Anelanelan'ny lelafo sy setroka, miezaka miady amin'ireo doro tanety tsy mbola nisy toa azy i Brezila

Dorotanety ao amin'ny Valanjavaboary nasiônaly ao Brasília, renivohitr'i Brezila, tamin'ny 15 Septambra 2024. Sary: Fabio Rodrigues-Pozzebom/Agência Brasil, Fampiasàna nahazoana alàlana.

Araka ny asehon'ireo antontanisa azo avy amin'ny Global Wildfire Information System tamin'ny tapaky ny Septambra  2024, ireo biôma breziliàna telo — ny ala mikitroka ao Amazôna, ny faritra mando ao Pantanal sy Cerrado — dia 46.101.798 hektara (113,920,020 acres) no voarakitra fa may, mitovitovy habe amin'ny kianja filalaovana baolina kitra 46,1 tapitrisa. 

Ireo volana valo voalohany ho an'ny taona 2024 no nanamarika ny taona ratsy indrindra ho an'ny firehetana tao Amazôna hatramin'ny 2005, raha i São Paulo, ilay tanàna lehibe indrindra ao Amerika Latina kosa, no naharaketana ny ratsy indrindra tamin'ny fahalotoan'ny rivotra tamin'ireo tanàna lehibe indrindra erantany nandritra ny dimy andro nisesy tamin'ny Septambra. Ao anatin'ny Distrika Federaly, ny faritr'i Brasília dia nahatratra nihoatra ny 163 andro tsy nisy orana tamin'ny 3 Ôktôbra teo, nitovy tamin'izay avo indrindra voarakitra an-tsoratra 61 taona lasa, ary firehetana 3.000 ho an'ny Septambra manokana

Raha miady mafy handresy ny afo miparitaka ny faritra sasany, miaraka amin'ny tsy fahampian'ny mpamono afo ary ny tsy fahampian'ny ho enti-manana, ny hafa kosa rakotry ny setroka mamakivaky eny amin'ny rivotra eny ambonin'ny faritry ny fireneny.

Ireo fikambanana toy ny WWF sy ny Greenpeace dia milaza fa mety hanampy hampiely ny afo ny haintany, saingy tsy manazava velively ny fiavian'ny afo izany, izay azo heverina ho nataon'olombelona.  Tamin'ireo fanadihadiana miisa 85 nataon'ny pôlisy hatreto, amin'ny tranga sasany dia heloka bevava atao amin'ny tontolo iainana no nisy tany amin'ireo faritra sasany.

Ny rafitra iray fanarahamaso napetraka hatramin'ny 2019 nataon'ny MapBiomas, miaraka amina fiarahamiasa ara-teknika voapetraka tamin'ny fampiasàna Google Earth, dia mamoaka fa 70 isanjaton'ireo faritra may ao Brezila tamin'ity taona ity dia ireo zavamaniry zanatany. Ny angondrakitra dia avy amin'ny Fire Monitor.

Olona miisa 11 tapitrisa no voakasika

Efa ho ny antsasaky ny voarakitra tamin'ireo firehetana ala tamin'ity taona ity no an'ny volana Aogositra monja. Tongan'ny afo hantreny amin'ireo faritra be ahitra sy toerana fampiraofana natao ho an'ny fambolena.

Nambaran'ny fikambanana Rainforest Foundation fa:

Ny Brazilian Amazon dia naharakitra fitomboana 104% tamin'ny tebok'afo nandritra ireo volana valo ireo ihany (Janoary hatramin'ny Aogositra) raha ampitahaina amin'ny 2023, vao mainka manaratsy be ny toedraharaha efa saropady. Araka ny voalazan'ny INPE – ivontoerana nasiônaly misahana ny fikarohana an'habakabaka ao Brezila – nisy nihoatra ny 65.000 ireo tebok'afo hatramin'ny faran'ny Aogositra 2024—ny isa ambony indrindra ho an'io vanim-potoana io hatramin'ny 2005. Tamin'ireny tebok'afo ireny, nihoatra ny  38.000 no an'ny volana aogositra monja, fitomboana 120% raha oharina amin'io vanim-potoana io ihany tamin'ny taona lasa, izay naharaketana tebok'afo 17.373.

