
Sary nivantana avy eny ambony helikôptera nalefan'ny TV, nahitàna soavaly tafahitsoka niezaka ny hiala amin'ilay tondradrano tao Brezila. Saripika an'ny Globonews, nokirain'ny Global Voices.
Nalefa nivantana tao amin'ny fahitalavitra breziliàna ny sary avy amin'ny kameràn'ny helikôptera iray nijery ny faritra manodidina tondraky ny rano tao amin'ny tanànan'i Canoas, rehefa tonga teo amin'ilay ampahany nisy soavaly iray tafahitsoka teny ambony tafontrano — faritra hany sisa hita ety ambony rano tamin'ilay trano. Sarotra ny hanombana ny haavon'ilay trano, ny halavan'ilay hazo eo ankavanana, na ny halalin'ny ao ambany rano ao amin'ny fijerena maso fotsiny. Nandritra ny fotoana fohy nakàna sary azy, mbola nijoro ihany ilay soavaly — marefo, reraka, saingy miaritra anefa.
Canoas dia any amin'ny faritra be mponina ao Porto Alegre, renivohitr'i Rio Grande do Sul. Izy no iray amin'ireo tanàna tena voa mafy indrindra ao amina fanjakana iray izay naharaketana ireo tanàna 469 amin'ireo 497 tra-boina hatramin'ny 24 May. Toy ny fidaboky ny daomy no nandravan'ny rano tondraka ireo tanàna tany hatramin'ny andro farany tamin'ny volana Aprily, izay namely mafy kokoa tamin'ny 4 May. Raha kely indrindra, olona 163 no maty vokatr'ilay loza voajanahary, 63 tsy hita popoka, nisy 581.638 no nafindra toerana ary 2,3 tapitrisa no traboina.
Ny 8 May maraina, tamin'ny 0.35 ora, fotoana nakàn'ilay kamerà sary an'ilay soavaly, toa efa andro fahefatra ho azy nijoroany teo an-tafontrano io, tsy nihinana tsy nisotro rano; zara raha mihetsika izy, miezaka ny tsy hivena. Vao avy naharaketana fahafatesan'olona 100 indrindra tao amin'ilay fanjakàna. Ny tanàna sasany efa voafàfa tsy hita anaty sarintany, raha ny hafa indray mbola any anaty rano, ka mampananosarotra ny fikajiana ny fahazoavana.
Vetivety dia lasa iraka miankina aman'aina ny fanavotana ilay soavaly, niteraka antso vonjy niparitaka tamin'ny media sôsialy ary nahavory olona an'arivony maro nanatevina laharana azy. Olona iray mpitarikevitra no niezaka nizara ireo hevitra momba ny famonjena biby mavesatra mandritra ny tondradrano, raha ny hafa indray nikaroka ny tohana ara-bola hanofàna helikôptera.
Eu tô muito emocionado de verdade, esse cavalo tá sendo um verdadeiro símbolo de resistência, tá lutando pela vida há 5 dias paralisado, assustado, com fome e sede. Totalmente cruel e desumano, ELE PRECISA SER RESGATADO!
#SalvemOCavaloDeCanoas pic.twitter.com/f9pdOoG8KR— JV🧣 (@jvve31) May 9, 2024
Tena tohina aho, tena mariky ny fiaretana toko io soavaly io, niady ho an'ny ainy izay ngoly nandritra ny dimy andro, natahotra, noana sy nangetaheta. Tena loza be sy tsy araka ny maha-olona, MILA VONJENA IZY! #SalvemOCavaloDeCanoas pic.twitter.com/f9pdOoG8KR
— JV🧣 (@jvve31) 9 May 2024
Saingy ho an'ireo mponina tao Rio Grande do Sul, mbola nisy sosony hafa. Miray sisintany amin'i Arzantina sy Orogoay ny fanjakana faran'ny atsimo ao Brezila, ary hatramin'ny fahazàrany misotro mate/chimarrão, fombandrazana mifàka lalina amin'ny tany, ny asa eny ambanivohitra ary ny soavaly.
