Nandritra ny lanonana fametrahana ny filoha, nampifandanjain'i Taiwan ireo fihenjanana momba ny maripamantarana

Lanonana fametrahana ny filoha tamin'ny toerany, natao tao Taipei, Taiwan. Saripika an'i Filip Noubel, nahazoana alàlana

Ny 20 May no nanamarika ny fametrahana tamin'ny toerany ny filoha faha-8n'ny Repoblikan'i Shina ao Taiwan, Lai Ching-te ( 賴清德 ), na William Lai, araka ny ahafantarana azy ihany koa amin'ny fiteny anglisy. Nisy ny lanonana nokarakaraina tao afovoan'i Taipei nanehoana ny nandrafetan'i Taiwan indray ny fomba fitantara nasiônaliny mba hilazàna ny tantarany manokana, nefa koa fanavaozana erantany ireo fifandraisana iraisampirenena.

Teo anoloan'ny tranobe fiasàn'ny filoham-pirenena tao Taipei no natao ny lanonana, nahitàna ireo Taioaney an'arivony maro sy vahiny nasaina nihoatra ny 600 tonga maraina be tamin'ny 20 May mba hàka toerana mialoha ny hanombohan'ilay fampisehoana efa tsara lamina, izay nanomboka tamin'ny 9 ora maraina, ora tao an-toerana. 

Nentina nanombohana ny fampisehoana ireo dihy izay nanasongadina lova roa samihafa ananan'i Taiwan: ireo vondrona vazimba teratany sy ny foko shinoa. Toeram-ponenana ho ana foko enina ambinifolo fantatra ôfisialy ilay nosy, izay maneho ny telo isanjato latsaka amin'ny vahoakany amin'izao fotoana izao. Antsoina hoe 原住民 na yuanzhumin amin'ny fiteny Mandarin shinoa — midika ara-bakiteny ho “ireo firenena nonina teto tany am-boalohany” — ireo vahoaka vazimba teratany dia taranaka avy amina fianakaviana Astrôneziàna midadasika. Nizaka nandritra ny fotoana naharitra ny fanjanahantany shinoa sy japôney (zanatany japôney i Taiwan teo anelanelan'ny 1895 sy 1945), ankehitriny ry zareo dia misitraka feno ireo zo araka ny lalàna sy ara-kolontsaina — isan'izany, tena vao haingana mihitsy, ny zo hanana ny anaran'izy ireo voasoratra manokana  amin'ny fitenin-dry zareo ao anatin'ny karapanondrony. Tany aloha dia tsy maintsy nampiasa ny anarana tamin'ny fiteny shinoa. Misy vondrona vahoaka vazimba ihany koa izao mitaky ny ho ankatoavina amin'ny maha-foko faha-17 azy, izay manasongadina ny fivoaran'ireo maripamantarana sy ireo fitakiana vazimba teratany ao Taiwan.  

Lanonana fametrahana amin'ny toerany ny filoha, natao tao Taipei, Taiwan. Tarika vazimba teratany mpandihy nihzakazaka nandritra ny fampisehoana nataony. Saripika an'i Filip Noubel, nahazoana alàlana.

Ny maripamantarana iray hafa tena mibahan-toerana naseho tao dia ny kolontsaina ara-pokon'ny shinoa, fomba fiteny iray mahafehy ireo fiteny isankarazany sy ireo fombandrazana avy any amin'ny tanibe Shina. Nanomboka tamin'ny taonjato faha-17 no tena tonga tao Taiwan ireo foko shinoa mpanjanaka voalohany. Hita tsara nandritra ny lanonana ny marik'io kolontsaina io — toy ny opera shinoa sy ny dragona

Fampisehoana dihy nalaina avy amin'ny opera fanaon-drazan'ny shinoa. Saripika an'i Filip Noubel, nahazoana alàlana.

Saingy iray amin'ireo tena olana pôlitika mahamay ao Taiwan koa io fahamaroan'ny maripamantarana io, ary izany fihenjanana izany dia mibaribary ao anatin'ny fomba fiteny ampiasaina ho entina mamaritra ilay firenena. Amin'ny fomba ôfisialy, ny governemanta ao Taiwan dia mihevi-tena ho mpiaro araka ny lalàna sy pôlitika ny Repoblikan'i Shina, andry pôlitika iray teraka tao Nanjing any amin'ny tanibe shina tamin'ny  1911 tamin'ny fiafaràn'ny taranaka mpanjaka Qing farany. Hatramin'izao, tetiandro miavaka no ampiasainy any anaty antontan-taratasy ôfisialy rehetra any, ary mazàna anaty fandraharahàna ara-barotra, nanomboka tamin'ny 1912 — izay midika fa ny taona 2024 dia mifanandrify amin'ny taona 113.  

