
Toeram-pandevenana Bab Al-Nasr. Saripikan'i Islam Youssef, nahazoana alalana.
Nosoratana sy navoakan'i Hassan Hafiz tao amin'ny Welad El Balad tamin'ny teny Arabo ity tantara ity ny 6 Aogositra 2024. Nadikan'i Walid El Houri tamin'ny teny anglisy ary navoaka Global Voices noho ny fifanarahana fiaraha-miasa.
Taona vitsivitsy izay, nanjary mitovy amin'ny famotehana ny ampahany amin'ny harem-bakoka ara-kolontsaina ao an-tanàna ny teny hoe “fampandrosoana” ao Kairo tranainy. Rehefa miditra ny bulldozers dia tsy tranobe ihany no very – votsotra koa ny sombintsombin-tantara, ny diam-piainana, ary sisan'ny sivilizasiona arivo taona. Amin'izao fotoana izao, kinendrin'ny tetikasa fampandrosoan'ny governemanta ny toeram-pandevenana Bab Al-Nasr, iray amin'ireo toeram-pandevenana tranainy indrindra mijoro ao Kairo, naorina 900 taona mahery lasa izay. Miatrika ny fandravana toy ny hafa teo aloha ity toeram-pandevenana ity, hanaovana toeram-piantsonana misy rihana maromaro ho an'ny mpizaha tany, fanapahan-kevitra izay niteraka hatezerana teo amin'ny mpikajy toerana sy ny mpahay tantara.
Efa ilevenan'ny taranaky ny mponin'i Kairo maro mifandimby ny toeram-pandevenan'i Bab Al-Nasr, akaikin'ny manda avaratr'i Kairo. Fa maneho fironam-pampandrosoana an-tanàndehibe maoderina ny fanapahan-kevitra handrava ampahany be amin'ity toeram-pandevenana ity — izay mametraka ny vakoka ho toy ny sakana. Namoaka vao haingana ny drafi-pivoarana goavana mikendry ny “hanova tanteraka ny renivohitra” ny Jeneraly Jeneraly Ibrahim Abdel Hady, governora lefitry ny faritra andrefan'i Kairo. Anisan'izany, niteraka fanairana ny fanesorana ny ampahany be amin'ny toeram-pandevenan'i Bab Al-Nasr. Ny tena manahiran-tsaina dia ny tsi-fisian'ny fanomanana hadihady arkeolojika mba hahazoana antoka fa voaaro ireo vakoka manan-danja, izay mety hilevina ambanin'ny fasana. Mendrika mihoatra fanosihosen'ny bulldozer tsy misy fiheverana ny lanjany ny fototra ara-tantaran'i Kairo, nipetrahan'olona an'arivony taona.

Toeram-pandevenana Bab Al-Nasr. Sarin'Islam Youssef, nahazoana alalana.
Mitaky famafana ny toeram-pandevenana hananganana garazy toeram-piantsonana ny drafi-pampandrosoana. Mandrakotra 212.000 metatra toradroa ahitana fasana maherin'ny 1.170, ambanan'ity tetikasa ity hofafana ny toko iray manan-danja amin'ny vakok'i Kairo. Efa nivoaka ny didim-panjakana, mampiato ny fandevenana sy manomboka amin'ny famindràna fasana. Efa nafindra tany amin'ny toeram-pandevenana hafa ao Al-Khalideen, faritra fandevenana vaovao, ny sisa tavela amin'ny olomaty 200 eo ho eo.
Fandravana kolontsaina
Tsy vao sambany kosa anefa ity fanitsakitsahana toeram-pandevenana ity. Tao anatin'ny roapolo taona izay, toeram-pandevenana maro manerana an'i Kairo no nesorina hanomezan-toerana fotodrafitrasa. Nisy fasana maromaro nesorina tamin'ny taona 2020 hanaovana ny lalana Salah Salem, lalan-dra lehibe amin'ny tambazotram-pifamoivoizan'i Kairo, anisan'ny noesorina tamin'izany ireo tao amin'ny fasan'i Turbat Al-Ghafeer teo akaiky teo. Lasibatry ny fampandrosoana vao haingana koa ireo toeram-pandevenana manan-tantara hafa, toa an'i Sayyida Nafisa sy Al-Tunsi. Vokatr'izany, maro amin'ireo fasana manan-tantara ao Kairo no very noho ny hetsiky ny governemanta mamotipotika ireo vakoka tsy misy fiahiana fiantraika ara-kolontsaina.
