
Takelaka Trump 2024. Onondaga, New York, USA. Saripika an'i Adam Jones tao main'ny Flickr (CC BY 2.0).
Ity tantara ity dia nosoratan'i Shristi Karki ary navoaka voalohany tao amin'ny Nepali Times tamin'ny 6 Novambra 2024. Dika iray nokiraina no averin'ny Global Voices avoaka etoana ho ampahany amin'ny fifanarahana hifampizara votoaty.
Nisy onjana dona iray namakivaky an'i Etazonia taorian'ny fiverenan'i Donald Trump ho ao amin'ny Trano fotsy indray, ary hatramin'ny fifehezan'ireo Repoblikàna ihany koa ny Antenimieran-doholona sy mety ho ny Tranoben'ireo Solontena (House). Na izany aza, tsy ho any Amerika ihany no hisy fiantraikany iny fifidianana iny, fa koa amin'ny olona rehetra manerana izao tontolo izao.
Any Azia atsimo, hanova indrindra indrindra ny fomba fijerin'i Washington sy ny fifandraisany amin'i Shina sy India iny, ary amin'ny fomba tsy ho ampoizina kokoa. Ny fiantraikany ao Nepal dia hiankina amin'ny fomba fifandraisan'i Etazonia amin'ireo firenena roa goavana mpifanila vodirindrina aminy ato anatin'ny taona efatra ho avy.
“Raha mitaha amin'i Harris, izay nifantoka bebe kokoa tamin'ny fisokafana amin'ny vazantany rehetra ary nihazona ireo mpiaradia, Trump kosa dia tia mifanandrina kokoa sy mandeha irery amin'ny fanapahankevitra,” hoy ilay mpikambana ao amin'ny antenimeranm-pirenena sady minisitra fahiny nisahana ny raharaha ivelany, Bimala Rai Paudyel. “Misy ny tahotra hoe hanosika an'izao tontolo izao ho tendro roa mifanenjana lasa lavitra kokoa noho ny ankehitriny ny pôlitikan'i Trump.”
Samy afaka mameno ny banga navelan'ny fisintahan'ny Amerikan'i Trump amin'ny fitarihana erantany sy isam-paritra i India sy Shina. Ho vitan-dry zareo ny haka tombony amin'ireo fifandraisana mitapo-dranon'i Trump na ny fialàny amin'ireo mpiaradia taminy hatrizay ao Eorpôpa sy Azia.
Na manana fifandraisana mafy amin'i Eorôpa aza i India, dia naniry handray ny fanapahankeviny azy manokana i New Delhi. Ny dindony ara-toekarena tsy mitsaha-mitombo no ampiasainy hanomezana lamosina ny fiombonambe Eorôpeàna sy Etazonia. Ohatra, vitan'i India ny nanafatra solika avy any Rosia na teo aza ny sazy avy amin'ny Tandrefana.
Akhilesh Upadhyay, zokiolona mpikaroka ao amin'ny Strategic Affairs Center, Institute for Integrated Development Studies (IIDS), miteny hoe: “Raha ny fomba fijery nahazatra ny resaka fiarovana, dia tena eo anelanelan'i Shina sy India i Nepal. Manana fifanandrinana goavana amin'ny resaka tanjaka i Shina sy Etazonia, ary tsy mazava ny zotra hizoran'ny Indiàna.”
Mety hahazoan'i India tombony ihany koa raha ampiharin'i Trump ireo fandrahonany hametraka haban-tseranana ambonimbony kokoa amin'ireo fanafarana avy any Shina. Na nanasazy an'i Shina aza ny fitantanan'i Biden-Harris tamin'ny fametrahana haban-tseranana sy sakana hafa, dia somary nampiseho toetra henjankenjana ihany nanoloana an'i Beijing i Trump tany aloha tany.
