Naneho hevitra momba ny valim-pifidianana Amerikana ny Karaiba

Sary nasongadina tamin'ny Canva Pro

Tao anaty zava-nitranga tsy nampoizin'ny maro, lany ho filoha faha-47 an'i Etazonia tanaty fandresena naharesy lahatra manoloana an'i Kamala Harris, filoha lefitra ankehitriny ny  filoha teo aloha voageja sady kandidan'ny Repoblikana Donald Trump.

Any Karaiba, toy ny any Amerika mihitsy sy manerana izao tontolo izao, nahatonga ny olona nanombatombana ny mety ho dikan'ny fe-potoam-piasana faharoa an'i Trump ho an'ny faritra – indrindra amin'ny sehatra toy ny fifindra-monina, ny varotra, ny fizahan-tany ary fiarahamiasa ara-toetrandro ny voka-pifidianana filoham-pirenen'i Etazonia 2024:

Avy any Jamaika saingy nipetraka tany Atlanta am-polony taona maro i Bridgette Simpson, 44 taona. Ny fifindra-monina no tena mampanahy azy indrindra ary matahotra ny amin'ny fe-potoam-piasana faharoa an'i Trump izy. “Heveriko fa tsy mikasika ahy na ny reniko ity endrika vaovao amin'ny tian'ny vahoaka ho an'i Amerika ity .”

Vetivety dia nanolotra ny fiarahabana ho an'ny filoha voafidy vaovao ireo mpitarika ao amin'ny faritra, saingy nisedra fanoherana tamin'ny fanehoan-kevitra anjotra kosa ny sasany tahaka ny Praiminisitra Jamaika Andrew Holness ao amin'ny sioka etsy ambany:

Arahabaina ny filoha Donald J. Trump, @realDonaldTrump, tamin'ny nahalany anao ho Filoha faha-47 an'i Etazonian'i Amerika .

Mbola manolo-tena amin'ny fanamafisana ny fiarahamiasa akaiky sy maharitra amin'i Etazonia i Jamaika ary miandrandra ny hampandrosoana ny tanjon'ny…

Mpisera media sosialy maro ihany koa no namaly ny hafatra fiarahabana tao amin'ny Instagram nataon'ny Praiminisitra Mia Mottley tamin'ny anaran'i Barbados, arahim-panamarihana hoe: “Tiako ianao ry Mpanjakavavy fa tsia kosa ny diplaomasia. Nantsoiny hoe firenena (lavat*y) izahay.'”

Ny fanehoan-kevitra mampiady hevitra nataon'i Trump tamin'ny taona 2018 dia nanondro manokana an'i Haiti sy ireo firenena Afrikana sasany, saingy noho ny maha-mpikambana ao amin'ny Vondrona Karaiba (CARICOM) an'i Haiti, maro ao amin'ny faritra no nandray izany ho an'ny tenany — indrindra rehefa nampiarahina tamin'ny fanarabiana farany nataony momba an'i Puerto Rico izany:

Nanao fanentanam-pifidianana milasibatra ny mponina any amin'ny Nosy Karaiba roa samy hafa (Haiti sy Puerto Rico) i Trump fa nifidy azy amin'ny saika firohotana ianareo. Koa izao no hafatro ho anareo avy amin'ny Tanin'ny Ala sy Rano, MAHARIKORIKO IANAREO

Mandritra izany fotoana izany, mpaneho hevitra iray hafa tao amin'ny lahatsoratr'i Mottley nanjohy hevitra hoe: “Ny asan'ny mpanao politika rehetra — indrindra ny praiminisitra — dia ny ho diplaomaty malefaka. Fanehoana fanajana ara-politika, voalohany indrindra, ny fiarahabana filoha lany ara-dalàna. Manolotra ny fiarahabana azy amin'ny maha-praiminisitra azy i Mia, fa tsy amin'ny maha-olon-tsotra azy.”

Raha ny momba an'i Trump anefa, maro ao amin'ny faritra no tsy afaka manadino tsotra izao ny lafiny “olon-tsotra” — ary tsy niomana ny hamela ny mpitondra ho afa-bela ity Jamaikana mpisera media sosialy ity, ho voaozona ny fenitra ara-diplomatika hoy izy:

Maneho hevitra manoloana ny Filoha Voafidy Voaheloka amin'ny Heloka Bevava, izay milaza tena ho mpitarika an'izao tontolo izao malalaka sy firenena miseho ho tobin'ny fahafahana sy ny demôkrasia ! Hitoraka ve ireo! Eny, hanao izany izy ireo satria tsy fehezin'ny fitondran-tena, soatoavina na fitsipika.

One Mpisera X (Twitter teo aloha), avy any amin'ny Repoblika Dominikana saingy monina any Etazonia ankehitriny, nitaraina hoe:

Indrisy anefa fa toa hanohy ny fomban-drazan'ny fianakaviana mivelona eo ambanin'ny fitondrana jadona aho. Amin'ny maha-Dominikanina mpifindra monina ahy, dia voahodidin'ny lasa aho, tamin'ny safidy tsy azon'ny razambeko natao, tamin'ny ratram-po niaretan'izy ireo mba ho tafavoaka velona amin'ny herisetra sy ny fanantenan'izy ireo ary ny nofinofiny ho tsara kokoa.

