Nanamarika ny faha-64 taonan'ny fahaleovantena tao anaty krizy ara-toekarena sy ny hetsi-panoherana ny Nizeriana

Mpanao fihetsiketsehana sasany nandritra ny fihetsiketsehana #EndSars. Sary avy amin'i Asokeretope tao amin'ny Wikimedia Commons (CC BY 4.0 DEED

Raha nankalaza ny faha-64 taonan'ny fahaleovantenany i Nizeria tamin'ny Talata 1 Oktobra, olom-pirenena an'arivony no nanao hetsi-panoherana tao amin'ny renivohi-pirenena, Abuja, sy manerana ireo tanàna lehibe hafa, anisan'izany i Lagos sy Port Harcourt. Nokarakaraina tao amin'ny media sosialy ny hetsi-panoherana, izay nomena anarana hoe FearlessInOctober, saingy naparitak'ireo polisy nitifitra tamin'ny baomba mandatsa-dranomaso ireo mpanao fihetsiketsehana.

Hetsi-panoherana tamin'ny 1 Oktobra: Nanohitra ny governemanta ratsy tao amin'ny Ikeja ambany tetezana ny Nizeriana nandritra ny Andron'ny Fahaleovantena.

Toy ny mahazatra, andro tsy fiasana ny 1 Oktobra izay anisan'ny fahatsiarovana isan-taona ny fahaleovantenam-pirenena avy amin'ny fitondrana Britanika tamin'ny 1 Oktobra 1960. Nankalazaina teo aloha tao amin'ny Kianjan'ny Eagle ao Abuja renivohitra, nafindra tany amin'ny Aso Villa tamin'ny volana Oktobra 2023 ny lanonana netim-paharazana amin'ny Andron'ny Fahaleovantena. Nanambara i George Akume, sekreteran'ny governemantan'ny Federasiona, fa hankalazaina amin'ny fomba mangingina kokoa ny tsingerintaona noho ny fikorontanan'ny toe-karena.

Nizeriana maromaro no naneho ny alahelony tao amin'ny X (Twitter taloha):

Fahaleovantena hono. Mbola tsara lavitra noho isika tompon’ny firenena ireo tompo tamin'ny fanjanahantany. Tambajotran'olona miray tombontsoa no mitantana antsika fa tsy governemanta. Nisy ny firenena. Nanimba ny demôkrasia kely navelanay ny APC.

Nanentana ny mpitarika sy ny olom-pirenena i Peter Obi, kandidà ho filoham-pirenena ao amin'ny Antokon'ny Mpiasa amin'ny fifidianana ankapobeny 2023, mba hisaintsaina lalina ny toetry ny firenena amin'izao fotoana izao.

Tamin'ny fanambaràna iray tao amin'ny kaontiny X, nilaza izy hoe: “Ho ahy, tokony ho andro isaintsainana ho an'ny Nizeriana tsirairay ity, indrindra ho antsika, mpitarika, izay nahatonga ny fihenjanana sy ny tsy fihetsehan'izy ireo sy ny tsi-fahombiazana mivandravandra amin'izao fotoana izao.” Nohamafisiny bebe kokoa fa ilaina ny “Nizeria Vaovao sy Mamokatra” izay manao ho laharam-pahamehana ny fiahiana ny olom-pireneny.

Krizy ara-toekarena sy fanamby

Miady amin'ny krizy ara-toekarena faran'izay ratsy indrindra tao anatin'ny am-polony taona maro i Nizeria, firenena be mponina indrindra eto Afrika,  izay nitarika fiakarana be ny vidin'ny sakafo fototra manerana ny firenena.

Niatrika fanakianana ny filoha Bola Ahmed Tinubu noho ny politikany kambana amin'ny fanesorana ny fanampiana amin'ny (visin-t)solika sy ny fampiraisana ny tahan'ny fifanakalozam-bola vahiny, izay heverin'ny Nizeriana maro fa nahatonga ny fisondrotry ny vidim-piainana tsy nisy toa azy sy ny fiharatsiam-piainana sy ny saran'ny angovo [mg]. Nitombo avo telo heny ny vidin'ny angovo hatramin'ny nitantanan'ny filoha Tinubu tamin'ny 29 May 2023. Niakatra 200 NGN (0,12 dolara) hahatratra 1.000 dolara mahery (USD 0,60) isaky ny litatra ny vidin'ny lasantsy ary nitombo avo efatra heny ny vidin-jiro, izay niantraika mafy tamin'ny sehatry ny famokarana sy ny fitantanam-bolan'ny tokantrano Nizeriana.

