Tsy mora ny fananana sy ny fampiasana drôna any Azerbaijan

Kantontsary avy amin'ny pixabay noforonina tamin'ny alalan'ny Canva.

Araka ny fepetra ara-dalàna misy, mitovy amin'ny fampiasana fitaovam-piadiana sasany, fitaovana mipoaka ary fitaovana fanontam-bola ny fahazoan-dàlana hampiasa drôna any Azerbaijan. Ny drôna dia tafiditra ao anatin'ny lisitr'ireo entana voafetra ho ho amin'ny fampiasana manokana araka ny andininy faha-18 amin'ny Lalàna Faha-564, “Ao anatin'ny lisitry ny entana tsy azo ampiasain'ny sivily.” Toy izany koa, nanondro masoivohom-panjakana enina tompon'andraikitra amin'ny fanomezan-dàlana ny fitaovana tokana tsirairay sy ny fahazoan-dàlana hampiasa azy ny lalàna, izay midika fa ny fahazoana alalana hanana drôna dia dingana sarotra sy mandreraka eny amin'ny biraom-panjakana.

Toy izany koa ny fitsipika mihatra rehefa manafatra drôna. Tsy maintsy mametraka fangatahana elektronika any amin'ny Fitondram-panjakana Misahana ny Sidina Sivily ireo izay te hanana drôna ary mahazo fankatoavana avy amin'ireo masoivohom-panjakana enina voalaza ao amin'ny lalàna.

Midika izany amin'ny ankapobeny fa tsy maintsy mahazo alalana avy amin'ireo masoivohom-panjakana ireo mpianatra te hampanidina drôna eny an-tokotanin'ny sekoliny na ny tranony, ny sekoly na oniversite maniry hampihatra vahaolana ara-panabeazana vaovao ampian'ny drôna, mpizahatany te haka sary ny tanàna, ary ny haino aman-jery te hampiasa drôna ho an'ny lahatsorany.

Azo alaina ny fahazoan-dàlana manokana raha ho an'ny (fikambanana mijoro) ara-panjakana sy manokana (ireo olon-tokana tompon'orinasa iray). Omen'ny Minisiteran'ny Fampandrosoana Nomerika sy ny Fitaterana, nakàna hevitra tamin'ny Minisiteran'ny Fiarovana, ny Minisiteran'ny Atitany, ny Sampan-draharahan'ny Filaminam-panjakana, ny Sampan-draharaha misahana ny sisintany, ary ny Sampan-draharahan'ny Filaminan'ny Filohan'ny Repoblikan'i Azerbaijan (sahanin'ny Sampan-draharahan'ny Sidina Sivily miasa eo ambanin'ny Ministera ity fahefana ity).

Milaza ny andininy faha-156 ao amin'ny Fehezandalàna Famaizana fa mety hiharan'ny voka-dratsy henjana ireo izay mampiasa drôna hanitsakitsahana ny fiainana manokan'ny hafa.

Hentitra dia hentitra ny fahazoan-dàlana hampiasa drôna ho an'ny mpanao gazety sy ny mpikatroka. Tamin'ny taona 2018, noraofin'ny manampahefana ny drônan'ilay mpikatroka sivika Bakhtiyar Hajiyev rehefa nikômandy izany avy any Etazonia ary tsy nahazo ny alalana ilaina amin'ny fampiasana azy. Tamin'ny taona 2021, notazonin'ny polisy ilay bilaogera Mehman Husynov, ary nogiazana ihany koa ny drônany. Naka sary ireo trano novidian'ny manampahefam-panjakana tamin'ny fomba tsy ara-dalàna i Huseynov.

Raha nanandrana nitondra drôna faharoa i Huseynov, dia tsy nanome alalana azy ny Komitim-panjakana misahana ny Fadintseranana, noho ny antony tsy nahazoan'i Huseynov fankatoavana ofisialy avy amin'ireo masoivohom-panjakana enina voalaza etsy ambony. Tsy nanao fangatahana tamin'ny fomba ofisialy hahazoana fahazoan-dàlana mihitsy i Huseynov.

Raha ny momba an'i Bakhtiyar Hajiyev, nanao fampakarana tamin'ireo sampan-draharaha voakasik'izany ihany izy saingy nahazo fandavana volana maromaro taty aoriana noho ny antony maro isan-karazany, ao anatin'izany ny filazana fa tsy araka ny tokony ho izy ny tanjona nambaran'i Hajiyev amin'ny fampiasana azy.

Tamin'ny fotoana nanoratana ity tantara ity, tsy manaiky ny fandraisana drôna ireo orinasam-pandefasana entana any Azerbaijan.

Milaza ireo politika henjana ireo fa ny antony iray mahatonga ity fikarakarana taratasy mihoa-pampana ity dia ny fahatahoran'ny governemanta sy ny manampahefana ao aminy fa mety hampiasaina hamoahana ny kolikoly ataon'izy ireo, ohatra, ny fakana horonan-tsary momba ny fananany manokana ny sary azon'ny drôna.

Mihevitra ireo manam-pahaizana tsy miankina ao Azerbaijan fa henjana sy tsy ilaina ireo fitsipika ireo amin'ny vanim-potoana ahafahan'ny fitaovana manerantany sy ny tolotra zanabolana manara-maso ny zava-drehetra.

Ny fanantenana hanovana ity rafitra ity dia miankina amin'ny volavolan-dalàna momba ny sidina, izay nolazain'ny minisitry ny Serasera sy ny teknolojia Avo lenta,  Rashad Nabiyeva voalohany tamin'ny taona 2022. Nampanantena ny hanangana politika sy fomba fiasa manaraka andro kokoa amin'ny fampiasana sy fandraketana drôna ny volavolan-dalàna. Na izany aza, roa taona hatramin'ny niresahan'ny minisitra voalohany ny volavolan-dalàna, dia tsy nisy fiovana.

Io lalàna io ihany no manome alalana ireo drôna fehezin-davitra manana fahazoan-dàlana manokana omena ireo solontenan'ny fiarahamonim-pirenena vitsivitsy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.