Nitarika tsikera sy fiantsoana tany amin'ny polisy ny tolo-kevitra tsy maintsy hanaovana fanamarinana halal tao Malayzia

Selangor_Halal_Hub_Entrance

Foibe fiatoana (hividianana) vokatra halal ao Malayzia. Sary avy amin'ny Central Spectrums Sdn Bhd. Source: Wikipedia, CC BY-SA 4.0

Niteraka adihevitra manerana ny firenena ny filazana fa nifanakalo hevitra ny (tao amin'ny) minisiteran'ny Raharaham-pivavahana Maleziana ny amin'ny hitakiana tsy maintsy hananana fanamarinana halal atao amin'ny trano fisakafoana tsy manolotra henan-kisoa na toaka. Na dia nanamarika aza ny sasany fa mety hanitsakitsaka ny zon'ny tsy Silamo izany, dia nisy mpikamban'ny parlemanta iray naneho ny ahiahiny momba ny politika naroso notoriana tany amin'ny polisy ary niatrika fanoherana.

Nanentana ny minisitra i Teresa Kok, MP ao amin'ny fari-pifidianan'i Seputeh, handinika indray ilay tolo-kevitra noho ny mety ho fiantraikany ratsy eo amin'ny indostrian'ny sakafo. “Orinasa maro, anisan'izany ireo trano fisakafoana kely tantanin'ny Malay, hiatrika olana ara-bola sy fahasahiranana amin'ny asa amin'io fepetra vaovao io,” hoy izy tamin'ny fanambaràna iray.

Nanampy i Kok fa mety hanimba ny safidin'ny mpanjifa sy ny fahasamihafan-kolontsaina Maleziana izany. Manodidina ny 63 isanjaton'ny Maleziana no milaza ho Silamo, saingy mampiroborobo ny firindrana ara-poko sy ara-pivavahana ny Lalàmpanorenany. Tao anatin'izay taona vitsy izay, nisy Islamo hiringiriny nanery [mg] ny hampiharana hentitra ny lalàna Sharia sy ny fiarovana ny Malay, izay lazain'izy ireo fa sintonin'ny vondrona vitsy an'isa.

Nampanantsoin‘ny polisy i Kok, taorian'ny teny lazaina ho nanafintohina mpitondra fivavahana. Namatrapatraka izao fihetseham-po izao ny politisiana ao an-toerana Datuk Dr Muhammad Akmal Saleh:

This is a sensitive issue and we have repeatedly reminded that sensitive issues should not be raised in order to preserve national harmony.

I am not attacking any party. I am merely responding to the comments made by Kok, which not only offended me but also all other Malay Muslims in this country.

Saro-pady io ary mampahatsiahy hatrany izahay fa tsy tokony atraka ny raharaha saropady mba hitandroana ny firaisam-pirenena.

Tsy mamely antoko aho. Mamaly fotsiny ny fanehoan-kevitr'i Kok aho, izay tsy vitan'ny hoe nanafintohina ahy fa ireo Malay miozolomana hafa rehetra eto amin'ity firenena ity ihany koa.

Nanantitrantitra i Kok fa tsy tokony ho raisina ho toy ny faniratsiràna finoana silamo ny fanambaràny.

As a Member of Parliament, I am responsible for voicing the problems and voices of the people of various races. That is why I asked the government to review this proposal. My statement does not at all mean that I question halal certification, or disrespect Islam.

Amin’ny maha solombavambahoaka ahy dia tompon’andraikitra amin’ny fanehoana ny olana sy ny feon’ny vahoaka avy amin’ny foko samihafa aho. Izay no antony niangaviako ny fitondram-panjakana handinika io soso-kevitra io. Ny teniko dia tsy midika velively fa mihaika ny fanamarinana halal aho, na tsy manaja ny finoana silamo.

Tsy i Kok ihany anefa no nihaika ny tolo-kevitry ny minisitra. Nandresy lahatra ilay mpanoratra menavazana Datuk Zainul Arifin fa ny fahazoana fanamarinana halal dia “tokony ho fanapahan-kevitra ara-pihariana fa tsy fepetra tinakim-pihariana.” Nanampy izy hoe:

Halal certification involves the auditing of the whole supply chain, not just what happens in the kitchen. It includes where the products are sourced, how they are sourced, handled, prepared, transported and stored, among other things. Not many can afford it, and it is often the case that big restaurants or chains would have the resources to do so.

Mahatafiditra famotorana fizotram-pamatsiana iray manontolo ny fanamarinana halal, fa tsy fizahàna izay mitranga ao an-dakozia ihany. Tafiditra ao anatin’izany ny toerana nipoiran’ny vokatra, ny fomba nahazoana azy, ny fikarakarana, ny fanomanana, ny fitaterana ary ny fitahirizana azy, ankoatra ny zavatra hafa. Tsy maro no mahazaka izany, ary matetika ireo trano fisakafoana lehibe na rojo no manambola hanaovana izany.

