Manjaka ny tsimatimanotan'ny herisetra atao amin'ny vehivavy ao Torkia

Pikantsary avy amin'ny tati-baovaon’ ny Gazete Duvar. Vehivavy manao diabe ao amin'ny faritanin'i Van province. Nahitsy tao amin'ny Canva.

“Maniry fiovana i Türkiye,” hoy ny fivakin‘ny ranty iray avy amin'ny kaonty Instagram malaza Turkishdictionary, mitanisa angon-drakitra milaza fa vehivavy fito no nisy namono tao anatin'ny telo andro. “Aleo milaza ny marina. Manana olana amin'ny herisetra i Torkia,” hoy ny fivakin'ny ranty iray hafa nozaraina tao amin'ny Instagram.

Tao anatin'ny herinandro vitsivitsy, nanao izay rehetra azony natao ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona ao Torkia mba hisarihana ny saina amin'ny olan'ny herisetra ao amin'ny firenena. Tamin'ny fiandohan'ity volana ity, vehivavy roa no maty nisy namono tao Istanbul. Semih Çelik, 19 taona, no namono an'i İkbal Uzuner sy Ayşenur Halil, ary nanapitra ny ainy koa taorian'ny nanaovany ireo heloka bevava ireo. Voalaza fa efa voampanga i Çelik teo aloha ary manana olom-pahasalamana ara-tsaina. Manam-pifandraisana amin'ireo vondrona “incel” (selibatera tsy an-tsitrapo) maro ao Torkia ihany koa izy, izay fantatra amin'ny fiantsoana ny lehilahy hanolana, hanenjika, ary hamono vehivavy, amin'ny alàlan'ny sehatra media sosialy. Ny vehivavy farany hita faty dia i Rojin Kabaiş, 21 taona mpianatry ny oniversite izay tsy hita nandritra ny 18 andro.

Vehivavy sy zaza maty

Tsy i Uzuner sy Halil ihany no vehivavy natao lohatenin-gazety tao Torkia ny anarany tamin'ny herinandro. Vehivavy iray hafa koa no niharan'ny herisetra ara-nofo tao Istanbul nataon'ny lehilahy roa izay navotsotra tamin'ny voalohany saingy nosamborina indray rehefa tonga tao amin'ny media sosialy ny lahatsarin'ny fanafihana ary niteraka tabatabam-bahoaka.

Nizara ilay mpanao gazety Melisa Gulbas, tao amin'ny lahatsorany vao haingana, fa nahatratra ambaratonga mbola tsy nodiavina hatramin'izay tao Torkia ny herisetra mihatra amin'ny vehivavy sy ny ankizy. Nanoratra i Gulbas fa raha ampitahaina tamin'ny angon-drakitry ny taona 2021 sy 2022, dia nitombo 60 isanjato teo ho eo ny trangan-kerisetra ara-nofo natao tamin'ny vehivavy tamin'ny taona 2023.

Tamin'ny volana Oktobra ihany koa, zazakely roa taona no maty rehefa tsy nahatsiaro tena nandritra ny ora maro taorian'ny fanararaotana ara-nofo nihatra taminy tao amin'ny faritanin'i Tekirdağ. Raha niresaka tamin'ny mpanao gazety i Egemen Gürcün, lehiben'ny Fikambanan'ny Mpisolovava Tekirdağ,  dia nilaza fa nitombo ny fanararaotana ankizy ao amin'ny faritany, “nitanisa fangatahana mpisolovava amin'ny raharaha fanararaotana ankizy miisa 283 avy amin'ny fikambanan'ny mpisolovava tamin'ny taona 2023 fotsiny, sy fangatahana miisa 172 hatramin'izao amin'ity taona 2024 ity, ”hoy tatitry ny Bianet.

Tamin'ny volana septambra, vehivavy polisy 26 taona no maty novonoin‘ny mpanafika iray izay efa nahavita heloka bevava 26 isa.

Tamin'ny volana Septambra ihany, nohozongozonin‘ny [mg] vaovao nandravarava ny firenena fa hita teo akaikin'ny tanàna nipetrahany ny fatin'i Narin Güran, valo taona. Niteraka hetsi-panoherana nanerana ny firenena ny fahafatesan'ilay zazavavy kely ary nitaky ny tamberin'andraikitry ny fanjakana. Milaza ny mpitsikera fa tsy ampy ny politikan'ny fanjakana manohitra ny fanararaotana ary voataonan'ny soatoavina ara-pivavahana sy ny fitsipika efa lany andro izay mbola mamela ny malalaka fanararaotana sy ireo mpanararaotra.

