Maninona ireo vondrona iraniana mpiaro ny zon'olombelona no mangina na dia mihahenjana aza ny fifandiran'Israel-Iran

Fanafihana an'habakabaka Iraniana an'Israely tamin'ny 1 Oktobra 2024 avy amin'i Hanay. Loharano: Wikimedia Commons (CC BY-SA 4.0)

Misy avelo mihalohalo amin'i Iran — ny fandrahonan'ny ady feno amin'i Israely, manetsika ny tahotra faharavana mampahatsiahy an'i Gaza sy Libanona. Rehefa mihahenjana ny toe-draharaha, dia miatrika loza lehibe, na mivantana na ankolaka, ny Iraniana an-tapitrisany. Mahagaga fa na dia any ivelan'ny firenena aza ny ankamaroan'ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona sy ny fiarahamonim-pirenena Iraniana, indrindra fa any andrefana, noho ny famoretana feno habibiana nataon'ny Repoblika Islamika, dia nangina ny ankamaroany, tsy nanome fanambaràna, na famakafakana, eny fa na dia amin'ny fihenjanan'ny fifandirana aza. 

Mba hikarohana ny antony ao ambadik'io fahanginana io, niantsafa tamin'ireo mpikatroka menavazana mpiaro ny zon'olombelona izay nanolotra hevitra momba ireo kasinga mifaningotra ny Global Voices.

Asa am-polony taona maro

Nandany am-polony taona maro ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona Iraniana any an-tsesitany mba hanairana ny saina momba ireo gadra politika sy gadra noho ny feon'ny fieritreretana, nandrakitra ireo fanitsakitsahana ny zon'olombelona, ​​ary nanentana hanohitra ny famonoana ankatoavin'ny fanjakana sy ny fanavakavahana mihatra amin'ny vehivavy, vitsy an'isa ary mpanao gazety. Niara-niasa akaiky tamin'ireo mpampaka-teny manokan'ny Firenena Mikambana momba ny zon'olombelona ao amin'ny Repoblika Islamika ao Iran ihany koa izy ireo.

Miatrika fanerena sy fameperana goavana ireo vondrona fiarahamonim-pirenena mbola ao Iran, toy ny Fikambanan'ny Mpisolovava ao Iran. Nakaton'ny manampahefana ao amin'ny Repoblika Islamika mihitsy aza ny nanao sam-piantrana, Fikambanana Ifanampian'ny Mpianatra an'i Imam Ali, izay niasa miady amin'ny fahantrana sy ny fanampiana ireo ankizy marefo. Nogadrain'ny manam-pahefana ihany koa ireo mpikatroka malaza, toa an'i Narges Mohammadi nahazo ny loka Nobel fandriampahalemana izay naiditra hopitaly vao haingana noho ny olana mafy ara-pahasalamana.

Namoaka hafatra manohitra ady i  Mohammadi, izay mino ny tsy maintsy hanovana fitondrana ao Iran, vao haingana: “Tsy vitan'ny hoe melohin'ny vahoakan'ny tany sy ny fotoana ravainy ihany ireo rehetra tompon'andraikitra amin'ny ady, fa afa-baraka mandrakizay sy voahilikilika ihany koa izy ireo ao amin’ny tantaran’ny olombelona.”

Manandanja ny famatsiam-bola

Saingy na eo aza ireo ezaka ireo, naneho ny ahiahiny amin'ny mangarahara sy ny fiankinan-doha amin'ny famatsiam-bola ireo Iraniana mpikatroka sy olom-pirenena sasany. Manolo-kevitra ireo fanakianana ireo fa mety mametraka laharam-pahamehana amin'ny raharaha sasany noho ny hafa ny fikambanana sasany any ivelany noho ny dindo avelan'ireo loharanom-bola, ka mahatonga ahiahy fa miasa ao anaty rafitra manavakavaka izay miovaova arakaraka ny tetipanoron'ny mpamatsy vola ry zareo.

Nilaza tamin'ny Global Voices tamin'ny alàlan'ny WhatsApp i Nazila Golestan, mpamokatra fampahalalam-baovao monina any Frantsa sady mpitondratenin'ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona sady manao politika HamAva, fa “miantraika be amin'ny fijoroana ara-pandaminana ny loharanom-bola, izay matetika mampiendaka amin'ny tsy fombàna atsy na aroa.

Nahatsikaritra  izy rehefa niara-niasa tamin'ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona na tany Iran na tany Frantsa, fa maneho tsy-fahavononana hanaratsy endrika ireo mpamatsy vola ny fahanginan'ny vondrona sasany manoloana ny ady. Milaza i Golestan fa “tokony ahitana ny fanandratana ny fandriampahalemana sy ny diplaomasia ny iraka ataon'ny fikambanana tena mpiaro ny zon'olombelona rehetra, satria misy fiantraikany amin'ny sivily aloha ny fifandonana voalohany indrindra.”

Miombon-kevitra amin'izany i Matt Forouzandy, queer Iraniana-Kanadiana mpikatroka sady mpanakanto marotaranja. “Manana fanapahan-kevitra lehibe amin'ny famolavolana ny fironan'ireny fikambanana ireny ireo loharanom-bola sy ny tetipanorona ara-politika, izay matetika mampilahatra azy ireny araka izay andrasan'ny mpamatsy vola aminy fa tsy tena manolo-tena ho amin'ny zon'olombelona,” hoy izy tamin'ny Global Voices.