Avoitran'ny angondrakitra avy amin'ny  MapBiomas fa mihoatra ny 2,2 hektara no may tao amin'ny faritra Amazôna Breziliàna tamin'ny Aogositra monja. Tamin'ity taona ity, ny fitambaran'ny faritra may dia nahatratra 5,3 tapitrisa hektara— faritra iray lehibe noho ny habe manontolon'ny firenena toa an'i Costa Rica na Denmark.

Mato Grosso, Mato Grosso do Sul, Pará, Tocantins, Amazonas sy São Paulo, any amin'ny faritra afovoany-andrefana , avaratra ary atsimo-atsinanana, no fanjakàna nahitàna ny isa avo indrindra voarakitra tamin'ny Aogositra.

Raha ny vinavinan'ny Kaonfederasiôna Nasiônalin'ireo faripiadidiana dia 11 tapitrisa eo ho eo ny olona voadona mivantana amin'ireo doro tanety ary, raha kely indrindra dia 1,1 lavitrisa BRL (203 tapitrisa dôlara amerikàna) ny fatiantoka ara-toekarena, araka ny tatitra avy amin-dry zareo.

Ny kalitaon-drivotra ratsy indrindra eto an-tany

Ny 9 Septambra 2024 tokony ho tamin'ny 10 ora maraina, i São Paulo no nitàna laharana voalohany tamin'ireo 120 tanàna lehibe indrindra nanana ny kalitaon-drivotra ratsy indrindra teto an-tany. Kalitaon-drivotra ratsy ary tena ratsy tany amin'ny faritra maro tao aminy no voarakitra tao amin'ilay tanàna.

Ny tranonkala soisa IQAir, izay manao kajy ireo tondro, dia nanome naoty 160 ho an'ny tanànan'i São Paulo. Araka ny lazain'ilay tranonkala, raha ao amin'ny 0-50, tsara ny laharana; eo amin'ny 151-200, heverina ho tsy mahasalama. Ny tena antony nahazoan'i São Paulo io isa io dia ny hafanana ambony be, ny hamandoana somary ambany  ary ny setroka aterak'ireo afo.

Na ny fanjakan'i São Paulo ihany aza dia efa naharakitra doro tanety, araka ny tatitry ny Agência Brasil:

Nitarin'ny Fiarovana Sivily ao São Paulo ny fampitandremany momba ny mety hitrangan'ny firehetan'ny tanety manerana ny fanjakana hatramin'ny Talata 10 Sept. Araka ny Ivontoerana Fitantanana ny Vonjitaitra, heverina hitohy hiakatra ny hafanana, miaraka amin'ny fidinan'ny hamandoana ho hatramin'ny haavo mampiahiahy ambanin'ny 35 isanjato ato anatin'ny andro vitsivitsy ho avy. (…)

Ireo faritra tena ahitàna ny kalitaon-drivotra ratsy indrindra ao São Paulo dia i Ponte dos Remédios, manamorona ny renirano Tietê. Io toerana io no aharaketana taha avo be amin'ireo singa madinika indrindra mety ho fohan'ny olona (PM2.5), izay tena farany bitika afaka miditra tonga hatrany anaty lalin'ny rafitry ny taovam-pisefoana.

Misy ifandraisany amin'ny mety hitomboan'ny ambana hiteraka aretin'ny fo sy havokavoka ireny singa farany bitika ireny.

