
Sary namboarin'ny Global Voices. Saripika an'i Jose R. Zamora ao amin'ny Wikimedia Commons (CC BY 4.0 DEED)
Ity tantara ity dia nosoratan'i Simón Antonio Ramón tao amin'ny Prensa Comunitaria tamin'ny 14 May 2024. Dika iray nasiam-panovàna no averin'ny Global Voices avoaka etoana eo ambanin'ny fifanarahana iray hifampizara votoaty.
[Raha tsy asiana fanamarihana dia mitondra ho amina pejy amin'ny fiteny espanôla ny rohy ato anaty lahatsoratra]
Ireo mpikambana ao anatin'ny Filankevi-pitantanan'ilay Orina natsangan'i Gabriel García Márquez, ilay mpanao gazety efa nodimandry, mpanoratra ary efa nahazo ny loka Nobel, dia nanolotra ny loka Gabo 2024 ho an'ny Asan-Gazety Mendrika indrindra ho an'ilay Goatemalteka mpanao gazety, Jose Rubén Zamora Marroquín.
Hitan'ireo 13 mpanao gzety, mpanoratra ary mpikaroka ao amin'ny Filankevi-pitantanan'ny Orina Gabo fa i Zamora no toy ny “filamatra amin'ny asa fanaovana gazety fanadihadiana ary mety ho ny mariky ny ady amin'ny kolikoly ao anatin'ny asa fanaovana gazety ao Amerika Latina”.
Ilay fanapahankevitra dia noraisina ihany koa noho “ny asa matianina mafy sy feno fahasahiana vitany nandritra ny telopolo taona mahery, izay ny tena tanjona fototra dia ny hampibaribary ny kolikoly sy ny fanitsakitsahana zon'olombelona mikiky an'i Goatemalà, izay antony nampidirana azy am-ponja nandritra izay herintaoana sy valo volana lasa izay,” hoy ny fampitam-baovaon'ilay Orina.
“Ny fankasitrahana atolotra androany ho an'i Jose Rubén Zamora dia mandeha mihoatra lavitra noho ny maha-olona azy. Izy no mariky ny kihon-dàlana saropady lalovan'ny demaokrasia ao Goatemalà sy ireo firenena hafa ao Amerika Latina,” hoy ny nambaran'ny Filankevi-pitantanan'ny Orina Gabo.
🏅 #Ahora 🏅Jose Rubén Zamora (@ChepeZamora) es galardonado con el Reconocimiento a la Excelencia del #PremioGabo 2024.
👏🏽El periodista y fundador de @elperiodico cumple este 14 de mayo 655 días en prisión desde que el MP de Consuelo Porras le sometiera a un proceso judicial… pic.twitter.com/Gdk1XsH3km
— Prensa Comunitaria Km169 (@PrensaComunitar) May 14, 2024
#Notolorana ny maripankasitrahana ho an'izay Mendrika Indrindra #PremioGabo 2024 i Jose Rubén Zamora (@ChepeZamora).
Ny 14 May teo, nahavita 14655 andro tany am-ponja ilay mpanao gazety sady mpanorina ny @elperiodico rehefa nametrahan'ny biraon'ny fampanoavana ao Consuelo Porras fanenjehana ara-pitsaràna.
— Prensa Comunitaria Km169 (@PrensaComunitar) 14 May 2024
Ny Loka Gabo dia hetsika iray fanao ao Medellín Kôlômbia hatramin'ny 2014 ary ilay Kôlômbiàna mpanao gazety sady nahazo ny Loka Nobel ho an'ny literatiora, Gabriel García Márquez, no namorona azy. Araka ny tranonkalany, izy io dia manolotra “lasitra sy fanondroana ho an'ny asa fanaovana gazety Ibero-Amerikàna”, mba handrisihana “ny fitadiavana ny fahamendrehana, ny fanavoazana, ny fahamatorana ary ny firindràna manaraka etika eny anivon'ireo mpanao gazety sy mpampahalala vaovao miasa amin'ny fiteny espaniôla sy pôrtiogey”.
Manao gazety ao anatina toejavatra tsy refesimandidy
Tamin'ny 1956 ny mpanao gazety Jose Rubén Zamora no teraka tao Goatemala. Zafikelin'i Clemente Marroquín Rojas, mpanorina ilay gazety La Hora, izay efa 104 taona mahery lasa izay no namoronana azy. Injerniera indostrialy izy ary, teo anelanelan'ny 1988 sy 1989, mpitantana ny fandaharana fanolorana vaovao tao amin'ny TV Siete Días. Tamin'ny 1990 izy no nanorina ilay gazety Siglo Veintiuno izay efa tsy misy intsony ankehitriny.
Tamin'ny 1996 izy no nanorina ny gazety elPeriódico, izay izy no nitarika azy mandra-pikatony tamin'ny May 2023, taorian'ny fanakendàna ara-bola nataon'ny governemantan'i Alejandro Giammattei taminy.
Noho ny asa fanaovany gazety mampibaribary ny kolikoly ataon'ireo manampahefana dia naharay fandrahonana izy sy ny ankohonany, ny sasany tamin'ireny dia toa misy ifandraisany amin'ireo heloka bevava voarindra.