Manana ny lanjany manokana ny fasan'i Bab Al-Nasr tsy noho ny taonany ihany, fa noho ny lanjany ara-tantara. Niorina tamin'ny fitondran'i Badr Al-Jamali ilay vizir Fatimid mahery, izay nalevina tao tamin'ny taona 1094, izy io. Lasa toerana ifantohana nahatonga ny fivoaran'i Bab Al-Nasr ny fasany. Nanoratra momba ity fasana ity ireo mpanoratra tantara toa an'i Al-Maqrizi, ilay mpahay tantara lehibe ao Kairo, izay nanome antsika ireo tsikaritra momba ny fiforonany sy ny lanjany. Nanamarika i Al-Maqrizi fa naorina taorian'ny nandevenana an'i Al-Jamali ireo fasana voalohany ivelan'i Bab Al-Nasr, ary niitatra tsikelikely tao anatin'ny taonjato maro ny toeram-pandevenana, nanitrihana ny sasany tamin'ireo olo-malaza indrindra amin'ny fianarana sy ny fitantanana Islamika.
Anisan'ireo nalevina tao amin'ny toeram-pandevenan'i Bab Al-Nasr ireo mpampianatra manandaza tahaka an'i Abu Hayyan Al-Gharnati, ilay mpahay fitsipi-pitenenana sy teny, sy ny mpianany, Ja’far Al-Adfawi, nanoratra an'i “Al-Tali’ Al-Sa'id Al-Jami’ Li-Asma’ Nubala’ Al-Sa'id” (Ny vokatra tsara nanangonana ny anaran'ireo oloben'i Ejipta ambony). Nanorenana ny fasan'i Ibn Hisham, iray amin'ireo mpahay fitsipi-pitenenana manan-danja indrindra amin'ny fiteny Arabo, sy Taqi Al-Din Al-Subki, ary i Ibn Khaldun, mpahay tantara malaza koa ny toeram-pandevenana. Angamba ny malaza indrindra milevina ao dia i Taqi Al-Din Al-Maqrizi, ilay mpanoratra tantara lehibe indrindra an'i Kairo. Tsy hetsika fandravana hita vatana fotsiny (noho izany) ny fandravana ireo fasana ireo fa famotehana ara-kolontsaina koa, fanapahana ny fifandraisan'i Kairo amin'ny tantarany taloha.
Rafi-panorenana tsimanampaharoa
Iray amin'ireo fanamarinana miverimberina amin'ny fandrodanana toy izany ny maodernizasiôna. Tany am-piandohan-taompolo 2000, naravona ampahany hanitaran-dalana ny ampahany amin'ny toeram-pandevenan'i Bab Al-Nasr, lalana noheverina hampifandray an'i Al-Darb Al-Ahmar amin'i Bab Al-Shaariya. Nandeha ny tsaho fa anisan'ny horavàna ny “Hawsh al-Sufiyya”, ilay ampahany nandevenana an'i Ibn Khaldun sy Al-Maqrizi. Na dia an'ny olo-manan-danja maneran-tany aza ireo fasana ireo, dia niroso ny tetikasa, namotipotika ny iray amin'ireo toerana manan-tantara masina indrindra ao Kairo.