Manana ny taranaka bibiny manokana ilay faritra, ny Crioulo or Criollo, ny soavalin'i pampas, taranak'ireo soavaly avy any Andalozia sy Berber izay ireo Espaniôla no nampiditra azy tany Amerika Atsimo. Sarotra ny hahita na haneho sary fahizain'ireo gaúchos ka tsy ahitàna soavaly eo anilany.
Talohan'ilay loza voajanahary mahatsiravina amin'izao fotoana izao, izay nitatra ho any amin'ireo tanàna hafa taorian'ny fiandohan'ny May, niaina andiany 10 tamina oram-batravatra ilay faritra, araka ny nambaran'i Rodrigo Manzione, manampahaizana iray avy amin'ny Unesp (oniversitem-panjakana ao São Paulo). Tamin'ny 2023 fotsiny, olona 80 no maty tao amin'ilay fanjakàna noho ny tondradrano. Ny sasany tamin'ireo tanàna tena voa mafy tamin'ity indray mitoraka ity dia mbola tao anaty fiarenana noho ilay faharavana tamin'ny Septambra lasa teo.
Na eo aza ny isan'ireo maty, efa nihoaran'ilay loza nahatsiravina tamin'ny May 2024 tao Rio Grande do Sul sahady ny isan'ireo namoy ny ainy tamin'ilay Rivodoza Katrina tao Nouvelle Orleans, Etazonia tamin'ny 2005. Raha namely velarantany 2.400 km (1,491 miles) i Katrina, dia tao Rio Grande do Sul kosa, namely velarana 3.800 km (2.362 miles) ny tondradrano. Ary koa, raha olona manodidina ny 400.000 teo no voarakitra ho nafindra toerana tany Nouvelle Orleans, efa nihoatra ny 500.000 sahady ireo tao amin'ilay fanjakana breziliàna.
🔴 ENCHENTE | Enchente catastrófica varre cidade gaúcha do mapa. Em trinta anos de Meteorologia no Rio Grande do Sul, jamais vimos devastação igual. Parte do município foi obliterada, como por um tornado ou furacão categoria 5.
‼️ Veja as fotos ▶️ https://t.co/SW5DB67L5i pic.twitter.com/HNIDuDLR5Z
— MetSul #AjudaRS (@metsul) May 14, 2024
TONDRADRANO| Nisy tondradrano nahatsiravina nifaoka ny tanànan'i Rio Grande do Sul tsy ho anaty sarintany. Tato anatin'ny 30 taona nanarahana ny toetrandro teto amin'ny fanjakana, tsy mbola niatrika faharavàna tahaka izao isika. Potika ny ampahany amin'ny tanàna, na noho ny tadio mahery, na noho ny rivodoza sokajy faha-5.
Na notaterin'ny vaovao aza ny momba ireo firodanana, ireo tanàna hafa traboina, ny hadisoana tamin'ny fikojakojàna sy ny fanaovan-dalàna izay mety nanampy trotraka ny krizy, dia lasa toy ny tara-panantenana anaty ora manjombona ny fifantohana tamin'ilay soavaly izay niaritra hatrany sy momba ireo olona niezaka nitady fanampiana.
Ilay soavaly ihany koa dia iray tamin'ireo biby niisa 11.000 voavonjin'ireo mpirotsaka an-tsitrapo sy ny mpitandro filaminana. Niaritra andro maro ireo alika, saka sy biby hafa, indraindray teny anaty rano, mandra-pahitan-dry zareo famonjena. Tamin'ireo tranobe nanodidina ilay soavaly tafahitsoka azo sary tamin'ny TV, nisy alika vitsivitsy hita teny an-tafontrano akaiky teny.
Noho ny lokon'ny volon'ilay soavaly dia nomena azy ny anaram-bositra hoe “Caramel,” fomba fiteny breziliàna atokana hiantsoana am-pitiavana ny karazana alika iray mpirenireny mahazatra izay hita eny rehetra eny ao amin'ny firenena. Araka ny lisitra iray misy ireo lokon-bolon-tsoavaly, anefa, ny tena tokony ho fiantso azy dia, angamba, ”volontany / voaendy” (tostado).
