
Sarin'ireo olona 14 niharan'ny fampanjavonana tany Philippines ambany fitondran'ny Filoha Ferdinand Marcos Jr. Sary avy amin'i Lito Ocampo, nahazoana alalana.
Naneho ny ahiahiny ireo mpiaro ny zon'olombelona momba ny fitomboan'isan'ny fampanjavonana ao Filipina eo ambany fitondran'ny Filoha Ferdinand “Bongbong” Marcos Jr.
Nandray fahefana i Marcos, zanaky ny mpanao didy jadona, Ferdinand Marcos Sr., izay nampihatra ny Lalàna Miaramila tao Filipina nanomboka tamin'ny taona 1972 ka hatramin'ny taona 1981 tamin'ny 30 Jona 2022. Noampangaina nandritra io vanim-potoana io ny tafi-panjakana ho nampiely fanitsakitsahana ny zon'olombelona hampitoniana ny tsy fitovian-kevitra. Manodidina ny 1.894 ireo niharam-boina tamin'ny fanjavonana an-keriny voarakitry ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona.
VAKIO BEBE KOKOA: Tazana amin'ny 100 andro voalohany nitondran'i Marcos
Na dia nesorin'ny fitroaram-bahoaka tamin'ny taona 1986 aza ny fitondran'i Marcos tamin'ny taona 1986, dia nohazonina ihany ny politika famoretana nampidirina nandritra ireo taona nampiharana ny Lalàna Miaramila, nitarika nankany amin'ny fitohizan'ny fihoaram-pampiharan-jò mikendry ny hetsik'ireo mpikatroka sy ny mpanohitra.
Nandritra ny roa taona izao, olona 14 no noterena hanjavona, izany hoe novonoin’ny fanjakana an-tsokosoko na nogadrain'ny fanjakana tsy nisy fitsarana na fanambaràna. Asehon'izao fitohizan'ny fomba fanao izao fa mety manaraka an-tsakany sy an-davany ny fomban'ny rainy momba ny zon'olombelona i Marcos Jr, nandova herisetra. Nanampy ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona fa porofon'ny lesoky ny Lalàna iadiana amin'ny Fanjavonana an-tery na an-tsitrapo, izay nolaniana tamin'ny taona 2012 ny famahana ny olam-pitohizan'ny fakana an-keriny.
Nanamarika ny vondrona mpiaro ny zon'olombelona Karapatan fa misy fiantraikany ratsy eo amin'ny fiaraha-monina ny fihamafisan'ny tsimatimanota, fa matahotra ny hiteny hiteny mamely ny fanjakana na hitaky fiovana ny vondrona fiarahamonim-pirenena, ny mpikatroka, ary ny mpanao gazety.
Families of the disappeared are left in a perpetual state of anguish, uncertainty and psychological trauma. As long as the cases of their loved ones remain unresolved, there is neither justice nor closure. Being a state-sponsored act, the terror that enforced disappearance leaves in its wake also represses entire communities, stifling free expression and dissent. There is a climate of repression where human rights can more easily be violated systematically.
Tsy afaka anaty tebiteby, fanjavozavoana ary ratra ara-tsaina ny fianakavian'ireo nanjavona. Raha mbola tsy voavaha ny raharaha momba ny olon-tiany dia sady tsy misy ny rariny no tsy misy ny fikatonan(dratra). Amin'ny maha-hetsika tohanan'ny fanjakana azy, manindry ny vondrom-piarahamonina manontolo, manakana ny fahalalahana maneho hevitra sy ny tsy fitovian-kevitra ny fampihorohoroana fampanjavonana an-tery. Misy rivotry ny famoretana manamora ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona.
Mpanetsika arakasa sy mandray anjara mavitrika amin'ny fanentanana momba ny rariny ara-tsosialy ny ankamaroan'ireo mpikatroka nanjavona ireo. Nanentana ny manam-pahefana hampitsahatra ny fanaovana heloka bevava ny fikatrohana sy ny firaisankina ny Foiben'ny sendikà sy ny zon'olombelona.
We would like to remind the government that union organizing is not a crime and workers are the backbone of any economic recovery. Organizing is a basic human right and element of a functioning democracy.
Te-hampahatsiahy ny governemanta izahay fa tsy heloka bevava ny fandaminana sendikaly ary ny mpiasa no fototry ny fanarenana ara-toekarena. Zon'olombelona fototra sy singa iray amin'ny demokrasia miasa ny fandaminana-fikarakaran-javatra.

Fianakavian'ireo mpikatroka nanjavona mivory ho fahatsiarovana ireo olon-tiany sy hitaky ny rariny. Sary avy amin'i Lito Ocampo. Nahazoana alalana.
