#FreeMechDara: Nosamborina ilay mpanao gazety nitory raharaham-pisolokiana anjotra tao Kambodza

Mech Dara

Mech Dara. Sary: pejy Facebook an'i Mech Dara

Nosamborina tao Phnom Penh renivohitra Kambodziana i Mech Dara, mpanao gazety efa nahazo loka, noho ny filazana fa namoaka ranty media sosialy “miteraka korontana ara-tsosialy na fisafotofotoana.” Nomelohin'ny vondrona media ao an-toerana sy maneran-tany ny fisamborana azy, izay nitaky ny famotsorana azy tsy misy hatak'andro.

Andro vitsy talohan'ny nisamborana azy tamin'ny 30 Septambra, nandefa sarin'ireo asa fitrandrahana harena an-kibon'ny tao amin'ny faritanin'i Prey Veng izy. Nokianin'ny tompon'andraikitra ao an-toerana ho mampiely vaovao diso ny lahatsorany ary nitaky ny hitoriana ilay mpanao gazety izy ireo. Namintina ny fototry ny fiampangana an'i Dara ny mpitondratenin'ny fitsarana nisahana ny raharaha.

Mech Dara had uploaded many posts that were inciting and shared an edited picture of Ba Phnom Mountain being demolished, which were false, misleading, and made-up with the intention to incite people to anger and misunderstand the government’s leadership.

Namoaka ranty maro izay nandrangitra i Mech Dara sy nizara sarin-tendrombohitra Ba Phnom novaina lazaina fa potika, izay diso, mamitaka, ary noforonina amin'ny fikasana hanentana ny olona ho tezitra sy tsy hahatakatra ny fitarihan'ny governemanta.

Mino ny namana sy mpanohana an'i Dara fa mety hisy ifandraisany amin'ny tatitra nataony tamin'ny taona 2023 ihany koa ny fisamborana azy, izay nampiharihary ny fanondranana olona sy ny fisolokiana anjotra ao Kambodza. Nahazo sazy avy amin'ny governemantan'i Etrazonia tamin'ny volana lasa teo ny tompon'andraikitra iray ao an-toerana sady mpanefoefo tafiditra amin'ireo raharaha ireo.

Nilaza ireo vondrona fiarahamonim-pirenena fa ny fisamborana an'i Dara dia “fiezahana mazava hampangina mpanao gazety be herim-po iray amin'ny fahadihadiana ataony izay matetika mitaky fandraisana andraikitra amin'ny raharaha fanitsakitsahana ny zon'olombelona. Nanentana ny fanjakana izy ireo mba hanafoana ny fiampangana azy.

We urge the Cambodian government to immmediately drop the charges against Mech Dara, release him from prison and stop all forms of harassment against media organisations and journalists. The arrest of Dara is a clear attempt to intimidate and silence him and other journalists in a country where press freedoms are routinely curtailed.

Mandrisika ny governemanta Kambodziana izahay mba hanaisotra avy hatrany ny fiampangana an'i Mech Dara, hamoaka azy any am-ponja ary hampitsahatra ny endrika antsojay rehetra atao amin'ireo fikambanana media sy mpanao gazety. Ny fisamborana an'i Dara dia fikasana mazava hampitahorana sy hampanginana azy sy ireo mpanao gazety hafa ao amin'ny firenena iray izay mahazatra ny fandraràna ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety.

Nanamarika i Nop Vy, tale mpanatanteraka ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety Kambodziana, fa tsy mampidi-doza na iza na iza ny lahatsoratr'i Dara ao amin'ny media sosialy.

I still beg the court to consider the [incitement] charges and free him because what he posted — to me — does not seriously affect public order and social security.

Mbola miangavy ny fitsarana aho mba handinika ny fiampangana [fandrangitana] sy hamotsotra azy satria ny zavatra navoakany — amiko — dia tsy misy fiantraikany amin'ny filaminam-bahoaka sy ny filaminana ara-tsosialy.

Nilaza ireo mpiara-miasa sy ny havany nitsidika azy tany am-ponja fa amin'ny maha-mpanao gazety tena izy azy, nangataka penina sy fandraisaina naoty izy.

