Fiverenan'ilay mpamakilay: ny ranton'i Sagorika amin'ny maha-kintan'ny football vehivavy azy ao Bangladesh

SAFF Under-19 Football Tournament Joint Champions - Bangladesh U-19 Women's Team. Photo courtesy of Shokalshondha News Web Portal. Used with permission.

Ekipa vehivavin'i Bangladesh samy tompondakan'ny fifaninanana SAFF Football vehivavy latsaky ny 19 taona. Sary nindramina tamin'ny Shokalshondha News Web Portal. Nahazoana alalana.

Notontosaina tamin'ny Febroary 2024 tany Dhaka renivohitr'i Bangladesh ny fiadiana ny ho tompondakan'ny SAFF U-19 vehivavy (Federasionan'ny Football Aziatika Atsimo). Fifaninanana karakarain'ny Federasionan'ny Football Aziatika Atsimo (SAFF) ny amboaran'ny vehivavy ho an'ny ekipam-pirenena baolina fandaka. Firenena mpikambana fito — Bangladesh, Bhutan, India, Maldives, Nepal, Pakistan, ary Sri Lanka — no mandray anjara amin'ny fifaninanana isaky ny roa taona.

Nifarana tamin’ny isa 1 noho 1 ny lalao famaranana nifanaovan’i India sy Bangladesh tamin’ny 8 febroary lasa teo, ka nahasahala ny isa tamin’ny minitra faran'ny lalao i Sagarika, lohalaharana Bangladesh. Vokany, nambara ho samy mpandresy tamin'ny fifaninanana i Bangladesh sy i India.

India sy Bangladesh nambara ho samy mpandresy tamin'ny fiadiana ny ho tompondakan'ny baolina kitra vehivavy U-19 SAFF tamin'ny 8 febroary 2024.

Nisaraka ady sahala 1 noho 1 ny lalao famaranana, ary na dia ny penality-penalty (tifitifitra) aza valaketraka, niafara tamin’ny isa 11 noho 11.
Tany am-boalohany, atsapaka mampiady hevitra no nanapa-kevitra…

Tsy vitan'ny hoe nanavotra an'i Bangladesh hihazona ny satan'ny tompondaka ny zava-bita niavaka nataon'i Sagorika nandritra ny fifanintsanana fa nanamarika ihany koa ny fiverenany an-tanindrazana tamim-pandresena enin-taona taty aoriana, tamin'ny nivoahany ho mpilalao nahatafiditra baolina be indrindra sy mpilalao tsara indrindra tamin'ny fifaninanana.

Nahatosika ny fanoheran'ny ray aman-dreny hamirapiratra eo amin'ny kianjan'ny football

Ny anaran'i Sagorika feno dia Mosammat Sagorika. Teraka tao an-tanànan'i Rangatungi ao Ranishankoil upazila ao amin'ny distrikan'i Thakurgaon any avaratr'i Bangladesh izy, tokony ho 400 km miala an'i Dhaka, renivohitr'i Bangladesh. Mitantana fivarotana dite kely akaikin'ny tanàna ny ray aman-dreniny, Liton Mia sy Anju Begum. Manan-janaka roa ny mpivady – lahy sy vavy. Miasa amin’ny fandoroana biriky ny zokiny lahy, ary Sagorika kosa no zandriny. Tahaka ny maro tao an-tanànany, mety ho niasa tamin'ny fandoroana biriky i Sagarika noho ny fahasahiranana ara-bola, saingy nanova ny anjarany ny baolina kitra.

Tena sarotra ho an'ny zazavavy ao Bangladesh ny milalao baolina eny ifotony. Maro no tsy maintsy mandresy sakana be dia be, anisan'izany ny fitongilanana satria vavy sy ny hevi-draikitra, na dia ny ho eo an-kianja fotsiny aza.

Tamin'ny taona 2014, nanangana ny Rangatungi United, klioba baolina fandaka vehivavy, ny mpampianatra iray antsoina hoe Tajul Islam. Tsy mora ny fananganana sy fitantanana ny akademian'ny baolina fandaka ho an'ny zazavavy any amin'ny tanàna lavitra any Bangladesh, saingy nanaiky ilay fanamby izy. Ankehitriny, mpilalao maromaro avy ao amin'ny Rangatungi United no tafiditra ao anaty ekipam-behivavy maro araka ny sokajin-taonany ao Bangladesh. Nanomboka nilalao baolina tao amin'ny Rangatungi United i Sagorika tamin'izy sivy taona.

Sagarika is the top scorer and best player of the SAFF U-19 2024 Tournament. Photo courtesy of Shokalshondha News Web Portal. Used with permission.

Mpilalao nahatafiditra baolina be indrindra sy nahay indrindra tamin'ny fifaninanana SAFF U-19 2024 i Sagarika . Sary nampindramin'i Shokalshondha News Web Portal. Nahazoana alalana.

Na izany aza, nisy mponina sasany mpandala ny nentin-drazana nanohitra ny filalaovan'ny zazavavy football — tsy ho an'i Sagorika ihany fa ho an'ireo tovovavy rehetra te handray anjara. Na dia teo aza ny fanoherana, nanohy ny ezaka nataony i Tajul Islam sy ny ekipany.

Niatrika fanamby tao an-trano ihany koa i Sagorika. Nampitandrina ny fianakaviany ny mpiara-monina fa raha manohy milalao baolina izy dia tsy hahita vady. Izany no nahatonga ny rainy handrara azy tsy hilalao. Tsy niresaka taminy nandritra ny fotoana ela izy. Na izany aza, tsy nilavo lefona i Sagorika. Nahazo fanohanana avy amin'ny nenitoany izy, izay nandresy lahatra ny rainy tamin'ny farany mba hamela azy hanohy hilalao.

