Fahatakarana ny fahantràna mitarazoka sy ny tsy fanjarian-tsakafo taorian'ny krizy ara-toekarena tao Sri Lanka

During the 2022 Sri Lankan economic crisis, people endured long waits to refill liquefied petroleum gas cylinders. CC BY-SA 4.0

Nandritra ny krizy ara-toekarena tamin'ny 2022 tao Sri Lanka, tsy maintsy niandry elabe ny vahoaka rehefa hameno ny tavoahangin'entona. Saripika an'i AntanO tao amin'ny Wikimedia Commons (CC BY-SA 4.0).

Ity lahatsoratr'i Nimaya Dahanayake ity dia navoaka voalohany tao amin'ny Groundviews, tranonkala fanaovan-gazetin'olontsotra efa nahazo loka tao Sri Lanka. Dika iray nokiraina no avoaka eto ambany ho ampahany amin'ny fifanarahana iray hifampizara votoaty amin'ny Global Voices.

Vaviantitra iray i Seetha, mikarakara zafikely telo, latsaky ny 15 taona daholo. Ampahany ao amin'ny tranon'ilay zanany vavy efa maty no onenany, izay efa telo volana no notapahana ny herinaratra tao noho ny trosa tsy voaloa. Mivarotra chips mangahazo no asa fivelomany, ary ahazoana isanandro eo ho eo amin'ny 700 hatramin'ny 800 Rs Sri Lankey  (2,4 hatramin'ny 2,7 dôlara amerikàna), lany amin'ny sakafo ny Rs. 500 (USD 1.7) amin'izany.

Satria tsy misy jiro ao an-tranony dia labozia no ampiasainy, isanandro mividy labozia telo na efatra amin'ny Rs. 30 (US 10 cents) ny iray. Farafahakeliny, telo andro isankerinandro ihany i Seetha no mba afaka mividy sakafo. Mandeha an-tsekoly ny zafikeliny rehefa afaka manao izany ry zareo, mazàna mijanona an-trano rehefa tsy zakany ny handoa saran-dàlana sy sakafo. Na eo aza ny toebolany, ny hany fanampiana raisiny amin'ny fanjakàna dia ny tambinkaràma ho an'ny zokiolona,  zara raha misy Rs. 1,000 (USD 3.4) isambolana. Tsy mandray fanohanana ara-bolana hafa avy amin'ny fanjakàna izy.

Tamin'ny fampielezankevitra nandritra ny fifidianana ho filohampirenena nataon'ireo mpirotsaka nisongadina tamin'ny fiatrehana ny fifidianana ho filoha natao tamin'ny Septambra tamin'ity taona ity dia singa fototra ny famongorana ny fahantràna. Fampanantenana ny “handevina ny fahantràna ho rakitry ny tantara” sy hanome  “rafitra fiarovana ara-tsôsialy iraisan'ny rehetra”  natao hampitàna ny fahatsapàn'ireo mpirotsaka ho filoha ny fahorian'ny vahoaka Sri Lankey marobe, izay 25.9 isanjato amin-dry zareo no heverina ho miaina ambanin'ny fetran'ny fahantràna hatramin'ny 2023, taorian'ilay krizy ara-toekarena ratsy indrindra taorian'ny nahazoana fahaleovantena.

Tamin'ny Aogositra 2024, ny fetra ôfisialin'ny fahantrana, izay mifandray amin'ny fandaniana farany ambany isam-batan'olona sy isambolana mba hiatrehany ny filàny fototra teo amin'ny sehatra nasiônaly, dia Rs. 16,152 (USD 54.9, taham-panakalozana 1 USD = LKR 294.27), raha mitaha amin'ny Rs. 6,966 (USD 38.35) tamin'ny 2019 (taham-panakalozana 1 USD = LKR 181.63). Navoakan'ny fanadihadiana iray nataon'ny LIRNEasia tamin'ny 2023 fa efatra tapitrisa ireo Sri Lankey latsaka tanaty fahantràna hatramin'ny 2019. Ny fanavaozam-baovao momba ny fandrosoan'i Sri ho an'ny Ôktôbra 2024, navoakan'ny Banky Iraisampirenena dia manasongadina fa na nisy aza ny fiakaran'ny toekarena, mbola ambony be ny fahantràna sy ny faharefoana, miely be ny tsy fanjarian-tsakafo, ary mikoroso fahana ny vokatra ara-pahasalamàna. Raha nisy sarintsarina fahamarinan-toerana kely mba hita vokatr'ireo fanavaozana lehibe, dia ampangain'ireo antontanisa ôfisialy kosa ny tena zavamisy marina iainan'ireo tokantrano.

