Nahazo vato 394 tamin'ny 398 ny mpitsara tampony teo aloha tao Macau, Sam Hou Fai, kandidà tokana nilatsaka hofidiana ho lehiben'ny mpanatanteraka ao an-tanàna ary voatendry ho mpitarika ambony ao amin'ity ivon'ny casino shinoa ity tamin'ny 13 Oktobra 2024. Naharitra iray ora sy sasany ny fifidianana.
Hatramin'ny namerenana ity zanatany Portiogey teo aloha ity ho an'i Shina tamin'ny taona 1999, dia fari-pitantanana manokan'i Shina i Macau araka ny politikan'ny “firenena iray, rafitra roa”. Nanomboka taona 1999, mazàna kandidà roa no mifaninana ao Macau rehefa fifidianana lehiben'ny mpanatanteraka. Hatramin'izay ireo teraka tao an-toerana manana fifamatorana mafy amin’ny sehatry ny fandraharahana no solontena. Na izany aza, teraka tany amin'ny tanibe Shina i Sam ary vitsy ny fifandraisana ananany ao amin'ny seha-pihariana.
Ex-judge Sam Hou-fai named Macau leader after securing 394 votes in 1-man electionhttps://t.co/Ek6v41485S
— South China Morning Post (@SCMPNews) October 13, 2024
Ny mpitsara teo aloha Sam Hou-fai nantsoina ho mpitarika an'i Macau rehefa nahazo vato 394 tamin'ny fifidianana olon-tokana
Misy ny tatitra sasany nanoritsoritra azy ho mpiantsoroka nampidirin'i Beijing tao Macau. Teraka tamin'ny 1962 tao amin'ny faritanin'i Guangdong i Sam, nahazo diplaoma tao amin'ny Oniversiten'i Peking ary lasa mpisolovava miasa ao Guangzhou alohan'ny nifindrany tany Macau.
Araka ny filazan'i Au Kam San, mpanao lalàna prô-demôkrasia taloha tao Macau, nalefan'i Beijing tany Macau i Sam tamin'ny tapak'andian-taona 1980 mba handalina ny rafi-pitsarana (ara-dalàna) ao an-tanàna. Taty aoriana izy nanatevin-daharana ny prôgramam-panofanana ara-pitsarana an'ny governemantan'i Macau, nandeha tany Portiogaly izy hianatra ny fiteny sy lalàna tao amin'ny Oniversiten'i Coimbra, ary lasa mpitsara rehefa niverina indray tany am-piandohan'ny taompolo 1990.
Notendrena ho mpitsara tampony izy tamin'ny faha-37 taonany raha nomena an'i Shina i Macau tamin'ny 20 desambra 1999. Nanazava tao amin'ny Facebook-ny i Au Kam San fa azo raisina ho tombony ny maha-mpikamban'i Beijing an'i Sam Hou Fai:
「京人」則因為他們本就受命於朝廷,在中央有根有莖,對掌握政策,把握紅線較為容易,這也許是其優勢。
Mahazo toromarika avy any ambony ny ‘olona tinendrin’i Beijing’ ary manana faka sy rantsana ao amin’ny governemanta foibe. Tsara kokoa ry zareo amin'ny fampiharana ny politika sy ny fanoritana ny tsipika, izay mety ho iray amin'ireo tombony ananany.
Nahagaga ny maro ny fanambaràna tampoka nanapahan'i Ho Iat Seng hevitra hampiato ny fe-potoam-piasany faharoa maha- Lehiben’ny mpanatanteraka azy, noho ny antony ara-pahasalamana. Teo ambany fitarihany, natanjatanjaka ihany ny fanarenana nataony ara-toekarena taorian'ny areti-mifindra COVID-19 nandritra ny fitarihany. Raha ny marina, ny tanàna no fari-piadidiana laharana faharoa manankarena indrindra amin'ny harin-karena faobe isan'olona eto an-tany aorian'i Luxembourg.
Mandritra izany fotoana izany ihany koa dia tsy mety mahazo tapakila fanendrena hifaninanana ireo mety ho kandidà matanjaka, ka mahatonga an'i Sam Hou Fai ho hany kandidà tohanan'i Beijing.
Avy amin'izany no mahatonga ny mpandinika ara-politika sasany mahita ny fifindran'i Sam avy amin'ny rafitra ara-pitsarana ho any amin'ny sehatra politika ho porofon'ny paikan'i Beijing hanovàna ny foiben'ny casino amin'ny alalan'ny fanentanana miady amin'ny kolikoly. Ohatra, niteny i Lau Siu-kai, fakan-kevitra ao amin'ny Fikambanana Fianarana Shinoa any Hong Kong sy Macao hoe:
The central government might have seen something in him: The ability to be fair and just, without being caught in any family interests, but still be familiar with the overall situation in Macau. Although Sam might have relatively few connections, he should not have too much trouble solving problems with Beijing providing tremendous support.
Mety ho nahita zavatra tao aminy ny governemanta foibe: Ny fahafahany manaja ny rariny sy ny hitsiny, tsy voasariky ny tombontsoam-pianakaviana, fa mbola mahafantatra tsara ny toe-draharaha ankapobeny ao Macau. Na dia vitsy fifandraisana aza i Sam, dia tsy tokony ho sahirana loatra izy amin'ny famahana olana amin'ny fanohanana lehibe omen'i Beijing.