Nilaza ny momba an'io ny filoha Lai rehefa nanao ny lahateniny, hoe:

Raha mbola mampifamatotra ny tenantsika amin'i Taiwan isika, dia antsika rehetra i Taiwan — ny vahoaka rehetra eto Taiwan, tsy ijerena foko niaviana, tsy ijerena izay fotoana nahatongavana teto. Ny sasany milaza an'ity ho Repoblikan'i Shina, ny sasany miantso azy ho Repoblikan'i Shina Taiwan, ary ny sasany, Taiwan; fa na iza na iza amin'ireo anarana ireo no hosafidiantsika na ireo namantsika any ivelany hiantsoana ny firenentsika, dia hiara-mitempo sy hamirapiratra isika rehetra. Araka izany dia ‘ndeha isika handresy ny tsy fitoviankevitra ka handroso, miaraka amin'ireo hetahetam-pontsika, mba hihaona amin'izao tontolo izao.

Amin'ny fiteny Mandarin shinoa, ny fiteny ôfisialy ao Taiwan — sy Shina — misy fahasamihafàny amin'ireo fomba fiteny. Ny Repoblikan'i shina antsoina hoe Zhonghua Minguo (中華民國), ka amin'izany ny hoe Zhonghua dia midika hoe Shina amin'ny fiteny anglisy; fa ny Shina ao anatin'ny hoe Repoblika Entimbahoakan'i Shina dia antsoina hoe Zhongguo (中國). Nandritra ilay kabariny 30 minitra, ny filoha Lai dia nampiasa betsaka ny fomba filaza hoe Taiwan ho famaritany ny fireneny ary namarana fa hoe antenainy ny hisian'ny fifandraisana am-pilaminana amin'i shina. 

Raha mila fanazavana fanampiny, vakio ny A plurality of Chinese languages (angl.) – Ny fahamaroam-piteny ao Shina

Soavaly manga goavana be nankalazana ny fahasamihafàna tao amin'ilay lanonana fametrahana tamin'ny toerany ny filoha tao Taiwan. Saripika an'i Filip Noubel, nahazoana alàlana.

Hita nisongadina nandritra ny lanonana ihany koa ny resaka miralenta. Ny filoha teo aloha, Tsai Ing-wen, no vehivavy voalohany voafidy ho filoha tao Azia. Araka ny nomarihan'i Lai, dia teo ambany fitondràny ihany koa no naha-lasa an'i Taiwan ho firenena voalohany nanao ho ara-dalàna ny fifanambadian'ireo mitovy taovam-pananahana, tamin'ny  2019. Ny filoha lefitra vaovao, Hsiao Bi-khim (蕭美琴), dia vehivavy ihany koa, avy ao Taiwan ny rainy ary Amerikàna ny reniny.

Ilay mora mihetsipo amin'ny fahasamihafan'ny fiteny koa dia ampahany amin'ny fomba fikabariana vaovao — izay nanasongadina bebe kokoa tamin'izay andro izay ny fanasàna mpanakanto roa mpiangaly rap hihira tamin'ilay lanonana, tamin'ny fiteny Hakka sy Taioaney — fiteny roa anatin'ny fianakaviamben'ny Sinitic izay ifampiresahana betsaka manerana ilay nosy. 

Ilay mpanakanto Vuize (王鍾惟) nihira tamin'ny fiteny Hakka — ampahany amin'ny mombamomba azy araka ny asehon'ity lahatsary YouTube ity:

Sy ilay mpihira ED (柯蕭) nihira tamin'ny fiteny Taioaney. Indro lahatsary iray avy amin'io fantsona  YouTube io:

Farany, noantitranterin'i Lai tao anatin'ny kabariny ny fifandraisan'i Taiwan amin'izao tontolo izao. Amin'izao fotoana izao, mbola firenena 12 monja no nankato ara-diplaomatika an'ilay nosy, taorian'ny nakàn'ny Repoblika Entimbahoakan'i Shina ny toeran'i Taiwan tao amin'ny Firenena Mikambana tamin'ny 1971. Fanjakana avy ao atsimon'i Pasifika sy Karaiba ny ankamaroan'izy ireny, fa eo koa i Vatikàna sy Goatemalà, ary Eswatini sy Paragoay, firenena roa samy nandefa ny filohany nanatrika ilay lanonana.

Angidimby sy fiaramanidina mpiady nanidina teo ambonin'ilay kianja no namarana ny lanonana, ho fanehoana ny fahavononan'i Taiwan handresy lahatra ara-tafika ao anatin'ny fihenjanana ara-miaramila misy aminy sy Beijing.

Angidimby nitondra ny sainam-pirenen'i Taiwan teo ambonin'ny kianja nanaovana ny lanonana fametrahana ny filoha. Saripika an'i Filip Noubel, nahazoana alàlana.

Fa na nisy aza io, dia tena volonandro fety be no niainana, ary ny hafatr'i Taiwan amin'ny maha-toerana tsara fandray azy, amin'ny maha-firenena iray maha-te-hitsidika azy ary ny fahatokisantenany amin'ny hoaviny no nibahan-toerana tamin'ny lanonana, araka ny asehon'ireto sary manaraka ireto:

Ny saina tranainy indrindra tao Taiwan dia nanasongadina tigra iray. Saripika an'i Filip Noubel, nahazoana alàlana..

Andian-tanora mpiangaly mozika. Saripika an'i Filip Noubel, nahazoana alàlana.

Fampisehoana Baseball. Saripika an'i Filip Noubel, nahazoana alàlana.

Fampisehoana dihy nentindrazana. Saripika an'i Filip Noubel, nahazoana alàlana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.