Raha nitolona tamin'ireo antony mety nahatonga ny faharesen'i Harris ny sasany tamin'ireo mpiserasera ao amin'ny faritra, dia sahiran-tsaina tamin'ireo izay nifidy an'i Trump kosa ny hafa — toa an'i Sonya Sanchez-Arias, mpikambana am-pielezana —. Hoy izy tatỳ aoriana: “Eritrereto hoe manakalo ny fahafahana sy ny mahasoa ny vadinao sy ny zanakavavinao amin’ny ronono sy atody mora kokoa ianao! 🙄🙄”

Mpisera X/Twitter iray avy any Bahamas nilaza hoe:

Halako fa amin'ny maha planeta antsika, dia tsy maintsy mihazona ny fisefoana isaky ny efa-taona isika rehefa manapa-kevitra ny firenena mpanimba indrindra amin'ny tantaran'ny olombelona ijerena hoe iza indray no hanao ny fanimbana.

Nisy hafa nanampy hoe:

Ny hany zavatra mampatahotra kokoa noho i Trump amin'ny maha-filoha azy dia i JD Vance amin'ny maha vp sy Elon Musk manana fahafahana miditra amin'ny zava-drehetra. Tahaka ny devoly sy ny forongony 2.

Na dia izany aza, mifahatra mafy eo ankilany amin'ny fisaratsarahana ara-politika ny olona Karaiba sasany. Tany Trinite sy Tobago, farafahakeliny telo herinandro  talohan'ny fifidianana filoham-pirenen'i Etazonia, nanomboka nivezivezy ny fanasana tamin'ny WhatsApp, manasa ny olona “Hankalaza ny fomba MAGA satria miakatra hatramin'ny 270 ny hazakazaka ho an'ny filoha Trump ary lasa POTUS 47.” Nanolotra “satroka MAGA maimaim-poana teo am-pidirana” ihany koa ny hetsika.

Nanatrika ny fankalazana ny Trinidad and Tobago Newsday ary namoaka ny sarin'izany tao amin'ny Instagram, nitatitra fa nahasarika olona 45 teo ho eo ny hetsika. Maro tamin'ireo fanehoan-kevitra tao amin'ny lahatsoratra anefa no nanakiana sy tena nanohitra an'i Trump. Ny hafa kosa nanakiana ny zava-misy fa nanana fahasahiana ny mpikarakara ny hetsika nitendry ny mozikan'ny reggae Jamaikana malaza Bob Marley, izay niresaka matetika momba ireo voahilikilika sy tsy afaka miloa-bava.

Richard Hill, mpisera Facebook Trinidad sy Tobago, nandritra izany, nanoro hevitra fa ny hoavin'izao tontolo izao dia miankina amin'ny voka-pifidianan'i Etazonia. Nilaza izy fa ny fandresen'ny Demokraty no hanome lalana ny “Tetiandro LTV 2030.” Ilay nambarany fa tetipanoron'ny Lamin'izao tontolo izao vaovao (LTV) noresahiny.

Mitabataba amin'ny fahatafintohinan'ny mpiray tanindrazana aminy any Jamaika noho ny nahavoafidy an'i Trump indray ny mpiserasera sasany, niampanga azy ireo ho misabàka:

Mino tanteraka aho fa raha afaka mifidy i Jamaika dia ho fanjakana mena isika. Tsy mino aho fa rikoriko amin'i Trump araka izay tiantsika hinoana ny ankapoben'ny Jamaikana.

Nampahatsiahy ny maro tamin'izay novinavinain'i Gordon Robinson, Jamaikana mpisolovava sady mpamakafaka amin'ny gazety momba ny vintan'i Harris tamin'ny volana septambra ny tohan-kevitra, rehefa nilaza ireto hevitra manaraka ireto izy:

3. Tsy mety ho lasa Filoha izy. Tsy miraharaha ny olana liberaly toy ny habetsahan'ny faharesen-dahatra ananan'i Trump na ny faharatsiany ny amerikana salantsalany mpifidy. Raiki-tahotra amin'ny fanamaintisana an'i Etazonia sy ny vidim-piainana lafo izy ireo ary hifidy izay mampanantena hanakana ny onjan'ny fanamaintisana na inona na inona ilaina.

Farany, mpanao gazetim-paritra teo aloha lasa nisahana ny serasera amin'ny daholobe nijery ny zava-misy rehetra ho toy ny traikefa iainana:

Lesona amin'ity fifidianana ity sy ny fanentanam-pifidianan'i Trump indrindra raha ao amin'ny Haivarotra sy ny Serasera ianao. Mahatonga anao hahatsapa ho tsy maintsy miresaka amin'ny olona rehetra ny media sosialy hiantso ny rehetra. Tsia. Fantaro ny mpihaino kendrenao voalohany sy izay tianao hataon'izy ireo. Mifantoha amin'izy ireo. Tanteraho.

Satria miomana handray ny toerany indray i Trump, dia hanaraka akaiky ny toromarika politikany sy izay mety hataony na tsy hotanterahiny ireo firenen'i Karaiba.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.