“Etsy andaniny, akaiky an'i Etazonia i India ao anatin'ilay Quadrilateral Security Dialogue (Quad); etsy ankilany, mandray anjara ao anatin'ny BRICS izay iasàny miaraka amin'i Rosia sy Shina, ary ny Fiarahamiasan'i Shanghai. Ho hita eo ny fivoaran'ny fifandraisan'i Etazonia amin'ireo firenena goavana roa mpifanila vodirindrina aminay,” hoy i Upadhyay nanampy.
Satria izay fahavalon'ny fahavalo dia namana, dia raisin'i Washington ho toy ny rindrim-piarovana ho azy i India mba hanoherana ny fitomboana ara-toekarena sy ara-tafiky ny shinoa. Nefa noho izy tsy faly amin'ny fitsabahan'i Etazonia loatra amin'ny raharahan'ireo madinika mpifanila vodirindrina amin'i India, toa an'i Nepal, Sri Lanka ary Bangladesh, dia tsy miaraka loatra amin'ny tombontsoa ara-stratejikan'i Amerikàna i New Delhi.
Ny lafiny ratsy dia ny mety ho fisakànan'ny fitantanan'i Trump ny fidiran'ireo Indiàna mpiasan'ny sehatry ny IT tsy hankany Etazonia sy koa ny fihenan'ny hirika ho an'ireo Nepaley mpiasa na mpianatra maniry ho any Etazonia, izay nitobaka teo ambany fitantanan'i Biden .
Lazain'ireo manampahaizana sasany fa zara raha hanohintohina ny pôlitika momba an'i Azia Atsimo sy Nepal ny safidin'ny Trano Fotsy, saingy ny fandresean'i Trump dia mety hidika fihenan'ireo fanampiana ho an'ny fampandrosoana ao Nepal, indrindra fa ho an'ny resaka fahasalamàna ara-pananahana, zon'olombelona ary fiarovana ara-tsôsialy.
Nischal Pandey, ao amin'ny Ivontoerana fianarana momba ny faritra atsimon'i Azia ao Kathmandu dia milaza fa vitsy ireo fitsidihana ara-panjakana nifanaovan'i Nepal sy Etazonia — hatramin'ny kabarin'ny mpanjaka Mahendra ka hatramin'ny fivoriana niarahana tamin'ny Kaongresy amerikàna nandritra ny fotoam-pitondràn'ny filoha Eisenhower tamin'ny 1960, sy ny nandraisan'ny filoha Bush rainy an'i Ganesh Man Singh tao amin'ny Trano Fotsy taorian'ny 1990, sy ny fitsidihan'i Colin Powell, sekreteram-panjakàna amerikàna tamin'ny 2002 nandritra ny fe-potoana nitondran'i George HW Bush — ireny rehetra ireny dia nitranga nandritra ny fitondràn'ny Repoblikàna avokoa.
Ampiany fa, “Ara-tantara, ireo filoha sy ny fitantanan'ny Repoblikàna no liana kokoa tamin'ny fifandraisana tamin'i Nepal fa tsy ny Demaokraty.”
Mivantana kokoa, mety hisedra fahasahiranana bebe kokoa ireo Nepaley maniry honina any Etazonia. Misy 300 eo ho eo ankehitriny ireo Nepaley miandry ao Meksika ny ho ampitain'ireo mpanondrana olona an-tsokosoko ho any Etazonia, ary vao mainka hatao teritery kokoa ny sisintany.
Tany am-piandohan'ity taona ity, nisy Nepaley nihoatra ny 150 tafahitsoka tao amin'ny seranam-piaramanidin'i São Paulo tao Brezila taorian'ny nahatongavany avy amin'ilay vavahady mibanak'i Darien ho any Etazonia. 200 hafa nizotra ho any Brezila no mbola mihitsoka ao amin'ny seranam-piaramanidin'i Addis Ababa, mahavoatery an'i Etiopia handràra ny fanomezana vizà ho an'ireo Nepaley.
