba nijanona teo akaikin'ny Lapan'ny Antenimiera ny fipoahana voalohany. Tokony ho 20 segondra taorian’izay dia nisy fipoahana faharoa niseho teo anoloan’ny Fitsarana Tampony, ka nahafatesana lehilahy iray. Teo am-pamaranana ny fotoam-pivoriana ireo mpitsara ary notarihina hivoaka ny trano ho fepetram-piarovana.

Hita fa i Francisco Wanderley Luiz, 59 taona ilay namoy ny ainy. Izay no niantsoan'ny polisy azy satria izay no misoratra ho tompon'ilay fiara. Nanao akanjo misy sarin-karatra belôty izy – azo inoana fa anondroana ilay mpiantsehatra fahavalon'i Batman, ilay Joker.

Ho an'ny maro any Brasília, mampahatsiahy ny fotoana nanafihan'andian'olona sy nanimbana ny lapan'ny Fitsarana Tampony tamin'ny 8 Janoary 2023, nikasana hanonganam-panjakana herinandro monja taorian'ny nitokanana an'i Luiz Inácio Lula da Silva hiasa fe-potoana fanintelony [fr] amin'ny maha-filohan'i Brezila azy izany toe-javatra izany.

Faratampon'ny fihetsiketseham-panoherana ambolana maromaro taorian'ny nandresen'i Lula an'i Jair Bolsonaro, filoha tamin'izany fotoana izany, tamin'ny fifidianan'ny taona 2022, ary tsy naneken'ity farany ny voka-pifidianana ilay fanafihana tamin'ny taona 2023 sy ny fikasana handaroka baomba fanindroany.

Taorian'izany fanafihana izany, bolsonarista maherin'ny 2.000, araka ny ahafantarana ireo mpanara-dia an'i Bolsonaro any Brezila, no nosamborina. Voaheloka higadra 17 taona noho ny fananiham-bohitra sy fanimbàna ireo Andry Telon'ny Lapam-panjakana — ny Lapan'ny filoha, ny Fitsarana Tampony, ary ny Kongresy Nasionaly — ny sasany. Eo am-panadihadiana azy amin'izao fotoana izao noho ny fampiroboroboana hetsika mifanohitra amin'ny demôkrasia i Bolsonaro tenany, izay nankany Etazonia mba tsy hanatrehany ny fanokanana an'i Lula.

Nanomboka famotorana ofisialy ny polisy federaly mba hanadihady ity fanafihana farany ity. Mbola andrasana ny voka-pamotorana.

Iza moa i Francisco Wanderley Luiz?

Mbola manadihady an'i Francisco Wanderley Luiz sy ny mety ho antony manosika azy handaroka baomba ny manam-pahefana. Mpanao lakile (fanalahidy) amin'ny fihariana, nirotsaka hofidiana ho filankevitry ny tanànan'i Rio do Sul, tanàna ahitana olona 72.500 eo ho eo ao amin'ny fanjakan'i Santa Catarina izy tamin'ny taona 2020. Nifandray tamin'ny PL, Antoko Liberaly, tamin'ny taona 2021 i Luiz, ary nantsoina hoe “Tiü França” izay nidiran'i Bolsonaro herintaona taty aoriana.

Nilaza ireo seha-baovao breziliana, toy ny ICL, fa efa nandefa fandrahonana tao amin'ny media sosialy i Luiz ambolana maromaro talohan'ny fanafihana. Tamin'ny 24 Aogositra, nandefa selfie avy amin'ny Parlemanta tao amin'ny Fitsarana Tampony i Luiz izay misy soratra hoe, “Navelany hiditra tao amin'ny tranon'akoho ny fosa” sy “Efa nampitandremana ianareo.”

Nitsidika ny biraon'ny parlemantera Jorge Goetten, mpanao politika mifandray amin'ny antoko Repoblikana sady ampahany amin'ny mpikambana fototr'i Bolsonaro izy ny androtr'io ihany. Nilaza tamin'ny Folha de S. Paulo ilay mpikamban'ny kongresy hoe tsy tao an-toerana tamin'ny famangian'i Luiz, fa efa 30 taona mahery no nahafantarany an'i Luiz, ary isaky ny nihaona taminy i Luiz tamin'ny herintaona dia toa “voahozongozona ara-pihetseham-po”.

Nomarihan'ny ICL koa ny pikantsarin'ny hafatra WhatsApp nalefan'ilay lehilahy ho an'ny tenany. Ao amin'ny iray amin'izy ireo hafatra ireo izy nanoratra hoe: “Andao hilalao??? Polisy federaly, manana 72 ora ianareo handravana ny baomba ao an-tranon'ireo komonista bet*y ireo.

Ny ampitson'ny fanafihana, nilaza nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety ny Polisy Federaly fa efa telo na efa-bolana izay no nipetrahany tany Brasília ary natao tanana ireo baomba ireo, saingy avolanta mety hiteraka fahavoazana. Misy lahatsary iray ahitana lehilahy iray nanipy zavatra toy ny baomba kely teo amin'ny sarivongan'ny Fitsarana teo anoloan'ny Fitsarana Tampony ary nametraka ny lohany teo ambonin'ny iray hafa, izay nitarika ny fahafatesany.

Nilaza ny polisy federaly fa tao Brasília i Luiz tamin'ny Janoary 2023, saingy mbola hamarinina raha nandray anjara tamin'ny fanafihan'ny 8 Janoary izy. Nahitana zava-mipoaka maro ny trano nofainy, tany an-tanàna itatr'i Brasília, ary rakotra graffiti manondro ilay hetsika.