Ilay krizy ara-toekarena sy ireo pôlitika fohy ezaka noraisina hiatrehana izany, indrindra fa ny fampiakarana ny hetra, ny fampihenana tetibola ary ny fanitsiana ny vidin'ny angovo sy ireo tolotra ho an'ny daholobe, dia nanamafy ny fahantràna. Angamba ilay krizy dia nampametra-panontaniana indray ihany koa momba ireo hevi-draikitra sasany mifamatotra amin'ny fahantràna niaraka tamin'ny fipongaran'ireo “mahantra niafina” na “ny fahantràn'ny saranga antonony.” Io dia tonga amin'ny fanehoana fa “goavana be noho izay lazain'ny antontanisa ôfisialy ny halalin'ny fahantràna ao Sri Lanka.”

Tamin'ny faratampon'ny krizy ara-toekarena tamin'ny 2022, niaraka tamin'ny haavo ambonin'ny vidin-kanina, ny fahaverezan'ny fomba fivelomana sy ny fidinan'ny vola niditra isan-tokantrano, marobe ireo tokantrano no sahirana vao nahita sakafo nahavelona. Ny fikarohana notarihan'ny Colombo Urban Lab teny anivon'ireo vondrom-piarahamonina kely fidirambola ao Colombo dia nahita fa ireo vokatra nifangaro nentin'ny valanaretina COVID-19 sy ilay krizy ara-toekarena dia niafara tamin'ny fidinan'ny habetsahana sy ny kalitaon'ny sakafo tonga teny an-dovia rehefa nandeha ny fotoana. Nahenan'ny ankohonana ny fatran'ny voankazo vao sy legioma fihinany mba hiatrehana ireo fandaniana hafa.

In 2021, windmills located in Mannar in Sri Lanka's Northern Province were launched. Image by Malitha Daminda via Wikimedia Commons. CC BY-SA 4.0.

Tamin'ny 2021, natomboka tao Mannar, faritany avaratra ao Sri Lanka ny valan-toby ahodin-drivotra. Saripika an'i Malitha Daminda tao amin'ny Wikimedia Commons. (CC BY-SA 4.0).

Tatitra iray vao haingana avy amin'ny vaomiera voafantin'ny parlemanta, voatendry hijery hoe niharatsy na tsia ny olan'ny tsy fanjarian-tsakafon'ny ankizy, no namoaka fa tao anatin'ny enimbolana farany ho an'ny 2022 dia 74 isanjaton'ny tokantrano no tsy nahavidy ny sakafo na ny zavatra ilainy andavanandro intsony. Valo ambisivifolo isanjaton'ny vahoaka no niharan'ny sondrobidin'ny sakafo taorian'ilay krizy ara-toekarena. Vokany, 53 isanjato monja amin'ny vahoaka no nahavidy sakafo mahavelona. Ilay tatitra dia mihevitra fa toy ny singa goavana na mpandray anjara amin'ny tsy fanjarian-tsakafo ny fiahiana ara-tsakafo eny anivon'ny tokantrano. Ny Fandaharanasan'ny Firenena Mikambana misahana ny sakafo (PAM) dia mamanarika fa manodidina ny ampahatelon'ny ankizy latsaky ny fahadimy taonany no miaina tsy fanjarian-tsakafo.

Ny tatitry ny PAM momba ny fanjarian-tsakafon'ny tokantrano, taona 2023 dia nanamarika fa nanerana ny firenena dia 24 isanjaton'ny tokantrano no voavinavina ho notandindonin'ny tsy fanjarian-tsakafo tamin'ny Aogositra sy Septambra 2023. Ampitahain'ilay tatitra ny haavon'ny tsy fanjarian-tsakafo tamin'ny Martsa (17 isanjaton'ireo tokantrano) sy Aogositra(24 isanjaton'ireo tokantrano) tamin'ny herintaona ary ambarany ny fihenàn'ny fanjifana sakafo teny anivon'ireo vondrona marefo toy ireo mpanao saraka an-tsaha sy ireo miantehitra amin'ny fanampiana ara-tsôsialy. Asongadin'ilay tatitra ihany koa fa mihoatra ny 62 isanjato amin'ny fandaniany rehetra no atokan'ny tokantrano ho an'ny sakafo. Midika izany fa mihena be ny antontam-bola atokana ho an'ireo zavatra hafa sy tolotra tena ilaina toy ny fahasalamana, ny fampianarana ary ireo tolotra ho an'ny daholobe, mahatonga ny tokantrano tsy hiaina fiainana tsara kalitao.