Tamin'ny 1993, niatrika ny sivana an-gazety izy nandritra ny fitondràn'ny governemantan'i Jorge Serrana Elías sy ny fanonganan-tenany izay fantatra ihany koa amin'ny hoe “Serranazo”. Tamin'izany fotoana izany, nosoloin'i Zamora ny anaran'ny gazety an-tsoratra notarihany, Siglo XXI, natao hoe Siglo XIV, ho entina manondro ny vaninandron'ny Moyen Age sy ny fihemorana naterak'ireo fepetra natao ho an'ny fahalalahana maneho hevitra.
Nandritra ny fitantanan'i Ramiro De León Carpio, tamin'ny 30 Aogositra, andro nahaterahany, notifirin’ andian'olona 12 tsy fantatra izy teo anoloan'ny Hospicio del Tío Juan, tao amin'ny Zone 10 ao Guatemala City.
Nandritra ny fitondran'i Alfonso Portillo, ny Jona 2003, nisy olona 12 nirongo fiadiana, izay fantatra taty aoriana fa mpikambana avy amin'ny olon'ny fiadidianan'ny lapam-panjakana, nanao bemidina tany an-tranony nandritra ny ora roa. Nanao herisetra tamin'ireo zanany ihany koa ireo, ary taty aoriana dia nandao ny firenena ny fianakaviany.
Nisy tranga iray nitovitovy tamin'izany ihany nitranga tamin'ny 2008, saingy nandritra ny fitondran'i Álvaro Colom. Tao anaty antsafa iray niarahany tamin'ny trano famoahambaovao Plaza Pública, nolazain'i Zamora fa nisy naka an-kery izy, olona voakaraman'i Carlos Quintanilla, lehibe fahiny tamin'ny fiarovana an'i Colom.
Fa tamin'ny fitondran'i Otto Pérez Molina no nanomboka ny fanasemporana ny gazetiny. Mba handonana azy ara-bola dia notsoahan'ilay filoha teo aloha ny fifanarahana dokambarotra nifanaovan'ny governemanta taminy.
Tamin'ny 2023, notsoahan'ny filoha Alejandro Giammattei tanteraka ireo dokambarotra, isan'izany koa ireo vondron'olona mpanao fandraharahàna izay, toa hoe noho ny fandrahonana, dia nanàla ny habaka dokambarotra nifanarahany tamin'ny elPeriódico.

Saripikan'i Emmanuel Andrés, nahazoana alàlana.
Loka maro noho ny asa vitany teo amin'ny fanaovana gazety
Tamin'ny 1995, natolotra azy ny Loka María Moors Cabot sy ny Loka Iraisampirenena ho an'ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety, avy amin'ny Vaomiera Mpiaro ny Mpanao Gazety (CPJ) noho ny nampibaribariany ireo fifandraisana feno heloka bevava nifamatorana tamin'ny fahefàna mpitantana. Tamin'ny 2000 izy dia iray tamin'ireo tafiditra tanaty lisitry ny “50 Maherifo erantany ho an'ny Fahalalahana Maneho Hevitra” nataon'ny Ivontoerana Erantany ho an'ny Asa Fanaovana gazety.
Tamin'ny 30 Novambra 2021, andro erantany ho an'ny mpanao gazety, ny fikambanan'ireo mpanao gazety ao Goatemalà (APG) dia nanome voninahitra azy amin'ny maha-mpanao gazety azy. Tamin'izay andro izay dia nankasitraka haino-vaky-jery sy mpanao gazety maro hafa ihany koa izy ireo.
Fanenjehana ara-pitsaràna
Ny 29 Jolay 2022, noho ny didy navoakan'ny mpitsara Fredy Orellana, niainga avy amin'ny fitorian'ny (FECI) – birao miady amin'ny tsimatimanota ao amin'ny Fampanoavana Manokana, dia nosamborina izy. Nampangaina ho nanao famotsiambola, maka vola tsy ara-dalàna, ary nanararaotra fahefana i Zamora. Ny 14 Jona 2023, voasazy enina taona izy noho ilay heloka famotsiambola, izay nofoanan'ny fitsaràna mpandrava didy taty aoriana kely. Tsy mbola voatondro ny andro hanaovana fitsaràna vaovao.
Manana tranga roa hafa misokatra izy: ny iray, ny fanelingelenana raharaham-pitsaràna tamin'ny namoahany lahatsoratra momba ny raharahany tao amin'ny El Periódico, izay nangatahan'ny FECI hanaovana fanadihadiana momba azy, sy mpanao gazety dimy hafa ary olona telo mpanoratra famakafakàna. Ny raharaha iray hafa dia momba ny lazaina fa fanaovana sonia hosoka tamin'ireo fanambaràna fifindràmonina.
Andro iray talohan'ny fihainoana azy no tonga ity fanambaràna fanomezana loka ity, fotoam-pitsaràna hitakiany amin'ny fitsaràna ny famotsorana araham-pepetra. Io andro io ihany koa no manamarika ny tsingerintaona voalohan'ny nanakatonana ny gazety elPeriódico.
Samy manameloka ny fanitsakitsahana tsy mitsahatra ny zo maha-olona azy sy ireo fepetra tsy araka ny maha-olona itazonana azy ireo fikambanana erantany sy ao an-toerana. Nangatahan-dry zareo ny governemanta mba hiantoka ny fiarovana ny zony sy ny fahalalahana maneho hevitra ao Goatemalà.