Mpanao gazety Ogandey, Nila Yasmin: Ny vehivavy Afrikana no mitana ny fahefana hampivoatra ny varotra Afrikana anatiny

Bemiraim-pikantsary ahitana ireo vehivavy afrikana mpandraharaha tamin'ny lahatsary YouTube,  ‘ Women Beyond Borders Docu-series‘ an'i Zuba Network. Fampiasana ara-drariny.

Malaza amin'ireo vehivavy mpandraharaha ambony i Afrika, manana ny ampaham-behivavy mpandraharaha betsaka indrindra eran-tany. Araka ny filazan'ny Fikambanana Fampandrosoana sy Fiarahamiasa Ara-toekarena (Organisation for Economic Co-operation and Development), maherin'ny ampahefatry ny orinasa rehetra ato amin'ny kaontinanta no natomboka na tantanim-behivavy.

Tao anatin'ny lahatsary fanadihadiana iray tao amin'ny YouTube mitondra ny lohateny hoe “Amboaram-panadihadiana vehivavy tsy voasakan-tsisintany,” nitafatafa tamin'ireo vehivavy Afrikana mpandraharaha maro manerana ny kaontinanta ilay mpanao gazety Ogandey Nila Yasmin Faisal (izay antsoina hoe Nila Yasmin). Ahitana mpandraharaha Ogandey dimy ary iray avy any Etiopia ny fanadihadiana.

Tamin'ny resadresaka nifanaovana tamin'ny Global Voices, nizara ny antony manosika azy hanadihady ireo vehivavy miavaka ireo i Yasmin ary manazava ny antony inoany fa manana fahefana hitondra ny varotra eo anivon'ny Afrikana sy hanokatra ny hirika ara-toekarena ny vehivavy Afrikanina mpandraharaha.

Nila Yasmin Faisal. Photo provided by Nila Yasmin Faisal, used with permission. Nila Yasmin Faisal. Sary nomen'i Nila Yasmin Faisal, nahazoana alalana.

Zita Zage (ZZ): Lazao anay ny momba anao sy ny ataonao.

Nila Yasmin (NY): Ogandey mpandraharaha amin'ny fampitam-baovao aho, mpanao gazety, mpamokatra horonantsary fanadihadiana ary taloha mpikirakira vaovao tamin'ny radio. Amin'ny maha-mpamokatra ahy, niasa tamina tetikasa maromaro an'ireo marika fampitam-baovao manerantany toy ny CNN sy Euronews aho. Indrindra indrindra, voninahitra ho ahy ny namoaka tantara fanadihadiana maherin'ny 90 ho an'ny CNN tany Ouganda, Maorisy, Kenya, Rwanda, ary Tanzania, mampiseho ny zava-baovaon'ny kaontinanta, ny fandraharahana, ny kolontsaina ary ny fanatanjahantena. Tamin'ny taona 2019, nahazo ny Loka APO Group African Women in Media aho ary voatendry tamin'ny Loka 2021 Digital Equality.

ZZ: Inona no nahatonga anao hanao ity lahatsary fanadihadiana momba ny vehivavy afrikanina mpandraharaha ity?

NY: Avy amin'ny asako momba ny famokarana mifandraika amin'ny varotra afrikanina anatiny ny aingam-panahy tato amiko tamin'ny namoronana ity andian-tantara fanadihadiana ity, indrindra ny manodidina ny Faritry ny Varotra Malalaky ny Kaontinanta Afrikanina (AfCFTA). Raha namokatra ireny horonantsary fanadihadiana ireny aho, dia nahatsikaritra fa avy amin’ny orinasa lehibe ireo olona noresahinay matetika satria izy ireo no tena mandray anjara mavitrika amin’ny fanondranana entana. Nanomboka nanontany tena aho raha ny orinasa lehibe ihany no mahazo tombotsoa amin'ity hirika lehibe ity. Ary rehefa mijery ireo orinasa ireo ianao, dia lehilahy no ankabeazan'ny tompon'izy ireo.

Mifanohitra amin'izany, rehefa mijery ny antontan'isa momba ny toe-tsain'ny vehivavy Afrikana mpandraharaha ianao, dia miharihary ny elanelana. Voasokajy ho faritra manana vehivavy mpandraharaha betsaka indrindra maneran-tany i Afrika. Na izany aza, maro no tsy ampy fanohanana mba hampivoatra ny orinasany.

Tamin'ny alalan'ny fifaneraserako tamin'ireo vehivavy mpandraharaha no nananganako ny Zuba Network, izay manamafy ny feo sy ny hetsika ataon'ny vehivavy manerana an'i Afrika. Tsapako fa matetika rehefa miresaka amin'ireo vehivavy ireo izahay, dia zara raha mahafantatra ny atao hoe AfCFTA, ny mahasoa azy ireo amin'izany ary ny tokony hataon'izy ireo amin'ny varotra anatiny izy ireo.

