
Senegaly mpanao gzety miatrika fiofanana momba ny atao hoe “réalité virtuelle” tao amin'ny Gamecamp Summer tamin'ny 2016 tao Dakar ; Saripika an'i Kofi Sika Latzoo, nahazoana alàlana
Sehatra iray tena mitondra famoronana sy mamorona asa vaovao, ankehitriny ny toekaren'ny famoronana dia idirana sehatra maro isankarazany, toy ny mozika, ny zavakanto, ny sarimihetsika ary ny lalao an-dahatsary ihany koa. Ity farany dia milalao dôlara amerikàna an-davitrisa eo amin'ny tsena afrikàna.
Araka ny tatitra « Africa Gaming Market Size (2024 – 2029) » (Ny haben'ny tsenan'ny lalao ao Afrika 2024-2029) avy amin'ny Mordor Intelligence, kabinetra mpanolotsaina sy mpandalina tsena, tombanana ho mihoatra ny 2,14 lavitrisa dôlara amerikàna ny haben'ny tsenan'ny lalao an-dahatsary ao Afrika ho an'ny taona 2024. Mety hahatratra 3,72 lavitrisa dôlara amerikàna io sehatra io mandra-pahatongan'ny 2029.
Tena fantatra tsara eny anivon'ireo tanora afrikàna ny lalao an-dahatsary – mihoatra ny 400 tapitrisa ireo tanora eo anelanelan'ny 15 sy 35 taona – amin'ireo vahoaka 1,6 lavitrisa miaina ao amin'ilay tanibe. Tsy endrika fialamboly fotsiny ny lalao an-dahatsary. Afaka ny ho tena asa ihany koa izy io, fantatra amin'ny anarana hoe e-sport izay manana ny fitsipika ho azy manokana, ny fifanintsanany, ny lokany ary ny fifaninanana iraisampireneny, ohatra ireo Lalao Ôlaimpika E-sports voalahatra ho amin'ny 2025 any Arabia Saodita. Mba hahatakarana ireo fanamby amin'io indostria io, nitafa tamin'ilay Tôgôley manampahaizana monina ao Senegal, Kofi Sika Latzoo, ny Globa Voices.

Kofi Sika Latzoo ; saripika nahazoana alàlana
Ananan'i Kofi ny maripahaizana avy amin'ny British Council, momba ny fandraharahana anatin'ny tontolon'ny indostrian'ny famoronana, amin'ny Gamification misy fiantraikany amin'ny sôsialy, ary efa nahazo ny maripankasitrahana iray avy amin'ny Microsoft momba ny fahaizana manokana ny fanabeazana sy ny fanavaozana izy. Izy dia iray amin'ireo mpisavalàlan'ny indostrian'ny famoronana sy ny fametrahana ho ankihy ny zavakanto ao Afrika. Tamin'ny 2012, natsangany ny Gamecampcities Agency, masoivoho iray fampiroboroboana ny lalao an-dahatsary sy ny e-sport. Efa fito taona izao izy no mampianatra ny e-sport management ao amin'ny Kedge Business School, ao amin'ny campus ao Bordeaux sy Parisy ary ao amin'ny Bem Africa ao Dakar sy Abidjan.
Jean Sovon (JS): Iza amin'ireo firenena afrikàna no efa misitraka ny tombony avy amin'ny lalao an-dahatsary?