Tamin'ny 9 May, noho ny tahotra hoe tsy hahatazona azy ela sy ny fahafantarana ny hafatra momba ny hahatafavoaka velona azy amin'io fotoana io, dia vitan'ny sivy tamin'ireo mpamono afo sy enina tamin'ireo mpitsabo biby ny namonjy azy tamin'ny fampiasàna sambo ary nitondra azy namonjy toeram-pitsaboana tao amin'ny oniversiten'i Ulbra.
Nandritra ny hetsika iray, na ny filoha Luiz Inácio Lula da Silva aza dia nitanisa ny tranga nanjo an'i Caramel:
Eu fui dormir inquieto com a imagem de um cavalo em cima de um telhado. Eu fico imaginando se aquele cavalo pensasse, como a gente imagina que são os pensamentos, o que aquele cavalo estava pensando. Sozinho, em cima de um telhado, não sei como a telha de brasilit não quebrou, e hoje fiquei sabendo que conseguiram salvar o cavalo.
Nandry tsy lavo loha aho niaraka tamin'ny sarin'ilay soavaly eny ambony tafo. Tsy nitsahatra ny naka sary an-tsaina hoe raha afaka nisaina ilay soavaly, inona re no tao an'eritreriny e? Irery, eny an-tafon-trano, tsy haiko izay fomba tsy nahavaky ny taila, ary androany aho nandre fa avotra izy.
Notsirihan'ireo manampahaizana avy ao amin'ny oniversite ilay soavaly ary nilaza ry zareo fa mety ho nampiasaina nitarika sarety izy io. Nambaran-dry zareo fa tsy dia tsara loatra ny fahasalamany na dia talohan'ilay tondradrano aza ary efa miatrika fitsaboana izy ankehitriny.
Não só o estado de saúde, mas também o apetite do Caramelo, estão cada vez melhores! 🌱 Em acompanhamento no Hospital Veterinário da Ulbra, o animal não requer mais nenhum tipo de tratamento. Agora, ele só precisa recuperar peso (e está se saindo muito bem!) 🐴 pic.twitter.com/vYRXjuGcUy
— Ulbra (@ulbrabr) May 15, 2024
Tsy ny toe-pahasalamany loatra fotsiny , fa koa ny fahazotoan-koman'i Caramel, no mihatsara! Eo ambany fanarahamaso ao amin'ny Hôpitalim-biby ao Ulbra, tsy dia mila karazana fitsaboana hafa manokana intsony ilay soavaly. Ankehitriny, tsy misy ilainy afa-tsy ny makamaka lanja (ary dia salama tsara mihitsy!)🐴 pic.twitter.com/vYRXjuGcUy
— Ulbra (@ulbrabr) 15 May 2024
Ny toejavatra nanjo an'i Caramel dia nisarika ny saina ho any amin'ireo soavaly marobe izay mbola miandry ny hovonjena sy miady mafy mitazona aina anatin'ireo faritra tondraka manerana ilay fanjakana. Tamin'ny 14 May, vitan'ireo mpamono afo ny namonjy soavaly vavy iray tavela teny amin'ny rihana fahatelon'ny tranobe iray nandritra ny 10 andro, tao São Leopoldo, tanàna iray izay voadona mafy ihany koa.
Nisy vondrona mpirotsaka an-tsitrapo nanokana andro maro manontolo hikarohana ireo biby tavela tany amin'ireo faritra tondraky ny rano. Miaraka amin'ny fidinan'ny maripàna tao amin'ny faritra, nihena ny vintana hahavelona azy ireny. Nentina namonjy toerana fialofana ireo biby ka tany ny tompony no afaka nahita azy indray, na natolotra ho an'izay afaka hitaiza azy aoriana.
Ele já não aguentava mais… 💔
Estava a 12 dias assim, em cima desse muro precisando de socorro muito cansado.😭Foi resgatado, e já está seguro 🙏🏻 pic.twitter.com/PJX7zhZlaa
— iti malias 😍 (@itimaliasof) May 16, 2024
Zara raha tafajoro izy…
12 andro no niainany tahaka izany, teo amina rindrina iray, nila fanampiana sy tena reraka.
Voavonjy izy, ary dia efa tsara antoka izy izao.