
Pikantsarin'ny ranty pejy Russia Post. Nahazoana alalana.
Nanangona famintinana ho an'ny Russia Post momba izay lazain'ny media propagandy rosiana momba ny Tandrefana i Sofia Sorochinskaia. Naverina navoaka ato amin'ny Global Voices ny dika nasiam-panitsiana nahazoana alalana avy amin'ny Russia Post.
Tamin'ity volana Oktobra ity, nandany volavolan-dalàna mandràra ny fampiroboroboana ny “fiainana tsy misy ankizy” ny Duma, parlemanta Rosiana, izay heverin'izy ireo ho fitaoman'ny Tandrefana manimba. Nanonona ireo fipipizana ho porofon'ny fanafihana ny fahalotoam-pitondrantena izay tian'i Rosia hotoherina ny mpitondratenin'ny Duma Vyacheslav Volodin.
“Jereo any Eoropa, tsy manana fipipizana intsony ao amin'ny trano fanamizan’ ny lehilahy ry zareo, efa nopotehiny. Inona no ho avy? Sodoma sy Gomora,” hoy ny nambaran‘i Volodin tamin'ny RBC mpivoaka isan'andro.
Nanolo-kevitra ihany koa i Volodin mba handràra ireo olon'ny firenena mametraka ho ara-dalàna ny fanovana taovam-pananahana tsy hanangan-jaza ao Rosia, araka ny tatitry ny sampam-baovao Interfax. Nanoratra tao amin'ny fantsona Telegram-ny i Volodin, “Mitodika any amin'ny voina lehibe ny politikan'ny fanjakana tandrefana momba ny ankizy,” izay milaza ankolaka ny fahafaha-miova taovam-pananahana dieny mbola kely. Folo taona mahery izao, voaràra tsy hanangan-jaza Rosiana ny olom-pirenen'i Etazonia araka ilay antsoina hoe “Lalàna Dima Yakovlev”, nolaniana tamin'ny taona 2012 izay heverina ho setrin'ny raharahan'ny taona 2008 momba ilay zaza rosiana iray maty noho ny tsy firaharahan'ny fianakaviana Amerikana nanangana azy. Te-hanitatra izany lalàna izany amin'ny firenen-kafa i Volodin ankehitriny.
Lohahevitra saropady ao Rosia ny resaka lahy sy vavy, ary tsy azo ekena ny soso-kevitra hafa mety hanondro ankoatra ny lahy na ny vavy. Tamin'ny taona 2019, nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety nandritra ny fihaonambe G20 tany Japana i Vladimir Potinina, niaro ny lalàna Rosiana mandràra ny “propagandy” LGBTQ+, mampifangaro ireo niova fananahana amin'ny Mpanova (Transformers).
We have a law that everyone criticizes us for — it’s the law banning propaganda of homosexuality among minors. Listen, let’s allow a person to grow up, become an adult and then decide who they are. Leave the children alone. Nowadays, there’s everything imaginable — they have come up with five or six genders. Transformers, trans… I do not even know what any of this is.
Manana lalàna itsikerana anay izahay — lalàna mandrara ny propagandy firaisan'ny samy lahy na samy vavy amin'ny tsy ampy taona. Henoy ange, avelao ny olona iray hihalehibe, ho lasa olon-dehibe vao manapa-kevitra hoe iza izy. Avelao ny ankizy ho irery. Ankehitriny, misy ny zavatra azo sary an-tsaina – manana genres dimy na enina ry zareo. Transformers, trans… Tsy fantatro akory hoe inona daholo izany.
Voatonona ho iray amin'ireo antony nahatonga ny ady tany Okraina ny trano fidiovana ho an'ny genres rehetra (lahy/vavy, sns), satria misolotena ny soatoavina tandrefana ry zareo, ka noho izany, mifandòna amin'ireo iadian'i Rosia.
“Mahatakatra tsara izay iadiantsika [ny miaramila] nahita ny endrika Okrainiana amin'ny Donbas. Tsy mila fanazavana momba ny soatoavina arovantsika ireo lehilahy ireo, izay nahita sekoly manana trano fivoahana tsy ho an'ny vavy sy lahy ihany fa manana efitra kely telo – ho an'ny vavy, lahy ary hafa,” hoy ny soratry ny governoran'i Saint-Pétersbourg Alexander Beglov tao amin'ny fantsony Telegram taorian'ny fihaonany tamin'ireo miaramila naratra tamin'ny volana Janoary.
Mandresy lahatra mafy kokoa hatrany ireo Rosiana politisiana fa tsy i Okraina ihany no iadian'i Rosia fa ny Tandrefana manontolo. Tamin'ny antsafa nifanaovan'i Fakty tamin'ity volana ity tamin'ny gazety Argumenty tohanan'ny fanjakana, ny Minisitry ny Raharaham-bahiny Rosiana Sergei Lavrov nampitaha an'i Volodymyr Zelensky tamin'i Hitler.
It seems that just as Hitler brought most of Europe under the Nazi banner, including the French, Spaniards and Scandinavians, so too is the US now rallying Europe to bear the main burden of the war against Russia. For now, it’s a hybrid war, but it’s increasingly turning into a real, open war against us. And again under the Nazi banner. But this time, the standard-bearer is not Hitler, but Volodymyr Zelensky.