Kofi Sika Latzoo (KSL): Ny lohalaharana dia i Afrika Atsimo izay iray amin'ireo firenena afrikàna voalohany nanangana studio famolavolàna lalao an-dahatsary: ny Free Live, iray amin'ireo studios tranainy indrindra famolavolàna lalao an-dahatsary ao amin'ny tanibe. Iray amin'ireo firenena vitsy ihany koa nametraka federasiônan'ny e-sport ary voalohany niditra tanatin'ireo sampana lehibe manerantany mikarakara ny e-sport. Misy ihany koa ireo firenena hafa mavitrika, toa an'i Tonizia, Egipta, Maraoka, Zimbaboe, Ghana ary Senegal, izay anisan'ireo tsena vitsy ho an'ireo mpampiasa ny fiteny frantsay. Hatramin'ny 2020, Senegal koa dia iray amin'ireo firenena manana rafitra araka ny lalàna ho an'ny fampanarahan-drafitra ny e-sport: ny lalao an-dahatsary ifaninanana sy ny famolavolàna ny lalao an-dahatsary. Miaraka amina federasiôna iray vao miana-mandeha dia eo an-dàlam-pametrahana rafitra ihany koa i Tôgô. Firenena afrikàna marobe no handray anjara amin'ireo Lalao Ôlaimpika e-sport hatao any Arabia Saodita: Senegal, Maraoka, Tôgô, Egipta, Tonizia, Afrika Atsimo, Zimbaboe, Zambia, Côte d'Ivoire, Cap Vert, Nosy Maorisy, Kenya.
JS: Mba tena misitraka tokoa ny tombony ara-bola ve ireo mpilalao sa dia mpanjifa fotsiny ihany ?
KSL : Misy ambaratongany telo: vao misandratra, ny matianina amin'ny ampahany, ary ny efa matianina. Tsy maintsy efa tonga eo amin'ilay ambaratonga faharoa vao afaka hisitraka tombony ara-bola. Amin'ny alàlan'ireo fifanintsanana isankarazany any amin'ny fireneny no mampahafantatra ny tenany ireo vao misandratra. Avy eo ry zareo miakatra amin'ny ambaratonga faharoa ary lasa matianina amin'ny ampahany. Manomboka manana lalào natao ho azy ry zareo. Tsy maintsy fantarina fa misy 15 ny taranja e-sport. Manomboka amin'io fotoana io ry zareo no mitady marika hanohana azy ary hahafahany mivoatra. Manomboka eo, azon-dry zareo atao ny mivezivezy mamonjy fifanintsanana isam-paritra na iraisampirenena.
Any Afrika, mihoatra ny 90% amin'ny mpilalao no matianina amin'ny ampahany (semi-pro). Ankavitsiana no ahitàna mpilalao tena matianina, satria izany dia midika fa tsy mpanohana iray monja no anananao, fa marobe ary voafehina fifanarahana ianao. Voaara-maso daholo ny manodidina anao ary mila manao tatitra tsy tapaka ianao ho an'ireo mpanohana anao. Ekipa latsaky ny 20 ihany no matianina manerana izao tontolo izao, ary ny 80% amin'izy ireny izay tonga hatrany amin'ny fanombanana ho 10 hatramin'ny 30 tapitrisa dôlara [amerikàna] , dia any Etazonia. Iray monja no ao Espaina, Frantsa, Angletera, ary vitsivitsy ao Brezila.
Ao amin'ny tanibe, ny ankamaroan'ireo ekipa matianina sy matianina amin'ny ampahany dia ao Afrika atsimo, toy ny Goliath Gaming. Misy ihany koa ao Maraoka, Tonizia. Efa manomboka misy ekipa any Zambia, miaraka amin'ny Team Gematrix izay mahavita manao fifanintsanana hatrany Las Vegas mihitsy. Misy ekipa iray tsara ihany koa ao Senegal, XamXamLions izay izaho ihany no nanangana azy tamin'ny 2016 izay efa in-droa nahazo tapakila hanao lalao ôlaimpika niaraka tamin'ireo mpilalao voafehina fifanarahana.
JS : Inona no fandraisana anjaran'ny toekarena ateraky ny lalao an-dahatsary amin'ny fampivoarana ny tanibe afrikàna ?
KSL : Tsena ihodinam-bola 800 lavitrisa farantsa CFA ao Afrika ny lalao an-dahatsary (mihoatra ny 1,3 lavitrisa dôlara amerikàna). Fa mba hananana vina ankapobeny amin'ny fomba firosony, ny lalao an-dahatsary, raha indostria manerantany no resahana, dia tsena ihodinana 300 lavitrisa dôlara amerikàna isantaona. Ary ny e-sport dia tsena iray ihodinana iray lavitrisa dôlara.
