Brezila: Inona no ho tohin'ny fanamelohana ireo namono an'i Marielle Franco?

Ny fianakavian'i Marielle Francos— ny zanany vavy Luyara Santos, ny reniny, Marinete da Silva,  ny rahavaviny, Anielle, ary ny rainy, Antônio da Silva Neto — tonga tao amin'ny fitsaràna hanatrika ny fitsaràna ny namonoana an'ilay pôlitisiàna sy Anderson Gomes, mpamiliny,. Saripika an'i Tomaz Silva/Agência Brasil, nahazoana alàlana.

Tamin'ity 31 Ôktôbra ity,, enina taona, fito volana ary 17 andro taorian'ny namonoana an'ilay mpanolotsain'ny tanànan'i Rio de Janeiro, Marielle Franco sy ny mpamiliny, Anderson Gomes,  nisy mpitsaram-nahoaka nanameloka lehilahy roa noho io asa ratsy io. Ronnie Lessa sy Élcio Queiroz no nohelohina 78 taona sy sivy volana an-tranomazina, ary 59 taona sy valo volana an-tranomaizina. Ny Fampanoavana, izay nitaky sazy 84, dia nilaza ny hanao fampakarana an'ilay didy navoaka.

Toa mbola dingana voalohany ihany ilay didy, ao anatin'ny làlana lavitra mankany amin'ny rariny ho an'ny iray tamin'ireo heloka bevava nanamarika ny tantara pôlitikan'i Brezila. Nanomboka tamin'ny alin'ny 14 Martsa 2018, fotoana namandrihana ny fiaran'i Franco, sy nahafatesany niaraka tamin'i Anderson, dia lasa marika amantarana ny tanjaka sy ny ambana miandry ireo vehivavy mainty hoditra eo amin'ny tontolo pôlitika manerana izao tontolo izao ny anarany sy ny endriny.

Tao anatin'ny fanamelohana navoakany, noresahan'ny mpitsara Lúcia Glioche ny momba ny dikan'ny hoe rariny tamin'io tranga io, tamin'ny filazàna fa ireo mpitsara ihany koa dia demaokrasia ary ny demaokrasia dia zavatra iray nijoroan'i Marielle mandrakariva. Hoy izy manohy:

A Justiça por vezes é lenta, é cega, é burra, é injusta, é errada, é torta, mas ela chega.

A Justiça chega mesmo para aqueles que, como os acusados, acham que jamais vão ser atingidos pela Justiça. Com toda dificuldade de ser interpretada e vivida pelas vítimas, a Justiça chega aos culpados e tira deles o bem mais importante depois da vida, que é a liberdade.

Indraindray mihisatra ny rariny, jamba, adaladala, tsy rariny, diso, mialokaloka, saingy tonga ihany izy.

Tonga ny rariny, na ho an'ireo izay mpiaro ny tenany mihevitra ny tsy ho tratrany velively aza. Miaraka amin'izay fahasarotana rehetra mila adika sy niainan'ireo niharam-boina, tonga amin'ireo nanao heloka ny rariny ary maka amin-dry zareo ny sarobidy indrindra aminy na dia any aorian'ny fiainany aza, dia ny fahalalahana.

Tao anaty antsafa iray niarahany tamin'ny gazety Folha de S. Paulo, ny rahavavin'i Franco, Anielle Franco, izay minisitra amin'izao fotoana misahana ny fitovian'ny foko ao anatin'ny governemantan'i Luiz Inácio Lula da Silva, dia niteny momba ny fandikàn'ny fianakaviany an'ilay fanamelohana:

A gente preferia mil vezes a Mari aqui. Mas olhar para trás e ver tudo que a gente fez foi um sentimento de que a justiça começou a ser feita, de que a nossa luta tem valido a pena. Mas a nossa dor e a falta da Mari vão continuar.

A justiça chegou para a minha família. Infelizmente, não chega para muitas das famílias do nosso país, mas ali não era só pela Mari, pelo Anderson, era por todos aqueles familiares de vítimas de violência.

Aleonay in'arivony aza mahita an'i Mari eto. Saingy rehefa mitodika ny lasa sy mahita izay nataonay, dia fahatsapana fa hoe manomboka mihatra ny rariny, hoe nisy dikany ny tolona nataonay. Saingy mbola hitohy ny hirifirinay sy ny fahatsiarovanay ny fahabangan'i Mari.