Nanentana ny manampahefana i Datuk Jawahar Ali Taib Khan, filohan'ny fikambanan'ny tompon'ny trano fisakafoana Miozolomana Malezia, mba hanontany ny hevitr'ireo mpandray anjara rehetra aloha voalohany.

Hold engagement sessions first, especially with small Bumiputera [Malay] traders, to understand their challenges from the point of view of financial constraints given the cost of the application process and compliance process to obtain halal certification.

Manaova aloha fotoam-pirobohana, indrindra amin'ireo Bumiputera [Malay] madinika mpivarotra, mba hahatakarana ny fanambin'izy ireo amin'ny fomba fijery ny teritery ara-bola noho ny (halafon'ny) fizotry ny fangatahana sy ny fanarahan-dalàna hahazoana fanamarinana halal.

Navoitran‘ny fikambanan'ny Malayziana tompon-trano fisakafoana Indianina fa efa manaraka ny fitsipika isan-karazany ny trano fisakafoana.

There are periodic checks on the cleanliness and quality of the food. Every year, the local council grades the restaurants.

There are also online reviews about restaurants and there have been many cases where premises have been shuttered for two weeks by the health department.

Misy ny fanaraha-maso ara-potoana amin'ny fahadiovana sy ny kalitaon’ny sakafo. Manome naoty ny trano fisakafoana isan-taona ny filankevitra eo an-toerana.

Misy ihany koa ny domberina anjotra momba ny trano fisakafoana ary nisy toerana maro nakaton'ny sampana ara-pahasalamana nandritra ny tapa-bolana.

Nampitandrina amin'ny “fihoaram-pefim-pitantanam-panjakana sy ny tsy fandairana” i YB Ganabatirau Veraman, solombavambahoaka ao amin'ny fari-piadidian'i Klang,

The logistics of ensuring compliance, particularly in restaurants unfamiliar with halal practices, would strain regulatory resources and lead to inconsistent enforcement. The bureaucratic burden of managing and overseeing this certification process could overwhelm regulatory bodies, resulting in inefficiencies and potential enforcement failures.

Mety hanakenda ireo fitaovam-panarahan-dalàna ny fampitaovana hiantohana ny fanarahan-dalàna, indrindra amin'ireo trano fisakafoana tsy zatra ny fanao halal, ka tsy ho araka ny tokony ho izy ny fampiharan-dalàna. Mety hahadifotra ireo andrim-pampihatra lalàna ny vesatra am-biraom-pitantanana sy ny fijerena akaiky ity fizotran'ny fanamarinana ity, ka miteraka tsy fahombiazana sy ireo mety ho lesoky ny fampiharana.

Saingy nasongadin‘i Datuk Seri Reezal Merican Naina Merican, filohan'ny Fampivelarana ny Varotra Ivelany Malayzia, ireo tombontsoa amin'ny fampiroboroboana ny fanamarinana halal.

Malaysia’s leadership in this sector is undeniable, always pushing boundaries and raising standards globally.

Halal certification is not merely a label; it represents stringent safety and quality guidelines that protect consumers and elevate product standards.

Tsy azo odian-tsy hita ny fitarihan'i Malezia amin'ity sehatra ity, manitatra hatrany ny fetra ary mampakatra fenitra maneran-tany.

Tsy marika fotsiny ny fanamarinana Halal; maneho torolàlana ara-pilaminana sy fiarovana hentitra miaro ny mpanjifa izany ary mampakatra ny fenitry ny vokatra.

Rehefa nandeha ny adihevitra amin'ny fahamendrehan'ny tsy maintsy hanaovana fanamarinana halal, dia nahazo ny fanohanan‘ireo mpiaro ny fahalalahana miteny i Kok. Nokianin‘i Wathshlah Naidu, tale mpanatanteraka ao amin'ny Ivotoerana ho amin'ny asa fanaovan-gazety mahaleotena (CIJ), ny nanaovana fitoriana tany amin'ny polisy an'i Kok.

The government must create a safe space for diverse perspectives to be voiced and debated without fear of retaliation. Investigating members of parliament for raising valid concerns undermines governance and public participation.

Tsy maintsy manangana toerana azo antoka ho an'ireo fomba fijery samihafa mba hohenoina sy hiadian-kevitra tsy misy tahotra valifaty ny governemanta. Manohintohina ny fitantanana sy ny fandraisan'ny vahoaka anjara ny fanaovana famotorana ireo mpikambana parlemantera manapongatra fanahiana marim-pototra.

Niantso ny amin'ny tokony ijerena indray ny lalànan'ny ny fitenenan-dratsy an'Andriamanitra sy ny lalànan'ny fampitam-baovao izay ampiasaina vilana hanaovana antsojay ireo mpitsikera sy hampanginana ny mpanohitra ny CIJ, ARTICLE 19 ary ireo vondrona mpiaro ny zon'olombelona maromaro.

Nandritra izany fotoana izany, nanambara ny Kabinetra fa hitoetra ny fitsipika fanamarinana halal an-tsitrapo ary ilaina aloha ny fanadihadiana lalina ny tolo-kevitra tsy maintsy hanaovana azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.