Tamin'ny fanadihadiana nataon'ny Banky Foiben'i Nizeria (CBN) nanomboka tamin'ny 22 ka hatramin'ny 26 Jolay 2024, heverina fa hanery ny tokantrano Nizeriana handany ny ampahany betsaka amin'ny fidiram-bolany amin'ny sakafo ny fisondrotry ny vidim-piainana. Nahatratra 99,7 isanjato ny valin-teny azo tamin'ny Fitsapan-kevitra fanadihadiana nataon'ny Household Expectation Survey, natao tamin'ny santionan-tokantrano miisa 1.665 manerana ny fanjakana 36 sy ny zaratanin'ny Renivohitra Federaly. Araka ny tatitry ny Biraom-Pirenena misahana ny Antontanisa (NBS), mahatratra 32,15 isanjato ankehitriny ny tahan-tsondro-bidim-piainana amin’izao fotoana izao, ary tafakatra 39,5 isanjato ny fisondrotry ny vidin-tsakafo.

Nandritra ny fandaharana fahitalavitra tamin'ny Andron'ny Fahaleovantena, nanambara ny Filoha Tinubu fa tsy maintsy misafidy i Nizeria na hanavao handroso sy hiroborobo na hanohy ny fomba fandraharahana mahazatra ka mety hiatrika firodanana. Nohamafisiny fa manolo-tena amin’ny fanavaozana ny politika ara-toekarena sy ny rafi-piarovana ny firenena ny fitantanan-draharahany, izay nandray ny fitantanana 16 volana lasa izay.

“Raha mankalaza ny fandrosoana vitantsika amin'ny maha-vahoaka isika tao anatin'ny efatra amby enimpolo taona, dia tsy maintsy miaiky ihany koa fa misy ny hirika tsy vitantsika sy ireo lesoky ny lasa. Raha te ho lasa iray amin’ireo firenena lehibe indrindra eto an-tany isika, araka ny nanendren’Andriamanitra antsika, dia tsy tokony havelantsika hanaraka antsika amin’ny hoavy ny fahadisoantsika”, hoy izy.

Naneho ny alahelony izy fa tojo sarotra i Nizeria noho ny fahadisoana teo aloha, ka mandrisika ny olom-pirenena (izy) tsy hamela ireo fahadisoana ireo hamolavola ny hoavy. Nampian'ny filoha fa nandripaka Boko Haram sy “lehiben-jiolahy” 300 isa mahery any avaratra atsinanana sy avaratra andrefana ny governemantany, ankoatra ny any amin'ny faritra hafa.

Nanamarika ihany koa izy fa nahasarika fampiasam-bola mivantana avy any ivelany mihoatra ny 30 lavitrisa dolara US ny fanavaozana ara-toekarena  tohizany hatramin'ny herintaona.

Fanantenana ho amin'ny ampitso

Nandritra ny fandaharana fahitalavitra tamin'ny Andron'ny Fahaleovantena no nanambaràn‘ny Filoha Tinubu ny fiantsoana ny “Fihaonambem-Pirenen'ny Tanora”. Nolazainy fa hivory mandritra ny 30 andro ny fihaonambe ho sehatra iray hiatrehana ireo fanamby samihafa atrehin'ny tanora Nizeriana ao amin'ny firenena, izay mihoatra ny 60 isanjaton'ny mponina ao Nizeria.

Heverina ho dindon'ny fitombon'ny rotaka teo amin'ny tanora manerana ny firenena ity fanapahan-kevitra ity, izay nitarika ny fitohizan'ny hetsi-panoheram-bahoaka nanomboka tamin'ny hetsika #EndSARS tamin'ny taona 2020 sy ny hetsika #EndBadGovernance tamin'ny volana Aogositra 2024.

Tamin'ny fankalazana ny faha-64 taonan'ny fahaleovantenan'i Nizeria tamin'ny 1 Oktobra, namoaka ireo hira sy rakikiran'ireo Nizeriana artista folo malaza indrindra hatramin'izay ny Apple Music. Ahasikasin'ity fisantaran'andraikitra ity ireo Nizeriana artista nahomby teo amin'ny sehatra fandefasana mivantana ankihy, mampiseho ireo artista nizeriana sy rakikira nandeha mivantana ankihy imbetsaka indrindra. Ny “Made in Lagos” an'i Wizkid no nandray ny toerana tampony, narahin'i Burna Boy akaiky manana rakikira efatra ao anaty lisitra.

Nihalehibe ny sehatrasan'ny mozika ao Nizeria tao anatin'ny folo taona ary lasa iray amin'ireo sehatra mavitrika indrindra ao amin'ny firenena, mitondra vola mihoatra ny 2 miliara dolara isan-taona ho an'ny toekarem-pirenena. Amin'ny vinavina, antenaina hahatratra 12,9 miliara dolara be izao izany amin'ny taona 2027, araka ny tatitry ny PriceWaterhouseCoopers.

Toy izany koa, mamorona asa an-tapitrisany, indrindra ho an'ny tanora Nizeriana i Nollywood, indostrian'ny sarimihetsika faharoa lehibe indrindra eran-tany, izay mamokatra mihoatra ny 660 tapitrisa dolara US isan-taona.

Na dia eo aza ny fahasarotana ara-toekarena ao amin'ny firenena, mijanona ho fanilon'ny fanantenana ho an'ny firenena be mponina indrindra ao Afrika ny sehatrasa famoronana ao Nizeria.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.