Fampiasam-bola Eoropeana ao Maraoka: angovo azo havaozina atakalo zon'olombelona?

Tobim-pamokarana herinaratra avy amin'ny masoandro Ouarzazate tazana avy eny amin'ny habakabaka tamin'ny 20 martsa 2019 nataon'ny ESA / Copernicus Sentinel-2A. Loharano: Wikimedia Commons (CC BY-SA 3.0 IGO).

Ny Ozinina Solar Noor any Maraoka, any akaikin'ny tanàna kelin'i Ouarzazate any amin'ny faritra atsimo-afovoan'i Maraoka, no orinasa mpamokatra angovo azo avy amin'ny herin'ny masoandro (CSP) lehibe indrindra maneran-tany ary ivo manosika ny firenena ho lohalaharana manerantany amin'ny angovo azo havaozina. Tohanan'ny fampiasam-bola Eoropeana, nahazo dera iraisam-pirenena ity tetikasa goavana ity noho ny fahafahany hampihena ny etona karbônina sy hamokatra angovo lovainjafy.

Na dia ankalazaina eo amin'ny sehatra iraisampirenena aza ny tantaran'ny fahombiazan'ny angovo azo havaozina ao Maraoka, dia mitombo ny ahiahy traika ara-tsosialy ateraky ny tetikasa goavana tahaka ny Noor. Nafindra toerana ny vondrom-piarahamonina ambanivohitra, ary miatrika toe-javatra sarotra ny mpiasa. Mampanontany tena ny andraikitr'ireo Eoropeana mpampiasa vola sy ny governemanta Maraokana manoloana ny zon'olombelona sao manimba ny mponina eo an-toerana ny tombotsoan'ny angovo azo havaozina.

Hambon'angovo azo havaozina

Nametraka tanjona goavana i Maraoka fa hamokatra ny 52 isanjaton'ny herinaratrany avy amin'ny loharano azo havaozina amin'ny taona 2030, amin'ny tetikasa toa ny Noor izay mitana anjara toerana lehibe. Tafiditra ao anatin'ny Orinasa Maraokana momba ny masoandro ny Noor, izay nanomboka niasa tamin'ny taona 2016, ary mandrakotra tany maherin'ny 3.000 hekitara. Mampiasa teknolojia CSP vaovao ny orinasa, izay ahafahany mitahiry angovo sy manohy mamokatra herinaratra na dia aorian'ny filentehan'ny masoandro aza.

Nahasarika famatsiam-bola amina miliara dolara avy amin'ireo firenena eoropeana toa an'i Alemaina, Espaina ary Frantsa ny tetikasa, miaraka amin'ireo andrim-bola iraisampirenena toy ny Banky Fampiasam-bola Eoropeana (EIB). Heverina ho ampahany amin'ny paikadin’i Eoropa midadasika kokoa hiadiana amin'ny fiovaovan'ny toetr'andro ireo fampiasam-bola ireo amin'ny alalan'ny fanohanana ny fampandrosoana ny angovo azo havaozina aty amin'ny Ilabolantany Atsimo.

Na izany aza, na dia zava-dehibe aza ireo tetikasa ireo amin'ny fampihenana ny etona karbônina, matetika tsinontsinoavina ny fiantraikany ara-tsosialy eo amin'ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana.

Famindra-toerana ireo vondrom-piarahamonina

Iray amin'ireo olana mila vahàna haingana indrindra manodidina ny Ozinina Noor mamokatra angovon'ny masoandro ny famindra-toerana ireo vondrom-piarahamonina eo an-toerana. Nitaky fakàna tany izay nampiasain'ny vondrom-piarahamonina ambanivohitra nandritra ny taranaka nifandimby tamin'ny fambolena sy fiompiana ny hadadasiky ny orinasa. Raha nilaza ny governemanta Maraokana fa efa nifampidinika tamin'ny mponina ao an-toerana izy ary nanome onitra, nilaza kosa ny tatitry ny Ivotoerana Wuppertal tamin'ny taona 2019 fa tsy araka ny tokony ho izy hatrany ireo dingana ireo.

Noor 2 – Tobim-pamokarana angovon'ny masoandro Ouarzazate. Saripikan'i Richard Allaway, loharano: Flickr (CC BY 2.0).

Nilaza ny tatitra fa fianakaviana maro tratran'ny tetikasa Noor no nahatsapa ho tsy manan-tsafidy amin'ity raharaha ity ary tsy mahasahana ny fiantraikany maharitra amin'ny fahaverezan'ny taniny sy ny fivelomany ny onitra azon'izy ireo. Mitovy ahiahy amin'izany ihany koa ny fikambanana mpiaro ny zon'olombelona, ​​​​izay milaza fa marobe ny tokony natao hiarovana ny zon'ireo vondrom-piarahamonina ireo sy hahazoana antoka fa mahasoa ny rehetra ny tetikasa fampandrosoana, fa tsy ny mpampiasa vola ihany.

Zon'ny mpiasa sy ny fepetra momba ny asa

Ankoatra ny fifindra-monina, sehatra iray hafa mampanahy ny fanitsakitsahana ny zon'ny mpiasa. Tsy ampiharina amin'ny fomba mahomby, indrindra amin'ny tetikasa fotodrafitrasa lehibe tahaka ny Noor ny lalànan'ny asa ao Maraoka, na dia matanjaka an-taratasy aza. Nitatitra ireo mpiasa nokaramain'ny mpiantoka hanorina sy hikolokolo ny orinasa fa ratsy ny fepetran'ny asa, anisan'izany ny halavan'ny fotoam-piasana, ny karama ambany ary ny fepetra ara-piarovana tsizarizary.

