Afa-manavotra an'i Imran Khan ao Pakistan ve i Trump?

President Trump Meets with the Prime Minister of Pakistan. July 22, 2019, White House. Image via Flickr by Trump White House. Public Domain.

Ny filoha amerikana Donald J. Trump mandray ny praiminisitra Imran Khan avy amin'ny Repoblika Islamikan'i Pakistan ny Alatsinainy 22 Jolay 2019 teo amin'ny fidiran'ny Lobby West Wing ao amin'ny Trano Fotsy. (Sary ofisialin'ny Trano Fotsy avy amin'i Joyce N. Boghosian). Sary nandalo Flickr an'i Trump White House Archived. Azon'ny rehetra ampiasaina.

Ifangaroan’ny fiaraha-miasa sy ny fifankahalana lalina ny fifandraisana mifaningotra eo amin'i Etazonia sy Pakistan noho ny fifandraisana ara-diplaomatika mifandòna, ny politika nokleary, ary ireo olana ara-paritra toy ny ady ao Afghanistan. Ho an'ny Pakistaney maro, heverina ho hery ivelany mitsabaka amin'ny raharahany anaty i Etazonia — fitantarana novolavolain'ny korontana ara-politika am-polony taona maro, toekarena mora misidina, ary bemidina ara-miaramila, indrindra nandritra ny “Ady amin'ny fampihorohoroana” nataon'i Etazonia.

Nirafitra mafy io fitantarana io raha nesorina tamin'ny toerany ny praiminisitra teo aloha Imran Khan roa taona lasa izay. Vetivety dia nanome tsiny an'i Etazonia izy noho ny fionganany. Nesorina tamin'ny toerany i Khan tamin'ny taona 2022 taorian'ny fitsipaham-pitokisana tao amin'ny parlemantan'i Pakistan. Nohelohina higadra 10 taona noho ny kolikoly izy tamin'ny Janoary 2024, herinandro vitsivitsy talohan'ny fifidianana ankapobeny tao Pakistan notontosaina volana febroary. Nanamafy anefa ilay mpanao cricket teo aloha lasa mpanao politika fa niray tsikombakomba hanesorana azy tamin'ny toerany ireo jeneraly miaramila ambony ao amin'ny fireneny sy i Washington. Tsy voamarina ilay filazana, saingy nino izany filazany izany ny ankamaroan'ny mpomba azy.

Ankehitriny, taorian'ny nahazoan'i Donald Trump fandresena manoloana an'i Kamala Harris tamin'ny fifidianana filoham-pirenen'i Etazonia taona 2024, nilaza ireo mpanohana an'i Imran Khan, praiminisitra Pakistaney am-ponja, fa hahita fotoana i Trump hisioka zavatra anasongadinana ny manjo an'i Khan. Toa manana fifamatorana matanjaka ireo mpitarika roa ireo, izay niainga tamin'ny fotoana nitsidihan'ny Praiminisitra Khan tamin'izany fotoana izany ny Trano Fotsy tamin'ny Jolay 2019. Noheverina ho fandresena ara-diplaomatika ho an'i Khan ilay fihaonana, nahatonga azy hanana sata iraisampirenena sy nanamarika ny fihafanàn'ny fifandraisan'i Etazonia sy Pakistan.

Mahatadidy izany fotoana izany, ireo mpanohana an'i Khan, anisan'izany ny maro amin'ireo fokonolona Amerikana Pakistaney miisa 625.000, ka mino fa mety ho vonona hisolovava ny praiminisitra teo aloha i Trump amin'ity fe-potoam-piasany faharoa ity. Nifankahita imbetsaka tamin'i Khan (praiminisitra tamin'izany fotoana izany) i Trump fony filoha, anisan'izany ny tao amin'ny Trano Fotsy. Rehefa nihaona indray ireo mpitarika roa ireo tamin'ny Janoary 2020, an-tsisin'ny Tsenan-kevitra Ara-Toekarena Manerantany (World Economic Forum) tany Davos, Soisa, dia nanoritsoritra an'i Khan ho “namako tena tsara” ny filoha Trump.

Nanamafy orina ny fifandraisana tamin'ny fampielezan-kevitr'i Trump ny fokonolona Pakistaney-Amerikana ao Etazonia ary nanome toky hanohana an'i Trump fa tsy ilay kandidà Demôkraty, Kamala Harris. Nijoro tsy hitsabaka sy tsy tia ady i Trump  ary nilaza fa manohitra izay “hetsika fanovam-pitondrana” any amin'ny tany vahiny.

