Jubi, mpamoaka vaovao ao Papoazia notafihana tamin'ny baomba Molotov

Jubi News

Melohin'ireo mpanao adisisika mpiaro ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ny fanafihana nikendrena ny biraon'ny trano famoahambaovao “Jubi” tao Papoazia. Pikantsary avy amin'ny lahatsary iray nakarin'ny kaonty YouTube Redaksi JubiTV. Fampiasàna ara-drariny.

Nisy baomba Molotov iray natsipy teo ivelan'ny biraon'ny Jujur Bicara, trano famoahambaovao miorina ao Papoazia, fantatra kokoa amin'ny anarana hoe Jubi, fihetsika iray izay avy hatrany dia nomelohin'ireo media sy vondrona mpiaro ny zon'olombelona ho toy ny fanafihana ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety ao Indonezia.

Fiara roa no simban'ilay baomba talohan'ny nahavitan'ireo mpiasan'ny Jubi namono ny afo. Tsy vao io no fanafihana voalohany nikendrena ny Jubi. Tamin'ny 2023, ny tonian-dahatsoratry ny Jubi, Victor Mambor, dia efa nametraka fitoriana tany amin'ny pôlisy taorian'ny nametrahan'ny sasany baomba teo akaikin'ny trano fonenany. Nosoratany tao amin'ny X (Twitter taloha), ny momba ireo andiana fanafihana natao azy izay inoany fa nisy nifandraisany tamin'ny asa maha-mpanao gazety azy.

Voalohany indrindra, notapahan-dry zareo ny hisatry ny fiarako ary raha iny aho nandeha hamonjy asa dia tafavoaka ny làlana aho. Faharoa, nosomparan-dry zareo ny fiarako ary ary nosoratsoratany ny vatany manontolo. Nosimbàn-dry zareo ny fitaratra anoloana ary tsy maintsy nosoloina. Fahatelo, nampitahorin-dry zareo tamin'ny alàlan'ny baomba namboarina napetrany teo akaikin'ny tranoko aho. Nipoaka ilay baomba saingy tsy nisy zavatra simba na faharatràna. Andro vitsy lasa izay, nanipazan-dry zareo  cocktails Molotov tao amin'ny biraoko. Fiara roa no nirehitra sy simba. Inona no mbola hataon-dry zareo manaraka?

Voatondro tànana ireo manampahefana noho ny tsy fahombiazan-dry zareo nanao fanadihadiana araka ny tokony ho izy momba ireny fanafihana taloha ireny.

Ahafantarana ny Jubi ireo tatitra fanakianana ataony momba an'i Papoazia, nosy iray izay nitolona hahazo ny fahaleovantenany hatramin'ny nakàn'ny fanjakana indôneziàna azy tamin'ny 1963. Ny governemanta indôneziàna no voampanga ho mampaharitra ny fanavakavaham-bolonkoditra ao Papoazia, mamoritra an-kerisetra ireo vahoaka indizeny ao, ary mamafa ireo fandrakofana ataon'ny media mampibaribary ny fanararaotana ataony.

Efa nanaovan'ny Jubi tatitra ny momba ireo lohahevitra mahabe resaka, isan'izany ny fiantraikan'ireo tetikasa goavana amin'ireo mponina ao an-toerana sy ny fanitsakitsahana zon'olombelona atao amin'ireo vondrom-piarahamonin'ny vazimba teratany. Tsy afaka miditra mora foana ao Papoazia ihany koa ireo mpanao gazety sy andrim-panjakana vahiny, mahatonga ny asan'ireo media mpamoaka vaovao tsy miankina toy ny Jubi ho zavadehibe amin'ny fampiroboroboana ny fahafahan'ny daholobe  mahazo vaovao azo itokiana.