Fony izy mpitsara ambony tao an-tanàna i Sam dia niandraikitra ny raharahan-kolikolin'i Ao Man-long, Lehiben'ny Fitaterana sy Asam-panjakana teo aloha, izay voaheloka higadra 29 taona an-tranomaizina tamin'ny taona 2012 rehefa hita fa meloka nanolikoly MOP 31,9 tapitrisa mahery (4 tapitrisa dolara eo ho eo). Nisahana raharaha maro saropady ara-politika ihany koa izy, anisan'izany ny fanilihana ireo demaokraty 21 tsy ho kandidà amin'ny fifidianana solombavambahoaka taona 2021 sy ny fandraràna ny fiaretan-tory am-pilaminana fanao isan-taona ho fahatsiarovana ny famoretana tao an-Kianjan'i Tiananmen tamin'ny taona 1989.
Fotoana fohy taorian'ny nanambaràn'i Sam ny firotsahany hofidiana, dia nitifitra ny indostrian'ny lalao filokana izy, nilaza fa mivoatra “amin'ny fomba tsy voafehy” ny sehatra ary nampiany hoe:
The Central Government’s proposal for Macau to develop its economy in an appropriately diversified manner is a mandatory question for the Macau SAR Government, not a question of choice.
Fanontaniana tsy maintsy atao ho an'ny Governemantan'i Macau SAR ny soso-kevitry ny Governemanta Foibe momba an'i Macau hampivelatra ny toekareny amin'ny fomba isan-karazany araka ny tokony ho izy, fa tsy resaka safidy.
Nivoady i Sam ny handrindra ny fivoaran'ny indostrian'ny lalao filokana ao Macau saingy nanome toky taty aoriana fa “tsy hihena na hikatona” ilay sehatra.
Former Macau judge Sam Hou Fai, who has warned against the outsize influence of the gambling industry in the city, has been elected as its new leader. https://t.co/2NLPcwPnDG
— Bloomberg (@business) October 13, 2024
Voafidy ho mpitarika vaovao ny mpitsaran'i Macau teo aloha Sam Hou Fai, izay nampitandrina ny fitaomana tafahoatra ananan'ny indostrian'ny filokana ao an-tanàna.
Nametraka drafi-pandrafetana ara-toekarena 2024-2028 an'i Macau i Ho Iat-Seng tamin'ny herintaona araka ilay antsoina hoe drafitra stratejika 1 + 4, izay ahitana tetikasam-pananganana amina miliara ho fanohanana sehatra indostrialy vaovao, anisan'izany ny fahasalamana, teknolojian'ny fifandraisana, fampirantiana sy indostrian'ny kolontsaina.
Nanambara i Sam Hou Fai tao amin'ny sehatra politikany fa hanaraka ny fitariham-pitantanan'i Ho amin'ny fanamaroan-karazana ny toekaren'ny tanàna ary hanohy amin'ny fampiatìna an'i Macau ho ao amin'ny drafi-pampandrosoana ny faritra helodrano atsimon'i Shina. Nandritra ny valan-dresaka ho an'ny mpanao gazety aoriam-pifidianana no nampanantenany fa hanohana ny toekarena ao an-toerana izy araka ny iaikeny fa nijaly tamin'ny fiovam-pahazaram-panjifana ny fihariana ao an-toerana satria aleon'ny mponina ao an-toerana mandany vola any Shina tanibe mandritra ny faran'ny herinandro sy ny fialan-tsasatra.
Satria tsy manana safidy amin'ireo hitarika ny mpifidy voasoratra anarana miisa 325.000, dia vitsy no naneho ny fanantenany amin'ny fe-potoam-piasan'i Sam. Niteny tamin'ny mpanao gazety iray avy amin'ny fampahalalam-baovao tsy miankina All About Macau ny mpandraharaha madinika iray:
而加做生意真係好難做,希望佢有啲政策嘅傾斜,令到大環境好啲,改善經濟呀,搵到錢先會開心㗎嘛,(提升)幸福感呀嘛。唔係淨係六大博企賺晒啲錢囉,希望分到少少畀中小微企。
Sarotra ny manao raharaham-pihariana eto. Manantena aho fa afaka manitsy ny politika sy manatsara ny tontolo ara-toekarena. Tsy ho faly ny olona raha tsy mihatsara ny toe-karena. Tsy tokony hiafara any amin'ireo mpandraharaha casino enina ihany ny vola; Tokony hanana anjara ny orinasa bitika, madinika, salantsalany.
Na dia matanjaka voaarina ara-toekarena nidiran'ny mpizahatany maherin'ny 26 tapitrisa avy any Shina tanibe sy Hong Kong aza izy hatramin'ny nisokafana indray taorian'ny fanakatonan'ny COVID-19 tamin'ny fiandohan'ny taona 2023, dia nisosa nankany amin'ny indostrian'ny filokana ny ankamaroan'ny fidiram-bola raha nihena 17,5 isan-jato ny fidiram-bolan'ny tanàna ara-barotra isan-taona tamin'ny tapany voalohany amin'ny taona 2024.
Antenaina handray ny asany i Sam rehefa voatendrin'ny Governemanta Foibe ofisialy amin'ny 20 Desambra 2024, tsingerintaona faha-25 nanolorana an'i Macau ho an'i Shina.