Amin'ny alàlan'ny “hetsika VAT”, mitondra adihevitra momba ny fampihenana ny ora fiasàna ry zareo Breziliàna

zavakanto nataon'ny Global Voices

Novelomin'i Rick Azevedo ny fakantsary tamin'ny findainy, nandritra ny iray minitra sy fito segondra, ary dia niresaka izy momba izay nahatezitra azy nanoloana ny fandaharam-potoanan'ny asa mandrerak'aina manery ireo mpiasas hiasa valo ora isanandro, enina andro isankerinandro, ary andro iray monja no hialàna sasatra.

“Tsy mitsahatra ny miasa loha aho, olona miaina irery aho, tsy manan-janaka, ary tsy afaka hanao na inona na inona. Dia mba azonareo an-saina ve ny olona iray manan-janaka, vady, trano mila karakaraina? Mba tiako ho fantatra hoe rahoviana isika, sarangan'ny mpiasa, no hitroatra hanohitra io fanandevozana efa lany andro antsoina hoe herinandron'asa 6/1 io?,” hoy izy tanaty fandefasana nivantana tamin'ny 12 Septambra.

Toy ny antso handraisana fiadiana no niheveran'ny ankamaroan'ireo mpampiasa aterineto ny lahatsary nalefany. Herintaona taorian'io, ilay lahatsary nalefa tao amin'ny TikTok ny ampitson'izay, dia nahazo mpijery nihoatra ny 1 tapitrisa ary niteraka hetsika iray tao Brezila, nantsoina hoe VAT — fanafohezana ny teny pôrtiogey midika hoe Vida Além do Trabalho na “Aina ambony noho ny Asa.”

Ezahan'ilay hetsika ny hankahatra ireo lalànan'ny asa ao amin'ny firenena, izy mametraka ny ora fiasàna ho valo ora isanandro, miampy ora efatra rehefa Sabotsy, izany hoe asa maharitra ora 44 isankerinandro. Amin'ny ankapobeny io dia mifanandrify amin'ny karama farany ambany izay BRL 1,412 (manodidina ny 250 dôlara amerikàna) ao Brezila.

Ireo mpiasa anaty orinasa, toy ny varotra, ny trano fisakafoanana, trano lehibe fivarotana, ny “call centers”, ankoatra ireo tolotra hafa, dia toa samy iharan'io karazana fandaharam-potoana io daholo. Manana ny mampiavaka azy ihany ny sokajy sasany ary manana ny fomba fiasa azy ireo manokana.

Anatin'ny faritra natao ho an'ny fanehoankevitra amin'ilay lahatsarin'i Azevedo, mpanaraka iray no nilaza fa “Raha ny mahazatra, dia ny Alahady no andro fitsaharanao, ary tsy afaka maka fotoana handehanana hitsabo tena na ho any amin'ny mpitsabo nify ianao, na mamaha olona na inona na inona,” hoy kosa ny sasany nitaraina, “Halako izao; tahaka ny hoe trohana izany ny aiko.” Mpampiasa iray hafa no nanipika fa lazain'ny olona ho kamo ianao raha tsy tia io fandaharam-potoana natao hiasàna io satria “heverin-dry zareo fa voajanahary ny mamoy ny ainao ho ana orinasa iray.”

Azevedo izy tenany, 30 taona, dia niasa nandritra ny 12 taona teo ambanin'ilay herinandron'asa 6/1 nitazona toeram-pivarotana fanafody, araka ny nozarainy tao anatin'ilay rakipeo Lado B do Rio. Manamafy izy fa ny rotoroto no nampaharary azy, niteraka rarintsaina sy tebiteby, ary nanakana azy tsy ho afaka nianatra na nanao zavatra hafa afaka hanampy azy mba hampivelatra  ny asany.

Nambarany fa tsy maintsy nandao io karazana asa io izy nandritra ny fotoana fohy, saingy ny Jolay 2023  dia niverina indray satria tsy nanana safidy hafa. Kivy noho ny toejavatra mahazo azy, novelominy ny fakantsariny mba hiraketana ilay lahatsary izay nitondra fankatoavana azy ary nanampy nanentana hetsika iray.

