Ireo tondradrano goavana tamin'ny 28 Septambra 2024, no nandrasan'ireo mponina tao Kathmandu mba hahatonga saina tanteraka an-dry zareo momba ny habetsahan'ireo fako nariana tany anatin'ireo renirano masina tany an-dohasaha.
Na roatokom-bolana aty aoriana aza, mbola mihantona foana toy ny saina eny amin'ireo rantsan-kazo avo ao amin'ny faritra manodidina ao Teku sy Sankhamul, renivohitra nepaley, ny harona plastika, fampahatsiahivana henjana hoe hatraiza ny haavo niakaran'ny rano tamin'izay andro nampahory izay. Tapa-damba, polystyrène, tavoahangy plastika, ary potijavatra hafa no mbola tavela miparitaka eny amin'ireo arabe sy fefiloha simba eny amin'ny moron'ny reniranon'i Bagmati.
Izany no valifatin'ireo renirano. Namaly faty an'ireo mpanary fako tao an-tanàna ireo renirano tao Bagmati, Vishnumati, Manohara, sy Nakkhu noho ny nanaovan-dry zareo ireo renirano masina ho toy ny fanariana fako. Naverin'ireo renirano avy hatrany tany amin'izay toerana niaviany ireo fako.
“Raha tsy tiantsika ho entin'ny ranobe ireny fako ireny, tsy maintsy ataontsika laharam-pahamehana ny fomba fitantanana ny fako. Tokony hifantohantsika ny endrika rehetran'ny famokarana fako,” hoy i Shilashila Acharya avy amin'ny Avni Ventures, orinasa iray mpanodina ny fako ao Kathmandu. “Matetika no eny amoron'ireo renirano no misy ny toerana fanatobiana fako. Araka izany, tokony averintsika sainina ihany koa ny toerana fanatobiana fako.”

Saripika an'ny Suman Nepali tao amin'ny Nepali Times. Nahazoana alàlana.

Saripika an'ny Suman Nepali tao amin'ny Nepali Times. Nahazoana alàlana.

Saripika an'ny Suman Nepali tao amin'ny Nepali Times. Nahazoana alàlana.
Ny plastika tsy azo ampiasina afa-tsy in-dray mandeha monja no tena loharano voalohan'ny fako ao an-dohasahan'i Kathmandu, tombanana ho eo amin'ny harona plastika efa niasa miisa 5 tapitrisa isanandro. Manodidina ny 800 taonina amin'io akora tsy mora potiky ny natiora io no mivarina any an-drenirano na any amin'ireo toerana fanatobiana fako isanandro.
Ireo plastika matevina, toy ny tavoahangy sy ireo vokatra hafa fampiasa an-tokantrano nariana, dia angonin'ireo mpanangona fako ho averina hahodina indray. Na izany aza, ireo harona plastika ambanin'ny 20 microns ny hatevenany — mazàna ampiasaina in-dray monja mba hitaterana legioma na sakafo hafa — dia ariana tsotra izao fotsiny. 500 taona no ilain'ny harona plastika iray mba hamotehan'ny natiora azy tanteraka, ary ireo plastika faran'izay bitika dia manapoizina ny rano fisotro sy hita miverina any anatin'ny rojon-tsakafon'ny olombelona indray.
Ireo plastika ariariana fahatany any anaty renirano dia afaka hanentsina ireo fotodrafitrasa famarinana rano, hanelingelina ny tsingerin'ny rano ary hanapoizina ireo biby anaty rano sy ny bibidia. Tsapan'ireo orinasa mpanangona azy fa misy vola ao anatin'ny fako, ary asa tsara no ataon-dry zareo amin'ny fanodinana ireo tavoahangy plastika sy ireo zavatra lehibebe. Na izany aza, noho ny harona plastika manify tsy azo kirakiraina, dia matetika izy ireny no voafaoka mivarina any an-dreniranon'i Bagmati tonga any amin'ny tany lemaka.

Saripika an'ny Suman Nepali tao amin'ny Nepali Times. Nahazoana alàlana..

Saripika an'ny Suman Nepali tao amin'ny Nepali Times. Nahazoana alàlana.

Saripika an'ny Suman Nepali tao amin'ny Nepali Times. Nahazoana alàlana.
“Tsy ampy ireo fanentanana ho fanadiovana. Rehefa manadio isika, raofintsika ny fako hiala amin'ny toerana iray dia atsipintsika ho amin'ny toerana iray hafa, toy ny fanatobiana fako ohatra. Tsy mamaha ny tena olana fototra momba ny fako izany,” hoy i Nabin Maharjan avy amin'ny Blue Waste to Value (BW2V) izay manodina fako sy mamadika azy ireny ho lasa vokatra azo amidy indray, toy ny kojakoja fahandroana sakafo.
Ampiany hoe: “Fa ny azontsika atao kosa ho soloin'izany dia ny maka ny fako amin'ny endrika fanasarantsarahana azy, famadihana azy ho vokatra ary mivarotra azy ireny. Ary toy izany no ahafahan'ny toekarena mitsingerina. Tokony ho tafiditra amin'izany ny fanjakàna sy ireo manampahefana eny an-toerana.”
Im-betsaka nandraman'ny governemanta tao Nepal ny nandràra ny fampiasana polystyrène sy ny harona plastika tsy afaka ampiasaina afa-tsy in-dray mandeha, izay manana hatevenana latsaky ny 20 microns, saingy vetivety foana ireny fepetra ireny dia nesorina noho ny adisisika nataon'ireo mpanafatra bolabolana plastika manana fifandraisana ara-pôlitika.
Fito raha kely indrindra ireo karazana plastika hita mihantona amin'ireo fefy eny akaikin'ny moron'ny Bagmati, sy mitopatopa eny ambonin'ireo hazo eo amin'ny fihaonany amin'ny Vishnumati ao Teku. Ny karazany farany ambany indrindra dia ireo harona plastika tsy fampiasa afa-tsy in-dray mandeha, izay ilaina raràna dieny any am-panamboarana azy mihitsy.