Efa miha-mahazo vahana miely patrana erantany ny firohotana ho amin'ilay taranja ary tsy tokony ho tara i Afrika, noho ny antony tsotra, i Afrika no manana vahoaka tanora indrindra. Io no tanibe afaka manana fahafahana hanjifa sy hamorona ny zavatra rehetra. Ireo firenena lohalaharana dia ahitàna an'i Afrika Atsimo sy Maraoka. Ao Maraoka, hatramin'ny 2012 dia ny mpandraharaha Télécom Invi no namorona hackathons hitiliana ny talentan'ireo mpamorona lalao ; mandray ireny talenta ireny hiasa hamorona lalao an-dahatsary anaty finday izay ho atomboka mandritra ny Ramadan ny fandefasana azy. Ny Invi no efa manana sahady ligy e-sport telo ao Maraoka: ligy matianina iray, ligy iray eny amin'ny oniversite ary ligy iray ho an'ny ankizy. Misy paikady voahevitra ao anatin'izany ary fampiasana vola.
JS: Inona no fifandraisana misy amin'ny hoe sport (fanatanjahantena) sy ny e-sport? Ao anatin'io taranja io, aiza ho aiza no toerana misy an'i Tôgô firenenao?
KSL : Betsaka ireo olo-malazan'ny fanatanjahantena no liana sy mirotsaka amin'ilay taranja. Ohatra tena tsara ny an'i David Beckham, izay tompona klioba e-sport iray antsoina hoe Guild, nefa sady manana ihany koa klioba baolina kitra iray ao Miami, izay ilalaovan'i Lionel Messi.
Heveriko fa mbola misy fifamatorana mafy eo amin'ny sport sy ny e-sport. Indraindray aza dia toa ironana mihitsy ny fampitambarana azy roa ireo, toy ilay hetsika antsoina hoe Lalaon'ny Hoavy na Games of Futures, hetsika antsoina hoe phygital izay idiran'ireo taranja nomerika ho toy ny taranjam-panatanjahantena sy fitaizana ara-batana. Nandray anjara tamin'ireny lalaon'ny hoavy ireny i Benin tamin'ny alàlan'ny ekipa basket avy ao aminy, sy ny e-basketball ( ny basketball amin'ny lalao an-dahatsary).
Raha Tôgô no resahana, io dia firenena iray manana fahaizana be efa voaporofo, manana efitrano 32 filalaovana ao Lomé renivohitra, ary tamin'ny 2016 no voalohany nandray anjara tamin'ireo fiadiana ny ho tompondaka eantany nokarakarain'ny Alibaba tamin'ireo taranja Hearthstone ( lalao karatra an-tambajotra). Efa azon'io firenena io ihany koa ny medaly volamena nandritra ireo lalao afrikàna farany natao tao Ghana, izay nampidirana ny e-sport. Ankoatra izay, ny filohan'ny fikambanana e-sport ao Frantsa dia safiotra frantsay-tôgôley. Izaho ihany koa, Tôgôley monina any Senegal, mpampianatra e-sport manana fanamarinam-pahaizana ary efa nahavita nikarakara hetsika mihoatra ny 100 teo amin'ny sehatry ny lalao an-dahatsary sy ny lalao an-dahatsary ifaninanana tao Afrika. Mpianatra fahiny tao amin'ny Gamecampcities ny filohan'ny federasiona ao Tôgô. Araka izany dia anananay daholo ireo taharo rehetra azo raisina mba hananganana firenena e-sport matanjaka. Tôgô dia mpikambana ihany koa ao amin'ny kaonfederasiôna afrikànan'ny e-sport (CASE) izay ao Senegal ny foibeny. Amin'izao fotoana izao dia misy firenena 30 mpikambana ao anatin'ny CASE ary manana ny HP, ilay goavan'ny infôrmatika ho mpiaramiasa aminy izy.