Tamin'ny taona 2022, taorian'ny famoahana ny tatitry ny Human Rights Watch (HRW), nanazava ny antony mahasarotra ny ady amin'ny herisetra mifototra amin'ny lahy sy ny vavy ao Torkia i Emma Sinclair-Webb, tale mpiara-miasan'ny HRW ao Eoropa sy Azia Afovoany:

The government’s approach to combating violence against women is framed in paternalistic, conservative terms. The authorities see it as part of a national duty to protect women, whom they see as vulnerable and breakable, and to support the institution of the family. Turkey’s president is on record opposing gender equality and it has been written out of government policy. So while we are seeing government efforts to tackle violence against women, the government simultaneously undermines its own efforts by not seeing the fight against domestic violence as part of promoting women’s rights or ensuring gender equality.

Voarafitra ao anatin'ny voambolana anjakazakan-dray mpandala ny nentin-drazana ny fomba fiasan'ny governemanta amin'ny ady amin'ny herisetra atao amin'ny vehivavy. Heverin'ny manam-pahefana ho anisan'ny adidim-pirenena ho fiarovana ny vehivavy izay heveriny ho marefo sy mora vaky izany ary heveriny ho fanohanana ny andrim-pianakaviana. Tompondakan'ny fanoherana ny fitovian'ny lahy sy ny vavy ny filohan'i Torkia ary voasoratra ho tsy mifanaraka amin'ny politikan'ny governemanta. Koa raha mahita ny ezaka ataon'ny governemanta amin'ny ady amin'ny herisetra atao amin'ny vehivavy isika, dia ny governemanta ihany no manohintohina ny ezaka manokana ataony amin'ny tsi-fijerena ny ady amin'ny herisetra an-tokantrano ho ampahany amin'ny fampiroboroboana ny zon'ny vehivavy na fiantohana ny fitovian'ny lahy sy ny vavy.

Nahita ny tatitra iray hafa navoakan’ny Federasionan’ny Fikambanan’ny Vehivavy Tiorka (TKDF) sy ny Tahirin’ny Firenena Mikambana misahana ny Mponina (UNFPA) ao Torkia tamin’ny taona 2023, fa ny 8 amin’ny 10 iharan’ny herisetra dia vehivavy, ary manambady ny 73 isanjaton’ny vehivavy iharan’ny herisetra ary lehilahy no nanao herisetra tamin’ny 90 isanjaton’ireo tranga voarakitra an-tsoratra ifampizaràna amin’ny mpivady (63 isanjato), sy amin'ny mpianakavy (21 isanjato).

Araka ny voalazan'ny sehatra We Will Stop Femicides, vehivavy 315 no matin'ny lehilahy, ary vehivavy 248 no hita faty tao anaty toe-javatra mampiahiahy araka ny antontan-taratasin'ny sehatra tamin'ny taona 2023. Hatramin'izao taona izao, vehivavy 319 no maty, araka ny filazan'ny sehatra fanadihadiana iray hafa.

Ny vahaolana atolotry ny fanjakana manoloana ireo fahafatesana ireo dia ny fanakanana ny fidirana amin'ny Discord, satria, araka ny filazan'ny Minisitry ny Fitsarana Yilmaz Tunc, ilay sehatra no loharanon'ny herisetra, niteraka heloka bevava “fanararaotana ara-nofo amin'ny ankizy sy fahavetavetana”.

Niverina any amin'ny dinan'Istanbul ihany ve ny farany?

Niala tamin'ny Dinan'Istanbul, Fivoriamben'ny Vaomieran'i Eoropa momba ny fisorohana sy ny ady amin'ny herisetra atao amin'ny vehivavy, i Torkia tamin'ny taona 2021. Hatramin'ny nialàna, nitaky ny hidiran'i Tiorkia amin'ny dina indray ireo vondrona mpiaro ny zon'ny vehivavy, na dia mifanohitra amin'izany aza no noheverin'ny filoha Tiorka Recep Tayyip Erdoğan. Raha niteny nandritra ny fivorian'ny antoko tamin'ny 9 Oktobra ny filoha dia nilaza hoe: “Tsy nisy fiantraikany ratsy na kely aza tamin'ny zon'ny vehivavy ny fialantsika tamin'ny Fifanarahan'i Istanbul.” Nivoady ihany koa ny filoham-pirenena fa hisambotra sy hitsara ireo izay manana firaketana heloka bevava teo aloha ary hisakana ireo jiolahy tsy hivezivezy malalaka ao amin’ny firenena.

“Ny tsimatimanota,” izany no tena anton'ny famonoana vehivavy, ankizy ary biby mpirenireny [mg], hoy i Sera Kadigil, mpikambana ao amin'ny Antokon'ny Mpiasa sy ao amin'ny parlemanta, tamin'ny antsafa an-tsary.

Nandritra izany fotoana izany, araka ny tati-baovao maro, nanomboka nanara-maso ireo vondrona “incel” ihany koa ny polisy raha nisavoana koa ny varotra tifitra dipoavatra tao amin'ny firenena taorian'ireo andiana vono olona tao anatin'ny roa volana. Nidina an-dalambe nanerana ny firenena koa ireo mpiaro ny zon'ny vehivavy sy vehivavy maro, mitaky ny fanovana politika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.