Saripika an'ny Suman Nepali tao amin'ny Nepali Times. Nahazoana alàlana.

Saripika an'ny Suman Nepali tao amin'ny Nepali Times. Nahazoana alàlana.

Saripika an'ny Suman Nepali tao amin'ny Nepali Times. Nahazoana alàlana.
Fa hita manangasanga amin'ny antsasany milentika anaty fotaka eny amin'ny lemaka mora tratry ny tondradrano ao Bagmati ireo tavoahangy PET (polyethylene terephthalate), izay afaka ahodina mora foana ho vokatra hafa. Na maharaoka ny ankamaroan'ireny tavoahangy ireny sy vokatra hafa mbola azo ahodina aza ireo mpanangona fako, alohan'ny hanariana azy tanteraka, dia mbola betsaka ihany ny miafara any anaty renirano. Raha tsy misy fandraisana andraikitra betsaka avy amin'ireo mpamokatra, tsy ilain'ny governemanta ny hitaky amin'ireo mpanamboatra azy ireny ny fiantohana ny fanodinanana azy araka ny tokony ho izy.
“Ny dingana voalohany sy goavana indrindra amin'ny fitantanana ny fako dia manomboka amin'ny fanavahana hatrany am-piaviany izay fako mora simba sy ny fako tsy mora simba (biodegradable na tsia). Faharoa, tokony hisy toerana fanatobiana fako tsara rindra kokoa any anatin'ny fiarahamonina. Na dia aleontsika aza toerana fanatobiana fako lavitry ny tanàna, dia manampy betsaka amin'ny fitantanana ny fakon'ny fiarahamonina iray ny toerana kelikely kokoa tsara rindra natao hanatobiana fako,” hoy i Acharya.
“Fahatelo, ny fiarahana miasa izay afaka apetraka eo amin'ireo manampahefana avy amin'ny fanjakana, toy ireo kaominina ao Kathmandu sy ireo fikambanana tsy miankina izay efa miasa sahady amin'ny sehatry ny fitantananany fako. Io fiarahana miasa io dia afaka manampy azy ireo amin'ny fitantanana tsara kokoa ny fako,” hoy izy.

Saripika an'ny Suman Nepali tao amin'ny Nepali Times. Nahazoana alàlana.

Saripika an'ny Suman Nepali tao amin'ny Nepali Times. Nahazoana alàlana.

Saripika an'ny Suman Nepali tao amin'ny Nepali Times. Nahazoana alàlana.
1.200 taonina eo ho eo isanandro no voavinavina fa fako vokarin'ny Lohasahan'i Kathmandu, ny ankamaroan'izany dia miafara amin'ny tsy fanavahana ny fako ao amin'ny toerana fanatobiana ao Banchare Danda ao Nuwakot, taorian'ny fahafenoan'ilay toerana teo aloha tany Sisdole tamin'ny 2022. Manodidina ny 65 isanjaton'io no fako ôrganika avy any an-tokantrano, izay afaka avadika mora foana ho zezika kômpôsta ary tsy tokony akory hiafara any amin'ny toerana fanatobiana fako.
Betsaka amin'ireo taratasy, tavoahangy plastika, vy ary vakim-pitaratra no afaka ihany koa avadika mora foana raha toa izy ireny ka navahana hatrany am-piaviany — araka ny nampanantenain'i Balen Shah, ben'ny tanàna, nandritra ny fampielezankeviny tamin'ny fifidianana. Io dia afaka mampihena ny fatra isanandron'ireo fako tsy maintsy taterina amin'ireo andiana kamiao mpibaby fako mankany amin'ny toerana fanatobiana izany.
Efa miaina loza mitatao henjana ho an'ny fahasalamany sahady ireo mponina manakaiky an'i Banchare noho ny rano voapoizin'ny lixiviat avy ao amin'ilay toerana fanatobiana fako.
Hoy i Nabin Maharjan: “Tsy maintsy atombotsika ny miasa amin'ny fampihenana famokarana fako. Raha mbola tsy raisina ho resaka matotra ny fisorohana ny fako, tsy ho foana velively io tsingerin'andian-taranak'olona mpanipinipy fako sy mpanala azy io.”

Saripika an'ny Suman Nepali tao amin'ny Nepali Times. Nahazoana alàlana.

Saripika an'ny Suman Nepali tao amin'ny Nepali Times. Nahazoana alàlana.