Ny 6 Ôktôbra i Azevedo dia voafidy ho ao anivon'ny Mpanolotsain'ny Tanànan'i Rio de Janeiro niaraka tamin'ny antoko PSOL (Antoko ho an'ny Sôsialisma syny Fahalalahana), ilay antoko pôlitika misy an'i Marielle Franco, ilay mpanolotsaina maty nisy namono tamin'ny 2018 taorian'ny niatrehany sy niampangany ireo vondrona mitam-piadiana ivelan'ny tafika ao an-toerana.

Rick, izay nahazo vato 29.364, dia hiaraka hiasa izao  amin'ny vady navelan'i Marielle, Monica Benicio.

Ny VAT sy ny lalàna

Rick Azevedo, solontenan'ny hetsika VAT, sy ilay mpikambana avy amin'ny Kaongresy, Erika Hilton, nandritra ny fihaonana niarahana tamin'i Luiz Marinho, minisitry ny asa sy ny fampananana asa. Saripika: Allexandre dos Santos Silva/MTE

Anatin'ny trakta avy amin'ny VAT dia milaza ry zareo fa miady ho amin'ny fampihenàna ny ora fiasàna tsy asiana fampihenana karama na ny zo mifandraika amin'ny asa. Mitantana fantsona Telegram iray ihany koa ry zareo izay andraisana ny fijoroana vavolombelon'ireo mpiasa.

Ho famaliana ny mpanjohy iray tao amin'ny X (Twitter taloha) izay niteny fa tsy ahafahany manova ny fepetra momba ny asan'ireo mpiasam-bahoaka raha ny fahefàna ananany amin'ny maha-mpanolotsain'ny tanàna azy, dia nizara i Azevedo hoe nandrafitra “PEC” iray izy — tolodalàna iray hanovàna ny Lalampanorenana — niaraka tamin'ilay ramatoa mpikambana ao amin'ny Kaongresy, Erika Hilton (avy amin'ny PSOL ihany koa). Tamin'ny volana May ilay tolodalàna no nambaran'i Hilton, ary ilàna sonia maromaro avy amin'ireo parlemantera izy io.

Mbola tamin'ny May ihany koa, Hilton sy Azevedo dia nihaona tamin'i Luiz Marinho, minisitry ny asa sy ny fampananana asa ao anivon'ny governemantan'i Luiz Inácio Lula da Silva (PT, antokon'ny mpiasa), ary nanolotra azy ny fangatahana avy amin'ilay hetsika sy ny dika avy amin'ireo fanangonantsonia nalefa ho an'ny kaongresy nasiônaly.

Tamin'ny tapaky ny Ôktôbra 2024 ilay fanangonantsonia dia nahavory sonia niisa 1.329.085 ary lasa antso iray hiresahana ny fanantsaràna ny fepetram-piasàna ho an'ireo breziliàna. Isan'ny ao anatin'ireo tolokevitra ny famerenana mandinika ilay lasitra fiasàna 6/1 sy fandaharam-potoana mifandanja kokoa, ny adihevitra andraisan'ny daholobe anjara momba ny lalàna mifehy ny asa ary ny fomba hanatsaràna ny fepetra efa misy ankehitriny, ny pôlitika hiantohana ny zon'ny mpiasa hahazo fotoana fialantsasatra, ny fahazoandàlana ho an'ny ray aman-dreny ary famerana ny ora ambony ampanga.

Ny CLT (Consolidation of Labor Law), lalàna breziliàna mifehy ny asa, dia efa nampiasaina nandritra ny 80 taona mahery, saingy nandalo fanavaozana izy io tato anatin'ny taona vitsivitsy lasa.