Nanao fivoriam-be ny fianakaviana sy ny naman'ireo niharam-boinan'ny fanjavonana an-terisetra ho fahatsiarovana ireo olon-tiany tamin'ny andron'ny 2 novambra, fetin'ny olo-masina rehetra, andro tsy iasana manerana ny firenena iray be mponina katolika. Nizara ny hafatry ny hetsika tamin'ny fanambaràna nalefa ho an'ny mpikamban'ny media i Nanay (ineny) Linda Cadapan, izay manan-janakavavy mpikatroka tsy hita popoka tamin'ny taona 2006:
We gather here today in search of our loved ones. Each year, we come together with heavy hearts but with undying hope that we will one day find them, and that candles will be lit and flowers offered at their resting places.
Mivory eto isika androany mitady ireo olon-tiantsika. Isan-taona isika miara-mivory amin'ny fo feno alahelo nefa tsy very fanantenana fa indray andro any dia hahita azy ireo isika, ary handrehitra labozia sy hatolotra ny voninkazo any amin'ny toerana ialan-dry zareo sasatra.
Nanamarika tamim-pihetseham-po ilay mpanatontosa sarimihetsika JL Burgos, manana rahalahy mpikatroka nalain'ny mpitandro ny filaminana an-keriny [mg] tamin'ny taona 2007, fa tsy manana toerana ahafahany mitsidika ny havany nanjavona izy ireo hanolorana voninkazo sy handrehetana labozia amin'ny fetin'ny olo-masina rehetra.
No marker…no name carved in stone yet we remember those who have disappeared. They will forever live in our defiance.
Tsy manana fanamarihana…tsy manana anarana voasokitra amin'ny vato nefa tsaroanay ireo nanjavona. Ho velona mandrakizay ry zareo amin'ny fanamby atrehinay.

Fianakaviana manolotra voninkazo sy mandrehitra labozia ho fanomezam-boninahitra sy fahatsiarovana ireo mpikatroka nanjavona. Sary avy amin'i Lito Ocampo. Nahazoana alalana.
Naneho firaisankina tamin'ireo Filipiana mpikatroka ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona miorina ao Azia ary nanakoako ny antso hihetsehan'ny governemanta maika. Nampahatsiahy ny governemanta Filipina i Mary Aileen Diez-Bacalso, tale mpanatanteraky ny Forum Asia, ny maha-zava-dehibe ny fampiharana ny lalàna manohitra ny fampanjavonana an-terisetra.
Tactics of repression and intimidation are increasingly being used against human rights defenders and dissenting voices
Such abductions have long been used to instill fear and to silence critics, especially among environmental, human rights and labor rights defenders.
The Philippine Government must take decisive actions to enforce the 2012 Involuntary Disappearance Act by investigating, prosecuting, and punishing perpetrators of enforced disappearances to the full extent of the law.
Mitombo hatrany ny tetika famoretana sy fandrahonana amin'ireo mpiaro ny zon'olombelona ary ny feon'ireo tsy mitovy hevitra
Efa nampiasaina hatry ny ela ny fakana an-keriny toy izany mba hampisy tahotra sy hampanginana ireo mpitsikera, indrindra eo amin'ireo mpiaro ny zon'olombelona sy ny tontolo iainana ary ny mpiaro ny zon'ny mpiasa.
Tsy maintsy mandray fepetra hentitra ny Governemanta Filipina mba hampiharana ny Lalàna Fanjavonana Tsinahy tamin'ny taona 2012 amin'ny alalan'ny famotorana, fanenjehana ary fanasaziana ireo mpampanjavona an-keriny araka ny lalàna.
Nanao antso mitovy amin'izany i Wong Chen, mpikambana ao amin'ny Parlemanta Maleziana sady Parlemantera misahana ny Zon'olombelona mpikambana ao amin'ny filankevi-pitantanan'ny ASEAN (Fikambanan'ny Firenena Aziatika Atsimo Atsinanana):
This alarming situation demands immediate and decisive intervention. We stand in unwavering solidarity with the families and communities of all victims of enforced disappearance.
Mitaky fandraisana an-tanana haingana sy fidirana an-tsehatra avy hatrany ity toe-javatra mampiahiahy ity. Mijoro ao anatin'ny firaisankina tsy voahozongozona miaraka amin'ireo fianakaviana sy vondrom-piarahamonina rehetra niharan'ny fanjavonana an-terisetra izahay.
Nandritra izany fotoana izany, nanizingizina ny Filoha Marcos Jr. fa tena nihena tokoa ny trangam-panitsakitsahana ny zon'olombelona nandritra ny taona voalohany nitondrany ary nidera ireo andrim-panjakana isan-karazany noho ny fanamafisana ny fanoloran-tenan'ny firenena amin'ny demokrasia sy ny rariny izy.