Ao anaty lahatsoratra iray hafa tao amin'ny X,  Mambor nampiakatra lahatsary iray momba ilay fanafihana:

Tsy olana izay iantsoana ilay zava-mipoaka. Gasoline, polymer, na inona na inona. Ny fantatra dia nisy olona roa ninia nanipy zavatra izay nipoaka taorian'izay ka nandoro ny roa tamin'ny fiaranay. Mazava ny tanjona: ny toeram-piasànay ( @News_jubi ) sy…pic.twitter.com/CAudx1ncq5

— Victor Mambor (@VictorcMambor) 22 Ôktôbra 2024

Nalaky tamin'ny fanamelohana ilay fanafihana nanjo ny Jubi ireo media sy fiarahamonina sivily. Ny Sendikàn'ireo Mpiasan'ny Media sy ireo Indostrian'ny Famoronana ho an'ny Demaokrasia dia namaritra azy iny ho toy ny “fihetsika iray tsy tomponandraikitra” ary nampiany hoe “tsy hampihemotra mihitsy ny asa fanaovan-gazety miandany amin'ny marina iny.”

Ny vovonan'ireo mpanao gazety tsy miankina dia  nanamafy fa “tena zavadehibe ny fiantohana ny fahafahan'ny media miasa lavitry ny tahotra famaizana.”

Chanry Suripatty, mpandrindra ny fikambanan'ireo mpanao gazety ao amin'ny Maluku, fahitalavitra indôneziàna ao Papoazia, nilaza tao anaty fanambaràna iray hoe ilay fanafihana dia manimba bebe kokoa ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety sy ny demaokrasia ao Papoazia:

Tsy tokony hohamaivanina ireo fanafihana manjo ny media. Tsy fampihorohoroana ara-batana fotsiny io, fa koa fanafihana mivantana ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, sy ny demaokrasia eto amin'ny tanin'i Papoazia.

Ahianay ho ezaka haneriterena tsotra izao ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety sy ny demaokraisa eto Papoazia io. Raha mitohy voarahona ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, tsy ny zon'ireo mpanao gazety ihany no voatohintohina , fa ny zon'ny vahoaka ihany koa hahazo vaovao marina sy voalanjalanja.

Môpera Bernard Baru, pretra katôlika Aogostiniàna sady mpikatroka, no manasongadina ny fiantraikan'ny  fanafihana amin'ny asan'ireo media ao an-toerana. Nomarihany ihany koa fa ilay fanafihana dia nitranga  andro vitsy monja talohan'ny fanolorana ny governemanta vaovao ao Indônezia, tarihan'i Prabowo Subianto, manamboninahitry ny tafika taloha, voampanga ho nanitsakitsaka zon'olombelona nandritra ny fitondran'i Suharto.

Ny media tahaka an'io no ianteheran'ireo ao Papoazia hitondra ny feony ho ren'ny any ivelany.

Andrana hampitahorana ny mpanao gazety io.

Gustaf Kawer, talen'ny Fikambanan'ireo Mpisolovava Mpiaro Zon'Olombelona ao Papoazia, dia miantso ireo manampahefana hisambotra ireo tomponandraikitra tamin'ilay fanafihana:

Raha hijanona ho tsy voavaha ilay olana, hanontany tena ny vahoaka hoe iza no tao ambadik'iny. Ivelany ve sa mpikambana anatin'ireo manampahefana? Mino aho fa tena ilaina ny manazava hoe iza no nanao an'ireny mba hisorohana ny tranga amin'ny hoavy sy hiantohana fa afaka hiasa malalaka ny gazety.

Naneho firaisankina tamin'ny Jubi sy ireo hafa mpanao gazety manohy mitatitra momba ny toedraharaha ao Papoazia ny Merdeka Tambajotram-Panohanana ao Papoazia Andrefana:

Mijoro miaraka amin'ny Jubi sy Mambor ary ireo rehetra mpanao gazety misedra toedraharaha mampididoza indrindra ho an'ny asa fanaovana gazety sy ny demaokrasia ao Papoazia Andrefana izahay. Tazonin'ny governemanta ny fandraràny ireo mpiasan'ny Firenena Mikambana sy ireo mpanao gazety tsy ho afaka miditra na manao ny tatitr'izy ireo ao Papoazia Andrefana.

Ireny fanafihana miharo herisetra ireny dia tsy hafa fa fahaverezam-panantenana tanteraka entina hamafazana tahotra sy fandemena ataon'ireo eo amin'ny fitondrana mba tsy hivoahan'ny tena zavamisy marina ao Papoazia Andrefana, ary hanampenam-bava sy hanaratsiana izay rehetra ezaka fanamafisana ny antso ataon'ireo ao Papoazia Andrefana, Papua Merdeka! [Afaho i Papoazia!]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.