Fihazakazahana haka vizà eorôpeàna ao Afrika: Tevana ara-bola makadiry tsy azo antoka

Sarin'ny seranam-piaramanidina iraisampirenena ao Parisy Charles de Gaulle. Pikantsary avy amin'ny fantsona Youtube  Gemini 

Isantaona dia an'arivony ireo teratany Afrikàna mitsapa vintana amin'ny alàlan'ny fifindramonina ara-dalàna ho any Eorôpa. Marobe anefa ireo tsy tafita. Niteraka varomazina ny fahasahiranan-dry zareo mifampiraharaha amin'ireo masoivoho eorôpeàna, ka trandrahan'ireo mpanelanelana mivarotra toerana  amin'ny vidiny lafobe mba hahafahana manatrika ny dinidinika hahazoana vizà.

Tamin'ny 2022,  fanadihadiana iray nataon'ny BBC no namboraka fa lehibe ny isanjaton'ireo tanora ao Afrika maniry ny handao ny tanibe mba hikatsaka fiainana tsara kokoa any Andrefana. Na nisy aza ireo hetsika marobe, toy ny fanentanana tanaty media, ny fampitomboana ny fampahatsiarovan-tena ary ireo hetsika fanabeazana, fanakiviana ny fanaovana  fifindramonina tsy ara-dalàna, dia lavina ny hanome ny vizà ho an'ny ankamaroan'ireo olona, nefa efa nandoa sarany be mihoa-pampana tamin'ny fangatahana. Ohatra, 140 dôlara amerikàna ny salan-karama isambolana ao Senegal, nefa ny vizà eorôpeàna dia mety hisanda 100 dôlara (90 Euro) na mihoatra.

Tamin'ny 2023,  tombanana ho 54 tapitrisa Euro (60 tapitrisa dôlara amerikàna) no lanin'ireo Afrikàna tamina fangatahana vizà faritra Schengen, tsy nahazoana fahafahampo. Ity fanadihadiana kely ity, nataon'ny fantsona media AJ+ tao amin'ny Al Jazeera Media Network, no mitondra fanazavàna ny toedraharaha:

Ao anatin'ity fanadihadiana kely ity, Rémy Nsabimana, mpanao gazetin'ny AJ+ no milaza fa nandrafitra paikady ireo firenena eorôpeàna mba hanasarotana ny fiainan'ireo marobe mpangataka vizà, indrindra fa ireo avy ao Afrika. Mampanontany tena azy hoe fotoana ve izao sa tsia ho an'ireo firenena Afrikàna mba hanamafisana ny fampifanandrifiana ny fomba fanao satria ireo teratany Eorôpeàna dia tsy mila vizà rehefa handeha ho any amin'ireo firenena ao amin'io tanibe io. Araka ny lahatsoratra iray ao amin'ny BBC, fandraharahana iray mampidi-bola be io, izay natsangan-dry zareo firenena eorôpeàna:

Schengen News indique dans ses statistiques qu’en 2023, les ressortissants africains ont reçu 704 000 réponses négatives à leurs demandes de visa. Ce nombre de visas refusés représente 41,3 % de tout le montant généré par les demandes rejetées cette année.

Ny antotanisan'ny Schengen News dia mitatitra fa 704.000 ireo teratany Afrikàna no nahazo fandàvana ny fangatahany vizà tamin'ny 2023. Maneho fisondrotana 41,3 isanjato io tarehimarika io amin'ny fitambaran'ireo fangatahana vizà nolavina tamin'io taona io.

Lavantin-toerana hahafahana manao dinidinika haka vizà

Ao Senegal, misy toejavatra iray hafa manampy trotraka ny toedraharaha efa manahirana atrehan'ny ankamaroan'ireo Afrikàna. Araka ny tranonkala ôfisialin'ny masoivoho, tsy hisy fanomezana fotoana hanao dinidinika hakàna vizà ato anatin'ny volana maromaro. Na izany aza anefa, ireo mpanelanelana izay efa nahavita namandrika mialoha ireo fotoana fanaovana dinidinika dia manome tolotra misy sandany lafo mba hahafahana mahazo antoka ny hiatrehana ireny dinidinika ireny.

Anatin'ny toejavatra tahàka izany, ilay media senegaly La Maison des Reporters (Reporters House) dia nanao fanadihadiana momba ny rafitra iray fivarotana toerana ho an'izay sahy ambony indrindra ity.  Ao anaty fandraisampeo iray mitondra lohateny hoe “Mila vizà aho, saingy tsy manana ‘rendez-vous’ dinidinika ”: fanadihadiana anatin'ny trafika iray voarindra, La Maison des Reporters dia miresaka ireo singa rehetra mitondra ho amin'izany fomba fanao izany: mampiahiahy ny olona ny momba ireo fotoana fanaovana dinidinika, mila mahafeno fepetra marobe ireo mpangataka mba hahazoana fotoana, ary ny anjara toerana lalaovin'ireo iraka diplaomatika amin'ny fanamoràna ny firoboroboan'io varomazina io, na dia lavin-dry zareo aza aza ny fananany andraikitra amin'izany. Azonao henoina eto io fandraisampeo io:

Satria maro ny isan'ny fangatahana vizà sy ireo tsindry ara-bola izay manakana ny nofinofin'ireo mpangataka mba hitady fiainana tsara kokoa any an-kafa, dia toa tsy misy ahian'ireo mpanelanelana ny momba ny fandraharahàna fanaon-dry zareo amin'izao fotoana izao amin'ny fivarotana toerana hanatrika dinidinika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.