Noho ireo fandaniana mihazakazaka be anaty toejavatra tsy mbola nisy toa azy, mba ho entina mitantana ny fandaniana dia naka paikady maro ny tokantrano, toy ny fanaovana antoka ny firavaka, miala tsy hampiasa herinaratra ary indraindray dia mivarotra ireo fanampin-tsakafo natolotry ny fanjakana. Amin'ny tranga sasany, lany haika ihany koa ireo tokantrano.

Nidiran-dry zareo ihany koa ny fampiasàna paikady ratsy mifandraika amin'ny sakafo, isan'izany, ohatra, ny fampihenàna ny isan'ny sakafo hanina sy ny karazan'ny sakafo tonga eny an-dovia. Na eo aza izany, ataon'ireo ray aman-dreny na ny olondehibe ho  lohalaharna ny fahasalaman'ny taranany ka amoizany ny fiadanany sy anandramany manome sakafo mahavelona, izay tsy voatery ho takatry ny olona hafa ao anatin'ny fianakaviana.

Nisy tatitra fintina avy amin'ny birao misahana ny fahasalaman'ny fianakaviana ao amin'ny ministeran'ny fahasalamana (MoH), nivoaka tamin'ity 2024 ity nilaza fa mihoatra ny 10 000 ireo ankizy niharan'ny tsy fahampian-tsakafo faran'izay henjana. Marobe amin'ireny ankizy ireny no tsy nahazo sakafo sazaha noho ny tsy fahampian'ny habetsahan'ny sakafo hanina ho an'ny sakafo fototra atolotra azy ireo.

Nisy fikarohana iray nataon'ny  Colombo Urban Lab, niarahany tamin'ireo vondrom-piarahamonina kely fidirambola, nanasongadina fa tsy mihinan-kanina antoandro any an-tsekoly ny ankamaroan'ireo ankizy nampidirina an-tsekoly. Ny fepetra napetraka amin'ny karazan-tsakafo ahazoana alàlana — voaràra ireo mofokely sy bisikoitra — dia manery ireo fianakaviana hampitondra vary nasiana cury na legioma, izay tsy isalasalàna fa lafo, miteraka tsy fandehanana an-tsekoly ho an'ireo ankizy izay matahotra ny ho atao an-jorom-bala any am-pianarana.

Thriposha product and program. Image by Irwin Hornstein, USAID, via Wikimedia Commons. Public Domain.

Ny vokatra Thriposha syny fandaharanasa. Saripika an'i Irwin Hornstein, USAID, tao amin'ny Wikimedia Commons. Sehatra ho an'ny daholobe

Olana iray lehibe ihany koa ny tsy fahampian-tsakafon'ny reny, indrindra fa ny ampitson'ilay krizy ara-toekarena. Nilaza ny Fikambanana Erantany momba ny Sakafo (OMS) fa ny tsy fahampian-tskafon'ny reny dia tena zavadoza ho an'ny fitomboan'ny  zaza ao am-bohoka ary ny sakafo tsizarizary dia mazàna mitondra ho amin'ny fiantraikany ratsy ao anatin'ny fotoana maharitra, tsy azo tsaboina ary mety hahafaty ny zaza ao am-bohoka. Tao anatin'ny tena nahamafy ny krizy ara-toekarena tamin'ny 2022,  tsy vitan'ny fanjakana ny nanohana ny fandaharanasa Thriposha. Izy io dia fanampin-tsakafo omena ireo vehivavy bevohoka mandra-pahafeno tanteraka ho enim-bolana ny zaza. Araka ny fanadihadiana nataon'ny PAM, ny Thriposha dia nampidina ny vidin'ny sakafo hatramin'ny 20 isanjato satria nomena maimaimpoana ary namaly ny filàna tamin'ny resaka otrikaina sy proteina ho an'ireo vehivavy bevohoka sy mampinono.

Ny fahatakarana ny endrika kely samihafa sy miovaovan'ny fahantràna atrehan'ireo Sri Lankey, ary hatramin'ireo fiantraikany isankarazany, no dingana voalohany ilaina handrafetana pôlitika sy hanatsaràna ny haraton'aina sôsialy izay handray anjara amin'ny fanatsaràna ny fiadanana ankapoben'ireo Sri Lankey an-tapitrisa miaina anaty fahantràna amin'izao fotoana izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.