
Saripika avy amin'i Agus Dietrich ao amin'ny Unsplash. Nampiasana araka ny Lisansa Unsplash.
Navoakan'ny NewsMaker voalohany tamin'ny 28 Septambra 2024 ity lahatsoratr'i Alina Mikhalkina ity. Navoaka ato amin'ny Global Voices ny dikan-teny nasiam-panovàna ho ampaham-pifanaraham-piaraha-miasa ara-botoaty.
Mahatonga ny fitomboan'isan'ireo olona very zom-pirenena ny krizy manozongozona ireo firenen'ny Firaisana Sovietika teo aloha. Na dia toa heverina ho manana zom-pirenena aza ny rehetra satria monina anaty sisin-tanim-panjakana sasany, dia hafa ny zava-misy. Tamin'ny faran'ny taona 2023, olona 4,4 tapitrisa maneran-tany no tsy manana zom-pirenena — olona tsy manana na tsy voafaritra ny zom-pireneny. Miatrika fanamby lehibe ireo olona ireo, toy ny rehefa hanambady, hanokatra kaonty banky, na hanoratra ny fananany. Tsy hitan'ny “radar” ofisialy ireo ary nesorina taminy ireo zo fototra maro.
Tsy manana pasipaoro ao Moldavia
Araka ny filazan'ny Firenena Mikambana, tamin'ny taona 2014, roapolo taona mahery taorian'ny nianjeran'ny Firaisana Sovietika, dia olona maherin'ny 600.000 nanerana ny sehatra post-Sovietika no tsy manana ny fireneny. Iray tamin’izy ireo i Elena Dergunov, mponina ao Chișinău.
“Ao amin'ny faritra Transnistriana, nahazo ny pasipaoron'ny Repoblikan'i Moldavia aho. Afaka nankany Israely aho tamin’izany, izay niasako nandritra ny taona maromaro. Rehefa niverina tany Moldavia aho, dia nogiazana teo an-tsisin-tany ny taratasiko; Nilaza izy ireo fa tsy manan-kery ny pasipaoro”, hoy ny tsiaron’ilay vehivavy.
Tamin’ny taona 1954, namolavola Fifanarahana mifandraika amin’ny satan’ny olona tsy manam-irenena ireo firenena ao amin'ny Firenena Mikambana. Araka ny voalazan'ilay antontan-taratasy, ny olona tsy manana zom-pirenena dia olona iray izay “tsy heverin'ny fanjakana ho olom-pirenena araka ny lalàny”. Tamin’ny taona 2024, firenena 98 no nanao sonia an’ilay fifanarahana, anisan’izany i Moldavia.
Niteny i Dergunov:
I lived without documents for 12 years. All I had was a copy of that invalid Moldovan passport. I registered my middle son at the hospital using that copy. I was only able to obtain a birth certificate for my youngest son when he was five and a half years old.
Niaina tsy nanan-taratasy nandritra ny 12 taona aho. Ny hany nananako dia kopian'io pasipaoro Môldavy tsy manan-kery io. Nanoratra ny anaran'ny zanako lahiaivo tany amin'ny hopitaly tamin'ny fampiasana io kopia io aho. Dimy taona sy tapany aho vao nahazo ny kopia nahaterahan’ny zanako faralahy.
Rehefa tsy misy fiarovana
Matetika ny tsy manana zom-pirenena dia midika fa tsy afaka manokatra kaonty banky, manoratra ny fananana, manambady, mampiditra ankizy any an-tsekoly, mahazo asa, na manatona dokoteram-pianakaviana akory aza. Niaiky i Elena fa nandrahona azy matetika ny vadiny taloha, ary nilaza fa “hitory izy, ary hesorina amiko ny ankizy.” Tsy manana asa ofisialy izy na misitraka fanasoavana ara-tsosialy nandritra ireo taona ireo.
Araka ny voalazan'ireo manam-pahaizan'ny Firenena Mikambana, mety ho lasa tsy manan-tanindrazana ny olona iray noho ny toe-javatra samihafa, toy ny fanavakavahana mifototra amin'ny foko, fivavahana, na mpikambana ao amin'ny vondrona vitsy an'isa. Antony lehibe iray hafa mahatonga ny tsy fananan-tanindrazana iaviana ny fanavakavahana eo amin'ny lahy sy ny vavy.
Fanampin'izany, mety hipoitra ny tsy fananan-tanindrazana iaviana mandritra ny “fifandimbiasam-panjakana”, rehefa misy firenena vaovao miforona, na rava ny firenena taloha.
“Nanomboka tamin’ny taona 2005 aho no nanao fangatahana tamina andrim-panjakana isan-karazany, saingy nolavina na aiza na aiza. Tsy olom-pirenen'i Okraina aho, na Moldavia. Tatỳ aoriana aho nahazo ny sata tsy manana zom-pirenena ary manana kara-panondro sy pasipaoro vahiny. Sambany aho no nahazo asa tamin'ny fomba ofisialy,” hoy i Elena.
Araka ny filazan'i Oleg Paliy, lehiben'ny Foiben'ny Mpisolovava, ny maha-samihafa ny olona ankatoavina ho tsy manana zom-pirenena sy ireo tsy voafaritra ho manana sata ara-dalàna dia saika tsy hitan'ny rafi-panjakana ireto farany ireto: “Tsy manana zo ara-tsosialy ny olona tsy manan-taratasy satria saika tsy hitan'ny andrim-panjakana izy ireo.”
Belarosiana tsy manan-jò
Tamin'ny 5 Janoary 2023, nanao sonia lalàna iray mamela ny fanafoanana ny zom-pirenena Belarosiana ho an'ireo nandositra ny firenena noho ny antony ara-politika i Alyaksandr Lukashenka. Ny fototra ofisialy amin'ity fepetra ity dia ny “fahaverezan'ny fifandraisana ara-dalàna amin'ny fanjakana”. Talohan'izay, tamin'ny taona 2022, nampiditra rafi-pamoretana ahafahana manenjika ireo olo-malazan'ny fanoherana tsy manatrika fitsarana ny fitondran'i Lukashenka. Ity antsoina hoe “fombam-pitsarana manokana” ity dia tsy vitan'ny hoe manome rariny ara-pomba ofisialy ny fanafoanana ny maha-olom-pirenena azy ireo, fa mamela an-kalalahana ihany koa haka ny fananana navelan'ireo tsy manan-tanindrazana (nandositra) ireo.
Nampanantena hanomboka hetsika tsy mbola nisy hatrizay ny Kabinetran'ny Tetezamita Tafaray ao Belarosia, izay natsangan'i Sviatlana Tsikhanouskaya mpitarika ny mpanoherana — pasipaoro ho an'i Belarosia Vaovao. Na izany aza, amin'izao fotoana izao dia mitombo hatrany ny isan'ireo Belarosiana tsy manana zom-pirenena, izay tonga any amin'ny firenena vahiny noho ny toe-java-misy.