Ao anaty lalimoara: Mitombo hatrany ny fanarahamaso ny fitafian'ny vehivavy ao Tajikistan

Vehivavy voafonja any Tajikistan. Sary avy amin'i Steve Evans tao amin'ny Flickr. Tsy misy zon'ny mpamorona.

Nosoratan'i Alva Omarova ho an'ny Vlast.kz ity lahatsoratra navoaka tamin'ny 11 Septambra 2024 ity. Navoaka ato amin'ny Global Voices noho ny fifanarahan'ny samy media ny dika nasiam-panovana.

Tsy mitsahatra ny arahimaso amin'ny fotoana rehetra ny vehivavy maro ao Tajikistan amin'ny fiainany andavanandro: avy amin'ny vady, fianakaviana, ary ny fanjakana. Nihamafy izany fironana izany rehefa nanao sonia lalàna iray mandràra ny akanjo heverina ho “tsy mifanaraka” amin'ny kolontsain'ny firenena Tajik ny Filoha Emomali Rahmon tamin'ny 21 Jona 2024.

Fitsipi-panjakana momba ny fitafian'ny vehivavy

Nanomboka tamin'ny taona 2007 ny fanentanana hamerana izay mety ho fitafian'ny vehivavy imasom-bahoaka tany Tajikistan, raha voaràra any an-tsekoly ny fanaovana hijab, sy tany amin'ireo andrim-panjakana nanomboka tamin'ny taona 2009. Tamin'ny taona 2015, voalaza fa nanao fivoriana niaraka tamin'ireo sekoly sy mpivarotra akanjom-behivavy ireo manampahefana Tajik mba hanabeazana azy ireo momba ny maha zava-dehibe ny fitafian'ny firenena Tajik.

Tamin'ny taona 2017, nenjehin'ny manampahefana ny fivarotana saribakoly mitafy hijab na karazana fitafy Islamika hafa. Nomen'i Rahmon, filoha nanomboka taona 1994, baiko ny vaomiera manokana hamantatra ny fomba fitafy “mety” kokoa ho an'ny olom-pirenena.

Tamin'ny volana Septambra 2017, naharay hafatra an-tsoratra avy amin'ny governemanta ny olona ao Tajikistan mampahatsiahy azy ireo mba hanao akanjom-pirenena amin'ny “fety nentim-paharazana,” fampiharana ny lalàna nanomboka Aogositra 2017 mitaky ny olom-pirenena hanao akanjom-pirenena amin'ny lanonana toy ny fampakaram-bady sy fandevenana.

Tamin'ny taona 2018, nandeha lavidavitra kokoa ny ministeran'ny kolontsaina ary namoaka boky iray manana pejy 367 mitondra ny lohateny hoe “Torolalana momba ireo fitafy tokony hanaovana eto Tadjikistan” ” natao ho an'ireo tovovavy sy vehivavy manomboka fito taona. Anisan'izany ny tolo-kevitra momba ny halavan'ny tanan'akanjo, ny halavan'ny zipo, ny lamba ary ny kiraro: tsy maintsy misy talon ny kiraro. Na dia tsy nosoratana ho lalàna aza ilay boky, dia nandefa hafatra mafonja ho an'ireo vehivavy ao Tajikistan. Tsy safidin'izy ireo manokana ny fitafiany.

Mihoatra noho ny fenitra sy fameperan'ny fanjakazakan'ny ray

Fiarahamonina patriarika mamaka lalina amin'ny famehezana ny fiainan'ny vehivavy i Tajikistan. Mampiseho ny fanadihadiana fa iharan'ny fanaraha-maso ara-tsosialy ataon'ny vadiny ankehitriny na vao haingana ny 29 isanjaton'ny vehivavy manambady, indrindra amin'ny fameperana amin'ny olona azony iresahana sy ny toerana avela handehanan'izy ireo. Efa ho ny 30 isanjaton'ny vehivavy miasa no nitatitra fa tsy manan-kambara momba ny fomba hampiasana ny volany manokana. Ambonin'izany,  tsy mandray anjara amin'ny fanapahan-kevitra momba ny fahasalamany manokana, ny fividianana zavatra ilaina an-tokantrano, na ny tetikasa handeha lavitra ny 49 isanjaton'ny vehivavy .

Raha jerena ireo tarehimarika ireo, tsy sarotra ny mahatakatra hoe nahoana ny manampahefana ao Tajikistan no mahita fa ara-dalàna ny mametra, mifehy ary manara-maso ny fitafian'ny vehivavy.