Miharatsy ny fatiantoka

Manodidina ny 60 isanjaton'ireny afo ireny, izay mirehitra manerana an'i Amerika Latina, no mitranga amin'izao fotoana izao any Brezila, hoy ny voalazan'ny ABC News, izay milaza fa ireo manampahefana no loharanom-baovaony. Nitatitra momba ireo afo ao amin'ny faritra ihany koa ny gazety The Guardian :

Faritra midadasika be ao Amerika Atsimo no rakotry ny setroka ateraky ny doro tanety nataon'olombelona amin'ny ankapobeny, mandravarava miainga any amin'ny renivohitra tratry ny haintany ao Ekoatora ka hatrany amin'ny alan'i Chaco any Paragoay ary hatrany amin'ilay ala trôpikaly midadasika indrindra eto an-tany.

Tena zavadoza be ilay setroka ka na ny fiaramanidina nitondra mpandeha ho ao Porto velho, renivohitra manakaiky an'i Rondônia  aza dia tsy afaka nipetraka tao amin'ny seranam-piaramanidina, ary voatery nakatona ireo sekoly.

Vao mainka mety hanamafy ny fatiantok'i brezila ny haintany, Brezila izay mandalo haintany henjana indrindra tsy mbola hitany hatrizay, mamely ny 58 isanjaton'ilay firenena. Mitondra tsindry amin'ireo tolotra fototra famatsiana angovo sy rano ny fiharatsian'ny krizin'ny toetrandro, ary manamafy ireo fampitandremana momba ny mety ho fiantraika ara-toekarena mandritra ny fotoana maharitra aterak'ireo tranga henjana, hoy ny gazety Folha de S.Paulo.

Ireny tranga ireny dia vokatry ny fifangaroan'ny fiovàn'ny toetrandro sy ny fanaovana heloka bevava, hoy Marina da Silva, minisitra breziliàna misahana ny fiovàn'ny toetrandro sy ny tontolo iainana. Izy dia nanao adisisika hisian'ny famaizana faran'izay henjana ho an'ireo afo niniana natao, no sady namaritra ny zavatra iainan'ny firenena amin'izao fotoana izao ho fampihorohoroana ara-toetrandro.”

Misedra fanoherana kely avy amin'ireo vondrona sasantsasany i Silva manoloana ny fiverenan'ny governemanta ankehitriny mandray an-tànana ny fandaharanasa pôlitikam-panjakana iray momba ny tontolo iainana, araka ny tanisain'ny Agência Brasil:

Estamos agora diante de uma situação, é uma combinação de um evento climático extremo que está assolando não só o Brasil, mas o planeta, e criminosos ateando fogo no país.

Ankehitriny isika dia miatrika toedraharaha iray izay fitambaran'ny tranga henjan'ny fiovàn'ny toetrandro, izay mandravarava, tsy i Brezila ihany, fa ny planeta mihitsy, ary ireo mpanao heloka bevava mandoro ny firenena

Niaiky ny filoha breziliàna, Luiz Inácio Lula da Silva, fa “tsy tsara fiomanana hiatrika firehetana ny firenena.” Tao amin'ny kaontiny Instagram, ny 18 Septambra, no nanambaràny ny fanokafana tetibola iray manodidina 94 tapitrisa dôlara amerikàna.

Sary: ny governemanta breziliana manokana 514 tapitrisa Brazilian Reals (USD 94,000,000) hiadiana amin'ireo afo sy haintany any Amazôna.

Taorian'ny fihaonan'ireo Hery Telo izay nataonay omaly, nambaranay ny fanokafana tetibola iray manokana mitentina 514 tapitrisa BRl (manodidina ny USD 94 tapitrisa) hiadiana amin'ny afo. Ezaka iray iombonan'ireo andry federaly rehetra hiadiana amin'ny afo.

Tamin'ny fiandohan'ny volana Ôktôbra, ny governemanta federaly ihany koa dia namoaka didim-panjakana iray mampitombo ny sazy ho an'ireo olona miteraka doroala. Nampitomboin'ilay didim-panjakana ho avo roa heny ihany koa ny lamandy raha any anatin'ireo tanin'ny vazimba teratany no mitranga ny firehetana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.