Nanampy i Forouzandy, iray amin'ireo mpampaka-peon'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+ antsesitanin'Iran, fa “mihabetsaka ny fahadisoam-panantenan'ny fiarahamonim-pirenena sy ny mpikatroka Iraniana. Misolovava izy ny hananganana maodely vaovao avy eny ifotony mba hialana amin'ny fanamby misy amin'izao fotoana izao ary hampahomby kokoa ny fiarovana ny zon'olombelona.”

Mangina nefa mihamafy ny fifandonana

Misongadina manokana amin'ny lafiny maha-olona ny fanginan'ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona amin'izao fotoana izao. Raha antom-pijoroan'ireo fikambanana ireo ny hampirisihana ny fanjakana Iraniana hanaja ny Fanambaràna Iraisampirenena momba ny Zon'olombelona, ​​​​dia mety hanohintohina ny zo fototry ny vahoaka Iraniana ny fifandirana feno eo amin’ Iran sy Israely, anisan'izany ny zo ho velona, ​​​​ny zo hanana fari-piainana sahaza, ary ny zo hahazo fanabeazana, ankoatra ny hafa.

Mazava ao amin'ny herisetra mitohy ao Gaza, ny nitateran‘ny UNICEF fa “manodidina ny sivifolo isanjaton'ny mponina ao Gaza no tombanana ho nafindra toerana. Ankizy ny antsasany. Tsy ampy rano, sakafo, solika ary fanafody izy ireo. Voalaza fa ankizy an'arivony no maty na naratra tamin'ny fifandonana hatreto.

Fanampin'izay, manasongadina ny fiantraikan'ny fifandonana toy izany amin'ny mponina sivily koa ny ady ao Libanona, izay, araka ny UNICEF, “namindra toerana ankizy sy fianakaviana an'arivony” ny ady.

Fanahiana ho simba

Nampitandrina i Kamran Ashtray, mpanakanto sady tale mpanatanteraky ny ONG Arseh Sevom miorina any Hôlandy izay mifantoka amin'ny fiarahamonim-pirenena ao Iran, tamin'ny mailaka ho an'ny Global Voices fa “ahiana hampisaraka ireo vondrom-piarahamonina tian'izy ireo hosolointena ny fikambanana raha fantenany ireo fanitsakitsahana ny zon'olombelona holazainy.”

Nohamafisiny fa “mety hiteraka fiheverana fa milahatra kokoa amin'ny kinendry ivelany ireo fikambanana ireo fa tsy tena amin'izay ahiahin'ny vahoaka Iraniana. Mety hanimba ny fahatokisan'ireo vondrona ireo ny fantina toy izany, na ao Iran na eo amin'ny sehatra manerantany.

Araka an'i Ashtary, “hanome lanja ny fahaleovantena sy ny fitokisana ny fandanjalanjàna manameloka ny fihoaram-pahefana anatiny ataon'ny fitondrana Iraniana sady manohitra ny firongatry ny ambana mianjady amin'ny sivily.”

Rehefa miresaka famatsiam-bola ireo mpikatroka ireo, ny mety ho fisarahana amin'ny vahoaka Iraniana, ary ny fanomezam-pahafahampo ireo mpamatsy vola, ny mihantona dia ny famatsiam-bola goavana izay tohanan'ny Departemantam-panjakan'I Etazonia ny ankamaroany, izay nanokana an-tapitrisany ho an'ny fisantaran'andraikitry ny fiarahamonim-pirenena Iraniana, anisan'izany ny 30 tapitrisa dolara eo ho eo re ho fanohanana ny fiarahamonim-pirenena.

Nitombo be io rafi-pamatsiam-bola io, tamin'ny fanohanan'ny Departemantam-panjakana amerikana ara-bola io ho amin'ny fitaovana VPN (iadiana amin'ny sivana) fotsiny dia nitombo avy amin'ny 5 tapitrisa dolara tamin'ny taona 2019 ka lasa 30 tapitrisa dolara tamin'ny taona 2024.

Kihom-potoana

Mitambesatra amin'ireo fikambanana mpiaro ny zon'olombelona Iraniana ny fanginana manoloana ity fifandonana mananontanona ity ary mampanontany hatrany amin'ny lalina ny laharam-pahamehany, ny fahaleovantenany ary ny hizorany rahatrizay.

Rehefa mihahenjana ny fifanolanana eo amin'i Israely sy Iran, dia miatrika kihondalana mitaky fandinihana hoe mifanaraka amin'ny iraka ijoroan'ny  fikambanana mpiaro ny zon'olombelona ve ny tsy fiandaniany.

Manome hirika anombanan-dry zareo indray ny tanjony sy ny paikadiny, izay mampahatsiahy an’ilay teolojiana alemà Dietrich Bonhoeffer niady tamin’ny fahanginana sy ny fitondran’ny Nazi ary nanaovany sorona ny ainy ity krizy ity: “Ratsy ny fahanginana manoloana ny ratsy… hetsika ny tsy mihetsika. Hamolavola ny hoavin'ny fiarovana ny zon'olombelona ho an'i Iran sy ho an'ny faritra midadasika kokoa izay fomba famalian'ireo fikambanana ireo izany.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.