Nomena ny rariny ny fianakaviako. Indrisy anefa, tsy toy izany ho an'ireo fianakaviana marobe eto amin'ny firenentsika, nefa ity tranga ity dia tsy ho an'ny Mari irery, na Anderson, fa ho an'ireo fianakaviana rehetra niharan'ny herisetra.

Anielle Franco sy Monica Benício, rahavavin'i Marielle ary ny vady navelany mankalaza ilay didy. Saripika an'i Tânia Rêgo/Agência Brasil, nahazoana alàlana.

An-taona maro, nandà hatrany ny tsy maha-tompon'antoka azy ireo tamin'ilay heloka i Lessa sy Queiroz, izay voasambotra tamin'ny Martsa 2019, rehefa nanakaiky ny tsingerintaona voalohan'ilay famonoana. Niova ny fitantaran-dry zareo tamin'ny 2023, taorian'ny nanaovany sonia ireo fifanarahana tamin'ny fampanoavana izay nitondra azy ireo tamin'ny fanondroana ireo nibaiko ny famonoana an'i Marielle. Ilay fifanarahana dia afaka ihany koa mampihena ny fotoana holanian-dry zareo any am-ponja.

Samy manamboninahitra fahiny tao amin'ny pôlisy i Lessa sy Queiroz. Lessa, izay mpikarama an'ady araka ny notaterin'ny gazety O Globo, dia naniraka olona hanatontosa ny famonoana an'i Franco ny alina talohan'ny Taombaovao. Monina ao amin'ny toeram-ponenana ipetrahan'ny filoha taloha Jair Bolsonaro, ao Rio, ihany koa izy no monina, toerana iray antsoina hoe Vivendas da Barra, izay nahitàn'ny pôlisy fitaovam-piadiana niaraka tamina kojakojana basy 117 rifles.

Araka ny fanadihadiana sy ny fibabohana nataon-dry zareo, Lessa, ilay nahazo ny sazy lava indrindra, no olona nanapotsitra sy nitifitra basy ny fiaran'ilay pôlitisiàna, raha i Queiroz kosa no mpamily tompon'antoka tamin'ny fampilaharana ireo fiara hamitàna ilay famonoana.

Taorian'ny fifanarahan-dry zareo, nilaza izy ireo fa ry Chiquinho e Domingos Brazão mirahalahy avy no nibaiko ilay famonoana, niaraka tamin'ilay mpanao fanadihadiana tao amin'ny pôlisy, Rivaldo Barbosa, nitàna ny toeran'ny be atidoha mpitarika tamin'ilay heloka bevava. Ny Martsa 2024 ireo lehilahy telo no voasambotra ary nandà ireo fiampangàna an-dry zareo.

Samy mpisehatra tamin'ny pôlitika ry Brazão mirahalahy avy — Chiquinho dia solombavambahoaka federaly, raha i  Domingos kosa dia mpanolotsaina fahiny sady solombavam-bahoaka avy amin'ny fanjakàna. Hatramin'ny 2019 i Domingos no efa noheverina ho olona noahiahiana. Izy mirahalahy sy olona telo hafa noahiahiana no hotsaraina tao amin'ny  Fitsaràna Antampony (STF) noho i Chiquinho manana sata manokana amin'ny maha-mpikambana azy ao amin'ny kaongresy.

Lazain'ny lehiben'ny fampanoavana (PGR) fa Franco dia maty niaro ny tombontsoan'ireo milisy ao an-toerana (vondrona ivelan'ny tafika natsangan'ilay manamboninahitra navitriky ny pôlisy tao Rio efa misotro ronono ) ary ho fanakiviana ireo hetsika hafa ataon'ireo pôlitisiàna mpanohitra, hoy ny tatitry ny Agência Brasil. Franco dia mpikambana tao amin'ny PSOL (antokon'ny sôsialisma sy fahafahana), antoko iray avy amin'ny elatra havia.

Antônio Silva, rain'i Franco, araka ny notaterin'ny mpilaza vaovao Metropoles, dia :

Hoje tivemos uma resposta com a condenação dos réus confessos. Para nós, era de suma importância a condenação deles. Se a Justiça não tivesse condenado esses assassinos cruéis, não teríamos um minuto de sossego. Agora a pergunta que vamos fazer é: quando serão condenados os mandantes?

Nahazo valiny izahay androany tamin'ny fanamelohana ireo mpamono niaiky ny helony. Ho anay, tena faran'izay zavadehibe tokoa ny nahafahana nanameloka azy ireo. Raha tsy nanasazy ireny mpamono mpanao habibiana ireny ny fitsaràna, dia tsy ho nanam-pitsaharana mihitsy izahay na iray minitra aza. Ankehitriny, ny fanontaniana ataonay dia hoe: rahoviana ireo naniraka hanao ilay heloka bevava no hohelohina?