Tamin'ny 2017, nandritra ny fitondran'i Michel Temer, izay nanomboka taorian'ilay fitsipaham-pitokisana nahazo ny filoha Dilma Rousseff (izay avy amin'ny Antokon'ny Mpiasa ihany koa), dia nisy fanavaozana naroso ho an'ny lalàna mifehy ny asa. Io no nanova ny fepetra CLT sasantsasany, isan'izany ny fanaovana ny fandrotsahana latsakemboka sendikaly ho safidy, ny nahafahana nitsinjara ho telo ny fotoana fialàna sasatra ary ny fanitàrana ny ora fiasàna ho 12 ora, arahana 36 ora hialàna sasatra aorian'izay.

Ilay lazaina ho Lalànan'ny Fanapariahana, natsofoka hanan-kery tamin'io taona io ihany, dia nanitatra ny faharetan'asa nahazoana alàlana ho an'ireo asa tselika sy nahafahan'ireo mpampiasa handray mpiasa ho an'ireo asa fototra ataon-dry zareo ao anatin'io rafitra io.

Ny CLT dia nataon'i Getúlio Vargas sonia tamin'ny 1943, nandritra ny vanimpotoana jadona teo ambany fitondran'ny Fanjakana Vaovao, izay voapetraka taorian'ny fanonganam-panjakana, nitarika ho amin'ny fankatoavana azy tsy nampandalovina tany amin'ny kaongersy nasiônaly akory. Nanomboka teo ireo mpiasa dia nisitraka ora fiasàna valo ora isanandro, andro fitsaharana isankerinandro andraisna vola, fiarovana manoloana ny fandroahana sy fiantohana noho ny tsy fanànana asa, ankoatra ireo zo hafa. Nandritra ny fotoana vitsivitsy dia nambara fa avy amin'ilay Carta del Lavoro an'ilay fasista Benito Mussolini tao Italia no niaingan'ny aingampanahy, saingy lazain'ny sasany ho anganongano izany.

Ao Brezila, toy ny any amin'ireo firenena hafa, marobe ny olona no miatrika fepetran'asa tsizarizary noho ny  tsy fahamarinan-toeran'ireo lalàna mifehy ny asa sy ny fitomboan'ny “gig economy.” Nitarika ho amina fitomboana be tamin'ny isan'ireo olona izay nitsahatra tsy nitady ireo asa nahazatra izany — 1,46 tapitrisa lasa 4,98 tapitrisa teo anelanelan'ny 2014 sy 2019, araka ireo angondrakitry ny  IBGE (Ivontoerana breziliàna momba ny jeôgrafia sy ny antontanisa).

Ny masoivohom-baovaon'ny antenimeran-doholona dia manamarika fa efa hatramin'ny 1995 no nodinihan'ny kaongresy nasiônaly ilay tolodalàna ho fampihenana ny ora fiasàna, saingy toa tsy nisy ny fiovàna raha tsy tamin'ny taona lasa. Tamin'ny Desambra 2023, nisy tolodalàna iray nolaniana teny anivon'ny iray tamin'ireo vaomiera, natao hampidirana ao anatin'ny CLT ny mety ho fampihenàna ny ora fiasàna tsy asiana fampihenana karama, raha toa izany ka voafaritra anaty fifanarahana iombonana mialoha.

Ny loholona Paulo Paim (PT), izay niasa ihany koa tamin'ilay tolodalàna tamin'ny 1990s , miteny hoe:

É preciso que todos entendam que a redução de jornada só representará uma vitória se for fruto de um grande entendimento não só no Congresso e no Executivo, mas também entre empregados e empregadores. Esse entendimento é que aponta caminhos, pois o país que queremos está baseado na humanização da relação de trabalho.

Ilaina ny hahatakaran'ny rehetra fa ny fampihenanan ny ora fiasàna dia tsy ho fandresena raha tsy hoe vokatry ny fifanarahana goavana, tsy ao anivon'ny kaongresy sy ny mpanatanteraka ihany, fa koa eo amin'ny mpikarama sy ny mpampiasa. Io fifanarahana io no hilaza amintsika ny zotra ho arahana, satria ny firenena iriantsika dia mifototra amin'ny fametrahana fifandraisana arak'asa manaja ny maha-olombelona.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.