
Tanoralahy Dogon mitondra mololo, izay hamahanam-biby ao Mali, Afrika Andrefana. Imagen'i Ferdinand Reus ao amin'ny Wikimedia Commons (CC BY-SA 2.0 Deed).
Am-polony taona maro i Sahel — faritra iray mandrakotra ny firenena maro Burkina Faso, Kamerona, Tchad, Guinée, Mali, Maoritania, Niger, Nizeria, Sénégal ary Gambia — no nolokoina ho toeran'ny fahoriana. Matetika ampifandraisina amin'ny tsy filaminana ara-politika, ny fahantrana ary ny fanamby ara-toetr'andro, i Sahel ary aseho amin'ny solomason'ny krizy. Na izany aza, sarotra sy natao matsatso kokoa noho ny anoritsoritana azy amin'ny lohatenin-gazety manerana izao tontolo izao ny tantara Saheliana, tahaka ny maro hafa eto Afrika.
Raha mampiseho sarin'ny faritra karakaina sy mahantra, amin'ny lafiny ara-tontolo iainana no anondroana an'i Sahel, dia faritra manankarena tontolovoary an-tany foana sy hivoka izy io. Efa tamin'ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany sy ny fivoarana ara-jeopolitika vao haingana no nitantarana an'i Sahel .
Mandritra izany fotoana izany nalaza noho ny fifanakalozana miampita faritra sy ny fisian'ny fanjakana sy ampira toa anganongano, ara-tantara, ny faritra. Talohan'ny nampalaza ny varotra andevo niampita-Atlantika, namidy nankany Sahel ny vokatra sarobidy avy amin'ny hivoka mando kokoa, sy avy amin'ny faritra be ala eto Afrika.
Ankehitriny, ilay faritra miampitampita firenena mihotakotaka ara-politika, izay ahitana an'i Burkina Faso, Mali, Niger, Sénégal, Sodana, Maoritania, Tchad, ary ny faritra sasany ao Nizeria, dia niatrika fanamby maro manomboka amin'ny ady mitam-piadiana, fanonganam-panjakan'ny miaramila ka hatramin'ny fanafihan'ny mpampihorohoro [mg]. Hatramin'ny taona 2020, fanonganam-panjakana enina no nitranga tany Niger, Burkina Faso, ary Mali, mahatonga ny governemanta sivily tsy hahahetsika, nitakian'i Burkina Faso ny fanalana ireo vondro-tafika frantsay nijoro tao hatrany hatramin'ny fitondram-panjanatany.
Tamin'ny Janoary 2024, niala tao amin'ny vondrom-piarahamonina ara-toekarena Afrika Andrefana CEDEAO (ECOWAS) i Burkina Faso, Mali ary Niger, izay mbola manampy trotraka amin'ny fahamainan'ny fifandraisana ara-diplaomatika manerana ny faritra. Niharatsy ihany koa ny fifandraisana misy eo amin'i Etazonia (Etazonia) sy ireo firenena ireo, nampiaton'ny filoha Joe Biden ny fahazoan'ireo firenena ireo miditra malalaka ara-barotra amin'ny tsenan'i Etazonia. Nanomboka teo dia nihamafy tao amin'ny media isankarazany ny adihevitra maro momba ny fahavakisan'ny filaminam-paritra sy ny tsy fahafahan'ny faritra mizaka ny olany ara-piarovana.
Vakio koa [fr]: Sahel: krizim-pampihorohoroana lehibe indrindra manerantany
Ny fanantenan'ny tanora Sahelianina
Sahel no faritra tanora indrindra eran-tany, latsaky ny 25 taona ny 65 isanjaton'ny mponina ao aminy. Otrikarena goavana ho an'ny fampandrosoana izany tanora marobe izany, na ao anatin'ny faritra na amin'ny tsena manerantany.
Na izany aza, hatramin'ny nahazoana ny fahaleovantena tamin'andian-taona 1960, nandova andrim-panjakana sy faritany efa vita faritra izay hita fa sarotra tantanina ireo firenena ao amin'ny faritra. Mifehy ampahany betsaka ao amin'ny faritra ny karazam-bondrona Islamista mpikomy, ka mahatonga ny sivily ho tery afovoany sy ny tanora ho mora iharan'ny fotokevitra tia herisetra na firotsahana an-tsitrapo ho ao amin'ny vondrona mitam-piadiana. Hatreto dia olona 4,2 tapitrisa eo ho eo no nafindra toerana, araka ny tomban'ny Kaomisera Ambonin'ny Firenena Mikambana misahana ny Mpitsoa-ponenana (UNHCR). Sekoly maherin'ny 4.000 sy tobim-pahasalamana 150 no nakatona manerana ny faritra.

Sarintanin'i Afrika, manasongadina an'i Sahel amin'ny loko laoranjy. Sary avy amin'i Sadalmelik ao amin'ny Wikimedia Commons (CC BY-SA 4.0 Deed).
