Miresaka CMO sy GV tao amin'ny Foibe iray tao Azia i Filip Noubel

Nandray anjara tamin'ny lanonam-pandaharan'asan'ny Zo Nomerika an'i Azia Afovoany ho an'ny Fikambanam-piarahamonim-pirenena notontosaina tao amin'ny Biraon'ny Raharaha Iraisampirenena ao amin'ny Anjerimanontolon'i Taiwan i Filip Noubel, lehiben'ny tonian-dahatsoratry ny Global Voices, tamin'ny 16 Aprily 2024. Olona 50 teo ho eo avy amin'ny fikambanam-piarahamonim-pirenena, iraka diplomatika, haino aman-jery, mpihevi-draharaha ary oniversite, hoy ny tatitry ny Asia Centre. Nofaritan'izy ireo lalindalina ihany koa fa ny tanjon'ny hetsika dia ny “hiresaka momba ireo olana mifandraika amin'ny fandisoam-baovao—ny fandrahonana nomerika lehibe indrindra atrehin'ny firenena”. Tsy ny momba ny Global Voices ihany no noresahan'i Noubel fa ny Community Civic Media Observatory ihany koa. Sampana fikarohana ao amin'ny Global Voices ny CMO ary niasa nanomboka tamin'ny taona 2019 mba hanadihady ny fomba fananganana fitantarana ao amin'ny tontolon'ny fampitam-baovao. Ho fanazavana ny zavamisy, niresaka tamin'ny Domino Theory tamin'ny alàlan'ny mailaka ihany koa i Noubel ary nanazava ny asan'ny CMO sy ny tanjony izay azo vakiana ato.

Nilaza ny Asia Centre, tao amin'ny lahatsoratr'izy ireo momba ny lanonana, ny nanoritan'i Noubel “ny fahasarotana sy ny fivoaran'ny fandisoam-baovao haingana. Notanisainy ny herin'ny fitantarana amin'ny famolavolana ny fomba fijerin'ny besinimaro, ny tsy fahatokisana sy ny ffampisaraham-bazana. Nasongadin'i Noubel ny maha-zava-dehibe ny famakafakana fitantarana ao anaty ady amin'ny fandisoam-baovao izay heveriny fa mahomby kokoa raha oharina amin'ny fanamarinana ny zava-misy. Fanampin'izany, ilaina ny fampitomboana ny fahaizan'ny Taiwaney mamantatra ny fampitam-baovao, hoy i Noubel.

Nangonina tao amin'ity lahatsary manaraka nozaraina tao amin'ny fantsona TikTok an'i Asia Centre ity ireo fahatsapana ao anaty fivoriana:

@asiacentreCatch the highlight of Asia Centre's first country meeting of the Digital Rights Programme for Civil Society Organisations that took place on 16 April 2024 in Taipei, Taiwan, hosted by the Office of International Affairs, National Taiwan University (NTU-OIA), with support from @Google Asia-Pacific. #digitalrights #Taiwan #Asia #CSOs #fyp♬ original sound – Asia Centre – Asia Centre


Tratraro ireo songadin'ny fihaonan'ny Programan'ny Zo Nomerika ho an'ny Fiarahamonim-pirenena voalohany izay natao tamin'ny 16 Aprily 2024 tao Taipei, Taiwan, nampiantranoin'ny Biraon'ny Raharaha Iraisampirenena, Ny Oniversite Nasionaly Taiwan (NTU-OIA), tohanan'ny @Google Asia-Pacific. #digitalrights #Taiwan #Asia #CSOs #fyp♬ original sound – Asia Centre – Asia Centre

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.