Niharan'ny fanakianana ireo Eoropeana mpampiasa vola, manolo-tena hanaraka ny tandrohasina, noho ny tsy fanomezana antoka fa voahaja ny fampiharana ireo fenitra ireo. Raha tsy misy rafitra fampiharana matanjaka kokoa, na ao Maraoka na ao anatin'ny orinasa ihany, dia mbola iharan'ny fanararaotana hatrany ny mpiasa.

Tamberin'andraikitra Eoropeana sy fampiasam-bola mitandrohasina

Mpanohana lehibe ny tetikasa angovo azo havaozina ao Maraoka ireo firenena sy andrim-panjakana Eoropeana, mahita azy ireo ho tena ilaina amin'ny fanatrarana ny tanjona momba ny toetr'andro maneran-tany. Ny maha akaiky an'i Maraoka amin'i Eoropa sy ny mety ho fanondranana angovo ao Maraoka no mahatonga azy ho mpiara-miombon'antoka stratejika amin'ny ady amin'ny fiovaovan'ny toetr'andro.

Manana rafitra toy ny Green Deal sy ny Tanjon'ny Fampandrosoana Maharitra (SDGs) ny Vondrona Eoropeana izay manantitrantitra ny fampiasam-bola mitandrohasina, saingy milaza ny tatitra avy amin'ny fikambanana fiarahamonim-pirenena fa tsy hita taratra mihitsy amin'ny fanatanterahana tetikasa goavana ireo fanoloran-tena ireo. Manamafy ny mpitsikera fa tokony hiezaka kokoa ny Eoropeana mpampiasa vola mba hiantohana fa voahaja ny zon'olombelona ary mahazo tombony amin'ny hirika ara-toekarena naterak'ireo fampiasam-bola ireo ny fiaraha-monina eo an-toerana.

Toerana misy ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin'ny masoandro Noor ivelan'ny tanàna Ouarzazate. Sary avy amin'i John Englart. Loharano: Flickr (CC BY-SA 2.0).

Tao amin'ny fanambaràna iray tamin'ny taona 2021, niantso ny hisian'ny mangarahara sy ny fandraisana andraikitra bebe kokoa avy amin'ny governemanta Eoropeana sy ireo orinasa mandray anjara amin'ny tetikasa angovo azo havaozina any ivelany ny Amnesty International. Nohamafisin’izy ireo fa tsy maintsy ampiarahana amin’ny fandraisana andraikitra ara-tsosialy ny fitandroana ny tontolo iainana.

Fampandrosoana iraisana

Niloa-bava hatrany momba ny fiantraika ara-tsosialy ateraky ny tetikasa angovo azo havaozina ireo fikambanana fiarahamonim-pirenena. Nitaky ny fiarovana tanteraka ireo vondrom-piarahamonina voafindra toerana sy ireo mpiasa  tafiditra amin'ny tetikasa fotodrafitrasa goavana ny vondrona toy ny Germanwatch sy ny Heinrich Böll Foundation.

Tao amin'ny tatitr'izy ireo tamin'ny taona 2015 momba ny Fihaonambe mikasika ny Fiovaovan'ny Toetr'andro ao Maraoka, natao tao Rabat, nasongadin-dry zareo ny filàna ny fomba fampivoarana iraisana kokoa, izay mampiditra ny vondrom-piarahamonina eo an-toerana hatrany am-piandohana ary tsy avela irery ao anatin'ny hazakazaka hanamafisana ny fahaizana momba ny angovo azo havaozina. Manamafy izy ireo fa ny tetikasa tahaka ny Noor dia tokony ho maodely tsy ho an'ny fitandroana ny tontolo iainana maharitra ihany fa ho an'ny rariny ara-tsosialy ihany koa.

Ilaina ny tetezamita marina

Satria manohy manitatra ny sehatry ny angovo azo havaozina i Maraoka, tena ilaina amin'ny famahana ny olan'ny toetr'andro manerantany ny tetikasa toy ny Noor Solar Plant. Na izany aza, tsy azo tsinontsinoavina ny fiantraika ara-tsosialy amin'ireo fivoarana ireo. Manasongadina ny filàna fomba fiasa ara-drariny kokoa amin'ny fampandrosoana ny angovo azo havaozina ny fisian'ny famindra-toerana, ny fanitsakitsahana ny zon'ny mpiasa, ary ny tsy fisian'ny fandraisana anjara mivaingana eo amin'ny fiaraha-monina.

Ho an'ireo Eoropeana mpampiasa vola, fanamby ny hahazoana antoka fa mampiroborobo ny andraikitra ara-tsosialy ihany koa ny fanohanan'izy ireo ny angovo azo havaozina ao Maraoka. Amin'ny fitazonana ny tenany sy ny mpiara-miombon'antoka aminy ho samy tompon'andraikitra, afaka manampy amin'ny fiantohana izy ireo fa tena maharitra — ho an'ny tontolo iainana, ary ho an'ny olona monina ao amin'ny vondrom-piarahamonina voakasik'ireo tetikasa ireo ny tetezamita mankany amin'ny angovo azo havaozina.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.