Nohamafisin'ny fampanantenany tamin'ny fampielezan-keviny ny fikononkononana hampiverenana an'i Trump, anisan'izany ny mety ho fisoloana vava hamotsorana an'i Khan any am-ponja. Misy clip iray navezivezy tao amin'ny media sosialy tao mampiseho azy mampanantena hanentana amin'ny famotsorana an'Atoa Khan; saingy, horonantsary efa tranainy novain'ny mpanaraka an'i Imran Khan izy io ary tsy mbola nitranga mihitsy.

Koa satria miomana handray ny fahefana amin'ny Janoary 2025 i Trump, dia mbola mitoetra ny fanontaniana iray: Hitsabaka amin'ny politika Pakistaney ve i Trump? Na dia be fanantenana aza ny mpanaraka an'i Khan, dia tena ilaina ny mandinika ny hadadasiky tambajotran'ny politikan'ny raharaham-bahinin'i Etazonia any Azia Atsimo, indrindra rehefa eo ambany fitarihan'ny toa an'i Trump, izay nanaporofo ny fomba fifampiraharahana eo amin'ny fifandraisana iraisampirenena. Matetika ny politikan'ny raharaham-bahinin'i Trump nanao ho laharam-pahamehana ny fifandraisana manokana sy ny valisoa fohy ezaka manoloana ny tanjona stratejika maharitra.

Ara-tantara, nampiasa ny fahefan'izy ireo ny fitantanan'i Etazonia mba hitarihana ny voka-pifidianana ao Pakistan, ka matetika manome vahana ny tombontsoa ara-jeopolitika manoloana ny fenitra demôkratika. Tsy azo omem-bahana loatra ny hery miaramila amin'ny politika Pakistaney; nanangom-pahefana be loatra ny rafitra miaramila ary matetika mibaiko ny safidy politika ivelany. Mihevitra ny mpandinika fa na iza na iza mipetraka ao amin'ny Trano Fotsy, dia mety hirona kokoa hifampiraharaha amin'ny miaramila Pakistaney i Etazonia fa tsy amin'ny mpanao politika tsirairay loatra. Miteraka sakana lehibe ho an'i Khan izany zava-misy izany, izay nametraka ny tenany ho outsider (midikizo) ao anaty rafi-pahefana nentim-paharazana ao Pakistan sy i Etazonia.

Nanohy indray ny fanohanana ara-miaramila sy ny fampiasam-bola tany Pakistan ny fitantanan'i Biden, nifantoka tamin'ny teknolojia sy angovo maitso – sehatra mety tsy ho ataon'i Trump ho laharam-pahamehana raha zohiana ny nataony hatrizay. Tsy manome antoka hoe tsy hiraharaha ny tombontsoa ara-stratejikan'i Etazonia ao amin'ny faritra ny fijoroan'i Trump hanakaiky kokoa an'i Khan, indrindra amin'ny fifandraisana amin'i India sy ny ady amin'ny fanjakazakan'ny Shinoa.

Mety hampidi-doza anefa na izany aza ny fitsabahan'i Trump, na dia ny manohana an-tendromolotra an'i Khan aza. Ny firaketana an-tsoratra amin'izay nataon'i Trump dia manondro fa matetika voataonan'ny fifamatorana manokana sy ny tombontsoa ara-bola ny fanapahan-kevitra ara-politika ivelany fa tsy amin'ny fijoroana ideolojika tsy miovaova, ka miteraka ahiahy manoloana ny fanoloran-tenany mateza amin'izay toe-javatra manokana mipoitra avy ao Pakistan. Fanampin'izay, mety vao maika hampisaratsaraka kokoa mety ho fifandraisan'i Trump amin'i Pakistan, indrindra raha adika ho miandany amin'izay manohitra ireo miaramila nahazo fahefana izy. Mety hampatanjaka ireo mpomba an'i Khan ny fihetsika toy izany fa vao mainka mampitombo ny adim-pahefana sivily-miaramila mitarazoka ao amin'ny firenena.

Marihina fa heverin'i Washington ho mpiara-dia (i) Islamabad manoloana an'i Tehran raha sanatria misy ny fifandonana amin'i Iran. Nisy ny marimaritra iraisana momba izany nandritra ny fifanakalozan-kevitra ara-stratejika Etazonia-Pakistan. Ankehitriny fehezin'ny Repoblikana ny Trano Fotsy, ny Antenimieran-doholona, ​​ary mety ho izany koa ny Lapan'i Etazonia (depiote), hanatona an'i Pakistan ny governemanta vaovao ary tsy ijerena an'i Khan na ireo mpanao lalàna hafa izany. Izay rehetra mety ho fitaomana avy amin'ny fitantanan'i Trump dia hetsehin'ny tanjona stratejikan'i Etazonia, indrindra any Azia Atsimo, toy ny fiarovana ny faritra sy ny ady amin'ny herim-panintonan'i Shina, fa tsy ho amin'ny fiheverana maha-olona fotsiny.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.