Norahonan'i Trump hampandoavina haban-tseranana lafobe ireo fanafàrana avy any Meksika raha tsy vitany ny manakana ireo mpifindra monina. Vinavinainy ny hampody 11 tapitrisa amin'ireo olona tsy manana taratasy ara-dalàna, mety tsy ho vitany ny hanao an'izay, saingy mbola misy hatrany ilay ambana ho an'ireo Nepaley tsy manana antontan-taratasy ao Etazonia.
Ny kabary fandresen-dahatr'i Trump momba an'i Shina dia mety ho avy amin'ny pôlitikan'ny fihenjanana, ary hahaliana ny hahita ny fomba ataony hampifandanjàna izany amin'ny fifanomezan-tànan'ny shinoa sy rosiàna. Biden tsy nanaisotra ireo fandraràna ny Huawei sy ireo teritery napetraka ho an'ny TikTok, ary ifampizaràn'ny roa tonta ireo ahiahin'i Etazonia momba ny fiarovana manoloana ny fisondrotan'i Shina, toa an'i Gaza ihany. Na i Harris aza mety tsy hanao zavatra hafa amin'ireo sehatra ireo.
Ny solombavam-bahoaka, Bimala Rai Paudyal, milaza hoe: “Mety hitarika amin'ny fihenjanana ara-toekarena amin'i Shina ny fandresena azon'i Trump, fandresena izay hiantraika amin'ny fandraharahana eto ihany koa; zavatra tokony hiomanantsika izany.”
Mandritra izao fepotoana faharoa hitondran'i Trump izao dia hihena ny fahefana ara-maoraly ananan'i Amerika hiteniteny an'ireo firenena toa an'i Nepal momba ny tetezamita ara-pitsaràna, ny zon'olombelona, ny demaokrasia ary ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety.
Ireo zo ara-pananahana sy tohana ho an'ireo tetikasa fandrindràna fiainam-pianakaviana any Nepal tamin'ny alàlan'ny rafitry ny Firenena Mikambana koa dia mety ho rava tahaka ny nandritra ny nitondràny tany aloha. Mety ho tapaka ihany koa ireo fanampiana ny any ivelany tamin'ny alàlan'ny USAID.
Kanefa, angamba ny mety ho fiantraika ankolaka kokoa ho an'i Nepal avy amin'ny fitondràn'i Trump dia ny fihemorany tsy hanatanteraka ny fanolorantenan'i Amerika amin'ny fampihenàna ny fiantraikan'ny fiovàn'ny toetrandro, izay hanafaingana ny fitsonehan'ireo tendron-dranomandry any Himalaya ka hitondra fiantraikany goavana amin'ny famatsiana rano any ambany, amin'ny faritr'i Azia.
“Ireo fanolorantena sy tanjon'i Amerika momba ny fiovàn'ny toetrandro dia hokitihan'i Trump, izay tsy mino ny fiovàn'ny toetrandro,” hoy i Paudyal. “Ny asa amin'izao fotoana izao momba ny fatiantoka sy ny fahavoazana, ary ny famarotana entona karbôna dia miankina betsaka amin'ny famatsiambola amerikàna, ary izao tontolo izao dia miandrandra an'i Etazonia haneho fahavitrihana.”
Raha vitan'i Trump ny hampitsahatra ny ady ao Okraina mba hanakaikezana kokoa an'i Poutine, dia mety hisy ny fifanarahana fandriampahalemana afaka hanatsara ny toedraharaha erantany amin'ny resaka solika sy sakafo. An-arivony maro ireo Nepaley no miditra ao anivon'ny tafika rosiàna; raha kely indrindra dia 40 tamin-dry zareo no maty, ary dia afaka ny ho tafaverina an-tanindrazany ihany nony farany.
Hoy ny famintinan'i Upadhyay: “Raha ny momba an'i Nepal, tokony ho firenena manana ny fiandrianany tanteraka no hijeren'ny fitondran'i Trump an'i Nepal fa tsy amin'ny alàlan'ny iraizotongotra (prism)-n'ny fifandroritan'ireo firenena matanjaka, na Etazonia izany, na i Shina.”