Noho ny fahaizany football mampitolagaga, voafantina hiditra ao amin'ny Bangladesh Krira Shikkha Protishthan (BKSP) ao Savar, ivon-toeram-panabeazana ara-panatanjahantena voalohany ao Bangladesh i Sagorika. Na izany aza, tsy tiany ny fitsipika tao ary niverina nody nanohy nilalao miaraka amin'ny Rangatungi Football Club izy.

Nihanalaza tamin'ny taona 2019 ny fihodinana fahatelo amin'ny Ligin'ny football vehivavy ao Bangladesh, maro ireo vehivavy mpilalao baolina no naniry handray anjara. Afa-niaraka tamin'ny ekipan'ny FC Brahmanbaria ao Bangladesh i Sagorika saingy tsy maintsy nandao ny tanànany ary nandeha nankany Dhaka mba hilalao ao amin'ny ligy, ka lasa tsy azo antoka ny fiverenany any an-tanàna.

Lavitra ny tanindrazana

Niteny i Sagorika tamin'ny antsafa nifanaovana tamin'ny famoaham-baovao Shokal Shondha, hoe, “rehefa tonga tany Dhaka aho hilalao amin'ny Ligin'ny football vehivavy, dia maro ny olona tonga tao amin'ny reniko nilaza hoe: ‘Reko ny zanakao vavy nandositra niaraka tamin'ny zazalahy iray nankany Dhaka.’ Niaro ahy ny reniko tamin'ny alalan'ny fampisehoana ireo lahatsarin'ny lalaon'ny Ligin'ny Vehivavy tao amin'ny YouTube, nilaza hoe: ‘Tsy nandositra ny zanako vavy; hitanao fa milalao ao amin’io video io izy.’ ”

Mbola tsy nino azy anefa ny olona, ​​ary tsy niverina nody intsony i Sagorika. Tsapany fa raha miverina izy dia mety tsy ho afaka hiverina any Dhaka hanohy hilalao. Niala tao an-tanànany nandritra ny enin-taona àry i Sagorika.

Somary saro-kenatra i Sagorika tamin'ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety aorian'ny lalao rehefa nahatafiditra baolina tsara roa teo amin'ny fanokafana ny Fifaninanana vehivavy SAFF latsaky ny 19 taona raha nihaona tamin'i Nepal,  tsy afaka nanafina ny fahasahiranany tamin'ny farany raha niresaka momba ny ady nataony tamin'ny fianakaviany mba ho mpilalao football.

Nanokatra varavarana vaovao ho azy ny fiadiana ny ho tompondakan’ny SAFF U19. Nahasarika ny sain’ny mpifantina ny zava-bitany nahavariana teo amin’ny ligin’ny vehivavy nandritra ny taona 2022 sy 2023, ary tafiditra tao anatin’ny ekipam-pirenena izy.

Efa mirehareha amin'ny zava-bitany ankehitriny ireo fokonolona nanakiana an'i Sagorika tamin'ny filalaovana baolina kitra. Araka ny filazan’ny The Daily Star dia maro ny mponina no nivory tao amin’ny fivarotan-diten'ny rain’i Sagarika nijery azy nilalao famaranana baolina fandaka SAFF U-19. Nalefa mivantana tamin’ny T-Sports ny lalao, ary nanofa fahitalavitra ny rainy mba hiarahan’ny fokontany rehetra nijery ny lalaon’i Sagorika.

Raha nijery ny lalao tamin'ny fahitalavitra ny mponina maro, dia nankany Dhaka ny ray aman-drenin'i Sagorika ny andro talohan'ny famaranana mba hijery azy mivantana. Sambany izy ireo no nitsidika ny renivohitra, ary sambany nijery ny zanany vavy nilalao mivantana. Tsy nandiso fanantenana ny ray aman-dreniny sy ireo mpiray tanindrazana aminy ihany koa i Sagorika, tamin’ny lalao famaranana.

A tearful Sagarika reunites with her parents after the final match. Photo courtesy of Shokalshondha News Web Portal. Used with permission.

Sagarika latsa-dranomaso tafaraka indray tamin’ny ray aman-dreniny taorian’ny lalao famaranana. Sary avy amin'ny Vavahadim-baovao an-tranonkala Shokalshondha. Nahazoana alalana.

Nahatafiditra baolina tao amin'ny haraton'India tao anaty fotoana sarotra indrindra tamin'ny famaranana i Sagorika raha mbola nanenjika isa 1-0 i Bangladesh. Tena mirehareha tokoa ny ray aman-dreniny ankehitriny. Nilaza ny rainy nandritra ny antsafa nifanaovana tamin'ny Dhaka Tribune, hoe: “Noporofoin'ny zanakovavy fa diso aho ary marina izy. Noheveriko fa tsy ho afaka ny hanambady izy raha manohy milalao football, ka izany no tsy nitiavako azy hilalao. Saingy fantatro fa diso (hevitra) aho.

Na dia nambara ho samy tompondaka aza i Bangladesh, dia voatonona ho mpilalao nahatafiditra baolina betsaka indrindra sy mpilalao tsara indrindra amin'ny fifaninanana SAFF U-19 i Sagorika. Rehefa afaka taona maro, dia niverina tany an-tanànany tamim-panajana sy tamim-pireharehana izy.

Mosammat Sagorika no mpilalaon’ny fifaninanana SAFF vehivavy latsaky ny 19 taona tamin’ity fifaninanana ity.

Tamin'ny volana May 2024, voafantina ho ao amin'ny ekipam-pirenen'i Bangladesh football sokajy vehivavy i Sagorika.

Ho aingam-panahy tsy ho an'ny tenany ihany fa ho an'ny vehivavy manerana an'i Bangladesh sy manerana izao tontolo izao ny fahombiazan'i Sagorika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.