ZZ: Inona avy ireo fanamby atrehin'ireo vehivavy mpandraharaha efa nohadihadianao?

NY: Nasongadin'ireo vehivavy ireo fanamby marobe izay manakana ny fandraisanizy ireo anjara amin'ny varotra miampita sisintany. Ny lehibe indrindra amin'ireo dia fahazoam-bola voafetra, izay manakana ny fitomboany sy ny fahatezany. Voafetra ihany koa ny fidiran'izy ireo amin'ny torohay momba ny tsena, ny tsi-fahampian'ny fahaiza-manao, ny sandan'ny aterineto sy ireo nomerika avo lenta, ary ny tsy fahampian'ny fampahafantarana momba ny fepetra takian'ny AfCFTA. Ny olana momba ny fotodrafitrasa, toy ny halafosan'ny saram-pitaterana, ny hofan'ny trano fanatobiana entana, ary koa ny fifaninanana henjana amin'ny fanafarana entana avy any ivelany, indrindra fa avy any amin'ny firenena toa an'i Shina, izay misy fiantraikany ratsy kokoa amin'ny fifaninanana. Saingy tsikaritrareo fa fanamby mahazatra isan'andro atrehin'ny vehivavy mpandraharaha ny ankamaroan'ireo fanamby ireo, ka ny fanontaniana dia hoe, ahoana no ahazoantsika antoka fa tsy hanohy ny famerana ny fandraisan'ny vehivavy anjara ao amin'ny AfCFTA izy ireo?

Takatro fa maro ny paikady, ny fenitra ary ireo hetsika novolavolaina. Ohatra, ny Fenitra momba ny Vehivavy sy ny Tanora amin'ny Varotra, ny Fenitra momba ny Varotra amin'ny Entana sy ny Tolotra, ary ny Paikadin'i Afrika momba ny Entana Fototra mba hanohanana ny vehivavy amin'ny fanampian-danja sy ny famokarana – saingy tena ilaina ny fampiharana haingana ireo fepetra ireo mba ahafahan'ny vehivavy mpandraharaha mandray anjara ara-drariny sy miroborobo ao anatin'ity tsena tokana ity.

ZZ: Nahomby ve ny sehatrao, Zuba Network, tamin'ny fanampiana azy ireo hahita vahaolana amin'ireo fanamby ireo? Manana tantaram-pahombiazana hozaraina ve ianao?

Manohana ireo vehivavy mpandraharaha amin'ny alalan'ny fanomezana azy ireo sehatra hizarana ny feony sy hanehoana ny hetsika ataon'izy ireo ny Zuba Network. Amin'ny fanaovana izany, manampy azy ireo hanakaiky kokoa ny hirika hirosoana izahay, ao anatin'izany ny fanitarana ny tsena, ny fampitomboana ny fahefan'ny marika ary ny fiaraha-miasa stratejika. Nahomby tamin'ny fampiasana ity votoaty haino aman-jery ity ny vehivavy sasany tamin'ny alalan'ny fangatahana fanampiana na fampiasam-bola. Amin'ny fanamafisana ny feon'ny vehivavy mpandraharaha, manantena izahay fa hisy fiantraikany tsara amin'ny politika, manosika ny politika manome fanohanana izay manome hery ny vehivavy eo amin'ny lafiny ara-tsosialy sy ara-toekarena izany. Ho setrin'izany, dia mamela azy ireo handray anjara manan-danja amin'ny fampandrosoana midadasika an'i Afrika izany.

ZZ: Tao amin'ny lahatsary, nilaza i Shamirah Kimbugwe fa manana tanjona tsara indrindra hita amin'ny fifanarahana isam-paritra ao amin'ny kaontinanta ny AfCFTA. Mitovy hevitra amin'izany ve ianao? Inona avy ireo tanjona ireo?

