
Sary noforonin'i OIwan Lam tamin'ny alàlan'ny Canva.
Ity lahatsoratra ity dia i Brian Hioe no nanoratra azy voalohany ary navoaka tao amin'ny New Bloom tamin'ny 6 Novambra 2024. Averina avoaka ato amin'ny Global Voices ao anatin'ny fifanarahana iray hifampizara votoaty.
Raha tsy mbola nambara amin'ny fomba ôfisialy aza ny vokatry ny fifidianana izay ho filoham-pirenena amerikàna, ireo vokatra amin'izao fotoana izao dia toy ny efa milaza sahady ny fandresena ho an'ilay filoha amerikàna taloha Donald Trump. Araka izany, ilain'i Taiwan ny miatrika tsy hoe ela ny mety haha-filoha fanindroany an'i Trump.
Misy firehankevitra roa goavana miavaka tsara ao Taiwan momba ny fahitàna ny fepotoana faharoa haha-filoha an'i Trump. Ny teboka voalohany dia ny mety hisian'ny fikorontanana be amin'ny fifandraisan'i Etazonia sy Taiwan eo ambany fitondran'ilay filoha Demaokraty.
Tany am-boalohany i Trump dia noheverin'ny maro tamin'ireo ao Taiwan ho toy ny mpiaradia aminy, taorian'ny fikasàny hanapaka ireo tantara diplaomatika am-polon-taona tany aloha, tamin'ny 2016, ary nanekeny handray ny antso an-telefaona iray avy amin'i Tsai Ing-wen, filoha tao Taiwan tamin'izany fotoana izany tamin'ny maha-filoha voafidim-bahoaka azy. Noporofoin'i Trump ny fanoherany mibaribary an'i Shina, toy izay natetika nataon'ireo filoha Repoblikàna.
Na izany aza, niova tsikelikely ny fomba fahitàna an'i Trump ao Taiwan, indrindra fa noho i Trump nampiseho fomba fijery tena mirona tanteraka amin'ny lafiny ara-barotra eo amin'ny fifandraisan'i Etazonia-Taiwan ary dia namely mafy an'i Taiwan noho ny fiarovany ny azy. Na teo ambany fitondràn'i Trump aza no nanombohan'ny ady ara-barotra nifanaovan'i Etazonia sy Shina, indraindray no mampiseho fomba fijery miabo tsy mahazatra momba an'i Xi Jinping, filoha shinoa ireo fanambaràn'i Trump. Mazàna ny fanambaràna tahaka izany dia miteraka zavatra mety hampidi-doza toy ny hoe fanoloran'i Trump an'i Taiwan ho an'i Shina mba hiantohana fepetra tsara anaty fifanarahana ara-barotra iray. Ny fanehoankevitra sasany nataon'i Trump dia nanaratsy ny haben'i Taiwan tao anatin'ilay fampitahàna tamin'i Shina, na namely mafy an'i Taiwan tamina fiampangàna fa nangalatra ny indostrian'ny semiconductor ameriknàna i Taiwan. Araka izany, lasa mampidi-doza no hijerena an'i Trump any Taiwan.
Kanefa ny firehankevitra faharoa dia manosoka hevitra hoe tsy nisy loatra fikorontanana be tao anaty pôlitika amerikàna nandritra ny fepotoana voalohany nitondràn'i Trump ary na teo aza io kabary nivantambantana io, ny pôlitikan'ny fitantanan'i Trump dia mbola nifanaraka betsaka tamin'izay nandrasana ihany. Ny tohankevitra dia hoe mbola hanaporofo ny tahaka izany ny fepotoana faharoa maha-filoha an'i Trump, na dia hita ho toa nanohy ny pôlitikany mikendry ny hametraka fitsipika henjana kokoa amin'i Shina aza ny fitantanan'i Biden, pôlitika izay nanomboka teo ambany fitantanan'i Trump sy nitondra fahamafisan-tànana kokoa nanoloana an'i Shina, izay azo heverina hotohizan'ny fitantanan'i Harris koa raha izy no teo.