Niharatsy izany noho ny tahotry ny manampahefana amin'ireo Islamika mahery fihetsika ao Tajikistan. Tanatin'ny taona maro, voalaza fa nanao fanafihana fampihorohoroana marobe eran'izao tontolo izao ireo mahery fihetsika avy any Tajikistan, anisan'izany ny fanafihana ny Crocus City Hall tao Moskoa. Adinon'ny manampahefana fa mety tsy ny vehivavy ao Tajikistan no manapa-kevitra ny amin'izay ho akanjo hanaovana, fa ny vadiny na ny rainy, izay matetika mifehy ny toerana misy ny vehivavy sy ny tombony ara-bola, ary matetika tsy mahita fa ilain'ny vehivavy ny mianatra na miasa.

Nanandrana nanaramaso ny fitafian'ny vehivavy ihany koa ny firenena hafa any Azia Afovoany. Iharan'ny fameperana fahatany ny vehivavy any Turkmenistan amin'ny fomba fiakanjon'izy ireo. Tany Kazakhstan, noraràn'ny sekoly ny hijab sy ny saron-doha tamin'ny taona 2023, ka nahatonga ny fahamaroan'ny ankizivavy tsy nianatra.

Fampiharana ny lalàna vaovao

Amin'izao fotoana, ao Tajikistan, azo saziana onitra 750-6.000 dolara amerikana noho ny fomba fitafy, fivarotana na fizarana akanjo vahiny izay heverina ho “tsy mifanaraka amin'ny kolontsaina sy fomban-drazana nasionaly” ny vehivavy. Nisy ihany koa ny tatitra momba ny fampitandremana ny vehivavy fa mandoa lamandy izy ireo raha tsy manao akanjo araka ny tokony izy rehefa miditra amin'ny tobim-pitsaboana.

Enta-mavesatra fanampiny ho an'ny fianakaviana ny vidin'ny akanjom-pirenena ao Tajikistan. Matetika ampanjairina ny akanjo nentim-paharazana Tajik, ary mety ho lafo be ho an'ny olom-pirenena tsotra ny vidin'ny lamba.

Nanaraka haingana ny fitarihan'ny governemanta ny mpitondra fivavahana nahazo fankatoavana avy amin'ny fanjakana tao Tajikistan: iray volana mahery monja taorian'ny nanasoniavan'ny filoha ny lalàna, namoaka fatwa mandràra ny vehivavy tsy hanao akanjo mainty sy tery, na mangarahara ny Filankevitra Ulema ao Tajikistan, ahitana manam-pahaizana ara-pivavahana.

Miparitaka any amin’ny oniversite ihany koa ny hafatra. Tamin'ity fahavaratra ity, niangavy ny vehivavy mba tsy hanao akanjo mainty sy tery ary hijab ny lahatsoratra navoakan'ny Oniversitem-panjakana momba ny Fitsaboana ao amin'ny Avicenna Tajik, milaza fa tsy takatry ny vehivavy fa fanehoana tsy fanajana ny firenena Tajik ny akanjo toy izany. Saingy fomba fanehoan-kevitra ny fomba fitany, ary tsy tokony hoheverina ho tsy manaja kolontsaina na fanjakana.

Mifanohitra mazava amin'ny lalàna iraisampirenena momba ny zon'olombelona ity fomba fanao ity izay milaza fa, amin'ny fitsipika ankapobeny, ny zo halalaka ara-pivavahana na finoana sy halalaka maneho hevitra dia midika fa tokony ho malalaka ny olona rehetra hisafidy izay — sy izay tsy — hotafiana. Manana adidy hanaja, hiaro ary hiantoka ny zon'ny tsirairay haneho ny finoany na ny faharesen-dahatra na ny maha-izy azy manokana ny governemanta. Tsy maintsy mametraka tontolo ahafahan'ny olona tsirairay manao izany safidy izany, tsy misy fanerena izy ireo.

Ho an'i Tajikistan, midika izany fa tsy azo ampiasaina ny tohan-kevitra ara-pivavahana, ara-kolontsaina, na nentim-paharazana mba hamerana ireo izay te hanao fitafiana hafa. Amin'izay fotoana izay ihany koa, tokony handray fepetra fanampiny i Tajikistan mba hiarovana ny vehivavy amin'ny faneren'ny fianakaviana, fiaraha-monina, na antokom-pivavahana na mpitarika mikasika ny fomba fitafy.

Araka ny nolazain'ny mpikatroka Tajik iray tsy nitonona anarana tamin'ny mpanoratra sady solontenan'ny International Partnership for Human Rights (Fiaraha-miasa Iraisampirenena ho an'ny Zon'Olombelona): “Tsy misy olona manan-jo hibaiko anay araka ny lalàna mikasika izay akanjo mifanaraka amin'ny kolontsaina. Ny zo hanapa-kevitra samirery, ny zo hisafidy ny fizianay sy ny fomba fanehoanay ny tenanay no mahatonga anay vehivavy eto Tajikistan hirehareha.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.