NY : Ekeko tanteraka. Rehefa ampitahainao amin'ny fifanarahana isam-paritra hafa ny AfCFTA toy ny Common Market for Eastern and Southern Africa (COMESA) na ny Fifanarahana Fiarahamiasa Ara-toekarenan‘ny SADC’, dia mazava fa mitapatapaka matetika ireo fifanarahana ireo ary voafetra amin'ny faritra manokana. Ny AfCFTA anefa dia manolotra fifanarahana iraisana, mampivondrona ny olona manerana ny kaontinanta. Miresaka momba ny mety ho tsenan'ny olona 1,4 lavitrisa mahery isika, ny fivezivezena malalaka ho an'ny entana, ny serivisy, ny fampiasam-bola, sns. Azo antoka ity Firaisankina ity fa manana fahaiza-manao hanaitra ny fitomboana ara-tsosialy sy ara-toekarena ao amin'ny kaontinanta manontolo. Ary koa, napetraka mba hanamora ny varotra tsy misy olana ny fenitra samihafa, toy ny fitsipika niaviany. Ohatra, raha mahafeno ny fitsipiky ny fiaviana any Kenya ny vokatra iray dia manankery ho azy ho an'ny firenena afrikanina rehetra izany. Ny fanamorana ireo dingana ireo no manamora ny fidirana amin'ny varotra miampita sisintany. Miombon-kevitra amin'i Shamirah aho, saingy mbola mila jerena ny fomba handikana ireo rehetra ireo ho dingana azo atao izay mitondra ho amin'ny fahombiazan'ny fifanarahana.

ZZ: Inona no tombontsoa atolotry ny AfCFTA ho an’ireo afrikanina mpandraharaha, indrindra ireo vehivavy mpandraharaha?

NY: Ny voalohany dia ny fidirana amin'ny tsena manana olona 1,4 miliara mahery. Midika izany fa ny mpandraharaha iray any Ogandà mivarotra dibera karité dia afaka mahatratra mpanjifa manerana ny firenena 54 Afrikana izay nankatoa ny fifanarahana, ary mampitombo ny fidiram-bola bebe kokoa ny fisehoana bebe kokoa amin'ny tsena. Mino aho fa handrisika ny fanavaozana ihany koa amin'ny alàlan'ny fifaninanana tsara ny fifanarahana satria tsy mifaninana amin'ny orinasa vitsivitsy ao amin'ny toeranao manokana intsony ianao; azo antoka fa hanosika ireo mpandraharaha hiala amin'ny faritra mahazatra azy ireo izany mba hamorona vokatra afaka mifaninana amin'ny tsena isankarazany.

Fanampin'izany, hamorona fifandraisana bebe kokoa ao anatin'ny rojom-pamatsiana ny AfCFTA, izay hanome ny vehivavy fahafahana miditra amin'ny zavatra toy ny akora fototra manerana ny kaontinanta. Ohatra, afaka maka dibera karité manta avy any Afrika Atsimo, manamboatra ny vokatr'izy ireo any Ouganda, ary mivarotra izany manerana an'i Afrika ny mpandraharaha iray any Ogandà.

ZZ: Nahoana ianao no mino fa manana fahefana hitondra ny varotra afrikana anatiny sy hanokatra ny hirika ara-toekarena ny vehivavy afrikanina mpandraharaha?

NY: Ny vehivavy no manjaka amin'ny varotra tsy ara-dalàna miampita sisintany, miisa 70 isanjato eo varotra tsy ara-dalàna miampita sisintany. Manana ny fanambiny manokana, toy ny fahaverezan'ny fidiram-bola, ny kolikoly ary ny fanorisorenana ara-nofo any amin'ny sisintany ity varotra tsy ara-dalàna ity. Na dia teo aza ireo olana ireo, mbola manohy ireo vehivavy ireo. Ireo vehivavy nasongadina tao amin'ny Vehivavy Ankoatran-Tsisintany dia maneho ny tanjaky ny vehivavy afrikanina mpandraharaha: matanjaka, maharitra, manavao ary be aingam-panahy izy ireo. Tsy mihemotra izy ireo manoloana ny fanamby; mandroso izy ireo. Ny ilaina ankehitriny dia ny mihaona amin'izy ireo amin'ny alàlan'ny politika tsara kokoa, indrindra ny fampiharana azy, ary amin'ny fanomezana fanohanana ara-bola azo idirana, fanohanana ara-teknolojia sy nomerika, fidirana amin'ny tsena ary fampahalalana. Manolotra vahaolana amin'ny fanamby sasany atrehin'ireo vehivavy ireo ny AfCFTA.

Nanambara ny fanadihadiana nataon'ny Banky Iraisam-pirenena tamin'ny taona 2013  fa matetika tsy afaka miditra amin'ny tambajotran'ny mpivarotra tena ilaina sy ny fampahalalana manan-danja ny vehivavy, ary miatrika fanamby lehibe amin'ny fitaterana ihany koa izy ireo. Araka ny voalazan'i Nila, raha mamaly amin'ny fomba mahomby ireo sakana ireo ny AfTCA, dia afaka mahatsapa feno ny otrikeriny ara-toekarena ny vehivavy toa an'i Juliet Susime, Immy Julie Musoke Nakyeyune, Shamirah Kimbugwe, Aluma Betti, Lydia Nakayenze-Schubert, ary Jennet Lemma.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.