Miantso ny GVers rehetra! Misorata anarana izao ho amin'ny atrikasa Narrative Spotter izay hizara ho fotoam-pivoriana adiny roa indroa, hotontosaina amin'ny 24 Oktobra sy 31 Oktobra amin'ny 2 ora tolakandro UTC. Jereo ato hoe amin'ny firy izany ao amin'ny faritra misy anao.
Mamolavola lahateny sy fomba fijerin'ny daholobe ny fitantarana, ka mametraka ny tsirairay ho tsara taiza amin'ny fahaiza-mamaky teny ankihy sy ny fampitambaovao. Mba hanamarihana ny fanombohan'ny Herinandro manerantany ho fanabeazana ny Media Maneran-tany sy ny Torohay, kinendrin'ny Narrative Spotter ny hampitao ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-piarahamonina Global Voices (GV) fitaovana sy fahalalana ilaina handratoana sy haharaka ny tontolon-kevitry ny votoatim-baovao.
Harosonay ny fomba fiasa ao amin'ny Civic Media Observatory mba hovahàna ireo tahalam-baovao mikorontana ka hokinendry ny hilaza tantara tsara kokoa amin'ny alàlan'ny fahatakarana ny fomba fiforonana sy fielezan'ny fitantarana sy ny tohitra-fitantarana. Ny fitantarana dia ireo hevitra na fomba fijery mibahan-toerana mamolavola ny fahafantarana ny zava-mitranga na lohahevitra, raha toa ka mihantsy, manakorontana, na manolotra fomba fijery hafa amin'ireo tantara mahazatra ireo kosa ny tohitra-fitantarana.
Ho tsara toerana ny mpandray anjara amin'ireo fahaiza-manao fanampiny ireo handray anjara amin'ny asan'ny GV manaraka toy ny fikarohana iarahana amin'ny Civic Media Observatory, hanoratra na hiara-manoratra ao amin'ny GV Newsroom, na ampiasaina fotsiny amin'ny fiainana andavanandro, izaràna, na ananganam-baovao.
Hotontosaina amin'ny teny anglisy ireo fotoana ireo ary hifantoka amin'ny singa roa lehibe:
- Media Ecosystem Mapping (fanoritana an-tsarintany ny rohivoarimpampitambaovao): Hianatra hanoritra sarintany ny tontolon'ny media ao amin'ny faritra misy azy ny mpandray anjara, hamantatra ireo loharanombaovao fototra, ireo lohahevitra sy fikambanana mahaliana.
- Narrative Spotting (mitsipalotra fitantarana): Famaritana ny fitantarana: Fotoana miompana amin'ny fitantarana mipoitra avy amin'ireo loharanom-baovao voasoritra an-tsarintany, ahafahan'ny mpandray anjara mamantatra ny fitongilanana, hihaika karazam-petrakevitra, ary hameno ny banga amin'ny fahalalàna.
Mitsipalotra Fitantarana ankapobeny
Mandritra ny atrikasa Narrative Spotter ireo mpandray anjara no hiditra amin'ireo ohatra tena iainana amin'ny fitantaram-pampitambaovao, hanao fandidiana ijerena ny fomba fandrafetana sy fanehoana ny tantara. Amin'ny alàlan'ny fanazaran-tena ifanakalozan-kevitra no hianaran-dry zareo mamantatra ireo fitongilanana, ny olam-panehoana, ary ireo banga amin'ny fanangonambaovao. Asongadin'ny fotoam-pianarana ny maha-zava-dehibe ny fomba fijery isan-karazany amin'ny fandrafetana rohivoarim-baovao tsimialonjafy.
Amin'ity fivoriana ity, ny mpandray anjara dia:
- Handray anjara amin'ny hetsika isam-bondrona sy tsirairay mba hamantarana sy hitaterana ireo fitantarana lehibe sy ireo fitantarana manohitra.
- Hanavatsava ny maha-zava-dehibe ny fitantarana sy hianatra ny hampifanaraka azy amin'ny zavamisy amim-pahombiazana.
- Mizatra manaraka ny fivoaran'ny fitantarana sy mamantatra ny fiovandresaka amin'ny fampitambaovao.
Ity fiofanana miorina amin'ny asan'ny Rising Voices sy ny Civic Media Observatory, tetikasa roa samy an'ny Global Voices izay manolo-tena amin'ny fahatakarana ny maha-zava-dehibe ny fitantarana sy ny fahalalana eo an-toerana ity dia iankinan'ny ain'ny rohivoarin-torohay salama kokoa.
Amin'ny fanarahana hatramin'ny farany ny fiofanana Narrative Spotter [Mpitsipalotra Fitantarana], hataon'ny mpandray anjara ny:
- Mampivelatra fahaiza-misaina lalina.
- Mahazo fahatakarana lalindalina kokoa amin'ny rohivoarin'ny fampitam-baovao.
- Mandrafitra fizakantena kokoa amin'ny famakafakàna votoatim-pampitam-baovao.
- Mianatra mamantatra ireo fitongilanana ary mameno ny bangam-pahalalàna.
Raha manana fanontaniana ianao, miangavy mandefasa imailaka amin'i Giovana Fleck (giovana.fleck [at] globalvoices.org) na Eddie Ávila (eddie [at] globalvoices.org).
MISORATA ANARANA ETO
[gravityform id=”50″ title=”true” description=”false”]