Toeram-pandevenana Bab Al-Nasr. Saripikan'i Islam Youssef, nahazoana alalana
Tsy vitan'ny hoe manimba ny fasana ity ambana farany amin'ny toeram-pandevenan'i Bab Al-Nasr ity, fa manohintohina ny fifandanjana marefo amin'ny endritany an-tanandehiben'i Kairo. Ao amin'ny tanàna feno tantara toa izao, dia mety hampidi-doza ny toerana ara-kolontsaina iray izay rehetra mety ho tetikasa fampandrosoana. Iray amin'ireo mari-pamantarana manan-danja ao Bab Al-Nasr ny fasan'i Zaynab binti Ahmad ibn Muhammad ibn Abdullah ibn Ja'far ibn Al-Hanafiyya, izay fanta-bahoaka amin'ny anarana hoe “Maqam an'i Al-Sitt Zaynab.” Misompirana amin'ny fasany no misy ny dome an'i Sheikh Younis Al-Sa'di, fantatra ara-tantara ho dome (tafo boribory) an'i Badr Al-Jamali. Niaritra taonjato maro ireo rafitra tsy fahita firy ireo ary natao ho vatofantsiky ny mpahay tantara sy ny arkeology, izay manampy amin'ny famantarana ireo toerana manan-tantara hafa. Midika ho famoizana mihoatra lavitra noho ny tafo boribory roa fotsiny ny fahapotehan'ireo — midika ho fikosehana ireo fanondroan-toerana fototra ao amin'ny fitantarana ara-tantaran'i Kairo izany.
Efa nasehon'ny asan'ny manam-pahaizana toa an'i Dr. Galila El-Kadi sy Alain Bonamy ny hasarobidy ara-javakanto sy ara-mari-panorenana ny Toeram-pandevenan'i Bab Al-Nasr. Tao amin'ny voka-pikarohany mitondra ny lohateny hoe “Mari-panorenan'ny Maty: Toeram-pandevenan'i Kairo tamin'ny Vanimpotoana Antenantenany”, dia notondroin-dry zareo ho “Toeram-pandevenana Feno Ala” i Bab Al-Nasr, ary nanamarika ireo fefy hazo manodidina ny fasana — songadina miavaka amin'ity toerana ity. Tsy fahita firy sady tsy ho voasolo ny karaza-maritrano toa izany, ka mitaky fikolokoloana izany fa tsy fandravana.
Tombony fohy ezaka
Mbola marefo kokoa noho ny taloha ny toeram-pandevenan'i Bab Al-Nasr amin'izao fotoana. Fandevenana midadasika niitatra hatrany amin'ny tanihain'i Redanianina taloha izy no voafehin'ny fiitaran-tanàn-dehibe saika amin'ny lafin-tany rehetra ankehitriny. Aloky ny taloha sisa ny kely tavela, ary hamafa azy tsy ho eo amin'ny endritanin'i Kairo ny mbola hanosihosena azy bebe kokoa. Ao anatin'izao fotoana tena mampakatra avo indrindra ny fanentanana maneran-tany hiarovana ny vakoka izao, tsy ilaina ny mbola ialana tsiny amin'ny mbola hamotehana an'i Bab Al-Nasr amin'ny anaran'ny maodernizasiôna. Tsy vitan'ny hoe hanimba ny hatsaran'ny rindrina avaratr'i Kairo sy ny vavahadiny manan-tantara ilay tolotra hametraka fiantsonan'ny fiara fa hampitombo ny loto sy ny fihovitrovitra ao amin'ilay faritra ihany koa, izay mampidi-doza ny fahafahan'ny rafitra tranainy eo akaiky eo mitombina tsara.
Tsy voatery handravàna vakoka ny fampandrosoana. Ao amin'ny tanàna toa an'i Kairo, manankarem-bakoka ara-tantara, tsy maintsy ampiarahana miaina izy roa. Fanapahan-kevitra manao ho laharam-pahamehana ny tombony ara-pizahantany ao anatin'ny fotoana fohy mihoatra noho ny fikolokoloana ny toerana iray vakoka maneran-tany ny fanesorana ny toeram-pandevenan'i Bab Al-Nasr havadika ho garazy fiantsonam-piara. Raha mbola irosoana ity tetikasa ity, dia tsy ny toeram-pandevenan'i Kairo ihany no milevina – fa ny fanahin'ny tanàna, very nohitsahin'ny kodiaran'ny maodernizasiôna.