Mamolavola indray ny endrik'i Sahel
Ho setrin'ireo fanamby mbola hita ireo, mpiantsehatra nasionaly, isam-paritra ary iraisampirenena maro no miezaka mamolavola indray ny endrika ijerena azy. Iray amin'izany ny Fandaharan'asan'ny Firenena Mikambana momba ny Fampandrosoana (PNUD), izay nanangana ny fanentanana #IAMSahel amin'ny ezaka hanovana ny fitantarana sy ny tontolom-peon'i Saheliana.
Tamin'ny fanokafana ny fanentanana, nandresy lahatra ny mpanolo-tanana ny Sekretera jeneralin'ny Pnud Ahunna Eziakonwa fa mila manova ny fifantohana amin'ny fahalemen'ny Sahel ho any amin'ny tanjany izao tontolo izao. Ifantohan'ny fanentanana ny fitadiavana fitantarana vaovao momba an'i Sahel amin'ny alàlan'ny fitantarana stratejika amin'ny media, fitantarana ifotony, ary fiaraha-miasa amin'ireo vondrom-piarahamonina eo an-toerana mba hanasongadinana tsara kokoa ireo otrikarenan'ny faritra, izay afaka “manampy amin'ny fanovam-pifantohana sy mampiseho ny hatsaran'i Sahel, ny tanjany ary ny talentany, ” hoy i Eziakonwa nanampy.
Niteny nandritra ny fanokafana ihany koa, ny mpihira sady masoivoho an-tsitrapon'ny PNUD Alif Naaba ary nanoritsoritra fa manana anjara toerana lehibe amin'ny fiaretana sy ny tokony hamolavolàna indray ny fomba fijery an'ny Sahel ny mozika, izay efa latsa-paka lalina amin'ny kolontsain'ny faritra.
Nasongadin'ny masoivoho an-tsitrapon'ny UNDP ihany koa sady fanorolahin'ny mozika Patoranking fa ny zavakanto sy ny kolontsaina Saheliana no vato iorenan'ny sehatry ny fialamboly eto Afrika. Nambàrany fa amin’ny alalan’ny fanasongadinana ny zava-bitan’ireo maherifo ao an-toerana no ahafahan'ny faritra mamolavola ny tantarany manokana sy mitrandraka ny fahaiza-manaon’ny mponiny.
Raha miresaka momba ny fisantaran'andraikitra Great Green Wall ho iray amin'ireo tetikasa manan-kambo indrindra ao amin'ny kaontinanta, dia nanampy i Patoranking fa tsy manam-petra hirik'i Sahel.
Tanora maro no nandray anjara tamin'ny fanentanana tamin'ny alalan'ny X (Twitter taloha).
Mpisera iray, @EmilyJoof, nizara ny fomba ampiroborobon'ny bokiny (“Halima, Princess Superhero”) ny fahaiza-mamaky teny sy ankalazàny ny fanehoana marokolontsaina:
So proud to share my story and represent our beautiful, diverse, complex and rich West African diaspora in the #IAMSAHEL Campaign#mbifebooks #mbife #Gambia #blackbooks #childrensbooks #libraries #africanlibraries #blackculture #africanculture #westafricandiaspora #westafrica https://t.co/sxIssa1EuY
— Emily Joof – Mbife Books (@EmilyJoof) September 27, 2024
Tena mirehareha mizara ny tantarako ary maneho ny hatsaràna, ny hamaroan-karazana, ny fifaningotsingorana sy ny harenan'ny diaspora Afrikana Tandrefana ao amin'ny Fanentanana #IAMSAHEL
Nanamarika ny mpisera iray hafa:
The beauty of Sahel from above is beyond wanders; the greenery speaks for itself.
The Sahel is home to some of the world’s most ambitious environmental projects, including the Great Green Wall Initiative.#IAMSahel
Learn more: @UNDPWACA / @unis_sahel / https://t.co/VFMjA4bBBC pic.twitter.com/QEgR0lv8lE
— Alpha Says (@AlphaSays_) September 19, 2024
Mihoatra noho izay mahavalalanina ny hatsaran-tarehin'i Sahel avy any ambony; miteny ho azy ny zava-maitso.
Iorenan'ireo tetikasa ara-tontolo iainana manana hambo indrindra eto ambonin'ny tany i Sahel, anisan'izany ny fisantaran'andraikitra Great Green Wall.#IAMSahel
Mianatra bebe kokoa: @UNDPWACA / @unis_sahel /
Ankoatra ny fiezahana hanova fomba fijery, mety hisy fiantraikany amin'ny fiainan'ny tanora hatramin'ny 300 tapitrisa (koa) ny fanentanana #IAmSahel amin'ny alalan'ny famoronana asa manan-danja, fandrisihana ny fandraharahana, ary ny mampiditra ny tanora amin'ny fitantanana sy ny ezaka fananganana fandriampahalemana. Ho hita ity hetsika ity raha hanome hirika ho an'izao tontolo izao hahita indray ny hakanton'ny faritra, ny tanjany ary ny hakingan-tsainy — toetra efa nalevina hatry ny ela teo amin'ny tantara.