Voalohany ny saina ary ankehitriny ny hiram-pirenena: Ny fomba nanovàn'ny mpitarikan'i Kyrgyzstan ny mariky ny firenena

Nurlanbek Shakiyev, filohan'ny parlemantan'i Kyrgyzstan, miresaka momba ny drafitra hanovana ny hiram-pirenena. Pikantsary avy amin'ny lahatsary “Спикер ЖК: Гимн Кыргызстана будет изменен”  avy amin'ny fantsona YouTube Kaktus Media an'i Kaktus Media. Fampiasana ara-drariny.

Tamin'ny 25 Oktobra, nanambara ny fikasan'ny governemanta hanova hiram-pirenena ny mpitondratenin'ny parlemanta Kyrgyz Nurlanbek Shakiyev. Nohazavainy fa 33 taona lasa izay no nanaovana ny hiram-pirenena, fony vao nahazo fahaleovantena tamin’ny Firaisana Sovietika ny firenena. Noho izany, tsy maintsy ovaina izany, satria efa firenena hafa ankehitriny i Kyrgyzstan izay mahaleotena tsara. Nanampy i Shakiyev fa toy ny fanaovana matso-diabe ny hiram-pirenena ary sarotra hiraina. Nampanantena izy fa ny rehetra, na dia ny 6 taona sy 90 taona aza, dia afaka mihira ny hiram-pirenena vaovao.

Ity misy lahatsary YouTube misy ny fanambaran'i Shakiyev momba ny fikasana hanova ny hiram-pirenena.

Ankoatra ireo fanazavana ireo, namerina tantara iray henony avy amin'ny filohan'i Kyrgyzstan, Sadyr Japarov, momba ny fiantraikan'ny hiram-pivavahana amin'izao fotoana amin'ny vorona i Shakiyev. Araka ny namerenan'i Shakiyev ilay tantara, nandritra ny iray tamin'ireo diany tany ivelany, nahatsikaritra i Japarov fa natahotra ny vorona ka nandositra rehefa nandre ny hiram-pirenen'i Kyrgyzstan ary niverina sy nipetraka tamim-pahatoniana teo amin'ny rantsan-kazo rehefa nalefa ny hiram-pirenen'ny firenen-kafa.

Fotoana fohy taorian'ny fanambaran'i Shakiyev, nanohana ny hevitra i Japarov, namerina hevitra mitovy amin'izany. Nomarihiny fa ireo mpanoratra ny hiram-pirenena ankehitriny dia “nanoratra andalana mahafaly sy mampientam-po momba an'i Kyrgyzstan miditra amin'ny lalana mankany amin'ny fahaleovantena”, saingy  lasa “fanjakana feno” i Kyrgyzstan, izay “fantatr'izao tontolo izao”. “Nahoana isika izao raha manoratra hiram-pirenena ho an'ny taranaka ho avy momba ny hoe manana tantara dimy arivo taona ny firenentsika?” hoy i Japarov namarana.

Tsy vao sambany no niara-niasa nanova marika nasionaly ry Japarov sy Shakiyev. Tamin'ny mihintsan-dravina lasa teo, nanao fanambaràna tsy nampoizina momba ny tokony hanovana ny sainam-pirenena i Shakiyev ary niatrika fanoheram-bahoaka mahery vaika. Na dia nasehony ho toy ny fandraisany andraikitra manokana aza izany, dia nambaran'i Japarov tenany ihany taty aoriana fa nanao zavatra araka ny baikony i Shakiyev. Tao anatin'ny roa volana, niova ny sainam-pirenen'i Kyrgyzstan na dia teo aza ny marimaritra iraisana fa tena tsara ny sainam-pirenena ary tokony tsy hiova.

Ity misy lahatsary YouTube ahitana lanonana fananganan-tsainam-pirenena vaovao eo amin'ny kianja lehibe ao Bishkek renivohitra.

Ny tena nanaratsy indrindra ny zava-drehetra dia ny tsy fahombiazan'ny manam-pahefana nanome tohan-kevitra maharesy lahatra momba ny fanovana ary tsy nanontany ny hevitry ny vahoaka, toy ny fanambaràna ampahibemaso ny hamolavolàna sainam-pirenena vaovao. Raha niezaka ny hanamarina ny fiovana i Shakiyev, dia nanazava fa ny tara-masoandro miolankolana tamin'ny sainam-pirenena taloha dia nahatonga ny tunduk (ny singa afovoan'ny faneva sy ny faritry ny tafon'ny yurt nentim-paharazana Kyrgyz) ho toy ny tanamasoandro. Koa amin'izany, nanao fanentanana hanavao sainam-pirenena i Japarov amin'ny fampanantenana fa hanampy an'i Kyrgyzstan “ho firenena mandroso sy mahaleo tena” izany.

Araka izany, na dia nampanantena aza ny manam-pahefana fa handray anjara amin’ny famolavolana hiram-pirenena vaovao ny mpitendry mozika sy ny poety ary ny mpiara-miombon’antoka hafa, dia tsy matoky loatra ny olon-tsotra fa ho re ny feon'izy ireo. Raha jerena amin'ny fanadihadiana natao, mino ny ankamaroan'ny olona fa tsy ilaina ny manova ny hiram-pirenena, ary tsara kokoa raha manokana ny fotoanany sy ny fananany amin'ny famahana ireo olana hafa maika kokoa ny manam-pahefana.

Ity misy lahatsary YouTube misy ny hevitry ny olom-pirenena momba ny fanovana ny hiram-pirenena.

Nanasongadina ireo izay mankasitraka fa ny fanovana hiram-pirenena no ho dingana mety amin'ny fialana amin'ny fanjanahantany, satria mitovy amin'ny hiram-pirenena taloha fony Repoblika Sosialista Sovietika Kyrgyz, anisan'ny andry politikan'ny Firaisana Sovietika, ny tonony sy ny feon'ny hiram-pirenena. Fanampin'izany, manamarika ireo mpitsikera ny hiram-pirenena fa nosoratana tamin'ny mpisolo tena fahatelo, izay mahatonga azy io ho toy ny faniriana, ary misolovava ny hanaovana hiram-pirenena vaovao ny fisian'ny teny toy ny “izaho” sy “isika” ao anatiny mba hanehoana ny firindrana sy ny fananana.

Nolaniana tamin’ny taona 1992 ny hiram-pirenen’i Kyrgyzstan. Nahitana andininy telo sy fiverenana iray izy tany am-boalohany. Tamin'ny taona 2012, nesorina ny fiverenana faharoa satria misy andalana mampiady hevitra. Raha toa ka manondro ny fomba fiasan'ny manam-pahefana amin'ny fanovana ny mari-pamantarana nasionaly ny fomba nanovana ny sainam-pirenena, dia tsy ho tafiditra amin'ny dingan'ny fananganana hiram-pirenena vaovao ny olom-pirenena tsotra. Na izany aza, antenaina fa nanatsoaka lesona tamin'ny fahadisoany taloha ny mpitarika ny firenena ary hiantoka ny lanjan'ny fandraisana anjara sy ny domberina avy amin'ny vahoaka.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.