Amboadia manirery sa olana ara-drafitra?

Na dia hitan'ny sasany ho hetsik’ “amboadia manirery” aza ny fanafihana, dia tafiditra anatin-toe-javatra lehibe kokoa nitranga tao Brezila nandritra ny taona vitsy. Nanamafy ny tale jeneralin'ny polisy federaly, Andrei Passos Rodrigues, fa mbola mavitrika ao Brezila ny vondrona mahery fihetsika:

Não descartamos nenhuma hipótese. Eu tenho algumas ressalvas com essa expressão do lobo solitário. Ainda que a ação visível seja individual, por trás dessa ação, nunca há só uma pessoa, há sempre um grupo ou ideias de um grupo ou extremismos e radicalismos que levam ao cometimento desses delitos.

Tsy manary izay mety ho petra-kevitra izahay. Manana fisalasalàna aho amin'ity voambolana hoe ‘amboadia manirery’ ity. Na dia olona iray ihany aza no hita, dia tsy ho olona iray ihany no ao ambadik'ity hetsika ity, fa vondrona na hevitra avy amin'ny vondrona na fitrifana (extremisme) sy hiringiriny mitarika azy ireo handika lalàna.

Efa ho roa taona taorian'ny fanafihan'ny 8 Janoary sy ankatoky ny hanamelohana ny filoha teo aloha Bolsonaro noho ny fandraisany anjara, niezaka hahazo famafan-keloka ho an'ireo rehetra voarohirohy tamin'ny fanafihana ireo politisiana rehetra manohana azy. Niezaka hiady varotra hahazo izany ry zareo nandritra ny fifidianana izay ho filohan’ny Antenimiera farany teo.

Tsy afaka milatsaka hofidiana i  Bolsonaro ny tenany raha tsy amin'ny taona 2030 taorian'ny niampangana azy ho manao fivoriana mamely ny rafi-pifidianana ary niampanga izany ho manao hosoka tsy mampiseho porofo teo anoloan'ny vondron'ny ambasadaoro taloha kelin'ny fifidianan'ny taona 2022. Nohazonin'ny polisy federaly koa ny pasipaorony noho ireo famotorana hafa maha-voarohirohy azy.

Nandritra ny fitondrany ny filoha teo aloha nikabary tsy tapaka nametraka ny Fitsarana Tampony sy ny mpitsara ao aminy ho fahavalo. Namoaka fanambaràna izy ny ampitson'ny fanafihana farany, tamin'ny 14 Novambra, nilaza izany ho “fotoana mampalahelo” sy “zava-misy maningana” ary nilaza fa “fotoana izao ho an'i Brezila hambolena tontolo mety aminy mba ahafahan'ny hevitra isankarazany mifanandrina am-pilaminana. ”

Nilaza ny mpitsara Alexandre de Moraes, miandraikitra ny fanadihadiana ireo milisy ankihy, fa ny fanafihana tamin'ny 8 Janoary, sy ny fipoahana amin'izao fotoana, fa nanomboka tamin'ny nandrisihan'ny kabinetran'ny fankahalàna teny fankahalana ireo andrim-panjakana breziliana sy ny mpiasa ao aminy sy ny fianakaviany ny nahatonga izao fanafihana farany izao. Tamin'ny herintaona aza moa dia ilay mpitsara mihitsy no niharan'ny antsojain'ny bolsonarista tao amin'ny seranam-piaramanidina iray tany Roma nandritra ny diany niaraka tamin'ny fianakaviany.

Isso foi se avolumando sob o falso manto de uma criminosa utilização da liberdade de expressão. Ofender, ameaçar, coagir, em nenhum lugar do mundo isso é liberdade de expressão, isso é crime. Isso foi se agigantando e resultou, a partir da tentativa de descrédito das instituições, no 8 de janeiro.

Vao maika manaratsy azy ny fampiasana ny saron-tavan'ny fahalalahana miteny fanaon-jiolahy. Tsy heverina ho fahalalahana maneho hevitra mihitsy na aiza na aiza eto amin'izao tontolo izao ny manafintohina, mandrahona, manery; heloka izany. Nitombo izany, ary niafara tamin'ny fikasana hanaratsy ny andrim-panjakana tamin'ny 8 Janoary.

Nanohitra mafy ny mety hisian'ny fifanarahana famafan-keloka faobe koa i Moraes. Nilaza izy fa tsy mampizotra ny fandriampahalemana ny famotsoran-keloka ho an'ny mpanao heloka bevava ary “tsy fanasaziana jiolahy no fanomezana famafan-keloka jiolahy.”

Tamin'ny fotoana nanoratana dia tsy mbola niresaka ampahibemaso momba ilay fanafihana ny Filoha Lula. Tao amin’ny Lapan’i Alvorada, trano fonenan’ny filoham-pirenena izy raha nanomboka ny fipoahana.

Handray ireo mpitarika maneran-tany ho any Rio de Janeiro i Brezila amin'ny fihaonambe G-20, fivoriana isan-taona fataon'ireo mpitarika iraisam-pirenena sy ireo mpandray anjara amin'ny 18 Novambra. Manoloana ny fanafihana dia efa eo am-pandinihana ny fomba hanamafisana ny fiarovana ny tanàna ny tompon’andraikitra.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.