Goavana ny fanehoana fanahiana ho an'ny @MechDara1. Faly izahay milaza aminareo fa mbola ambony ny sainy ary tsy tapaka ny fitiavany ny asa fanaovan-gazety. Ny zavatra voalohany nangatahiny tany am-ponja dia “penina sy taratasy kely”. Malaza. #FreeMechDara #JournalismIsNotACrime pic.twitter.com/V28NdktNbe

Na dia eo aza ny firongatry ny fanohanana, toa miziriziry ny governemanta Kambodziana. Nanentana ireo vondron'ny haino aman-jery mba hampitsahatra ny “fanambarana diso sy tsy mitombina momba ny toetry ny asa fanaovan-gazety ao Kambodza” ny mpitondratenin'ny Minisiteran'ny Fampahalalam-baovao. Nohamafisin’ity tompon’andraikitra ity fa lany daty tamin’ny taona 2022 ny karatra maha mpanao gazety an’i Dara ary tsy tokony hoheverina ho mpanao gazety na pigiste izy. Nanoro hevitra ny vondrona sy governemanta vahiny ihany koa ny tompon'andraikitra mba hampitsahatra ny fitsaratsaram-poana ny toetry ny gazety ao amin'ny firenena.

The criminal act of an individual must not be used to assess the state of the press in Cambodia. The freedom of the press in Cambodia is not subject to any foreigners’ claims.

Tsy azo ampiasaina hanombanana ny toetry ny asa fanaovan-gazety ao Kambodza ny heloka bevava ataon'olona iray. Tsy iharan'ny fitakian'ny vahiny ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao Kambodza.

Na dia eo aza ny filazan'ny governemanta momba ny firoboroboan'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety ao amin'ny firenena, nampaneno lakolosy ny kiadin'ny fampitam-baovao ao an-toerana sy maneran-tany noho ny fanakatonana an-keriny ireo fampahalalam-baovao tsy miankina sy ny fanenjehana ireo feo mitsikera.

Laharana faha-151 amin'ireo firenena 181 ao amin'ny tondro momba fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety navoakan'ny Reporters Without Borders (RSF) i Kambodza, ary nanamarika ny RSF fa nihena be ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety nanomboka tamin'ny taona 2017.

“Namela ny fipoiran'ny sehatry ny haino aman-jery miroborobo ny tetezamita demaokratika izay nanomboka tamin'ny faramparan'ny taona 1980 mandra-pahatongan'ny Praiminisitra teo aloha Hun Sen nanao ady tsy misy indrafo amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety tamin'ny taona 2017. Ny lova mampalahelo navelany amin'ny famoretana ny haino aman-jery tsy miankina no toa notohizan'ny zanany lahy, Hun Manet, teo amin'ny fitondrana hatramin'ny taona 2023.

Tamin'ny alàlan'ny tenifototra media sosialy #FreeMechDara, nizara vaovao momba ny raharaha Dara sy ny fanentanana mitaky ny famotsorana azy ireo mpanohana an'i Dara. Nanoratra fanomezam-boninahitra sy tantara fohy momba ny asany amin'ny maha mpanao gazety azy koa ireo mpiara-miasa aminy. Nanoratra ity manaraka momba an'i Dara ity ilay mpanao gazety teo aloha Heimkhemra Suy:

I left journalism in late 2015, and though I saw less of Dara after that, I never missed his reports. He continued to shine a light on the country’s darkest issues — corruption, illegal logging, and more recently, the scourge of cyber scams. These were topics that desperately needed attention, but addressing them came with a price. Dara’s dedication has made him a target, and his work, instead of being celebrated, has brought him trouble.

On a personal level, Dara is one of the funniest. But beneath the humor is a person with a level of commitment and bravery that’s hard to find. Dara never backs down, even when most people — including myself — would have retreated to safer ground. He’s relentless in his pursuit of the truth.

Niala tamin'ny asa fanaovan-gazety aho tamin'ny faramparan'ny taona 2015, ary na dia tsy nahita an'i Dara aza aho taorian'izay, dia tsy nanadino ny tatitra nataony mihitsy aho. Nanohy nampibaribary ireo olana maizina indrindra ao amin'ny firenena izy — ny kolikoly, ny fanapahana hazo tsy ara-dalàna, ary vao haingana, ny loza ateraky ny fisolokiana anjotra. Indrisy, mila dinihana fatratra ireo lohahevitra ireo, saingy nisy sandany ny filazana azy ireo. Ny fanoloran-tenan'i Dara no nahatonga azy ho lasibatra, ary ny asany, raha tokony ankalazaina, dia nitondra olana ho azy.

Amin'ny sehatra manokana, iray amin'ireo mampihomehy indrindra i Dara. Saingy eo ambadiky ny vazivazy dia olona manana fanoloran-tena sy herim-po sarotra hita izy. Tsy mihemotra mihitsy i Dara, na dia nihemotra tany amin'ny toerana azo antoka kokoa aza ny ankamaroan'ny olona, anisan'izany ny tenako. Tsy mitsahatra mikatsaka ny fahamarinana izy.

Araka ny filazan'ny mpisolovava azy, nanao fangatahana tamin'ny fitsarana i Dara mba hamotsorana azy noho ny tsy fahasalamany.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.