Marina fa tsy niova ireo singa ara-drafitra manefy ny fitomboan'ny fihenjanana eo amin'i Etazonia sy Shina, na teo ambany fitantanana voalohan'i Trump, na Biden, na eo ambany fepotoana faharoa hitondràn'i Trump. Na izany aza, misy ireo antony hinoana fa ireo ho voatendry ho ao anatin'ny fitondràna faharoan'i Trump dia tsy ho olona efa tao anatin'ny fepotoana voalohany izay noheverina ho toy ny antonontonony ihany ny fiantraikan'ny asany. Fa kosa, miaraka amin'ilay Trump be fanahiana ny hisian'ireo mpamadika palitao rehefa hitany fa maro tamin'ireo tomponandraikitra tao anatin'ny fitantanany no nanandrana nifaninana taminy taty aoriana, dia aleon'i Trump manao fanendrena miainga avy amin'ny tsy fivadihan'ny olona. Araka ny hita tamin'ireo drafitra tafaporitsaka, fantatra amin'ny hoe Tetikasa 2025, dia mety horavàn'i Trump ny governemanta mba hanamafisany ny fifehezana eo an-tànan'ireo mpomba ny ideôlôjiany. Anatin'izay, mety tsy hisy hery mpanohitra ho voatazona ao anatin'ny fepotoana faharoa itondràn'i Trump.
Tsy hoe tsy ho vita ny haminavina ny fandehan'ny fepotoana faharoa hitondràn'i Trump. Mety hotazonin'i Trump ny toetrany ankehitriny manoloana an'i Shina, saingy misy koa ny ambana hanaovan'i Trump sorona an'i Taiwan mba hahavitàna fifanarahana amin'i Shina.
Na hiaraka amin'i Okraina na Taiwan, manao tsilian-tsofina i Trump hoe noho ny fanolorantena manokana — sy ny fifandraisana matanjaka ananan'ny tenany amin'i Xi sy ny filoha rosiàna Vladimir Putin — dia afaka hofehezina izay rehetra mety ho fifandirana. Saingy ny fanambaràna tahaka izany, raha ny marina, dia toy ny manosoka hevitra hoe mety hisy ny fifampiraharahàna miainga avy amin'ny fifandraisana manokana. Ary, mifanaraka amin'ny fahatsapana fiarovana ny an'ny tena ananan'ireo mpanohana an'i Trump avy any ifotony, izay nanosika azy hahazo fandresena, andrasana mbola hamely mafy ireo mpiaradia tamin'i Etazonia hatrizay ao Azia Pasifika i Trump, miaraka amin'ny fiampangàna hoe katsentsitra ry zareo amin'ny resaka fiarovana, na ho an'i Taiwan io, Japàna, Korea Avaratra na Filipina.
Raha mahavita mandokandoka sy manambitamby an'i Trump ireo pôlitisiàna ao Taiwan, angamba tsy ho toy izay nataon'i Shinzo Abe izay efa nodimandry ary nahavita nitantana ny fifandraisan'i Japàna tamin'i Amerika sy Trump tamin'ny alàlan'ny fifandraisana manokany, angamba mety ho vitan'i Taiwan ihany ny hitazona ny fifandraisany amin'i Etazonia eo ambany fitondràn'i Trump. Saingy noho i Taiwan lasa manana pôlitika prôgresista tato anatin'ny taona vitsy, ny fifandraisana tahaka izany dia mety hidona foana amin'ny ambana hahitàna ireo Repoblikàna MAGA mpanohana an'i Trump hivadika amin'ny fomba tsy ampoizina hanohitra an'i Taiwan noho ny fijoroana ara-tsôsialy izoran'ny ao an-toerana.
Raha tsy izay, mety ho pôlitika hamerina ny asa sy ireo famokarana any anivon'ny indostria saropady, toy ny an'ny indostrian'ny semi-conducteurs, mba ho any Etazonia no hizoran'i Trump. Amin'izay fotoana izay, ny famokarana TSMC ao Arizona sy ireo tetikasa mitovitovy amin'izany dia mety hanana ny lanjany bebe kokoa ho an'i Taiwan.
Vaninandro tsy ampoizina no miandry an'i Taiwan. Efa hatry ny ela io nosy io no mizaka ny fitsoky ny rivotra pôlitika amerikàna izay miovaova matetika, ary tsy hiavaka amin'izany ny fahatongavana fanindroan'i Trump. Ny zavamisy hoe ny vokatry ny fifidianana natao tany amina firenena iray monja dia misy fiantraikany toy izany amin'i Taiwan no mampibaribary indray ny fahefana samirery sy goavana ananan'i Etazonia amin'i Taiwan, na amin'ny maha-mpiantoka ny fiarovana azy ao anatin'ny vanimpotoana ankehitriny na ny fanohanany ny fahefana tsy refesimandidy ao an-toerana toy ny KMT sy ny fitondràna Chiang nandritra ny fotoanan'ny jadona. Mbola lavitra azy indray no fahitàn'i Taiwan ny maha-tompon-tsafidy azy amin'izay ho anjarany, izay ankehitriny mizaka ireo haingitraingitra imperialin'ny fepotoana faharoa itondràn'i Trump.