Mpanao hetsipanoherana mitaky ny rariny ho an'i Marielle Franco sy Anderson Gomes nialoha ny fotoam-pitsaràna tao Rio de Janeiro. Saripika an'i Tomaz Silva/Agência Brasil, fampiasàna nahazoana alàlana.

Marielle Franco, vehivavy mainty iray, pelaka, dia teraka sy lehibe tao amin'ny favela Maré, iray amin'ireo lehibe indrindra ao an-tanànan'i Rio de Janeiro, ary sambany voafidy ho mpanolotsain'ny tanàna tamin'ny 2016. Vato 46.502 no azony, nametraka azy ho ny mpanolotsaina teo amin'ny laharana fahadimy nahazo vato be indrindra nandritra ny fifidianana.

Ny alin'ny 14 Martsa 2018, nandray anjara tamina resaka an-databatra boribory izy, momba ireo vehivavy Mainty izay nanetsika ny rafitra tao afovoan-tanànan'i Rio tamin'ny fotoana nanakaikezan'ireo mpamono ny fiara nitondra azy ary nitifitra azy in'efatra teo amin'ny tarehiny.

Taorian'ilay heloka bevava, manakoako eny anatin'ireo hetsipanoherana manerana izao tontolo izao ny fanontaniana hoe ”Iza no namono ary iza no naniraka ny famonoana an'i Marielle sy Anderson?”. Takelaka iray miloko manga toa ranomasina ihany koa,  fampiasa hanamarihana ny arabe ao Brezila, nasiana ny anarany teo amboniny, no lasa marika famantarana hita teny anatin'ireo hetsipanoherana; ny iray voalohany dia napetraka tao anatin'ny faritry ny Kaominina Cinelândia, saingy taorian'ny namotehan'ny lehilahy iray mpifaninana ho ao amin'ny Kaongresy azy io, nihoatra ny 30.000 ireo takelaka novokarina sy naparitaka.

Mba hanohizana ny lova navelany sy ireo olana nosahanin'ny kabinetrany, misy ivontoerana iray nampitondraina ny anaran'i Marielle najoron'ny fianakaviany, ary marobe ireo firotsahana natosiky ny fahitàna azy hatramin'izay teny anatin'ireo fifidianana nasiônaly sy kaominaly.

Ny vady navelany, Monica Benício, amin'izao fotoana izao no mpanolotsaina mbola voafidy indray hatramin'ny 2020, ary ny rahavaviny, Anielle, lasa minisitry ny Fitovian'ny Foko tao anatin'ny governemantan'ny filoha Lula tamin'ny 2023. Ny zanakavavin'i Marielle, Luyara, nilaza tamin'ny O Globo hoe:

A minha mãe me ensinou a fazer política de várias formas, não só de forma partidária. Hoje temos o Instituto Marielle Franco e eu estou como diretora de legado, onde nós preservamos a memória dela. A minha forma de fazer política e de estar com os movimentos é essa.

Acho que a dor e o vazio nunca vão embora, eles vão estar aqui eternamente. (…) Só espero que eu continue amadurecendo mais, levando o legado e fortalecendo a história dela, da mesma forma que ela sempre me fortaleceu e faz isso até hoje.

Nampianarin'ny reniko ahy hoe misy fomba marobe azo hanaovana pôlitika, fa tsy amin'ny alàlan'ny antoko pôlitika irery akory. Amin'izao fotoana izao, ananantsika ny ivontoerana Marielle Franco ary izaho no talen'ny lova, izay itahirizanay ny fahatsiarovana azy. Io no fomba fanaovako pôlitika sy fijoroako miaraka amin'ireo hetsika.

Heveriko fa tsy ho afaka velively ny hirifiry sy ny fahabangàna, ho eo mandrakizay izy ireny. (…)  Antenaiko fotsiny ny hitohy hitombo fahamatorana, hitondra ny lova navelany ary hanamafy ny tantarany, toy ny nanomezany hery ahy sy ny mbola anohizany izany.

Mpanao hetsipanoherana mitazona voninkazo miaraka amin'ny hafatra milaza hoe: ‘Maniry ny hahitana ny rariny ho an'i Marielle sy Anderson aho’ talohan'ny fitsaràna tao Rio. Saripika an'i Tomaz Silva/Agência Brasil, fampiasàna nahazoana alàlana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.