Toa tahaka ny nitondran'i Hitler ny ankamaroan'i Eoropa teo ambany faneva Nazi, anisan'izany ny Frantsay, ny Espaniola ary Skandinaviana, dia toy izany koa i Etazonia amin'izao fotoana mamory an'i Eoropa hitondra enta-mavesatra lehibe amin'ny ady amin'i Rosia. Amin'izao fotoana izao, ady mifangaro izany, saingy mihamivadika ho tena ady ankarihary mamely anay. Ary ambany faneva Nazi indray. Saingy tamin'ity indray mitoraka ity, tsy Hitler no mpitondra ny fenitra, fa i Volodymyr Zelensky.
Nandritra ny fivorian'ny BRICS tamin'ny 18 Oktobra, nilaza i Potinina, “Miady amintsika ny OTAN, fa amin'ny miaramila Okrainiana.” Nosoritany fa vonona hanohy ny ady amin’ny Tandrefana i Rosia.
“Miresaka momba ny fe-potoana — zavatra sarotra sy tsy mamokatra izany. Rehefa leo miady amintsika ny OTAN — azonao atao ny manontany azy ireo momba izany. Vonona isika hanohy ity tolona ity sy hahazo fandresena,” hoy i Potinina.
Na dia mafy aza ny fifandonana amin'ny Tandrefana, indraindray ny Rosiana politisiana mbola mitanisa ny Tandrefana ho ohatra tsara. Nandritra ny Fihaonambe ara-bola vao haingana tao Moskoa, nandrisika ny olona hijery an'i Italia sy Alemaina ny ben'ny tanànan'i Moskoa Sergei Sobyanin, amin'ny fomba hanatsarany ny famokarany, izay inoany fa ambony kokoa satria be fitangoronana an-tanàndehibe.
“Jereo ireo mpiasanay mazoto, miasa maraina mandrak'alina, na asabotsy, na alahady sy ny sisa, ary ny Italiana – sakafo antoandro, fakana aina (sieste), labiera, torimaso, andro zoma iasana fohy, ary tsy misy miasa amin'ny faran'ny herinandro. Saingy mahavokatra kokoa, ”hoy i Sobyanin. “Any Alemaina, heverinao ve fa miasa tafahoatra ny loatra any? Tsia. Manandrama miasa mihoatra ora any fa hidina an-dalambe avy hatrany ny sendika ary hanidy ny orinasa.
Fanampin'izany, mbola aleon'ny Rosiana sangany miala sasatra sy mitazona fananana any Eoropa, indrindra any Frantsa, araka ny nambara tamin'ny fanadihadiana iray tamin'ny volana aprily nataon'ny The Insider fampahalalam-baovao Rosiana tsy miankina. Ohatra iray amin'izany ny oligarch Vladimir Yevtushenkov, izay tompon'orinasa mamatsy ny rafi-pitaterana an-tsambo ho an'ny Minisiteran'ny Fiarovana Rosiana, ary, araka ny The Insider, natao hanana orinasa iray manamboatra tantelimby (drones) izay nivoatra. Tamin'ny taona 2022 izy namindra taratasim-bola tamin'ireo orinasa frantsay ho an'ny vadiny. Manana villas izay tombanana ho 30 tapitrisa raha atambatra ny mpivady.
Hita anarana tamin'ny fanadihadian'ny ekipan'i Alexei Navalny tamin'ny faramparan'ny taona 2022 i Svetlana Ivanova, vadin'ny minisitra lefitry ny fiarovana teo aloha Timur Ivanov. Nitety an'i Eoropa izy tamin'ny volana marsa tamin'io taona io, raha niandoha ny fanafihana tanteraka an'i Okraina. Tamin'ny lohataona 2023, nahita azy tao amin'ny toeram-pialan-tsasatra iray any Alpes ireo mpanao gazetin'ny Ukrainska Pravda, gazety okrainiana anjotra. Tamin'ny Avrily 2024, voasaringotra nandritra ny fanadiovana ny minisiteran'ny Fiarovam-pirenena ny vadiny ary nosamborina noho ny ahiahy kolikoly. Tsy mbola nisy tatitra hafa momba ny dian'i Ivanova.
Nandritra izany fotoana izany, nanamarika i Potinina fa very “fidiram-bola, laza ary fitokisan'ireo mpiara-miombon'antoka aminy” ny firenena eoropeana noho ny fameperana dia sy famindrana vola amin'ny alalan'ny banky ataon'ny Rosiana.
Notsongain'ny masoivohom-baovao Rosiana TASS ny tenin'i Potinina hoe:
I have mentioned before that domestic tourism has been actively developing in recent years. The growth is quite strong. Of course, external factors have played a role — various sanctions and restrictions imposed by the governments of certain countries, as well as the Russophobia they encourage. In effect, they have removed themselves from the list of attractive tourist destinations for Russians…
Efa nolazaiko tany aloha fa mivoatra sy mavitrika ny fizahantany anatiny tato anatin’ny taona vitsivitsy. Tena matanjaka ny fitomboana. Mazava ho azy fa nisy kasinga ivelany nahatonga izany — ireo sazy sy fameperana isan-karazany napetraky ny governemantan'ny firenena sasany, sy ny fankahalàna rosiana izay ampirisihin-dry zareo. Vokatr'izany, ry zareo ihany no nanaiso-tena amin'ny lisitry ny toerana fizahan-tany manintona ny Rosiana…