
Ny tarika Nemeček nandray ny Loka Milan Mladenović. Saripika an'i Gabriela Bašić, navoaka niaraka tamin'ny fanomezandàlana avy amin'i Orina Milan Mladenović.
Ity lahatsoratra ity dia mifototra amin'ny fandrakofana nataon'ny Meta.mk. Dika nokiraina no averina avoaka etoana eo ambanin'ny fifanarahana hifampizara votoaty eo amin'ny Global Voices sy ny Orina Metamorphosis.
Ny tarika kroaty “Nemeček” no lasa mpandresy fahenina nahazo ny Loka Milan Mladenović ho an'ireo tarika tanora avy ao amin'ny faritra Yôgôslavia teo aloha tamin'ilay hiran-dry zareo hoe “Mirila.”
Tamin'ny 21 Septambra tao Makarska, Kroasia no nomen'ny Orina Milan Mladenović ilay loka. Izy io dia atolotra isantaona rehefa fitsingerenan'ny nahaterahan'i Milan Mladenović, ilay Serba malaza mpiangaly gadona rock. Mladenović dia Serba mozisiàna nalaza indrindra fantatra tamin'ny maha-mpihira azy tao amin'ilay tarika Ekatarina Velika (EKV) ary koa poeta mpitarikevitra sy mpikatroka mafàna fo manohitra ny ady.
Fanindroany ity lanonana ao amin'ny faritra ity no natao ivelan'i Belgrady, tao amin'ny toerana iray izay nitàna toerana goavana tamin'ny fiainana fohin'i Mladenović, toerana nahaterahan'ny reniny. Ilay tanàna amoron-dranomasina ao Makarska no nampiantrano ilay hetsika, tafiditra tao anatin'ny Fetibe Modro i Zeleno, izay ny anarany dia midika hoe “Manga sy Maitso,” mifototra amin'ireo tononkira avy amin'ilay hira mitovy anarana aminy EKV.
“Sambany izahay no nankatoavina tahaka izao,” hoy i Vedran Živković, ilay mpihira ao amin'ny tarika Nemeček, tao anatina kabary iray nampihetsi-po nandritra ny lanonana fanolorana ilay loka.
Ilay tarika mpandresy dia ahitàna olona telo mpitendry tambura, vata maro afitsoka, ary mpively amponga. Ny fitambaran'ireo zavamaneno no manefy ny feon-dry zareo, izay manafangaro singa avy amin'ny mozika folks hiaraka amin'ny tontolon'ny mozika elektrônika maoderina sy ny asan'ny dobok'amponga tsara petraka sy manaraka “métronome”. Navoaka tao anatin'ny “Prokletije II” , rakikiran-dry zareo fahatelo ilay hira “Mirila”.
Isan'ireo dimy tonga tamin'ny famaranana koa ilay tarika makedôniàna Mojra, tamin'ilay hiran-dry zareo “Aroma(n)tic,” ilay hira “Right side of the book” an'ilay Kroaty mpihira, Leni, ny “Nobody Never” an'ny tarika serba Škofja Loka VIS, ary ny “After a Spring” an'ilay Serba mpihira, Tamara Mylo.
Mylo no nandrombaka ny loka ho an'ny mpihira mampientana fanahy indrindra no sady nandrombaka ihany koa ny loka vaovao voalohany ho an'ny tononkira tsara indrindra nandritra ilay hetsika.
Viktor Stojanovski avy amin'ny tarika makedôniàna “Lufthansa” no nandray ny loka natao ho an'ny mpively amponga mampientana indrindra, loka nahitàna amponga avy amin'ny orinasa Firchie Drums, tantanan'i Ivan Fece Firchie, iray amin'ireo mpively ampongan'ny tarika EKV. tamin'ny alàlan'ny hiran-dry zareo “post-punk” hoe “Kula” ny Lufthansa no nandray anjara tamin'ilay fifanintsanana.
Nalefa nivantana tao amin'ny Youtube ny lanonana fanolorana loka tamin'ny 21 Septambra.
Tao amin'ilay lanonana fanolorana loka, ny lefitry ny ben'ny tanànan'i Makarska, Antonia Radić Brkan, dia nilaza fa nandray fanapahankevitra ny tanàna hanova ny anaran'ny vohitra ao amin'ilay saikinosy Osejava eo akaiky eo ho fanomezana voninahitra an'i Milan Mladenović.
Loka ara-bola mitentina EUR 3,000 sy hirika hahafahana miaka-tsehatra mandritra ny fetibe The Exit amin'ny taona ho avy, fetibe goavana indrindra ho an'ny mozika ao amin'ny faritra, no loka nomena ny mpandresy. Ny Orina dia nanitrikitrika ihany koa fa:
Nagrada Milan Mladenović, koja je dodeljena u Makarskoj predstavlja više od pukog priznanja. Ona je simbol inovacije, hrabrosti i umetničkog izraza. Ona odaje počast onima koji se usude da kroče sopstvenim putem, odolevajući pritiscima konformizma. Kroz Nagradu i Milanov duh nastavlja da živi, inspirišući nove generacije da budu odvažne, autentične i strastvene u svojoj umetnosti.
Milaza zavatra betsaka lavitra noho izay fankatoavana fotsiny ny Loka Milan Mladenović nomena tao Makarska. Mariky ny fanavaozana, herim-po ary fanehoana ara-javakanto izy io. Manome voninahitra ireo izay sahy mandeha amin'ny lalany manokana ary manohitra ny tsindrin'ny kônfôrmisma izany. Ny fanahin'i Milan dia mitohy velona amin'ny alàlan'ilay Loka, mampientana ireo andiantaranaka vaovao ho be herimpo, ho azo itokiana ary ho tena tia ny taokantony.